Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Martsa 2018

Mahafinaritra Sady Tena Ilaina ny hoe Tia Mandray Vahiny

Mahafinaritra Sady Tena Ilaina ny hoe Tia Mandray Vahiny

“Aoka ianareo ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany, tsy misy fimenomenonana.”—1 PET. 4:9.

HIRA: 100, 87

1. Inona no olana natrehin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

NANORATRA ho an’ireo ‘mpivahiny niely tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia’ ny apostoly Petera, teo anelanelan’ny taona 62 sy 64. (1 Pet. 1:1) Samy hafa fiaviana ireo rahalahy sy anabavy ireo. Nila fampaherezana sy toromarika izy ireo, satria nisy nanevateva ary niatrika fitsapana toy ny “afo mandoro.” Niaina tamin’ny fotoana nampidi-doza koa izy ireo. Efa akaiky mantsy “ny faran’ny zava-drehetra”, araka ny nolazain’i Petera. Tsy ampy folo taona taorian’izay tokoa, dia rava i Jerosalema. Inona àry no nanampy ny Kristianina rehetra hiatrika an’izany?—1 Pet. 4:4, 7, 12.

2, 3. Nahoana i Petera no nampirisika ny Kristianina ho tia mandray vahiny? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Nanome soso-kevitra maromaro i Petera. Nilaza izy, ohatra, hoe: “Aoka ianareo ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany.” (1 Pet. 4:9) Midika ara-bakiteny hoe fitiavana na hatsaram-panahy amin’ny olona tsy fantatra ilay teny grika nadika hoe “fitiavana mandray vahiny.” Nampirisihan’i Petera anefa ny mpiara-manompo  taminy mba “hifaneho” an’io toetra io, izany hoe haneho azy io amin’ny olona efa fantatr’izy ireo sy efa nifanerasera taminy. Nahoana izany no nanampy azy ireo?

3 Nahatonga azy ireo hifankatia kokoa izany. Tsy faly erỳ ve, ohatra, ianao rehefa nisy nanasa tany an-tranony? Rehefa nanasa mpiara-manompo tany an-tranonao koa ianao, tsy nahatonga anareo ho lasa mpinamana kokoa ve izany? Lasa mahafantatra kokoa an’ireo mpiara-manompo amintsika isika rehefa tia mandray vahiny. Nila nifandray akaiky kokoa ny Kristianina tamin’ny andron’i Petera, satria niharatsy ny fiainana. Izany koa no tokony hataontsika amin’izao “andro farany” izao.—2 Tim. 3:1.

4. Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

4 Rahoviana isika no afaka mandray vahiny? Inona no afaka manampy antsika raha misalasala hanao an’izany isika? Inona no tokony hataontsika rehefa misy manasa isika?

RAHOVIANA ISIKA NO AFAKA MANDRAY VAHINY?

5. Ahoana no ampisehoantsika hoe tia mandray vahiny isika rehefa any am-pivoriana?

5 Any am-pivoriana: Samy voasa handray sakafo ara-panahy daholo isika rehefa any am-pivoriana. I Jehovah sy ny fandaminany no manasa antsika. Raisintsika tsara daholo àry izay tonga any. (Rom. 15:7) Rehefa misy sambany vao mivory, dia lasa hoatran’ny hoe mpanasa koa isika. Nahoana raha arahabaina tonga soa ireny vaovao ireny, na hoatran’ny ahoana ny paoziny na hoatran’ny ahoana? (Jak. 2:1-4) Azonao asaina hiara-hipetraka aminao ve ny olona vaovao iray, raha mbola tsy misy manampy azy? Mety ho tiany raha ampianao izy haharaka tsara ny fandaharana sy hahita an’ireo andininy vakina. Tena “tia mandray vahiny” isika raha manao an’izany.—Rom. 12:13.

