Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 18

Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah eo Anivon’ny Fiangonana

Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah eo Anivon’ny Fiangonana

“Mifampitondrà foana izay mavesatra, ary tanteraho amin’izany ny lalàn’i Kristy.”—GAL. 6:2.

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

HO HITANAO ATO *

1. Inona no toky ananantsika?

TIA ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra hatramin’izay ka hatramin’izao, ary mbola ho tia azy ireo foana. Tia rariny koa izy. (Sal. 33:5) Afaka matoky àry isika hoe: 1) Malahelo be i Jehovah rehefa iharan’ny tsy rariny ny mpanompony. 2) Tsy havelany hitohy mandrakizay izany, ary hosaziny ireo nanao ny tsy rariny tamintsika. Nianarantsika tao amin’ilay lahatsoratra voalohany tamin’ity andian-dahatsoratra ity * hoe miorina amin’ny fitiavana ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita. Hita amin’izy io fa tian’i Jehovah hahazo rariny ny rehetra, indrindra fa ireo tsy misy mpiahy. (Deot. 10:18) Hita amin’io Lalàna io hoe tena miahy ny mpanompony i Jehovah.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Tsy nanan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy nanomboka tamin’ny taona 33, rehefa niforona ny fiangonana kristianina. Tsy midika anefa izany hoe tsy nanana lalàna niaro azy intsony ny Kristianina. Lasa nanana lalàna vaovao mantsy izy ireo, ary miorina amin’ny fitiavana sy mampirisika ny olona hanao ny rariny koa izy io. Inona io lalàna io? Nahoana izy io no miorina amin’ny fitiavana sy mampirisika ny olona hanao ny rariny? Ary araka io lalàna io, ahoana no tokony hitondrantsika ny hafa raha manana fahefana isika? Handinika an’ireo isika ato.

INONA NO ATAO HOE “LALÀN’I KRISTY”?

3. Inona ilay “lalàn’i Kristy” resahina ao amin’ny Galatianina 6:2?

3 Vakio ny Galatianina 6:2. “Ny lalàn’i Kristy” no mifehy ny  Kristianina. Izay zavatra rehetra nampianarin’i Jesosy no atao hoe “lalàn’i Kristy.” Tsy nanoratra lalàna be dia be ho an’ny mpanara-dia azy izy, fa nanome azy ireo toromarika sy didy ary toro lalana. Hiresaka betsaka kokoa momba an’io lalàn’i Kristy io isika izao.

4-5. Ahoana avy no nampianaran’i Jesosy ny olona, ary oviana izy no nanao an’izany?

4 Ahoana avy no nampianaran’i Jesosy ny olona? Voalohany, tamin’izay nolazainy. Tena nisy heriny ny teniny. Nilaza ny marina momba an’Andriamanitra mantsy izy, sady nampahafantatra ny antony namoronana antsika. Nilaza koa izy hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanafoana ny fijaliana rehetra. (Lioka 24:19) Faharoa, nanome modely izy. Nasehony tamin’ny fomba fiainany hoe ahoana no tokony ho fomba fiainan’ny mpanara-dia azy.—Jaona 13:15.

5 Oviana i Jesosy no nampianatra? Nanao an’izany izy nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Mat. 4:23) Nampianatra ny mpanara-dia azy koa izy taoriana kelin’ny nananganana azy tamin’ny maty. Niseho tamin’ny mpianany maromaro, ohatra, izy ary nandidy azy ireo mba ‘hanao mpianatra.’ Mety ho 500 mahery ny olona nisehoany tamin’izay. (Mat. 28:19, 20; 1 Kor. 15:6) Mbola nampianatra ny mpianany koa i Jesosy rehefa tafaverina tany an-danitra, satria izy no lohan’ny fiangonana. Naniraka ny apostoly Jaona, ohatra, izy mba hampahery sy hanome torohevitra an’ireo Kristianina voahosotra, tamin’ny taona 96 tany ho any.—Kol. 1:18; Apok. 1:1.

6-7. a) Aiza no ahitantsika ny fampianaran’i Jesosy? b) Ahoana no ankatoavantsika ny lalàn’i Kristy?

