Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Martsa 2017

Omeo Voninahitra Izay Tokony Homena An’izany

Omeo Voninahitra Izay Tokony Homena An’izany

“Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny fisaorana sy ny haja sy ny voninahitra ary ny hery mandrakizay!”—APOK. 5:13.

HIRA: 9, 108

1. Nahoana matetika ny olona iray no omena voninahitra? Inona no hodinihintsika ato?

NY HOE manome voninahitra olona iray, dia midika hoe manaja azy ary mitondra azy amin’ny fomba miavaka. Matetika no omena voninahitra ny olona iray satria nisy zavatra tena tsara nataony, na izy manana toerana ambony. Ilaina àry ny mieritreritra hoe: Iza no tokony homena voninahitra, ary nahoana?

2, 3. a) Nahoana i Jehovah no tena mendrika ny homena voninahitra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Iza ilay Zanak’ondry resahin’ny Apokalypsy 5:13, ary nahoana izy no mendrika ny homena voninahitra?

2 Milaza ny Apokalypsy 5:13 fa mendrika ny homena voninahitra “Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana” sy ny “Zanak’ondry.” I Jehovah “Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.” Nahoana izy no mendrika ny homena voninahitra? Milaza antony iray ireo anjely resahin’ny Apokalypsy toko faha-4. Nidera an’i Jehovah izy ireo, ka niteny hoe: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao,  ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”—Apok. 4:9-11.

3 I Jesosy Kristy kosa “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jaona 1:29) Ambony noho ny mpanjaka rehetra taloha sy ankehitriny izy. Milaza mantsy ny Baiboly fa “Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo” izy. (1 Tim. 6:14-16) Mbola tsy nisy mihitsy koa mpanjaka nahafoy ny ainy hanavotana ny vahoakany amin’ny fahotana, afa-tsy i Jesosy. Azo inoana àry fa te hanome voninahitra azy ianao, hoatran’ny ataon’ireo anjely maro be any an-danitra. Hoy izy ireo: “Mendrika handray fahefana sy harena sy fahendrena sy hery sy haja sy voninahitra ary fisaorana ny Zanak’ondry, izay efa novonoina ho faty.”—Apok. 5:12.

4. Nahoana isika no tsy maintsy manaja an’i Jehovah sy Kristy?

4 Tsy maintsy manaja an’i Jehovah sy Kristy isika. Tsy ho afaka hiaina mandrakizay isika raha tsy izany. Manamarina an’izany ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:22, 23. Hoy izy: “Tsy mitsara na iza na iza ny Ray, fa nankininy tamin’ny Zanaka ny fitsarana rehetra, mba hanomezan’ny rehetra voninahitra ny Zanaka, toy ny anomezan’izy ireo voninahitra ny Ray. Izay tsy manome voninahitra ny Zanaka dia tsy manome voninahitra ny Ray izay naniraka azy koa.”—Vakio ny Salamo 2:11, 12.

5. Nahoana no mendrika ny hohajaina ny olona rehetra?

5 Noforonin’Andriamanitra “araka ny endriny” ny olona. (Gen. 1:27) Afaka maneho ny toetrany àry ny ankamaroan’izy ireo. Afaka maneho fitiavana sy hatsaram-panahy, ohatra, ny olona, ary mahay mangoraka. Vao teraka isika dia efa manana feon’ny fieritreretana, ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Rom. 2:14, 15) Mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny zavatra madio sy tsara tarehy. Te hifandray tsara amin’ny manodidina koa izy ireo. Hita amin’izany fa misy itovizana amin’ny an’i Jehovah ny toetran’izy ireo, na fantany izany na tsia. Mendrika ny hohajaina sy homena voninahitra àry ny olona.—Sal. 8:5.

ILAINA NY MAHAY MANDANJALANJA

6, 7. Inona no tsy itovizan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny ankamaroan’ny olona?

