Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

Nahantra Nefa Lasa Nanan-karena

Nahantra Nefa Lasa Nanan-karena

Teto Etazonia aho no teraka, tany Liberty, tanàna kely any Indiana. Trano hazo tsy nisy afa-tsy efitra tokana no nisy anay. Efa nanana zoky lahy sy zoky vavy roa aho tamin’izay. Lasa nanan-jandry roa lahy sy zandry vavy iray koa aho.

Ilay trano hazo nisy anay, tamin’izaho teraka

TSY dia nisy zava-baovao tany an-tanànanay. Izay niray kilasy taminao tamin’ny taona voalohany ihany no niray kilasy taminao hatramin’ny taona famaranana. Hainao ny anaran’ny ankabeazan’ny olona tao an-tanàna, dia ry zareo koa nahafantatra ny anao.

Fito mianadahy izahay. Niana-javatra betsaka momba ny fambolena aho rehefa nihalehibebe

Feno toeram-pambolena nanodidina an’i Liberty, dia katsaka no tena nambolen’ny olona. Niasa tamina tantsaha iray i Dada, tamin’izaho teraka. Rehefa lehibebe aho, dia nianatra nitondra traktera sy nianatra zavatra hafa momba ny fambolena.

Tsy nahita an’i Dada tamin’izy mbola tanora aho. Efa 56 taona izy tamin’izaho teraka, ary i Neny 35 taona. Salama tsara sy natanjaka anefa i Dada. Izy koa kelikely izay. Tia niasa mafy izy, ary nampianariny ho tia an’izany koa ny zanany rehetra. Tsy mba nikarama be izy, kanefa nanan-kohanina sy trano nipetrahana ary fitafiana foana izahay. Teo foana koa izy rehefa nila fanampiana izahay. Maty i Dada tamin’izy 93 taona, ary i Neny tamin’izy 86 taona. Tsy nisy nanompo an’i Jehovah izy mivady. Zandriko lahy iray izay no anti-panahy efa hatramin’ny 1972.

TAMIN’IZAHO MBOLA KELY

Mpivavaka be i Neny ary nentiny nivavaka tany amin’ny fiangonana batista izahay isaky ny alahady. Tamin’izaho 12 taona no nandre voalohany an’ilay  hoe Andriamanitra telo izay iray. Nanontaniako i Neny hoe: “Fa ahoana koa i Jesosy no sady Zanaka no Ray?” Nilaza izy hoe: “Mistery izany anaka! Tsy natao ho azontsika mihitsy izany.” Dia tena tsy azoko tokoa aloha ilay izy e! Natao batisa ihany anefa aho tamin’izaho 14 taona teo ho eo. Tao amin’ny sakelidrano iray ilay izy no natao, dia naroboka intelo aho: Ho an’ny Ray, ho an’ny Zanaka, dia ho an’ny fanahy masina.

1952: Tamin’izaho 17 taona, talohan’izaho voantso ho miaramila

Nana-namana mpanao ady totohondry aho, teny amin’ny lise. Nandresy lahatra ahy hanao ady totohondry izy, dia mba nianatra aho. Niditra ho anisan’ny fikambanana mpanao ady totohondry (Golden Gloves) koa aho. Tsy dia nahay anefa aho, ka fifaninanana vitsivitsy fotsiny no nataoko dia nijanona aho. Voantso ho anisan’ny tafika amerikanina aho tatỳ aoriana, ary nalefa tany Alemaina. Nampidirin’ireo lehibeko tany amin’ny sekoly fiofanana ho manamboninahitra aho tamin’izaho tany. Mahay mitondra olona, hono, mantsy aho. Tian-dry zareo hatokako ho an’ny tafika ny fiainako. Izaho anefa tsy te hanao an’izany. Rehefa vita àry ny roa taona notakina tamiko tamin’ny 1956, dia niala aho. Niditra ho anisan’ny tafika hafa anefa aho, tsy ela taorian’izay.