6. Iza no tena tokony hasaintsika?

6 Hisakafo na hihinana tsakitsaky: Matetika ny olona fahiny no nanasa ny vahininy hisakafo tao an-tranony. Tiany haseho tamin’izany hoe te hinamana sy hihavana amin’ilay olona izy. (Gen. 18:1-8; Mpits. 13:15; Lioka 24:28-30) Ary amin’izao? Iza no tena tokony hataontsika hoatr’izany? Ny olona mifanerasera matetika amintsika, izany hoe ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonantsika. Hihasarotra ny fiainana, ka mila mifanampy isika. Mila mifandray tsara isika rehetra, ary tsy mivadika amintsika samy isika. Novan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 2011, ny ora ianaran’ny fianakavian’ny Betelan’i Etazonia Ny Tilikambo Fiambenana. Tamin’ny fito latsaka fahefany hariva ilay izy teo aloha, dia naroso amin’ny enina sy fahefany. Nahoana? Voalaza tao amin’ilay fampandrenesana fa rehefa mifarana aloha kokoa ilay fianarana, dia mba afaka manasa Betelita hafa ny Betelita, ary afaka manaiky rehefa misy Betelita manasa azy. Nanao hoatr’izany koa ny biraon’ny sampana hafa. Nahatonga ny Betelita hifankatia kokoa izany.

7, 8. Inona no azontsika atao rehefa misy solontenan’ny fandaminana mitsidika ny fiangonantsika?

7 Mitsidika ny fiangonantsika indraindray ny mpandahateny avy any amin’ny fiangonana hafa, na ny mpiandraikitra ny faritra, na ny solontenan’ny sampana. Afaka manararaotra mandray vahiny isika amin’ireny fotoana ireny. (Vakio ny 3 Jaona 5-8.) Maninona, ohatra, raha asaina hisakafo na hihinana tsakitsaky any aminareo ry zareo?

8 Hoy ny anabavy iray any Etazonia: “Rehefa nisy mpandahateny nitsidika ny fiangonanay, dia nanasa azy sy ny vadiny izahay mivady. Imbetsaka izahay no nanao an’izany, nandritra ny taona maro. Nahafinaritra foana ilay izy sady nanatanjaka ny finoanay. Tsy nanenina mihitsy izahay nanasa azy ireny.”

9, 10. a) Iza no mety hila hampiantranoina elaela? b) Afaka mandray vahiny ve isika na dia kely sy tsotsotra aza ny tranontsika? Manomeza ohatra.

9 Vahiny mijanona elaela: Nampiantrano ny vahininy matetika ny olona fahiny.  (Joba 31:32; Filem. 22) Mila manao hoatr’izany koa isika indraindray. Mila toerana hilasiana, ohatra, matetika ny mpiandraikitra ny faritra rehefa mitsidika. Mety hila an’izany koa ny mpianatra amin’ny sekoly ara-baiboly, na ny mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana. Hoatr’izany koa ny fianakaviana lasa tra-boina. Mety hila trano hipetrahana izy ireny mandra-panamboatra ny tranony. Aza mieritreritra hoe izay mpiara-manompo manana trano lehibe na tsara be ihany no afaka mandray olona. Mety ho efa nanao an’izany imbetsaka mantsy izy ireny. Azonao asaina hipetraka ao aminareo àry ve ireo mila an’izany, na dia kely sy tsotsotra aza ny tranonareo?

10 Nampiantrano mpianatra nanao sekoly ara-baiboly ny rahalahy iray any Korea Atsimo. Hoy izy: “Mpivady vao izahay sady kely ny tranonay, dia nisalasala handray mpianatra tao aminay aho tamin’ny voalohany. Nahafinaritra be anefa ilay izy. Hitanay roa hoe sambatra ny mpivady rehefa miara-manompo an’i Jehovah sy miara-manatratra tanjona ara-panahy.”