6 Mila mahay mandanjalanja isika mba tsy ho tafahoatra ny voninahitra omentsika ny olona. Manahaka ny toe-tsain’ny tontolon’i Satana mantsy ny ankamaroan’ny olona. Hindrahindrain’izy ireo ny lehilahy sy vehivavy sasany, ka ataony toy ny andriamanitra kely. Tafahoatra ny voninahitra sy haja omeny azy ireny, fa tsy araka ny tian’i Jehovah. Ataony an’izany, ohatra, ny mpitondra fivavahana, mpanao politika, mpanao fanatanjahan-tena, mpilalao filma, ary ny olo-malaza hafa. Ireny no ataon’izy ireo modely, ka alainy tahaka angamba ny fihetsiny sy ny paoziny ary ny fitondran-tenany.

7 Tsy manindrahindra olona hoatr’izany ny tena Kristianina. I Kristy ihany mantsy no olona nanome modely tonga lafatra. (1 Pet. 2:21) Tsy ho faly Andriamanitra raha omentsika voninahitra tafahoatra ny olona sasany. Mila mitadidy isika hoe “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 3:23) Tsy misy mihitsy olona mendrika ny hohajaina be ka hatao toy ny andriamanitra kely.

8, 9. a) Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana? b) Nahoana no voafetra ny voninahitra omentsika ny manam-pahefana?

8 Misy olona sasany tokony homentsika voninahitra, noho ny fahefana ananany. Anisan’izany ny manam-pahefana. Manao  izay hampiharana ny lalàna sy hisian’ny filaminana mantsy izy ireny, ary mikarakara izay ilain’ny vahoaka. Mahasoa antsika rehetra izany. Nilaza àry ny apostoly Paoly fa tokony hanaiky “ny manam-pahefana” ny Kristianina. Hoy izy: ‘Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haja ho an’izay tokony hohajaina.’—Rom. 13:1, 7.

9 Manaja ny manam-pahefana àry isika Vavolombelon’i Jehovah, ka manaraka an’izay takina any amin’ny tany misy antsika. Manao an’izay asain’izy ireny hatao isika. Misy fetrany anefa izany. Tsy afaka manao izay lazainy isika, raha mahatonga antsika tsy hankatò an’Andriamanitra izany, na mahatonga antsika ho lasa anisan’ity tontolo ity.—Vakio ny 1 Petera 2:13-17.

10. Inona no modely nomen’ny mpanompon’i Jehovah fahiny?

10 Nanaja ny manam-pahefana ny mpanompon’i Jehovah taloha, ka modely ho antsika. Nankatò, ohatra, i Josefa sy Maria rehefa nasain’ny Fitondrana Romanina nisoratra anarana ny vahoakany. Nankany Betlehema izy ireo mba hanao an’izany, na dia bevohoka be efa ho teraka aza i Maria. (Lioka 2:1-5) Nanaja ny manam-pahefana koa i Paoly. Nisy nanendrikendrika izy indray mandeha, dia tsy maintsy niaro tena teo anatrehan’i Heroda Agripa Mpanjaka sy Festosy governoran’i Jodia, faritany romanina. Nanome voninahitra azy ireo izy tamin’izay.—Asa. 25:1-12; 26:1-3.

11, 12. a) Nahoana no tsy ataontsika hoatran’ny manam-pahefana ny mpitondra fivavahana? b) Inona no vokany rehefa nanaja mpanao politika iray ny rahalahy iray?

11 Ary ahoana ny amin’ny mpitondra fivavahana? Tokony homem-boninahitra mihoatra noho ny olon-kafa ve izy ireny? Tsy manao an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mety hanantena an’izany aza izy ireny. Tsy mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra mantsy ny fivavahan-diso, ary manova an’izay lazain’ny Baiboly. Nilaza koa i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy sy mpitarika jamba ny mpitondra fivavahana hoatr’izany. (Mat. 23:23, 24) Tsy omentsika voninahitra be àry ny mpitondra fivavahana, fa hajaintsika hoatran’ny olon-kafa rehetra ihany. Hafa kosa ny fanajana omentsika ny manam-pahefana, ary misy vokany tsara tsy ampoizina izany indraindray.

