Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 LAHATSORATRA FIANARANA 13

Miezaha Hifankatia Amin’ny Fo

Miezaha Hifankatia Amin’ny Fo

‘Mifankatiava fatratra amin’ny fo.’​—1 PET. 1:22.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

HO HITANAO ATO *

Nohamafisin’i Jesosy tamin’ny alina farany niarahany tamin’ny apostoly hoe tena zava-dehibe ny fitiavana (Fehintsoratra 1-2)

1. Inona no didy mazava nomen’i Jesosy ny mpianany? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

NOMEN’I Jesosy didy mazava tsara ny mpianany, ny alina talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa.” Nilaza koa izy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”​—Jaona 13:34, 35.

2. Nahoana isika no tena mila miezaka hifankatia?

2 Nilaza i Jesosy hoe raha mampiseho fitiavana hoatran’ny nasehony isika, dia ho mora fantatra hoe tena mpianany. Marina io teniny io tamin’ny taonjato voalohany, ary mbola marina hatramin’izao. Tena mila miezaka àry isika mba hifankatia foana na inona na inona olana mety hisakana an’izany.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Tsy lavorary isika ka sarotra amintsika ny hoe hifankatia be foana. Na izany aza, dia tsy maintsy miezaka manahaka an’i Kristy isika. Hodinihintsika ato hoe nahoana ny fitiavana no hanampy antsika hampisy fihavanana sy tsy hanavakavaka ary ho tia mandray vahiny. Horesahintsika ato hoe nisy rahalahy sy anabavy niezaka naneho fitiavana foana na dia rehefa tsy mora aza izany. Rehefa mandinika an’izany isika, dia eritrereto hoe inona no azonao ianarana avy amin’izy ireo.

ATAOVY IZAY HISIAN’NY FIHAVANANA

4. Nahoana isika no tokony hiezaka hihavana amin’izay manana alahelo amintsika, araka ny Matio 5:23, 24?

4 Nampianarin’i Jesosy hoe tena ilaina ny mihavana amin’izay olona manana alahelo amintsika. (Vakio ny Matio 5:23, 24.) Nohamafisiny hoe mila mifandray tsara amin’ny olona foana isika raha te hankasitrahan’Andriamanitra. Ho faly i Jehovah raha manao izay rehetra azo atao isika mba hihava nana amin’ny mpiara-manompo. Tsy hankasitraka ny fanompoana ataontsika kosa izy, raha mitana lolompo isika na tsy mba manandrana hamitram-pihavanana akory.​—1 Jaona 4:20.

5. Nahoana no sarotra tamin’i Mark ny hihavana tamin’ny rahalahy iray?

5 Mety ho sarotra ny hamitram-pihavanana. Eritrereto ny nanjo an’i Mark. * Nalahelo izy satria nisy rahalahy nanakiana azy sy nanaratsy azy tany amin’ny mpiara-manompo. Hoy izy: “Tsy zakako ilay izy dia nasiaka be taminy aho.” Nanenina anefa i Mark tatỳ aoriana. Niala tsiny tamin’ilay rahalahy izy sady niezaka hihavana taminy, fa tsy nanaiky ilay rahalahy. Nieritreritra i Mark tamin’ny voalohany hoe: ‘Fa maninona moa izaho no tokony hisisika hihavana aminy nefa izy aza tsy mety?’ Nampirisika azy hiezaka foana anefa ny mpiandraikitra ny faritra. Ahoana no nataon’i Mark?

6. a) Inona no mampiseho fa niezaka foana i Mark mba hampisy fihavanana? b) Ahoana no nampiharan’i Mark ny Kolosianina 3:13, 14?

6 Nandini-tena i Mark dia tonga saina hoe tsy nanetry tena izy sady nieritreritra hoe tsy diso mihitsy. Hitany hoe nila nanova ny fomba fisainany izy. (Kol. 3:8, 9, 12) Nanetry tena izy ka nandeha niala tsiny tamin’ilay rahalahy indray. Nanoratra taratasy ho azy koa izy. Nolazainy tao hoe tena nanenina izy ary tiany raha mba minamana indray ry zareo. Nitady zavatra mety ho tian’ilay rahalahy koa izy, dia nataony fanomezana ho azy izany. Nampalahelo fa mbola tezitra ilay rahalahy. Na izany aza dia nankatoavin’i Mark foana ilay didin’i Jesosy hoe tokony ho tia ny rahalahiny sy hamela heloka izy. (Vakio ny Kolosianina 3:13, 14.) Inona àry no azontsika atao raha tsy manaiky hihavana amintsika ny hafa na dia miezaka aza isika? Raha tia ny mpiara-manompo hoatran’ny itiavan’i Jesosy azy ireo isika, dia hamela heloka foana. Hivavaka  foana koa isika mba hihatsara ny fifandraisantsika amin’izy ireo.​—Mat. 18:21, 22; Gal. 6:9.