1954-1956: Tao amin’ny tafika amerikanina aho nandritra ny roa taona

FIAINAM-BAOVAO

Nanana hevi-diso momba ny atao hoe tena lehilahy aho tamin’izany. Nisy vokany be tamiko mantsy ny filma sy ny fomba fisainan’ny olona nanodidina ahy. Vavivavy toetra no fahitako an’izay lehilahy mitory momba ny Baiboly. Nisy zavatra nianarako anefa nanova be ahy. Nandehandeha nitondra an’ilay fiarako menamena tsara tarehy izay aho, indray mandeha, dia nisy tovovavy roa nanofahofa tanana niantso ahy. Fantatro ry zareo satria zandrin’ny zaodahiko, vadin’ny zokiko vavy. Vavolombelon’i Jehovah izy roa. Efa nandray Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin-dry zareo aho, saingy sarotra be tamiko Ny Tilikambo Fiambenana. Fa tamin’io ry zareo nanasa ahy hanatrika Fianarana Boky tany amin-dry zareo. Fiaraha-midinika ny Baiboly ilay izy, dia olona vitsivitsy no niaraka tao. Nilaza tamin-dry zareo aho hoe mety handeha. Nitsiky izy roa vavy sady niteny hoe: “Tena marina?” Dia namaly aho hoe: “Ie!”

Nanenina kely aho avy eo. Tsy maintsy nitana ny teniko anefa aho, dia nanatrika an’ilay izy ihany ny harivan’iny. Ny ankizy no tena nahavariana ahy tany, satria nahay Baiboly be. Izaho anarany fotsiny no niangona niaraka tamin’i Neny isaky ny alahady, nefa zara raha nahay Baiboly. Lasa te hahay kokoa aho, dia nanaiky nampianarina Baiboly. Anisan’ny zavatra voalohany nianarako ny hoe Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Rehefa nanontany an’i Neny momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho, taona maro talohan’izay, dia izao fotsiny no navaliny: “Mivavaka amin’izany Ingahibe Jehovah izany ry zareo!” Nazava tamiko anefa tamin’izay ny zava-drehetra.

Fantatro hoe nahita ny fahamarinana aho, dia nandroso haingana. Natao batisa aho tamin’ny Martsa 1957, sivy volana taorian’ny nanatrehako fivoriana voalohany. Niova ny fiheverako ny atao hoe tena lehilahy. Faly be aho nianatra an’izay lazain’ny Baiboly momba an’izany. Lehilahy lavorary i Jesosy. Faran’izay mahery koa izy, ka tsy misy lehilahy hoatr’azy. Tsy niady taman’olona anefa izy fa “nanaiky hampahorina”, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Isaia 53:2, 7) Lasa azoko hoe tokony “halemy fanahy amin’ny rehetra” ny tena mpanara-dia an’i Jesosy.—2 Tim. 2:24.

 Nanomboka nanao mpisava lalana aho tamin’ny 1958. Tsy maintsy nijanona kely anefa aho, tsy ela taorian’izay. Nanapa-kevitra ny hanambady an’i Gloria mantsy aho. Iray tamin’ireo tovovavy nanasa ahy hanatrika fianarana boky izy. Tsy nanenenako ny nanambady azy! Tena sarobidy tamiko i Gloria, ary mbola sarobidy amiko foana, mihoatra noho ny diamondra lafo vidy indrindra. Sambatra aho nanambady azy! Fa aleo izy hiresaka kely ny momba azy:

“Nisy 17 mianadahy izahay. Vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika i Neny. Maty izy tamin’izaho 14 taona, ary tamin’izay i Dada no nanomboka nianatra Baiboly. Nangataka tamin’ny talen’ny sekoly i Dada hoe hifandimby hianatra izaho sy ny zokiko vavy. Amin’izay izahay mifandimby mitaiza ny zandrinay, sady mba efa mahavita sakafo hariva alohan’ny hodian’i Dada avy miasa. Herintaona koa sisa dia vita ny fianaran’ilay zokiko teny amin’ny lise. Nanaiky ilay tale, dia izay no nataonay. Nisy fianakaviana Vavolombelona roa nampianatra Baiboly anay, dia ny 11 taminay mpiray tam-po no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nahafinaritra ahy ny nanompo teny amin’ny saha, na dia saro-kenatra be aza aho. Nanampy ahy ho afaka tamin’izany ny vadiko.”