11. Nahoana no mila raisina tsara ireo vao nifindra ao amin’ny fiangonantsika?

11 Rahalahy sy anabavy vaovao: Mety hisy rahalahy na anabavy na fianakaviana hifindra ao amin’ny fiangonanareo. Tonga hanitatra ao amin’ny faritaninareo angamba izy ireo, na mpisava lalana ry zareo dia voatendry hanampy ny fiangonanareo. Mbola vaovao amin-dry zareo daholo na ny tanànanareo, na ny fiangonanareo, ary na dia ny fiteninareo sy ny kolontsainareo koa aza angamba. Azonao asaina hisakafo na hihinana tsakitsaky ve ry zareo, na hitsangantsangana? Hahazo namana vaovao ry zareo amin’izay, sady ho zatra an’ilay fiainany vaovao.

12. Inona no mampiseho fa tsy voatery hanomana zavatra be dia be isika rehefa mandray vahiny?

12 Tsy voatery hanomana zavatra be dia be ianao rehefa mandray vahiny. (Vakio ny Lioka 10:41, 42.) Nitantara ny zava-nitranga tamin’izy mivady vao voatendry ho misionera ny rahalahy iray. Hoy izy: “Mbola tanora izahay tamin’izany sady mbola tsy zatra an’ilay fiainanay vaovao. Manimanina ny tany aminay koa izahay. Nalahelo be ny tany aminay ny vadiko indray hariva, dia niezaka nanambitamby azy aho saingy tsy nisy vokany. Nisy nandondòna avy eo tamin’ny fito sy sasany teo ho eo. Vehivavy iray mpianatra Baiboly ilay izy. Tonga hiarahaba anay tonga soa izy, ary nitondrany voasary telo izahay. Nampandrosoinay izy ary nomenay rano iray vera. Nanao dite sy ranon-tsôkôlà mafana koa izahay avy eo. Mbola tsy nahay niteny swahili izahay, dia izy koa tsy nahay niteny anglisy. Lasa mpinamana be tamin’ny mpiara-manompo tany izahay mivady nanomboka tamin’izay, dia lasa falifaly kokoa.”

MISALASALA HANDRAY VAHINY VE IANAO?

13. Inona no mahatsara ny hoe tia mandray vahiny?

13 Efa nisy fotoana angamba ianao nisalasala dia lasa tsy nandray vahiny. Mety ho nahafinaritra be anefa ilay izy raha nataonao, sady mety ho nahazo namana vaovao ianao. Anisan’ny tena manampy ny olona tsy hahatsiaro ho manirery intsony ny fitiavana mandray vahiny. Fa inona moa no mahatonga ny olona hisalasala handray vahiny? Andeha isika handinika antony vitsivitsy.

14. Inona no azonao atao mba hahafahanao handray vahiny sy hanaiky rehefa asain’olona?

14 Tsy manam-potoana sy hery: Be herehina sy maro andraikitra ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah. Mety hahatsiaro ho tsy manam-potoana sy hery handraisana vahiny ny sasany. Raha izany no tsapanao, dia ilainao angamba ny mandinika ny fandaharam-potoananao. Azonao amboarina ve ilay izy mba hahafahanao handray vahiny sy hanaiky rehefa asain’olona? Mampirisika ny Kristianina ho tia mandray vahiny mantsy ny Baiboly. (Heb. 13:2) Tsy diso àry ianao raha  manokana fotoana hanaovana an’izany. Izany mihitsy aza no tokony hatao. Mety hisy zavatra tsy dia ilaina tsy maintsy hajanonao anefa, raha te hahavita handray vahiny ianao.

15. Inona no mety hanakana ny olona tsy handray vahiny?

15 Mieritreritra ianao hoe tsy ho vitanao ilay izy: Nisy fotoana ve ianao te handray vahiny nefa nieritreritra hoe tsy ho vitanao izany? Menatra angamba ianao, na matahotra hoe sao dia tsy hahita horesahina, na manahy sao ho leo be ny vahininao. Mety ho tsy dia manam-bola koa ianao, ka mieritreritra hoe tsy hahavita hoatran’ny ataon’ny olona sasany. Na ianao mieritreritra hoe tsotra loatra ny tranonao, dia tsy mety andraisana vahiny. Tadidio anefa fa tsy voatery ho tsara tarehy be ny tranonao. Ataovy madio sy milamina fotsiny ilay izy ary ataovy mahafinaritra, dia ho faly ny vahininao.

