Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Ry Tanora, Miezaha ho Mafy Orina mba Hahatohitra ny Devoly

Ry Tanora, Miezaha ho Mafy Orina mba Hahatohitra ny Devoly

“Tafio daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.”—EFES. 6:11.

HIRA: 79, 140

1, 2. a) Nahoana ny tanora kristianina no mahavita mandresy an’ireo anjely ratsy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no hodinihintsika ato?

NAMPITAHAIN’NY apostoly Paoly tamin’ny miaramila isika Kristianina, satria manana fahavalo ary tsy maintsy miady amin’izy ireo. Tsy olombelona anefa ireo fahavalontsika ireo fa anjely. Tsy iza izany fa i Satana sy ny demonia. Tena misy izy ireo, ary mahay miady be sady efa niady nandritra ny taona maro. Raha jerena maimaika, dia hoatran’ny hoe atody miady amam-bato isika, indrindra fa ny tanora. Hahavita handresy an’ireo fahavalo tena mahery ireo ve ny tanora? Eny! Efa mandresy mihitsy aza izy ireo. ‘Mahazo hery mandrakariva amin’ny alalan’ny Tompo’ mantsy izy ireo, izany hoe omen’i Jehovah hery. Toy ny miaramila efa nampiofanina tsara koa izy ireo, satria ananany daholo “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra.”—Vakio ny Efesianina 6:10-12.

2 Mety ho ny fiadiana fiarovana nanaovan’ny miaramila romanina no tao an-tsain’i Paoly tamin’izy nilaza an’io fanoharana io. (Asa. 28:16) Ho hitantsika ato hoe nahoana no mety tsara ilay  fanoharana. Ho hitantsika amin’ny tenin’ny tanora sasany voaresaka ato koa fa mety ho sarotra nefa mahasoa ny manao an’ireo fiadiana fiarovana ara-panahy.

Eny aminao daholo ve ny fiadiana fiarovana?

‘ATAOVY FEHIKIBO NY FAHAMARINANA’

3, 4. Nahoana no azo ampitovina amin’ny fehikibon’ny miaramila romanina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

3 Vakio ny Efesianina 6:14. Nisy takela-by maromaro teo amin’ny fehikibon’ny miaramila romanina, mba hiarovana ny valahany. Nanohana ny fiarovan-tratrany tsy hitambesatra loatra aminy izy io. Nisy fametrahana sabatra sy sabatra kely koa ny fehikibo sasany, ary mafy tsara io fametrahana sabatra io. Natoky tena tsara ny miaramila tany an’ady, rehefa tsy goragora ny fehikibony fa nipetraka tsara.

4 Toa an’ilay fehikibo ny fahamarinana ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria miaro antsika amin’ny vokatry ny fampianaran-diso. (Jaona 8:31, 32; 1 Jaona 4:1) Raha miezaka isika mba ho tia bebe kokoa ny zavatra ianarantsika, dia ho mora kokoa amintsika ny hankatò ny fitsipik’Andriamanitra, izany hoe ho maivana kokoa ilay “fiarovan-tratra.” (Sal. 111:7, 8; 1 Jaona 5:3) Rehefa azontsika tsara koa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia lasa matoky tena isika ka mahavita miaro azy io eo anatrehan’ny mpanohitra.—1 Pet. 3:15.

5. Nahoana isika no tokony hilaza ny marina foana?

5 Tokony ho toy ny fehikibo mifatotra tsara manodidina ny valahantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, izany hoe tokony hifikirantsika. Hazoto hampihatra an’ilay izy isika amin’izay, sady hilaza ny marina foana. Nahoana tokoa moa isika no tsy mandainga? Satria anisan’ny fitaovam-piadiana mandaitra indrindra ampiasain’i Satana ny lainga. Samy voa na ilay olona mandainga na ny olona mino ny teniny. (Jaona 8:44) Miezaka mafy araka izay vitantsika àry isika, na dia tsy lavorary aza, mba tsy handainga mihitsy. (Efes. 4:25) Mety ho sarotra anefa izany! Hoy i Abigail, 18 taona: “Tsy hitanao angamba indraindray izay mahatsara ny milaza ny marina, indrindra fa rehefa mieritreritra ianao hoe mety hanavotra anao ny lainga.” Nahoana anefa izy no miezaka foana hilaza ny marina? Hoy izy: “Rehefa milaza ny marina aho, dia lasa madio ny eritreritro eo anatrehan’i Jehovah. Lasa matoky ahy koa ny ray aman-dreniko sy ny namako.” Hoy koa i Victoria, 23 taona: “Marina hoe mety hampijalin’ny olona ianao rehefa milaza ny marina sy miaro ny zavatra inoanao. Mandray soa be dia be anefa ianao: Lasa matoky tena ianao, mifandray kokoa amin’i Jehovah, ary hajain’ny olona tia anao.” Tsy hitanao amin’izany ve hoe tena ilaina foana ny manao an’ilay fehikibo, dia ny fahamarinana?