12 Rahalahy be zotom-po avy any Aotrisy i Leopold Engleitner. Nosamborin’ny Nazia izy tamin’ny Ady Lehibe II, ary nalefan’izy ireo lamasinina nankany amin’ny toby fitanana Buchenwald. Tafaraka tao amin’ilay lamasinina izy sy Heinrich Gleissner, Aotrisianina mpahay lalàna. Mpanao politika izy io taloha, nefa lasa tsy tian’ny Nazia. Nanazava taminy ny zavatra inoany ilay rahalahy teny an-dalana sady nanaja azy, dia nihaino tsara izy. Imbetsaka izy no nampiasa ny fahefany mba hanampiana ny Vavolombelona tany Aotrisy, taorian’ny ady. Angamba ianao mahalala tantara hafa mampiseho hoe misy vokany tsara, rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly isika ka manaja ny manam-pahefana.

IZA KOA NO MENDRIKA NY HOMENA VONINAHITRA?

13. Iza no tena mendrika ny hohajaina sy homena voninahitra, ary nahoana?

13 Mendrika ny homentsika voninahitra sy hajaintsika ny mpiara-manompo amintsika, indrindra fa ireo mitarika eo anivontsika. (Vakio ny 1 Timoty 5:17.) Anisan’izany ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana na Filan-kevi-pitantanana. Hajaintsika izy ireo na inona na inona fireneny, na fianarana vitany, na fari-piainany,  na toerany eo amin’ny fiaraha-monina. Antsoina hoe “lehilahy ho fanomezana” izy ireny ao amin’ny Baiboly. (Efes. 4:8) Mampiasa be azy ireny i Jehovah mba hikarakarana an’izay ilain’ny vahoakany. Tena nanaja an’ireo mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana ny Kristianina voalohany, ary hoatr’izany koa isika. Tsy manindrahindra be an’ireo anti-panahy be mpahafantatra anefa isika. Tsy ataontsika hoatran’ny anjely koa ry zareo rehefa miaraka aminy isika. Hajaintsika sy omentsika voninahitra kosa izy ireo, satria miasa mafy sy manetry tena.—Vakio ny 2 Korintianina 1:24; Apokalypsy 19:10.

14, 15. Inona no tsy itovizan’ny tena mpiandry kristianina sy ny mpitondra fivavahana maro?

14 Manetry tena ireny anti-panahy ireny. Tsy tiany raha hindrahindraina hoatran’ny olo-malaza eto amin’ity tontolo ity izy. Hafa mihitsy izy ireo raha oharina amin’ny mpitondra fivavahana maro ankehitriny sy tamin’ny andron’i Jesosy. Izao no nolazain’i Jesosy momba azy ireny: ‘Tiany ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva, ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga, ary ny hoarahabaina eny an-tsena.’—Mat. 23:6, 7.

15 Manetry tena ny tena mpiandry kristianina, ary mankatò ny tenin’i Jesosy hoe: “Ianareo kosa, aza mety hantsoina hoe Raby, satria iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ankoatra izany, dia aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany, fa iray ny Rainareo, dia Ilay any an-danitra. Aza mety hantsoina koa hoe ‘mpitarika’ ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy. Fa izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo. Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.” (Mat. 23:8-12) Rehefa manetry tena hoatr’izany ny anti-panahy eran-tany, dia tian’ny mpiara-manompo sy hajainy ary omeny voninahitra.

Rehefa manetry tena ny anti-panahy, dia tian’ny mpiara-manompo sy hajainy ary omeny voninahitra (Fehintsoratra 13-15)

16. Nahoana isika no tokony hiezaka foana mba hanome voninahitra ny olona araka izay atoron’ny Baiboly?

16 Marina fa mety ho elaela isika vao hahay handanjalanja, ka hahalala hoe ahoana no atao rehefa manome voninahitra ny hafa ary iza no tokony homena voninahitra. Hoatr’izany koa ny Kristianina voalohany. (Asa. 10:22-26; 3 Jaona 9, 10) Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataontsika mba hanarahana an’izay lazain’ny Baiboly. Handray soa be dia be isika raha manao an’izany.