Nivady izaho sy Gloria tamin’ny Febroary 1959. Nahafinaritra anay ny niara-nanao mpisava lalana. Tena te hanompo tatỳ amin’ny foibe koa anefa izahay, dia nameno fangatahana tamin’ny Jolay 1959. Nanadinadina anay mivady Rahalahy Simon Kraker, izay anisan’ny mpianakavin’ny Betela tamin’izany. Nilaza izy hoe mbola tsy mandray mpivady ny Betela. Te hanompo tato amin’ny Betela foana anefa izahay, saingy ela be tatỳ aoriana vao tanteraka izany.

Nanoratra tatỳ amin’ny foibe izahay, dia nangataka mba halefa any amin’ny faritany nila mpitory bebe kokoa. Safidy tokana no nomena anay, dia i Pine Bluff, any Arkansas. Nisy fiangonana roa tany: Fiangonana fotsy hoditra sy fiangonana mainty hoditra. Tany amin’ilay fiangonana mainty hoditra izahay no nalefa. Tsy nisy afa-tsy mpitory 14 teo ho eo tao.

NIARITRA FANAVAKAVAHANA

Mety ho gaga ianao hoe nahoana no navahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fotsy sy ny mainty. Tsotra ny antony: Tsisy safidy tamin’izany. Nisy lalàna hoe tsy mahazo miara-mivory ny olona samy hafa volon-koditra. Mety hisy hampijaly koa izay tsy nanaraka an’izany. Natahotra ny mpiara-manompo tany amin’ny toerana maro hoe hosimban’ny olona ny Efitrano Fanjakana, raha miara-mivory ao ny mainty sy fotsy. Efa nitranga izany. Raha nitory tany amin’ny tanànan’ny fotsy hoditra koa ny mpitory mainty hoditra, dia mety ho nosamborin’ny polisy ary mety ho voadaroka mihitsy. Nankatò ny lalàna àry izahay mba ho afaka hitory foana. Nanantena koa izahay hoe mbola hiova izany.

Nahita olana izahay indraindray rehefa nanompo. Nandondòna tsy nahy tany an-tranona fianakaviana fotsy hoditra, ohatra, izahay indraindray rehefa nitory. Nila nanapa-kevitra haingana izahay hoe hanazava andinin-teny vetivety ve sa hiala tsiny dia handeha. Hoatr’izany ny fanompoana tamin’izany.

Nila niasa mafy koa izahay mba ho afaka hanao mpisava lalana. Nanao asa maromaro izahay, ary kely matetika ny karama noraisinay isan’andro. Nanadio tranon’olona vitsivitsy i Gloria. Nisy fianakaviana iray namela ahy hanampy azy, dia mba vita vetivety ny raharahany. Nomen-dry zareo sakafo antoandro izahay, ary nisakafo vao nody. Nipasoka ny lamban’ny fianakaviana iray izay koa i Gloria isan-kerinandro. Izaho indray nanao asa hafa tao amin-dry zareo sy nikarakara ny zaridainany ary nanadio varavarankely. Nikarama nanadio varavarankely tany amin’ny fianakaviana iray fotsy hoditra koa izahay. I Gloria nanadio avy tao anatiny, moa izaho avy tetỳ ivelany. Iray andro ilay izy vao vita, dia nomen-dry zareo sakafo antoandro izahay. Tao an-trano i Gloria no nisakafo, saingy tsy niaraka tamin’ilay fianakaviana. Izaho indray tao amin’ny garazy. Tsy nasiako olana anefa izany satria natsiro ny sakafo. Tsara fanahy ilay fianakaviana, saingy voatery nanaraka ny toe-tsain’ny fiaraha-monina fotsiny ry zareo. Tadidiko koa, indray mandeha, tamin’izahay teny amin’ny fivarotan-dasantsy. Rehefa avy naka lasantsy izahay, dia nanontaniako ilay lehilahy fotsy hoditra niasa teo raha afaka mindrana kabine i Gloria. Nivandravandrany fotsiny aho, dia niteny izy hoe: “Mihidy ilay izy.”