Fehikibo: Ny fahamarinana (Fehintsoratra 3-5)

“TAFIO NY FAHITSIANA HO FIAROVAN-TRATRA”

6, 7. Nahoana no ampitovina amin’ny fiarovan-tratra ny fahitsiana?

6 Mety ho vita tamin’ny takela-by maromaro mifanindry ilay fiarovan-tratra nanaovan’ny miaramila romanina. Natao mihodidina ny tratrany sy ny lamosiny ireo takela-by ireo. Tady kely hoditra misadikadika amin’ny faraingo vy no nanidiana azy. Takela-by maromaro nofatorana tamin’ny tady hoditra koa no nanarona ny sorok’ilay miaramila. Marina fa tsy afaka nihetsika tsara izy rehefa nanao an’io fiarovan-tratra io. Tsy maintsy nojereny matetika koa raha nifatotra tsara ireo takela-by. Na izany aza, dia tena nilaina izy io, satria niaro ny fony sy ny taovany hafa mba tsy ho voatrobaky ny sabatra sy ny lefon’ny fahavalo.

7 Mety tsara raha ampitovina amin’ny fiarovan-tratra ny fahitsiana, na ny fitsipik’i Jehovah momba izay atao hoe mahitsy. Miaro ny fontsika an’ohatra mantsy izy io. (Ohab. 4:23) Tsy hatakalon’ny miaramila fiarovan-tratra vita amin’ny metaly malemy kokoa ilay fiarovan-tratra vita amin’ny vy. Hoatr’izany koa isika. Tsy hatakalontsika an’izay heverintsika fa mety ny fitsipik’i Jehovah. Tsy tena manam-pahendrena mantsy isika, ka tsy afaka ny hiaro ny fontsika. (Ohab. 3:5, 6) Tokony  hojerentsika matetika àry raha mifatotra tsara ny ‘fiarovan-tratrantsika’, ka voaro ny fontsika.

8. Nahoana isika no mila manaraka ny fitsipik’i Jehovah foana?

8 Mieritreritra ve ianao indraindray hoe maneritery anao na misakana anao tsy hanao izay tianao ny fitsipik’i Jehovah? Hoy i Daniel, 21 taona: “Nihomehezan’ny mpiara-mianatra tamiko sy ny mpampianatra aho satria manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Nisy fotoana aho lasa tsy natoky tena sady kivy.” Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Tonga saina ihany aho hoe misy tombony be ny manaraka ny tenin’i Jehovah. Nisy tamin’ny ‘namako’ lasa nifoka rongony, ny sasany tsy nianatra intsony. Nampalahelo ny niafaran-dry zareo. Hita hoe tena miaro antsika i Jehovah.” Hoy koa i Madison, 15 taona: “Sarotra amiko ny manaraka foana ny fitsipik’i Jehovah, dia tsy manao an’ireo zavatra mahafinaritra ny tanora mitovy taona amiko.” Ahoana no ataony? Hoy izy: “Ezahiko tadidina foana hoe izaho anie mitondra ny anaran’i Jehovah e! Dia mampiasa fakam-panahy i Satana mba hamonoana ahy. Isaky ny mahavita manaraka ny fitsipik’i Jehovah aho, dia mahatsiaro ho sambatra.”

Fiarovan-tratra: Ny fahitsiana (Fehintsoratra 6-8)

“KIRAROY FAHAVONONANA HITORY NY VAOVAO TSARAN’NY FIHAVANANA NY TONGOTRAREO”

9-11. a) Inona ilay kiraro anaovan’ny Kristianina? b) Inona no azontsika atao mba ho vonona hitory isika?

9 Vakio ny Efesianina 6:15. Tsy vonona handeha hiady ny miaramila romanina raha tsy nanao kiraro. Kapa somary miakatra kely hatreo ambanin’ny ranjo ny kirarony. Vita tamin’ny hoditra telo sosona ilay izy, ka afaka namikitra tsara ny tongony rehefa nandeha izy. Sady nateza ilay kiraro no nampahazo aina tsara.