 MAHASOA NY MANOME VONINAHITRA NY HAFA

17. Inona no mety ho vokany rehefa manaja an’ireo manana fahefana isika?

17 Mety ho vonona kokoa hiaro ny zontsika hitory ireo manana fahefana eo anivon’ny fiaraha-monina, raha manome voninahitra sy manaja azy ireny isika. Matetika koa izy ireny no lasa mankasitraka ny asantsika. Izany no nitranga tany Alemaina, taona maromaro lasa izay. Namonjy ny fizarana bulletin an-janany i Birgit, anabavy mpisava lalana. Nisy mpampianatra nilaza taminy tamin’izay hoe faly be ry zareo nampianatra zanaka Vavolombelona. Halahelo, hono, ry zareo raha tsy misy zanaka Vavolombelona intsony mianatra ao amin’ilay sekoly. Nanazava i Birgit hoe: “Ampianarinay hankatò ny fitsipik’Andriamanitra ny zanakay, dia anisan’izany ny hoe manaja mpampianatra.” Nilaza ny mpampianatra iray avy eo hoe: “Ho paradisa kely ny sekoly raha hoatran’ny zanakareo daholo ny ankizy.” Namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Leipzig mihitsy aza ny mpampianatra iray, herinandro vitsivitsy taorian’izay.

18, 19. Inona no tokony hotadidintsika rehefa manome voninahitra ny anti-panahy isika?

18 Tokony hanaraka ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa isika, rehefa manome voninahitra an’ireo anti-panahy. (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Azontsika atao ny midera azy ireo noho ny asa mafy ataony, ary tokony hanao an’izany isika. Mila miezaka koa isika mba hanaraka ny tari-dalana omeny. Ho faly foana izy ireny amin’izay rehefa manao ny andraikiny. Tsy midika anefa izany hoe halaintsika tahaka ny paozin’ireo anti-panahy misongadina kokoa, na ny fomba fiteniny rehefa manao lahateny, na ny fomba firesany andavanandro. Raha manao an’izany mantsy isika, dia hoatran’ny hoe olona no arahintsika fa tsy i Kristy. Olombelona tsy lavorary ihany anefa ny anti-panahy. I Kristy kosa no modely tokony hotahafintsika.

19 Manampy ny anti-panahy koa isika rehefa manaja azy ireo araka ny tokony ho izy, fa tsy manindrahindra azy ireo hoatran’ny ataon’ny olona sasany amin’ny olo-malaza. Ho mora kokoa amin’izy ireo amin’izay ny hanetry tena, ka tsy hihevi-tena ho ambony izy ireo na hirehareha na hieritreritra hoe mety foana ny ataony.

20. Nahoana no mahasoa antsika ny manome voninahitra ny hafa?

20 Mahasoa antsika koa anefa ny manome voninahitra ny hafa. Manampy antsika mba tsy ho tia tena izany. Hanampy antsika koa izany mba tsy hihevitra ny tenantsika ho ambony noho ny hafa, rehefa misy manome voninahitra antsika. Tena tsara koa ny tsy manindrahindra olona. Tsy ho tafintohina isika amin’izay raha sanatria mandiso fanantenana antsika ny olona hajaintsika. Tsy vitan’izany fa lasa tafaray tsara amin’ny fandaminan’i Jehovah isika. Ny fandaminana mantsy tsy mba manindrahindra na iza na iza, na Vavolombelon’i Jehovah ilay olona na tsia.

21. Nahoana no tena mahafinaritra ny manome voninahitra an’izay tokony homena an’izany?

21 Mampifaly an’Andriamanitra isika rehefa manome voninahitra an’izay tokony homena an’izany. Izany no tena mahafinaritra indrindra. Manao izay atorony mantsy isika amin’izany, ka tsy mivadika aminy. Afaka mamaly an’izay mitady hanaratsy azy i Jehovah amin’izay. (Ohab. 27:11) Tsy mahay mandanjalanja ny ankamaroan’ny olona rehefa manome voninahitra ny hafa. Isika kosa tena faly satria mahalala hoe ahoana no tian’i Jehovah hataontsika rehefa manome voninahitra olona.