Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Martsa 2018

 TANTARAM-PIAINANA

Tsy Nanary Ahy Mihitsy i Jehovah!

Tsy Nanary Ahy Mihitsy i Jehovah!

Nanao kabary i Adolf Hitler, indray mandeha, dia anisan’ireo ankizivavikely efatra voafidy hanome voninkazo azy aho rehefa vita ilay izy. Fa nahoana aho no voafidy? Nazoto be nanohana ny Nazia i Dada. Saoferan’ny mpitarika ny antoko nazia tany aminay koa izy. I Neny indray Katolika nafana fo, ka tiany ho lasa masera aho. Sady tsy lasa Nazia anefa aho no tsy lasa masera. Aleo hotantaraiko ny antony.

TANY Graz, any Aotrisy, aho no lehibe. Nalefa tany amin’ny sekoly mampiofana ho masera aho, tamin’izaho fito taona. Tsy ampy herintaona anefa aho no tany. Nahita mompera sy masera ratsy fitondran-tena be mantsy aho, dia navelan’i Neny niala tany.

Izahay mianakavy. I Dada ilay manao akanjo miaramila

Nianatra tany amin’ny sekoly kilasimandry aho tatỳ aoriana. Tonga naka ahy i Dada, indray alina, satria nandatsahan’ny fahavalo baomba be dia be ny tanànan’i Graz. Nandositra tany Schladming izahay. Vao tonga tany anefa izahay, dia nipoahan’ny baomba ilay tetezana avy niampitanay. Nisy raoplanina nanidina ambany kely koa, indray mandeha, dia nitifitra an’ahy sy bebenay teo an-tokotany. Rehefa tapitra ilay ady, dia toa tsy nisy niraharaha anay na ny fiangonana na ny fanjakana.

NAHITA NAMANA MANAMPY FOANA

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny, tamin’ny 1950. Nihaino ny resadresak’izy ireo aho, ary nanaraka an’i Neny nivory tany amin-dry zareo mihitsy indraindray. Resy lahatra i Neny hoe ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah no marina, dia natao batisa izy tamin’ny 1952.

Hoatran’ny fikambanana vaviantitra no fahitako an’ilay fiangonan’ny Vavolombelona tany Schladming. Rehefa nivory tany amin’ny fiangonana iray hafa anefa izahay, dia nahita tanora be dia be. Tsy fikambanana vaviantitra mihitsy ilay izy! Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra aho rehefa niverina tany Graz izahay. Resy lahatra aho, tsy ela taorian’izay, hoe nahita ny fahamarinana. Lasa tsapako koa hoe tsy mba manary ny mpanompony i Jehovah. Eo foana izy, indrindra fa amintsika ilay mieritreritra iny hoe miady irery amin’ny olana faran’izay mafy.—Sal. 3:5, 6.

Te hitory ny fahamarinana aho, dia ny iray tam-po amiko no niresahako voalohany. Efa tsy niara-nipetraka taminay intsony ny zokiko efa-bavy. Mpampianatra ry zareo, ary  niasa tany amin’ny tanàna samy hafa. Nankany amin-dry zareo aho, dia nampirisihako hianatra Baiboly ry zareo. Nianatra daholo ny iray tam-po amiko tamin’ny farany, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Niresaka tamin’ny vehivavy iray izay aho, tamin’ny herinandro faharoa nitoriako isan-trano. Telopolo taona mahery izy. Nampianariko Baiboly izy dia nandroso, ary natao batisa. Hoatr’izany koa ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Nihanatanjaka ny finoako rehefa nampianatra azy aho. Izaho mantsy tsy mba nisy nampianatra, dia tsy maintsy nomaniko tsara ny lesona tsirairay. Hoatran’ny hoe nampiana-tena aloha aho vao nampianatra azy, dia vao mainka azoko tsara ny fahamarinana. Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho, ary natao batisa tamin’ny Aprily 1954.

‘NENJEHINA NEFA TSY NAFOY’

Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Alemaina sy Frantsa ary Angletera aho, tamin’ny 1955. Nihaona tamin’i Albert Schroeder aho, tamin’izaho tany Londres, any Angletera. Mpampianatra tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada izy, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Niara-nitsidika ny Tranombakoka Britanika izahay, dia natorony anay ny Baiboly sora-tanana sasany misy ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Nohazavainy taminay koa ny maha zava-dehibe azy ireo. Nahatonga ahy ho tia kokoa an’i Jehovah sy ny fahamarinana izany, ka vao mainka aho tapa-kevitra ny hitory ny fahamarinana ao amin’ny Teniny.