10 Toy ny hoe manao kiraro koa isika rehefa vonona hitory ny vaovao tsara. Tsy mitovy amin’ny an’ny miaramila romanina anefa ny kirarontsika. Ny kiraron’izy ireo mantsy nanampy azy handresy tamin’ny ady, fa ny antsika kosa mahatonga antsika hanampy ny olona ho tia fihavanana. (Isaia 52:7; Rom. 10:15) Ilana herim-po anefa indraindray ny mitory. Hoy i Bo, 20 taona: “Tsy sahy nitory tamin’ny mpiara-mianatra tamiko aho taloha fa menatra. Rehefa mieritreritra an’izany anefa aho izao, dia tsy azoko hoe naninona aho no menatra. Faly aho izao mitory amin’ny tanora hoatr’ahy.”

11 Hitan’ny tanora kristianina maro hoe vonona kokoa hitory ry zareo rehefa miomana tsara. Inona no azonao atao mba ho vonona hitory ianao? Hoy i Julia, 16 taona: “Asiako boky na gazety foana ao anaty kitapoko. Henoiko koa ny mpiara-mianatra amiko rehefa milaza ny heviny sy miresaka ny zavatra inoany. Afaka mitady hevitra hanampiana an-dry zareo aho avy eo. Rehefa miomana tsara aho, dia afaka miresaka an’izay tena mahasoa azy ireo.” Hoy koa i Makenzie, 23 taona: “Raha tsara fanahy sy mihaino tsara ianao, dia lasa fantatrao hoe inona no mahazo ny tanora hoatr’anao. Vakiko daholo ireo zavatra natao ho an’ny tanora. Amin’izay azoko atoro azy ireny ao amin’ny Baiboly na ao amin’ny jw.org izay zavatra mety hanampy azy.” Hita avy amin’izany hoe ho vonona hitory ianao rehefa miomana tsara, ka ho toy ny hoe mamikitra tsara amin’ny kiraronao ny tongotrao.

Kiraro: Ny fahavononana hitory (Fehintsoratra 9-11)

“RAISO NY AMPINGA LEHIBE, DIA NY FINOANA”

12, 13. Inona no “zana-tsipìka mirehitra” mety halefan’i Satana?

12 Vakio ny Efesianina 6:16. Nitondra “ampinga lehibe” ny miaramila romanina. Mahitsizoro ilay ampinga, ary nanarona ny sorony hatrany amin’ny lohaliny. Niaro azy tamin’ny zana-tsipìka sy ny fitaovam-piadiana hafa nampiasain’ny fahavalo ilay ampinga.

13 Inona no “zana-tsipìka mirehitra” mety hamelezan’i Satana anao? Mety hataony, ohatra, izay hahatonga anao hino hoe tsy miraharaha anao i Jehovah sady tsy tia anao. Lainga  anefa izany. Hoy i Ida, 19 taona: “Mieritreritra aho matetika hoe lavitra ahy i Jehovah sady tsy te hinamana amiko.” Inona no manampy azy? Hoy izy: “Tena manatanjaka ny finoako ny fivoriana. Taloha aho nipetraka fotsiny dia tsy nanome valin-teny mihitsy. Nieritreritra aho mantsy hoe tsisy ho liana amin’izay hoteneniko. Omaniko tsara anefa izao ny fivoriana, dia miezaka aho mamaly indroa na intelo. Sarotra ilay izy, saingy faly kokoa aho rehefa miezaka hoatr’izany. Mampahery be koa ny mpiara-manompo. Isaky ny avy mivory aho, dia mahazo toky hoe tian’i Jehovah.”

14. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Ida?

14 Misy lesona lehibe ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Ida. Tsy niovaova ny haben’ilay ampinga nentin’ny miaramila romanina. Tsy hoatr’izany kosa ny ampingantsika, dia ny finoana. Mety hihakely izy io na hihalehibe. Miankina amintsika ihany anefa izany. (Mat. 14:31; 2 Tes. 1:3) Tena ilaintsika àry ny mampitombo ny finoantsika.

Ampinga lehibe: Ny finoana (Fehintsoratra 12-14)

ANAOVY “NY FIAROVAN-DOHAN’NY FAMONJENA”

15, 16. Nahoana no hoatran’ny fiarovan-doha ny fanantenana?

15 Vakio ny Efesianina 6:17. Nanao fiarovan-doha ny miaramila romanina mba hiarovana ny lohany sy ny tendany ary ny tarehiny. Nisy fitazonana azy ny fiarovan-doha sasany, ka azon’ilay miaramila nentina tanana.

16 Miaro ny fahaizantsika misaina ny “fanantenana famonjena”, hoatran’ilay fiarovan-doha niaro ny atidohan’ny miaramila romanina. (1 Tes. 5:8; Ohab. 3:21) Manampy antsika hifantoka amin’ny zavatra nampanantenain’i  Jehovah ny fanantenantsika, sady manampy antsika tsy ho kivy rehefa miatrika olana. (Sal. 27:1, 14; Asa. 24:15) Raha tiantsika hiaro antsika anefa ilay “fiarovan-doha”, dia tokony ho eny amin’ny lohantsika fa tsy eny an-tanantsika. Midika izany fa tokony hino isika hoe azo antoka ny fanantenantsika.