6 Aiza no ahitantsika ny fampianaran’i Jesosy? Ao amin’ireo Filazantsara efatra. Ireo no miresaka betsaka momba an’izay nolazainy sy nataony tamin’izy tetỳ an-tany. Manampy antsika hahalala kokoa ny fomba fisainan’i Kristy koa ny boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Notarihin’ny fanahy masina mantsy ireo lehilahy nanoratra an’ireo boky ireo sady nanana “ny sain’i Kristy.”—1 Kor. 2:16.

7 Lesona: Mahakasika ny fiainantsika iray manontolo mihitsy ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Afaka mampihatra ny lalàn’i Kristy àry isika na rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika, na rehefa miaraka amin’ny mpiara-manompo, na rehefa any am-piasana, na rehefa any  am-pianarana. Mianatra an’io lalàna io isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny Soratra Grika Kristianina. Mankatò azy io isika rehefa mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny toromarika sy didy ary toro lalana hitantsika ao. Rehefa mankatò ny lalàn’i Kristy isika dia mankatò an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana. Avy aminy mantsy ny zava-drehetra nampianarin’i Jesosy.—Jaona 8:28.

LALÀNA MIORINA AMIN’NY FITIAVANA

8. Miorina amin’ny inona ny lalàn’i Kristy?

8 Rehefa tsara ny fototra iorenan’ny trano, dia mahatsiaro ho voaro ny olona mipetraka ao. Rehefa tsara koa ny fototra iorenan’ny lalàna, dia mahatsiaro ho voaro ny olona manaraka an’izany. Ny fitiavana no fototra iorenan’ny lalàn’i Kristy, ary izany no fototra tsara indrindra. Nahoana isika no milaza hoe miorina amin’ny fitiavana izy io?

Mankatò “ny lalàn’i Kristy” isika rehefa maneho fitiavana (Fehintsoratra 9-14) *

9-10. Milazà ohatra mampiseho hoe ny fitiavana no nahatonga an’i Jesosy hanao zavatra. Ahoana no azontsika anahafana azy?

9 Voalohany, ny fitiavana foana no nahatonga an’i Jesosy hanao zavatra. Porofom-pitiavana ny hoe mangoraka na malahelo an’izay mijaly. Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny vahoaka, hanasitrana ny marary, hanome sakafo ny noana, ary hanangana ny maty. (Mat. 14:14; 15:32-38; Mar. 6:34; Lioka 7:11-15) Marina fa nitaky fotoana sy hery be dia be taminy izany. Vonona ny hampandefitra an’izay nilainy anefa izy mba hahasoa ny hafa. Nahafoy ny ainy mihitsy aza izy mba hamonjena ny olona, ary izany no fomba lehibe indrindra nampisehoany hoe tia antsika izy.—Jaona 15:13.

10 Lesona: Afaka manahaka an’i Jesosy isika, ka mitady an’izay hahasoa ny hafa aloha vao mieritreritra an’izay ilaintsika. Manahaka azy koa isika raha miezaka mangoraka ny olona eny amin’ny faritany. Mankatò ny lalàn’i Kristy isika raha mangoraka ny olona, ka mitory sy mampianatra azy ireny.

11-12. a) Ahoana no ahalalantsika hoe tena miahy antsika i Jehovah? b) Ahoana no anahafantsika ny fitiavan’i Jehovah?

11 Faharoa, nampahafantarin’i Jesosy hoe tena tia antsika ny Rainy. Nasehon’i Jesosy nandritra ny fanompoany hoe tena miahy ny mpanompony i Jehovah. Nampianatra, ohatra, izy hoe tena sarobidy amin’ilay Raintsika any an-danitra isika tsirairay. (Mat. 10:31) Nampianariny koa fa tena vonona ny handray an’ireo ondry very mibebaka sy miverina amin’ny fiangonana i Jehovah. (Lioka 15:7, 10) Nilaza koa izy hoe nanome ny Zanany i Jehovah mba ho sorona hanavotana antsika, satria tena tiany isika.—Jaona 3:16.

12 Lesona: Ahoana no anahafantsika ny fitiavan’i Jehovah? (Efes. 5:1, 2) Mihevitra an’ireo rahalahy sy anabavy tsirairay ho sarobidy isika, ary faly isika mandray an’ireo “ondry very” miverina amin’i Jehovah. (Sal. 119:176) Porofointsika koa hoe tiantsika ny mpiara-manompo ka mahafoy tena manampy azy ireo isika, indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra izy ireo. (1 Jaona 3:17) Mankatò ny lalàn’i Kristy isika rehefa asehontsika amin’ny hafa hoe tiantsika izy ireo.