Izaho sy ilay namako (ankavanana), tamin’izahay mpisava lalana manokana tany Mistelbach, any Aotrisy

Nanomboka nanao mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1 Janoary 1956. Voatendry ho mpisava lalana manokana tany Aotrisy aho, efa-bolana taorian’izay. Tany Mistelbach ny faritaniko, ary mbola tsisy Vavolombelona tany tamin’izany. Nanana olana hafakely aho. Tsy nitovy mihitsy izaho sy ilay mpisava lalana namako. Izaho avy any an-drenivohitra, ary 19 taona latsaka kely. Izy indray avy any ambanivohitra, ary 25 taona. Tia natory maraina aho, fa izy indray tia nifoha aloha. Te hiari-tory aho, dia izy te hatory aloha. Nampihatra ny torohevitry ny Baiboly anefa izahay dia samy niezaka, ka lasa nahafinaritra ny fiarahanay.

Niatrika zava-tsarotra hafa koa izahay. Nisy fanenjehana mihitsy aza, nefa ‘tsy nafoy’ izahay. (2 Kor. 4:7-9) Nitory tany ambanivohitra izahay, indray mandeha, dia novahan’ny olona ny alikany. Nisy alika be maromaro avy eo nanatona anay, dia nivovò sady nampiseho nify. Nifampitantana izahay roa, dia niteny aho hoe: “Jehovah ô, mba ataovy maty haingana izahay rehefa kaikerin-dry zareo.” Nijanona anefa ry zareo rehefa tonga teo akaiky kelinay, nipelipelika ny rambony, dia lasa ry zareo. Tsapanay hoe niaro anay i Jehovah. Nitory teo amin’ilay tanàna izahay taorian’izay, ary faly be fa nandray tsara ny olona. Gaga angamba ry zareo hoe tsy naninona anay ny alikany, na tsy nampoizin-dry zareo hoe mbola nitory ihany izahay na dia tena nampahatahotra aza ny nahazo anay. Lasa Vavolombelona ny sasany tamin-dry zareo tatỳ aoriana.

Nisy zavatra hafa nampatahotra koa. Mamo be ny tompon-tranonay indray andro, dia nitady hamono anay fa manelingelina ny mpiara-monina, hono, izahay. Niezaka nampitony azy ny vadiny, fa tsy noraharahainy. Henonay tao  amin’ny efitranonay tany ambony ny resak’izy ireo. Notohananay seza haingana ny varavarambenay, dia nangorona entana izahay. Rehefa nanokatra varavarana handeha hitsoaka izahay, dia efa teo an-tampon-tohatra ilay rangahy, niaraka tamin’ny antsy ngezabe. Nandositra tany amin’ny varavarana tany ambadika izahay, dia nidina tany amin’ny lalan-kely lava be teny an-jaridaina niaraka tamin’ny entanay rehetra. Tsy niverina tany intsony izahay.

Nanofa efitra iray tany amin’ny hotely izahay avy eo, ary efa ho herintaona izahay no tao. Nety be tamin’ny fanompoanay ilay izy. Tao ampovoan-tanàna mantsy ilay hotely, dia tian’ny olona sasany nampianarinay Baiboly ny nianatra tany. Tsy ela taorian’izay, dia natao tao ny fianarana boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro. Nisy 15 teo ho eo ny mpanatrika.

Herintaona mahery izahay no tany Mistelbach. Voatendry ho any Feldbach, any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Graz, aho taorian’izay. Niova ny namako, saingy mbola tsisy fiangonana koa tany. Efitra kely ambony rihana tao amin’ny trano hazo iray izay no nipetrahanay. Makakakaka ilay rindrina hazo, dia nisiotsioka niditra teny ny rivotra. Notampenanay gazety ilay izy. Nantsaka tamin’ny lavadrano koa izahay. Soa ihany izahay fa niaritra. Lasa nisy antoko-mpitory tany, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Olona 30 teo ho eo, tao amin’ny fianakaviana iray nampianarinay, no lasa Vavolombelona.

Nahatonga ahy hankasitraka kokoa an’i Jehovah ireny zavatra rehetra niainanay ireny. Hitako hoe manampy foana an’izay manohana an’ilay Fanjakana izy. Ny olona indraindray no tsy afaka manampy antsika, fa i Jehovah eo foana.—Sal. 121:1-3.

NIHAZONA AHY TAMIN’NY ‘TANANY ANKAVANANA’ I JEHOVAH

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hatao tao amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds, tany New York, tamin’ny 1958. Nameno fangatahana hanatrika an’ilay izy aho. Nanontany ahy anefa ny sampan’i Aotrisy raha te hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-32 aho. Tombontsoa be hoatr’izany ve dia holaviko? Namaly avy hatrany aho hoe: “Ie!”