Mila miezaka imbetsaka angamba isika vao hihavana amin’ny olona manana alahelo amintsika (Fehintsoratra 7-8) *

7. a) Inona no asain’i Jesosy ataontsika? b) Inona no olana nahazo an’i Lara?

7 Nampirisika antsika i Jesosy hoe izay tiantsika hataon’ny olona amintsika no tokony hataontsika amin’izy ireo. Nilaza koa izy hoe tsy mety raha izay tia antsika ihany no tiantsika. (Lioka 6:31-33) Andao hatao hoe misy mpiara-manompo mihatakataka aminao sady tsy miarahaba anao mihitsy. Marina fa tsy mitranga matetika izany. Ahoana anefa raha misy manao anao an’izany? Izany no nanjo an’i Lara. Hoy izy: “Tsy te hahalala ahy ny rahavavy iray, nefa tsy fantatro ny antony. Nampiady saina ahy ilay izy dia lasa nahakamo ahy na dia ny nandeha nivory aza.” Nieritreritra i Lara tamin’ny voalohany hoe: ‘Tsy hitako hoe inona no tsy nety nataoko! Sady na ny olona sasany ao amin’ny fiangonana aza mahita hoe hafahafa izy iny.’

8. Inona no nataon’i Lara mba hisian’ny fihavanana, ary inona no ianarantsika avy aminy?

8 Nanao zavatra i Lara mba hisian’ny fihavanana. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, dia nanapa-kevitra hoe hiresaka tamin’ilay anabavy. Nifampiresaka momba an’ilay olana ry zareo dia nifamihina ary nihavana indray. Hoatran’ny hoe voavaha ilay izy. Hoy i Lara: “Niavonavona tamiko hoatran’ny taloha indray anefa izy tatỳ aoriana. Kivy mihitsy aho tamin’izay!” Nieritreritra i Lara tamin’ny voalohany hoe halahelo foana izy raha tsy miova ilay anabavy. Tonga saina anefa izy hoe aleo maneho fitiavana foana sy ‘mamela heloka tanteraka’ fa izay no tsara indrindra. (Efes. 4:32–5:2) Tadidiny hoe “tsy mitana lolompo” ny tena fitiavana, sady “mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra”, ary “miaritra ny zava-drehetra.” (1 Kor. 13:5, 7) Tsy niady saina tamin’ilay olana intsony izy, vokatr’izany. Ilay anabavy koa lasa sariaka kokoa taminy rehefa nandeha ny fotoana. Matokia fa rehefa miezaka  hihavana amin’ny rahalahy sy anabavy ianao sady tia azy ireo foana, dia hanampy anao “ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.”​—2 Kor. 13:11.

AZA MANAVAKAVAKA

9. Araka ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35, nahoana isika no tsy tokony hanavakavaka?

9 Tsy manavakavaka i Jehovah. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35.) Hasehontsika àry hoe zanany isika raha tsy manavakavaka hoatr’azy. Porofointsika amin’izany koa fa mankatò an’ilay didy hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao isika, sady mitandro ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana.​—Rom. 12:9, 10; Jak. 2:8, 9.

10-11. Inona no nanampy ny anabavy iray mba tsy hanavakavaka intsony?

10 Sarotra amin’ny olona sasany ny hoe tsy manavakavaka mihitsy. Hoatr’izany ny anabavy atao hoe Ruth. Nisy olona tsy iray firenena taminy nanao zavatra ratsy be tamin’ny fianakaviany. Inona no vokany? Hoy i Ruth: “Tsy tiako maizina izay rehetra momba an’ilay firenena. Nieritreritra aho hoe hoatran’iny olona iny daholo ny olona avy any, na dia ny mpiara-manompo aza.” Inona no nanampy azy hiala tamin’izany toe-tsaina ratsy izany?