 TSY HOHADINOINAY NY HATSARAM-PANAHIN-DRY ZAREO

Nahafinaritra anefa ny niaraka tamin’ny mpiara-manompo, sady tianay ny fanompoanay. Nipetraka tao amin’ny rahalahy iray izay izahay, tamin’ny vao tonga tao Pine Bluff. Mpikarakara ny fiangonana izy, fa ny vadiny tsy Vavolombelona. Lasa nampianatra Baiboly an’ilay vadiny i Gloria. Nanan-janaka vavy efa nanambady ry zareo, dia izaho no nampianatra Baiboly azy mivady. Nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah izy mirahavavy mianaka, dia natao batisa.

Nisy namanay be tao amin’ny fiangonana fotsy hoditra. Nasain-dry zareo hisakafo hariva izahay matetika, saingy efa maizina vao afaka nankany mba tsy hisy hahita. Nanjaka mantsy ny Ku Klux Klan, fikambanana mampirisika ny olona hanavakava-bolon-koditra sy hahery setra. Tadidiko indray alina izay, tamin’ny fetin’ny Halloween. Nisy lehilahy iray nipetraka teo anoloan’ny tranony. Kevoka erỳ izy nanao akanjo nampiavaka ny Ku Klux Klan. Na teo aza ny fanavakavaham-bolon-koditra, dia tsara fanahy foana ny rahalahy sy anabavy. Tsy nanam-bola hatao saran-dalana hamonjena fivoriamben’ny vondrom-paritra izahay, indray mandeha. Nanaiky hividy ny fiaranay anefa ny rahalahy iray fotsy hoditra, dia nahazo vola izahay. Nisy zavatra tsy nampoizinay, iray volana tatỳ aoriana. Vizana avy nandeha an-tongotra nitory isan-trano sy nampianatra izahay tamin’izay. Ny andro koa nafana be. Rehefa tonga tany an-trano izahay, dia gaga nahita an’ilay fiaranay teo! Nisy taratasy teo amin’ny fitaratra anoloana hoe: “Ity ilay fiaranareo fa ataoko fanomezana ho anareo. Ny rahalahinareo.”

Nisy olon-kafa tena tsara fanahy taminay koa, ary tena nanohina ny foko ny nataon’izy ireo. Voasa hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana aho tamin’ny 1962. Ho an’ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra sy ny mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana ilay izy. Naharitra iray volana ilay sekoly, ary natao tany South Lansing, any New York. Tsy an’asa anefa aho, ary zara raha nanam-bola izahay. Nangataka hiasa tao amin’ny orinasam-pifandraisana an-telefaonina tany Pine Bluff aho, dia nadinadinin-dry zareo. Raha heken-dry zareo ny fangatahako, dia izaho no mainty hoditra voalohany hiasa ao. Noraisin-dry zareo aho, saingy tsy hitako indray izay natao. Tsy nanam-bola hatao saran-dalana nankany New York aho, dia nieritreritra hoe aleo ilay asa no hatao. Efa hanoratra tany amin’ny Betela mihitsy aho hoe tsy hanatrika an’ilay sekoly, dia nisy zava-nitranga tsy hadinoko mihitsy.

Nandondòna vao maraina tao aminay ny anabavy iray manambady tsy Vavolombelona, dia nomeny valopy aho. Feno vola ilay izy. Nikarama vao maraina nanala ahidratsy tany amin’ny sahana landihazo ilay anabavy sy ny sasany tamin’ny zanany kely, nandritra ny herinandro maromaro. Nangoniny ilay vola avy eo mba hahafahako mankany New York. Hoy izy: “Ataovy ilay sekoly, dia mianara zavatra betsaka araka izay azonao atao. Rehefa tafaverina ianao, dia mba ampianaro izahay!” Nangataka tany amin’ilay orinasa àry aho raha azo ahemotra iray volana ma hery kely ny fidirako miasa. Tsy nanaiky mihitsy anefa ry zareo. Tsy nampaninona ahy izany, satria efa tapaka ny hevitro. Soa ihany aza fa tsy niasa tany aho!