Teo akaikin’i Martin Poetzinger ny toerako tany am-pianarana. Efa niaritra ny mafy tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia izy, ary lasa  anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana. Nibitsibitsika tamiko izy indraindray, nandritra ny fianarana, hoe: “Erika, inona no dikan’izany amin’ny teny alemà?”

Nolazain’i Nathan Knorr anay ny fanendrena anay, rehefa nisasaka ny fianarana. Voatendry ho any Paragoay aho. Tsy maintsy nangataka alalana tamin’i Dada aho vao afaka nankany, satria mbola kely. Nanaiky izy, dia nankany Paragoay aho tamin’ny Martsa 1959. Tany amin’ny tranon’ny misionera tany Asunción aho no nasaina nipetraka, ary nahazo namana vaovao indray.

Nihaona tamin’i Walter Bright aho, tsy ela taorian’izay. Misionera koa izy, ary nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-30. Nivady izahay tatỳ aoriana, ary niara-niatrika ny fiainana. Isaky ny nanana olana izahay, dia namaky an’ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Isaia 41:10 hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho.” Nanome toky anay izany fa tsy hanary anay izy, raha miezaka ny tsy hivadika aminy mihitsy izahay ary ny Fanjakany no ataonay loha laharana.

Voatendry ho any amin’ny faritra iray akaikin’ny sisin-tanin’i Brezila izahay tatỳ aoriana. Nampirisika tanora hitoraka ny tranon’ny misionera nisy anay ny mpitondra fivavahana tany. Ilay trano anefa amin’io efa ratsy kely. Lasa nianatra Baiboly tamin’i Walter avy eo ny sefon’ny polisy. Nasiany polisy niambina ny tranonay nandritra ny herinandro, dia tsy sahy naninona anay intsony ny mpanenjika. Nafindra tany amin’ny trano tsara kokoa teny ampitan’ny sisin-tanin’i Brezila izahay taoriana kelin’izay. Tena nety izany satria lasa afaka nanao fivoriana tany Paragoay sy Brezila izahay. Nisy fiangonana kely roa tany rehefa nifindra izahay.

Izaho sy Walter, tamin’izahay misionera tany Asunción, any Paragoay

MANAMPY AHY FOANA I JEHOVAH

Nilaza tamiko ny dokotera hoe tsy afaka miteraka aho. Gaga be àry izahay fa bevohoka aho tamin’ny 1962. Nifindra tany akaikin’ny fianakavian’i Walter, tany Hollywood, any Floride, izahay. Tsy afaka nanao mpisava lalana izahay nandritra ny taona maro, satria tsy maintsy namelona ny ankohonanay. Ilay Fanjakana foana anefa no nataonay loha laharana.—Mat. 6:33.

Tonga tany Floride izahay tamin’ny Novambra 1962. Gaga be izahay fa tsy niara-nivory tamin’ny mpiara-manompo fotsy hoditra ny mainty hoditra, fa nivory nitokana. Samy nanana ny faritaniny koa ry zareo rehefa nitory. Tsy tian’ny olona tany mantsy ny nahita fotsy hoditra sy mainty hoditra niara-nivory. Tsy manavakavaka anefa i Jehovah, ka lasa niara-nivory ihany ny rehetra tsy ela taorian’izay. Tena ny tanan’i Jehovah no nahatonga izany, satria misy fiangonana maromaro any izao.

Mampalahelo fa matin’ny kanseran’ny atidoha i Walter tamin’ny 2015. Efa 55 taona izahay no nivady. Nahafinaritra izy, satria tia an’i Jehovah sady nanampy mpiara-manompo maro. Tsy andriko izay hahitana azy salama tsara indray rehefa hatsangana amin’ny maty izy.—Asa. 24:15.

Faly aho fa afaka nanompo manontolo andro nandritra ny 40 taona mahery. Be dia be ny zavatra nahafinaritra niainako sy ny fitahiana azoko. Afaka nanatrika ny batisan’ny 136 tamin’ny mpianatray, ohatra, izaho sy Walter. Marina fa nisy olana indraindray, nefa tsy nieritreritra mihitsy izahay hoe tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Vao mainka aza izahay nifandray kokoa taminy, satria natoky hoe hamaha an’ilay olana araka ny itiavany azy izy amin’ny fotoana mety aminy. Ary izany foana no ataony!—2 Tim. 4:16, 17.

Malahelo be an’i Walter aho. Mpisava lalana anefa aho dia mba maivamaivana ny alaheloko. Tena manampy ahy ny mampianatra Baiboly, indrindra fa ny mampianatra hoe mbola hatsangana ny maty. Tsy ho voalazako daholo ny fomba nanampian’i Jehovah ahy, fa tsy nanary ahy mihitsy izy. Nitana ny teniny izy, ka manohana sy manatanjaka ahy ary mihazona ahy amin’ny ‘tanany ankavanana.’—Isaia 41:10.