13-14. a) Araka ny Jaona 13:34, 35, inona no didy nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy? Nahoana io didy io no vaovao? b) Ahoana no azontsika ankatoavana an’io didy io?

13 Fahatelo, nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ho be fitiavana ka hahafoy tena ho an’ny hafa. (Vakio ny Jaona 13:34, 35.) Nahoana no vaovao io didy nomen’i Jesosy io? Satria hafa mihitsy ilay fitiavana takin’izy io, raha oharina amin’ilay fitiavana notakin’i Jehovah tamin’ny Israelita. Araka io didy vaovao io, dia tokony ho tia ny mpiara-manompo hoatran’ny nitiavan’i Jesosy antsika isika, ka hahafoy tena ho azy ireo. * Tokony ho tiantsika mihoatra noho ny tenantsika  izy ireo. Tokony ho tena tia azy ireo isika, ka ho vonona ny hamoy ny aintsika ho azy ireo mihitsy, hoatran’ny nataon’i Jesosy tamintsika ihany.

14 Lesona: Ahoana no ankatoavantsika an’io didy vaovao io? Raha tsorina, dia mila manao sorona ho an’ireo rahalahy sy anabavy isika. Fointsika ho azy ireo na dia ny aintsika aza. Tsy io sorona lehibe io ihany anefa no hataontsika ho azy ireo, fa ny sorona madinika koa. Inona, ohatra, izany? Mety hiezaka be isika mba hitondra rahalahy na anabavy be taona handeha hivory tsy tapaka. Mety hampandefitra an’izay tiantsika koa isika, satria te hampifaly ny mpiara-manompo amintsika. Mangataka andro tsy hiasana koa angamba isika mba hanampiana tra-boina. Rehefa manao hoatr’izany isika, dia mankatò ny lalàn’i Kristy sady manampy ny olona eo anivon’ny fiangonana mba tsy hanana ahiahy.

LALÀNA MAMPIRISIKA NY OLONA HANAO NY RARINY

15-17. a) Ahoana no ahitana hoe tia rariny i Jesosy? b) Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy?

15 Ny hoe “manao ny rariny”, ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe manao izay lazain’Andriamanitra fa marina sy mahitsy ary manao izany amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Nahoana isika no milaza hoe mampirisika antsika hanao ny rariny ny lalàn’i Kristy?

Tsara fanahy tamin’ny vehivavy sy nanaja azy ireo i Jesosy, anisan’izany ireo nohambanian’ny olona (Fehintsoratra 16) *

16 Voalohany, hita amin’ny zavatra nataon’i Jesosy hoe tia rariny izy. Tsy mba nanao hoatran’ny mpitondra fivavahana jiosy izy. Nankahala ny hafa firenena taminy mantsy izy ireo, ary nanambany ny Jiosy tsy nahita fianarana sady tsy nanaja vehivavy. I Jesosy kosa nanao ny rariny tamin’ny olona rehetra sady tsy nanavakavaka. Noraisiny tsara, ohatra, ny olona hafa firenena naneho finoana azy. (Mat. 8:5-10, 13) Nitory tamin’ny olona rehetra koa izy na ny manankarena na ny mahantra. (Mat. 11:5; Lioka 19:2, 9) Tsy nasiaka tamin’ny vehivavy izy na nampijaly azy ireo. Tsara fanahy sy nanaja azy ireo izy, anisan’izany ireo nohambanian’ny olona.—Lioka 7:37-39, 44-50.

17 Lesona: Afaka manahaka an’i Jesosy isika ka tsy manavakavaka mihitsy ary mitory amin’izay olona rehetra vonona hihaino, na mahantra izy na manankarena ary na inona na inona fivavahany. Manahaka azy koa ny lehilahy kristianina ka manaja vehivavy. Mankatò ny lalàn’i Kristy isika rehefa manao an’ireo.

18-19. Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny rariny, ary inona no lesona ianarantsika avy amin’izany?