16, 17. Inona no mety hanampy anao tsy hitebiteby loatra raha te handray vahiny ianao?

16 Raha matahotra handray vahiny ianao, dia tsarovy fa tsy ianao irery no hoatr’izany. Hoy ny anti-panahy iray any Grande-Bretagne: “Mitaintaina ihany aloha ianao rehefa handray vahiny e! Afa-po anefa ianao avy eo sady mandray soa be dia be, hoatran’ny amin’ny zavatra rehetra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ihany. Tiako na dia hoe miara-mipetrapetraka amin’ny vahiny fotsiny aza, dia miresadresaka sy misotro kafe.” Tsara foana ny miezaka mitady izay hahasoa ny vahininao. (Fil. 2:4) Tia mitantara ny fiainany ny ankamaroan’ny olona, ary rehefa misy manasa ihany izy vao mety ho afaka hiresaka an’izany. Hoy ny anti-panahy iray: “Rehefa manasa mpiara-manompo any an-trano aho, dia lasa mihamahafantatra an-dry zareo. Lasa azoko kokoa hoe fa maninona ry zareo no hoatr’izao na hoatr’izao, ary indrindra indrindra hoe ahoana no nahitan’izy ireo ny fahamarinana.” Raha mitady izay hahasoa ny vahininao ianao, dia hahafinaritra ilay fiarahana.

17 Nampiantrano mpianatra hanao sekoly ara-baiboly ny anabavy mpisava lalana iray. Hoy izy: “Nanahy aho tamin’ny voalohany, satria tsotsotra kely ny tranoko sady fanaka efa niasa tany aman’olona no ananako. Azoko erỳ anefa ny aiko rehefa avy niresaka tamin’ny rahavavy iray vadina mpampianatra aho. Rehefa mitsidika fiangonana, hono, ry zareo dia ny mipetraka any amin’olona tsy dia manam-bola nefa ara-panahy tsara no tena tiany. Samy te hanompo an’i Jehovah sy hanana fiainana tsotra foana mantsy, hono, ry zareo. Nahatsiaro ny tenin’i Mama aho tamin’izay. Matetika izy no nilaza taminay hoe: ‘Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana.’” (Ohab. 15:17) Aza matahotra àry, fa manàna fitiavana dia handrisika anao handray vahiny izany.

18, 19. Nahoana isika no hanjary hifandray tsara amin’ny olona tsy azoazontsika raha asaintsika izy?

18 Tsy azoazonao ilay olona: Misy olona nampahatezitra anao ve ao amin’ny fiangonanareo? Vao mieritreritra azy ve ianao dia sorena? Ho sosotra aminy foana ianao raha tsy miezaka. Tsy azoazonao angamba ny toetrany, dia kamo ianao hanasa azy. Na mety ho nanao zavatra nampalahelo anao izy taloha, dia tsy afaka ao an-tsainao ilay izy.

19 Milaza ny Baiboly fa ho vitantsika ny hifandray tsara amin’ny olona, na dia ny fahavalontsika aza, raha tsara fanahy aminy isika. (Vakio ny Ohabolana 25:21, 22.) Mety tsy ho sorena be intsony amin’ilay olona nampahatezitra anao ianao sady hihatsara ny fifandraisanareo, raha manasa azy ianao. Mety ho hitanao koa ny toetra tsara hitan’i Jehovah ao aminy, ka nahatonga an’i Jehovah hitaona azy ho ao amin’ny fahamarinana. (Jaona 6:44) Raha amin’ilay tsy ampoiziny iny izy no asainao, sady tena vokatry ny fitiavana no anasanao azy, dia mety ho lasa mpinamana be ianareo. Inona anefa no hanampy anao ho tena tia azy, ka hanasa azy? Ampiharo ny Filipianina 2:3 hoe: ‘Amim-panetren-tena dia  aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.’ Eritrereto hoe inona no mahatonga azy ho ambony noho ianao. Manam-pinoana be ve izy, sa mahay miaritra, sa tsy matahotahotra mihitsy na manana toetra tsara hafa? Raha misaintsaina hoatr’izany ianao, dia ho tianao kokoa ny mpiara-manompo aminao ary ho vonona hanasa azy ianao.