11 Tonga saina izy hoe tokony hiezaka mafy mba tsy hieritreritra hoatr’izany. Namaky fitantarana sy tatitra momba an’ilay firenena tao amin’ny Diary àry izy. Izao no nolazainy: “Niezaka nieritreritra zavatra tsara momba ny olona avy any amin’ilay tany aho. Lasa hitako hoe tena mazoto manompo an’i Jehovah ny rahalahy sy anabavy avy any. Nazava tamiko hoe ry zareo koa ange anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany e!” Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitan’i Ruth hoe mbola nisy zavatra hafa tokony hataony. Hoy izy: “Isaky ny nihaona tamin’ny mpiara-manompo avy any amin’ilay firenena aho, dia niezaka be mba ho sariaka tamin-dry zareo. Niresaka tamin-dry zareo aho dia lasa fantatro kokoa ry zareo.” Inona no vokany? Hoy ihany i Ruth: “Lasa tsy nanavakavaka an-dry zareo intsony aho tatỳ aoriana.”

Tsy hanavakavaka mihitsy isika, raha tiantsika amin’ny fo manontolo ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana” (Fehintsoratra 12-13) *

12. Inona no olana nahazo an’i Sarah?

12 Tsy fantatry ny olona sasany akory hoe manavakavaka izy. Hoatr’izany i Sarah. Nieritreritra izy hoe efa tsy manavakavaka. Izy mantsy tsy mitsara olona noho ny fiaviany na ny fananany na ny andraikiny eo anivon’ny fandaminana. Izao anefa no nolazainy: “Tonga saina aho hoe hay izaho tena nanavakavaka!” Fa ahoana? Avy amin’ny fianakaviana nahita fianarana izy, dia tiany kokoa ny miaraka amin’ny olona hoatran-dry zareo. Niteny tamin’ny namany iray mihitsy aza izy indray mandeha hoe: “Izay ranadahy sy rahavavy nahita fianarana ihany no ataoko namana.” Tena nila nanova ny toe-tsainy i Sarah. Inona no nanampy azy?

13. Ahoana no nataon’i Sarah mba hanovana ny toe-tsainy, ary inona no azontsika ianarana avy aminy?

13 Nisy mpiandraikitra ny faritra nanampy an’i Sarah mba handini-tena. Hoy i Sarah: “Noderainy aho satria manompo tsara an’i Jehovah, manome valin-teny tsara, ary mahay Baiboly. Nohazavainy avy eo hoe rehefa mihamitombo ny zavatra fantatsika, dia mila miezaka koa isika mba hanetry tena sy hamindra fo ary hiaiky hoe misy zavatra tsy vitantsika.” Nanaraka ny tenin’ilay mpiandraikitra ny faritra i Sarah. Hoy izy: “Hitako hoe tokony ho tsara fanahy sy be fitiavana isika, satria izany no tena zava-dehibe.” Niova àry ny fahitan’i Sarah an’ireo rahalahy sy anabavy. Izao no nolazainy: “Miezaka mamantatra aho hoe inona ny toetra  mahatonga an-dry zareo ho sarobidy amin’i Jehovah.” Raha nahita fianarana àry isika, dia tsy tokony hahatonga antsika hihevi-tena ho ambony mihitsy izany! Tsy hanavakavaka mihitsy isika, raha tiantsika amin’ny fo manontolo ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”​—1 Pet. 2:17.

MIEZAHA HO TIA MANDRAY VAHINY

14. Araka ny Hebreo 13:16, ahoana no fahitan’i Jehovah ny hoe tia mandray vahiny?

14 Faly i Jehovah rehefa tia mandray vahiny isika. (Vakio ny Hebreo 13:16.) Heveriny ho anisan’ny fanompoana azy izany, indrindra raha olona sahirana no asaintsika. (Jak. 1:27; 2:14-17) Izany no mahatonga ny Soratra Masina hampirisika antsika mba ‘hiezaka ho tia mandray vahiny.’ (Rom. 12:13) Rehefa manao an’izany isika, dia mampiseho hoe tena miahy ny hafa sy tia azy ary te ho namany. Faly i Jehovah rehefa mizara an’izay ananantsika isika, ohatra hoe zavatra hohanina na hosotroina. Faly koa izy rehefa mahita antsika manokana fotoana ho an’ny hafa sy miahy azy ireo amim-pitiavana. (1 Pet. 4:8-10) Mety ho sarotra anefa ny ho tia mandray vahiny. Nahoana?

Hoy i Edit: “Tsy dia tia nandray vahiny aho taloha. Faly be anefa aho izao satria niova” (Fehintsoratra 16) *

15-16. a) Nahoana ny olona sasany no misalasala handray vahiny? b) Inona no nanampy an’i Edit ho sahy mandray vahiny?