18 Faharoa, nampianatra momba ny rariny i Jesosy. Nanome toro lalana, ohatra, izy mba hanampiana ny mpanara-dia azy hanao ny rariny. Anisan’izany ilay ao amin’ny Matio 7:12. Tiantsika rehetra raha manao ny rariny amintsika ny hafa. Tokony hanao ny rariny amin’izy ireo àry isika, amin’izay ry zareo mba mety hanao ny rariny amintsika. Natoron’i Jesosy koa hoe ahoana no hatao rehefa iharan’ny tsy rariny isika. Nampirisika ny mpanara-dia azy izy mba hatoky hoe ‘hataon’Andriamanitra izay hampiharana ny rariny amin’ny olona mitaraina aminy andro aman’alina.’ (Lioka 18:6, 7) Manome toky antsika ireo teny ireo hoe fantatr’ilay Andriamanitra tia rariny ny olana manjo antsika amin’izao andro farany izao, ary hampihatra ny rariny amintsika izy amin’ny fotoana mety.—2 Tes. 1:6.

19 Lesona: Hanao ny rariny isika, raha manaraka ny toro lalana nampianarin’i Jesosy. Raha isika indray no niharan’ny tsy rariny eto amin’ity tontolon’i Satana ity, dia mampahery ny mahalala hoe tsy maintsy hampihatra ny rariny amintsika i Jehovah amin’ny hoavy.

AHOANA RAHA MANANA FAHEFANA ISIKA?

20-21. a) Ahoana no tokony hitondrantsika ny hafa raha manana fahefana isika? b) Ahoana no hataon’ny lehilahy amin’ny vadiny raha be fitiavana sy mahafoy tena izy? Ary ahoana no tokony hitondrany ny zanany?

20 Raha manana fahefana isika dia ahoana no tokony hitondrantsika ny hafa, araka ny lalàn’i Kristy? Miorina amin’ny fitiavana io lalàna io, ka  tokony hampiseho fitiavana amin’ireo olona iandraiketantsika isika sady tokony hanaja azy ireo. Tadidio fa ny fitiavana no mampiavaka an’i Kristy, ary tiany hanahaka azy isika amin’izay rehetra ataontsika.

21 Rehefa miaraka amin’ny fianakaviana. Tokony ho tia ny vadiny hoatran’ny “nitiavan’i Kristy ny fiangonana” ny lehilahy. (Efes. 5:25, 28, 29) Nahafoy tena nanampy ny hafa i Kristy satria be fitiavana. Hoatr’izany koa no tokony hataon’ny lehilahy. Izay ilain’ny vadiny sy izay hahasoa azy aloha no tokony hoeritreretiny, izay vao ny tenany. Sarotra amin’ny lehilahy sasany ny hampiseho fitiavana hoatr’izany. Mety ho tsy nampianarina azy hatramin’ny mbola kely mantsy hoe zava-dehibe ny maneho fitiavana sy manao ny rariny. Tsy mora amin’ireny lehilahy ireny angamba ny hiova, nefa tsy maintsy miezaka izy ireny raha te hanaraka ny lalàn’i Kristy. Hohajain’ny vadiny ny lehilahy maneho fitiavana sy mahafoy tena hoatr’izany. Raha tena tia ny zanany koa ny lehilahy iray, dia tsy hampijaly azy ireo mihitsy, na amin’izay lazainy na amin’izay ataony. (Efes. 4:31) Hasehony kosa hoe tia sy mankasitraka ny zanany izy, amin’izay izy ireo tsy hanana ahiahy. Ho tia sy hatoky azy ny zanany vokatr’izany.

22. Araka ny 1 Petera 5:1-3, an’iza ny “ondry” ary ahoana no tokony hitondrana azy ireo?

22 Rehefa miaraka amin’ny mpiara-manompo. Tokony hotadidin’ny anti-panahy hoe tsy an-dry zareo ny “ondry.” (Jaona 10:16; vakio ny 1 Petera 5:1-3.) An’i Jehovah ny ondry ary mampahatsiahy an’izany ireo teny hoe “andian’ondrin’Andriamanitra” sy hoe “lovan’Andriamanitra.” Tiany raha hanehoana fitiavana sy hatsaram-panahy ny ondriny. (1 Tes. 2:7, 8) Mahazo sitraka amin’i Jehovah ireo anti-panahy mikarakara ny ondry amim-pitiavana. Ho tian’ireo rahalahy sy anabavy koa izy ireo sady hohajainy.

23-24. a) Inona no andraikitry ny anti-panahy rehefa misy olona nanao fahotana lehibe? b) Inona avy no tokony hoeritreretin’ny anti-panahy rehefa mandamina olana hoatr’izany izy ireo?