Aleo indray i Gloria hitantara kely an’izay ahatsiarovany an’i Pine Bluff: “Tiako be ilay faritany! Nanana mpianatra 15 aho, ary indraindray aza 20. Nitory isan-trano izahay ny maraina, dia avy eo nampianatra mandra-paharivan’ny andro. Nisy fotoana aza hatramin’ny 11 alina. Nahafinaritra be ny fanompoanay tany! Tiako be na mbola tany foana aza izahay. Tsy tena tiako tamin’izany ilay hoe hanao ny asan’ny faritra. Tsy nitovy hevitra tamiko anefa i Jehovah.” Ary tena marina izany!

TAMIN’IZAHAY NITETY FARITANY

Nameno fangatahana ho mpisava lalana manokana izahay, tamin’izahay mpisava lalana tany Pine Bluff. Nanantena be izahay hoe ho voatendry! Niteny taminay mantsy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra hoe tiany izahay raha manampy fiangonana iray any Texas, dia mpisava lalana manokana any. Nety be taminay izany! Niandry anefa izahay dia niandry, fa tsy nivaly mihitsy ilay fangatahana. Tsy naharay taratasy avy amin’ny fandaminana mihitsy izahay. Nisy taratasy tonga anefa, indray andro, tamin’ny Janoary 1965. Taratasy fanendrena anay hanao ny asan’ny faritra ilay izy! Tamin’izay koa no voatendry ho mpiandraikitra ny faritra Rahalahy Leon Weaver. Mpandrindra ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia izy izao.

Nampahatahotra be ahy ilay hoe ho lasa mpiandraikitra ny faritra. Herintaona teo ho eo talohan’izay mantsy, dia nojeren’ny Rahalahy James Thompson raha nahafeno fepetra hanao an’izany aho. Mpiandraikitra ny vondrom-paritra izy tamin’izany. Tsara fanahy be izy nilaza tamiko an’izay azoko hatsaraina, anisan’izany ny hoe inona no tsy maintsy hain’ny mpiandraikitra ny faritra raha te hahavita tsara ny andraikiny izy. Vao lasa mpiandraikitra kelikely fotsiny aho dia hitako hoe tena nilaiko ny toroheviny. Izy no mpiandraikitra ny vondrom-paritra niara-niasa tamiko voalohany. Tena niana-javatra tamin’io rahalahy tsy mivadika io aho.

Tena ankasitrahako ny fanampiana nomen’ireo rahalahy tsy mivadika

Tsy dia nahazo fiofanana ny mpiandraikitra ny faritra tamin’izany. Niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny faritra iray nitsidika fiangonana aho nandritra ny herinandro, dia nijery an’izay nataony. Nitsidika fiangonana hafa izahay ny herinandro nanaraka, dia izy indray no nijery an’izay nataoko. Nanome soso-kevitra sy tari-dalana izy avy eo. Nandeha irery izahay sy Gloria taorian’izay. Tadidiko fa niteny tamin’i Gloria aho hoe: “Tena tsy maintsy mandeha ve izy?” Hitako anefa tatỳ aoriana hoe misy rahalahy mahay afaka manampy anao foana eo, raha avelanao hanampy anao ry zareo. Mbola zava-dehibe amiko hatramin’izao ny fanampiana nomen’ireny rahalahy za-draharaha ireny. Anisan’izany i James Brown, mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany, sy Fred Rusk, izay anisan’ny mpianakavin’ny Betela.