15 Mety tsy hazoto handray vahiny isika noho ny zavatra iainantsika amin’izao, na ny fiainantsika taloha sy ny fahazarantsika tamin’izany. Hoatr’izany ny anabavy maty vady atao hoe Edit. Tsy dia tia nifandray tamin’olona izy taloha, tamin’ny mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah. Nieritreritra izy hoe ny olon-kafa no mahavita kokoa an’izany mandray vahiny izany noho izy.

16 Nanova ny fomba fisainany anefa izy rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka mba handray vahiny izy. Izao no notantarainy: “Rehefa naorina ilay Efitrano Fanjakana tetỳ aminay, dia nisy anti-panahy niteny tamiko hoe hisy mpivady ho avy hanampy amin’ilay izy. Nanontany izy hoe sao dia mba afaka  mampiantrano azy mivady aho mandritra ny tapa-bolana.” Tadidin’i Edit hoe notahin’i Jehovah ilay mpitondratena tany Zarefata, dia nanaiky izy. (1 Mpanj. 17:12-16) Notahin’i Jehovah koa ve izy? Izao no nolazainy: “Tsy tapa-bolana fotsiny izy mivady no nijanona tao amiko fa roa volana. Lasa mpinamana be izahay!” Tsy vitan’izany fa lasa mpinamana be tamin’ny olona tao amin’ny fiangonana i Edit. Mpisava lalana izy izao ary tiany ny manasa an’izay niara-nanompo taminy. Asainy mandalo any an-tranony ry zareo rehefa avy manompo, dia miara-misakafo kely. Hoy ihany i Edit: “Faly aho rehefa manome! Izaho anefa raha ny marina no tena mahazo! Mahazo fitahiana be dia be aho.”​—Heb. 13:1, 2.

17. Tonga saina tamin’ny inona i Luke sy ny vadiny?

17 Mety ho efa tia mandray vahiny isika, nefa sao dia mbola misy azo hatsaraina? Tena tia mandray vahiny, ohatra, i Luke sy ny vadiny. Matetika ry zareo no nanasa ny ray aman-dreniny, ny havany, ny namany, ary ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny. Hoy anefa i Luke: “Hitanay hoe olona efa nifandray akaiky taminay ihany no nasainay.” Efa tia nandray vahiny izy mivady, nefa nahita hoe mbola nisy azony nohatsaraina. Ahoana no nataony?

18. Inona no ezaka nataon’i Luke sy ny vadiny?

18 Niova i Luke sy ny vadiny rehefa avy nisaintsaina ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa azonareo?” (Mat. 5:45-47) Hitan’izy mivady hoe mila manahaka an’i Jehovah ry zareo. Malala-tanana amin’ny rehetra mantsy izy. Nanapa-kevitra àry ry zareo hoe hanasa rahalahy sy anabavy mbola tsy nasainy mihitsy. Hoy i Luke: “Mahafinaritra be anay rehetra ireny fiarahana ireny. Mahazo fampaherezana daholo izahay sady lasa mifankatia kokoa ary akaiky kokoa an’i Jehovah.”

19. Ahoana no ahitana hoe tena mpianatr’i Jesosy isika? Tapa-kevitra hanao inona ianao?

19 Hitantsika tato hoe raha tena tia amin’ny fo isika, dia hanampy antsika izany mba hampisy fihavanana sy tsy hanavakavaka ary ho tia mandray vahiny. Tsy tokony havelantsika hisy na inona na inona hisakana antsika tsy ho tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny fo manontolo. Ho sambatra isika amin’izay sady ho hita hoe tena mpianatr’i Jesosy.​—Jaona 13:17, 35.

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

^ feh. 5 Nilaza i Jesosy hoe ny fitiavana no amantarana ny tena Kristianina. Ny fitiavana no mandrisika antsika hiezaka hihavana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Izy io koa no mahatonga antsika tsy hanavakavaka sy ho tia mandray vahiny. Mety tsy ho mora anefa ny haneho fitiavana. Inona àry no hanampy antsika hifankatia amin’ny fo foana? Hijery soso-kevitra vitsivitsy momba an’izany isika ato.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 57 SARY: Anabavy miezaka hihavana amin’ny anabavy iray hafa. Tsy kivy izy fa niezaka foana na dia tsy niraharaha aza ilay iray. Naneho fitiavana foana izy dia nifandray tsara ihany izy roa tamin’ny farany.

^ feh. 59 SARY: Rahalahy be taona mahatsiaro ho ailikiliky ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonany.

^ feh. 61 SARY: Anabavy nisalasala handray vahiny tamin’ny voalohany, nefa niova hevitra. Faly izy vokatr’izany.