23 Inona àry no andraikitry ny anti-panahy rehefa  misy olona nanao fahotana lehibe? Tsy mitovy amin’ny an’ny mpitsara sy anti-panahy teo ambany Lalàn’i Mosesy ny andraikitry ny anti-panahy amin’izao andro izao. Teo ambany Lalàn’i Mosesy, dia nikarakara ny raharaha mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ireny lehilahy ireny, sady nitsara ny ady heloka sy ny ady madio. * Inona kosa no andraikitry ny anti-panahy, eo ambany lalàn’i Kristy? Rehefa misy olona nanota, dia izay lafiny mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ihany no iandraiketan’izy ireo. Eken’izy ireo hoe ny manam-pahefana eto amin’ity tontolo ity aloha izao no avelan’Andriamanitra hitsara ny heloka bevava sy ny zavatra madinika kokoa. Tafiditra amin’izany ny manasazy, ohatra hoe mitaky onitra na managadra.—Rom. 13:1-4.

24 Ahoana no ataon’ny anti-panahy rehefa misy olona anisan’ny fiangonana nanao fahotana lehibe? Mampiasa ny Soratra Masina ry zareo mba handinihana ny zava-misy sy handraisana fanapahan-kevitra. Mitadidy foana izy ireo fa miorina amin’ny fitiavana ny lalàn’i Kristy. Ny fitiavana no hahatonga ny anti-panahy hieritreritra hoe ahoana no hanampiana an’izay olona nanaovan-dratsy eo anivon’ny fiangonana. Ny fitiavana koa no handrisika azy ireo hieritreritra hoe: Mibebaka ve ilay olona nanao ratsy? Mbola azo ampiana ve izy mba hifandray tsara amin’i Jehovah indray?

25. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

25 Tena faly isika manana ny lalàn’i Kristy! Rehefa miezaka mafy mankatò azy io isika rehetra, dia lasa mahatsapa ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana hoe tiana sy ilaina ary voaro. ‘Vao mainka miharatsy kokoa’ anefa “ny ratsy fanahy” eto amin’ity tontolo misy antsika ity, ka mila mitandrina foana isika. (2 Tim. 3:13) Ahoana àry no hanaovan’ny fiangonana ny rariny hoatran’i Jehovah rehefa misy ankizy nisy nametaveta? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 15 Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!

^ feh. 5 Ity lahatsoratra ity sy ny roa manaraka dia anisan’ny andian-dahatsoratra miresaka hoe nahoana isika no afaka matoky fa be fitiavana sy manao ny rariny i Jehovah. Tsy tiany hiharan’ny tsy rariny ny mpanompony, ary ampahereziny izy ireo raha iharan’izany eto amin’ity tontolo ity.

^ feh. 1 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Hita Amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2019.

^ feh. 13 FANAZAVANA: Raha be fitiavana isika ka mahafoy tena ho an’ny hafa, dia izay ilain’izy ireo sy izay hahasoa azy ireo aloha no hoeritreretintsika, izay vao ny antsika. Vonona ny handefitra isika na hamoy zavatra, raha izay no hahasoa azy ireo na hanampy azy.

^ feh. 23 Ny atao hoe fitsarana ady heloka dia fitsarana heloka sy heloka bevava, anisan’izany ny halatra, fandrobana, na famonoana olona. Ny atao hoe fitsarana ady madio kosa dia fitsarana tsy fifanarahana toy ny ady tany, fandikana fifanekena ara-barotra, ary trosa tsy voaloa. Milaza ho niharan’ny tsy rariny ny andaniny iray, noho ny nataon’ny ankilany. Matetika mantsy no tsy nanaja an’izay nifanarahana ny ankilany.

^ feh. 62 SARY: Maty ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray. Mandinika azy i Jesosy, dia mangoraka azy ka manangana an’ilay zanany.

^ feh. 64 SARY: Misakafo ao an-tranon’ny Fariseo antsoina hoe Simona i Jesosy, dia misy vehivavy iray koa eo. Mpivaro-tena angamba izy io. Vao avy nanasa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny ranomasony izy. Nohamaininy tamin’ny volony izany avy eo sady norarahany menaka. Tsy faly tamin’ilay vehivavy i Simona nefa niaro azy i Jesosy.