17, 18. a) Inona no mety hataon’i Satana mba hahatonga antsika hanala ny fiarovan-dohantsika? b) Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy voafitany isika?

17 Ataon’i Satana izay hanesorantsika ny fiarovan-dohantsika. Ahoana no anaovany an’izany? Diniho izay nataony tamin’i Jesosy. Fantany ny fanantenan’i Jesosy, dia ny hoe ho lasa mpanjakan’ny olombelona. Tsy maintsy nijaly sy maty anefa aloha i Jesosy, ary avy eo niandry ny fotoana hanendren’i Jehovah azy ho Mpanjaka. Naka fanahy azy àry i Satana mba ho tanteraka aloha kokoa ilay fanantenany. Nilaza izy fa raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany i Jesosy, dia eo no ho eo ihany dia ho lasa mpanjakan’izao rehetra izao. (Lioka 4:5-7) Fantatr’i Satana koa fa mampanantena antsika i Jehovah hoe hiadana isika rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Mbola mila miandry anefa aloha isika, sady mety hiatrika olana mandra-pahatongan’izany. Maka fanahy antsika àry i Satana, amin’izay isika mitady an’izany fiainana mampiadana izany dieny izao, ka ilay Fanjakana indray no hataontsika eo amin’ny toerana faharoa.—Mat. 6:31-33.

18 Tanora kristianina maro no tsy voafitak’i Satana. Anisan’izany i Kiana, 20 taona. Hoy izy: “Fantatro hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azo antenaina hamaha ny olana rehetra mahazo antsika.” Inona no vokatr’izany fanantenany izany eo amin’ny fomba fisainany sy ny zavatra ataony? Rehefa mieritreritra ny Paradisa izy, dia lasa mitadidy hoe mihelina ihany ny zavatra eto amin’ity tontolo ity. Hoy izy: “Tsy manararaotra ny talentako aho mba hahazoana vola be. Tsy miezaka ny hahazo toerana ambony amin’izay asa ataoko koa aho, fa ampiasaiko hanatratrarana tanjona ara-panahy ny fotoanako sy ny heriko.”

Fiarovan-doha: Ny fanantenana famonjena (Fehintsoratra 15-18)

RAISO “NY SABATRY NY FANAHY”, DIA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

19, 20. Ahoana no hahatonga antsika ho kinga kokoa rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra?

19 Nirefy 50 santimetatra teo ho eo ny halavan’ny sabatry ny miaramila romanina, tamin’ny andron’i Paoly. Kinga be ireny miaramila ireny rehefa nampiasa ny sabany, satria nanao fanazaran-tena isan’andro.

20 Nampitahain’i Paoly tamin’ny sabatra ny Tenin’Andriamanitra. Mila haintsika tsara ny mampiasa azy io, amin’izay isika afaka miaro ny finoantsika na manitsy ny fomba fisainantsika. (2 Kor. 10:4, 5; 2 Tim. 2:15) Ahoana no hahatonga antsika ho kinga kokoa rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra? Hoy i Sebastian, 21 taona: “Isaky ny mamaky toko iray ao amin’ny Baiboly aho, dia mifidy andininy iray tena tiako. Soratako ilay izy avy eo, dia lasa manana andininy be dia be aho. Lasa mitovy kokoa amin’ny an’i Jehovah amin’izay ny fomba fisainako.” Hoy i Daniel, ilay voaresaka tetsy aloha: “Rehefa mamaky Baiboly aho, dia jereko izay andininy eritreretiko hoe mety hanampy ny olona hitoriako. Mandray tsara ny olona rehefa hitany hoe tena tia Baiboly ianao sady miezaka mafy hanampy azy.”

Sabatry ny fanahy: Ny Tenin’Andriamanitra (Fehintsoratra 19-20)

21. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra an’i Satana sy ny demonia?

21 Hitantsika avy amin’izay nolazain’ireo tanora ireo, fa tsy tokony hatahotra an’i Satana sy ny demonia isika. Anjely mahery izy ireny nefa mety maty, ary azo atao ny mandresy azy. Tsy ho ela dia hogadraina ireny anjely ireny, ka tsy ho afaka hanisy ratsy ny olona mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Horinganina izy ireo aorian’izay. (Apok. 20:1-3, 7-10) Fantatsika àry izao hoe iza ilay fahavalontsika, ary inona no tetika ampiasainy sy ny tanjony. Ho vitantsika ny hanohitra azy satria manampy antsika i Jehovah!