REHEFA MISY MANASA ISIKA

Miomana tsara matetika ny olona hanam-bahiny (Fehintsoratra 20)

20. Nahoana isika no tsy tokony hiova hevitra raha nisy nanasa ka efa nanaiky? Ahoana no ampisehoantsika hoe manaja an’ilay olona nanasa antsika isika?

20 Hoy i Davida mpanao salamo: “Jehovah ô, iza no hivahiny ao an-tranolainao?” (Sal. 15:1) Nitanisa toetra tian’i Jehovah hananan’ny vahininy i Davida avy eo, anisan’izany ny hoe “tsy mivadika amin’ny fianianany izy, na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.” (Sal. 15:4) Raha nisy nanasa àry ianao ka efa nanaiky, dia tsy tokony holavinao indray ilay izy avy eo raha tsy noho ny antony tena lehibe. Mety ho efa niomana mantsy ilay olona, ka ho very maina fotsiny ny ezaka nataony raha tsy tonga ianao. (Mat. 5:37) Nanaiky ny olona sasany rehefa nisy nanasa azy, nefa nilaza indray avy eo hoe tsy ho afaka. Hay nisy olon-kafa nanasa azy taorian’izay, dia nieritreritra izy hoe any no tsaratsara kokoa. Manam-pitiavana sy manaja ny hafa ve isika raha manao an’izany? Tokony hahay hankasitraka isika na inona na inona aroson’ilay mpanasa antsika. (Lioka 10:7) Manam-pitiavana sy manaja an’ilay nanasa antsika isika raha mampandre azy, aloha be araka izay azo atao, raha tena tsy ho afaka.

21. Nahoana isika no tokony hanaja ny fomban’ny olona rehefa misy manasa?

21 Ilaina koa ny manaja ny fomban’ny olona. Raisina tsara, ohatra, ianao any amin’ny faritra sasany na dia tonga tsy nasaina aza. Tian’ny olona any amin’ny faritra hafa kosa raha mifanao fotoana aloha ianareo. Indraindray koa ny vahiny aloha no rosoana sakafo sady omena ny tsara indrindra, izay vao maka ny fianakaviana. Misy kosa tsy manao hoatr’izany, fa mitovy ny sakafon’ny rehetra. Fomba any amin’ny tany sasany ny hoe mitondra zavatra ny vahiny. Tian’ny olona any amin’ny faritra hafa kosa raha tsy mitondra na inona na inona ianao rehefa asainy. Fanao any amin’ny kolontsaina sasany ny hoe rehefa asaina ianao, dia mila mandà indray mandeha na indroa vao manaiky. Tsy fahalalam-pomba anefa izany any amin’ny kolontsaina hafa. Ataovy àry izay azonao atao mba hahatonga ny olona ho faly nanasa anao.

22. Nahoana isika rehetra no tena tokony ho “tia mandray vahiny”?

22 Nilaza i Petera hoe: ‘Efa akaiky ny faran’ny zava-drehetra.’ (1 Pet. 4:7) Vao mainka marina izany teniny izany izao. Efa ho avy ny fahoriana lehibe mbola tsy nisy hoatr’izany. Hiharatsy foana ny fiainana, ka tena mila mifankatia be isika mpiara-manompo. Izao isika no tena mila manaraka ny torohevitr’i Petera hoe: “Aoka ianareo ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany.” (1 Pet. 4:9) Toetra mahafinaritra sy ilaintsika mandrakizay izany.