 Tena nanjaka ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin’izany. Nidina an-dalam-be, ohatra, ny Ku Klux Klan tamin’izahay nitsidika tanàna iray tany Tennessee. Indray mandeha koa aho narahin’ny lehilahy iray masiaka endrika be. Mpanindrahindra fotsy hoditra izy, raha ny fijeriko ny tatoaziny. Naka aina vetivety tao amin’ny hotely kely iray ny andia-mpitorinay tamin’izay. Handeha ho any an-kabine aho dia narahiny. Nisy rahalahy fotsy hoditra nanaraka anay anefa. Ngezabe izy raha oharina amiko sy ilay lehilahy nisy tatoazy. Nanontany izy hoe: “Milamina ve Rahalahy Herd?” Lasa hoatran’ny tsy teo ilay lehilahy, fa tsy nampiasa an’ilay kabine. Tonga saina aho tatỳ aoriana hoe tsy ny volon-koditra loatra no mahatonga ny fanavakavahana, fa ny fahotana nafindran’i Adama tamintsika rehetra. Nianarako koa hoe rahalahy foana ny rahalahy na inona na inona volon-kodiny, ary vonona ho faty ho anao izy raha ilaina izany.

LASA NANAN-KARENA

Mpiandraikitra ny faritra aho nandritra ny 12 taona, dia avy eo mpiandraikitra ny vondrom-paritra nandritra ny 21 taona. Be dia be ny zavatra nahafinaritra sy nampahery nandritra an’izany. Nisy zavatra hafa tena nahafaly anay koa anefa. Tanteraka ilay nofinofinay hatry ny ela, tamin’ny Aogositra 1997. Nantsoina hanompo teto amin’ny Betelan’i Etazonia izahay, 38 taona teo ho eo taorian’ilay nanaovanay fangatahana voalohany. Nanomboka nanompo teto izahay, iray volana taorian’izay. Nieritreritra aho hoe tian’ireo mpiandraikitra tato amin’ny Betela hanampy an-dry zareo vetivety fotsiny aho. Tsy izany anefa no nitranga.

Sarobidy tamiko i Gloria tamin’izahay vao nivady, ary mbola sarobidy amiko foana

Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho no niasa, tamin’ny voalohany. Betsaka ny zavatra nianarako tao! Maharay fanontaniana maro avy amin’ny anti-panahy sy mpiandraikitra ny faritra eran’i Etazonia ireo rahalahy ao amin’io sampan-draharaha io. Saro-baliana ilay izy matetika ary mila eritreretina tsara izay havaly an-dry zareo. Tena ankasitrahako ireo rahalahy nampiofana ahy. Nanam-paharetana izy ireo sady tena nanampy ahy. Fa raha izao anefa aho no averina miasa any, dia mbola ho zazavao foana.

Tena tianay sy Gloria ny fiainana eto amin’ny Betela. Efa zatra nifoha maraina foana izahay, ary tena mety izany eto. Herintaona teo ho eo taorian’ny nahatongavanay, dia lasa mpanampy ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Voatendry ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanana aho tamin’ny 1999. Betsaka ny zavatra ianarako amin’io andraikitro io, fa izao no lehibe indrindra: Miharihary hoe i Jesosy Kristy no lohan’ny fiangonana kristianina, fa tsy olombelona.

Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana aho nanomboka tamin’ny 1999

Mieritreritra aho indraindray rehefa mandinika ny fiainako hoe mitovitovy amin’i Amosa aho. Voamarik’i Jehovah io mpiandry ondry io. Nanetry tena izy ary nanao asa tsotsotra. Mpanindrona aviavidia fihinan’ny mahantra mantsy izy. Notendren’i Jehovah ho mpaminany anefa izy, ka nahazo fitahiana be dia be. (Amosa 7:14, 15) Hoatr’izany koa aho. Zanaky ny tantsaha iray nahantra, tany Liberty any Indiana, aho nefa voamarik’i Jehovah. Be dia be ny fitahiana nomeny ahy, ka tsy ho voatanisako. (Ohab. 10:22) Nahantra aho taloha nefa manan-karena aho izao, manan-karena ara-panahy. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hahazo harena ara-panahy be dia be hoatr’izao aho!