Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MARTSA 2016

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Oviana ny vahoakan’i Jehovah no babo tao amin’i Babylona Lehibe?

Nanomboka taorian’ny taona 100 ka hatramin’ny 1919 izy ireo no babo. Tsy izany anefa ny fanazavana taloha. Fa nahoana no nahitsy ilay izy?

Voaporofo fa tsy babo intsony ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919, ary nangonina ho ao amin’ny fiangonan’ny tena Kristianina izy ireo nanomboka teo. Notsapaina sy nodiovina ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa avy niorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. * (Mal. 3:1-4) Notendren’i Jesosy avy eo “ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina” tamin’ny 1919, mba hanome “sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety.” (Mat. 24:45-47) Toy ny hoe niverina tao amin’ny tany nomen’i Jehovah azy ny vahoakany tamin’io taona io, satria nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe. (Apok. 18:4) Fa nanomboka oviana izy ireo no babo tao?

Nihevitra isika taloha fa nanomboka tamin’ny 1918 izany, ary vetivety ihany. Milaza, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1992 hoe: ‘Nentina tany Babylona ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, ary babo tany elaela. Babo tao amin’i Babylona Lehibe koa ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1918.’ Nisy fikarohana fanampiny natao anefa, ka hita fa efa ela be talohan’ny 1918 izy ireo no lasa babo.

Diniho, ohatra, ny faminaniana ao amin’ny Ezekiela 37:1-14. Resahina ao amin’io fahitana hitan’i Ezekiela io, fa ho babo ny vahoakan’Andriamanitra nefa hafahana avy eo. Nahita tany lemaka feno taolam-paty izy. Nilaza i Jehovah fa “ny taranak’Israely manontolo” ireo taolana ireo. Tanteraka amin’ny “Israelin’Andriamanitra” koa anefa io faminaniana io. (Gal. 6:16; Asa. 3:21) Velona avy eo ireo taolana hitan’i Ezekiela, ary lasa tafika lehibe. Azo lazaina hoe natsangana tamin’ny maty koa ny vahoakan’i Jehovah, ka velona indray tamin’ny 1919. Naharitra hafiriana anefa izy ireo no babo, rehefa dinihina io fahitana io?

Voalohany, voalaza fa “maina” na “maina be” ireo taolana. (Ezek. 37:2, 11) Midika izany fa  taolan’olona efa maty ela be ireo. Faharoa, velona tsikelikely ireo olona maty ireo, fa tsy velona tampoka. Nisy feo re aloha, avy eo nisy zavatra nikatrokatroka, ary “indreny fa nifanatona ireo taolana: Samy nanatona ny namany avy izy ireo.” Naniry “hozatra sy nofo” ireo taolana, ary rakotra hoditra avy eo. “Nisy fofonaina niditra tao amin’ireo” nony farany, “dia velona ireo.” Napetrak’i Jehovah tao amin’ny taniny ireo olona ireo rehefa velona. Nila fotoana izany rehetra izany.—Ezek. 37:7-10, 14.

Elaela ihany ny firenen’Israely fahiny no babo. Nanomboka izany tamin’ny 740 T.K., rehefa resy ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra ary natao sesitany ny mponina tao. Rava koa i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ary natao sesitany ny mponin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. Tamin’ny 537 T.K. vao nafahana ireo Jiosy babo. Nisy tamin’izy ireo nody tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempoly, sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina.

Mazava àry fa tsy tamin’ny 1918 ka hatramin’ny 1919 ihany no babo tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’i Jehovah. Babo izy ireo nandritra ny fotoana niarahan’ny tsimparifary sy ny vary naniry. Lasa be lavitra noho ny tena Kristianina na ny “zanak’ilay fanjakana” mantsy ny mpivadi-pinoana tamin’izany. (Mat. 13:36-43) Takona ny fiangonana kristianina ka toy ny hoe babo tao amin’i Babylona Lehibe. Nanomboka babo izy io taorian’ny taona 100 ka hatramin’ny fotoana nanadiovana ny tempoly ara-panahy, mandritra ny fotoanan’ny farany.—Asa. 20:29, 30; 2 Tes. 2:3, 6; 1 Jaona 2:18, 19.

Te hanjakazaka tamin’ny olom-peheziny ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika, nandritra an’io fotoana io, ka tsy navelany hanana Baiboly ny olona. Nomelohina, ohatra, izay namaky Baiboly tamin’ny fiteny be mpampiasa, ka nisy aza nodorana teo amin’ny tsato-kazo. Nosazina mafy koa izay sahy nanohitra ny hevitry ny mpitondra fivavahana, ka tsy afaka niely ny fahamarinana.

Oviana àry no nafahana ny vahoakan’i Jehovah, ary ahoana no nitrangan’izany? Nandeha tsikelikely ilay izy. Toy ny hoe nisy “zavatra nikatrokatroka”, nandritra ny an-jatony taona nialoha ny fotoanan’ny farany. Nisy ihany mantsy ny olona tsy nivadika, izay niezaka mafy nanohana ny fivavahana marina, na dia niely be aza ny  fampianaran-diso. Niezaka namoaka Baiboly tamin’ny fiteny be mpampiasa, ohatra, ny sasany tamin’izy ireo. Ny hafa kosa nitory ny fahamarinana nianarany tao amin’ny Baiboly.

Nazoto nandinika Baiboly i Charles Russell sy ny namany, tamin’ny 1870 tany ho any, ka niharihary indray ny fahamarinana. Toy ny hoe nanomboka nisy hozatra sy nofo àry ireo taolana. Nanampy an’ireo olona tso-po hahalala ny fahamarinana Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) sy ny boky hafa. Nanatanjaka ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah koa ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) tamin’ny 1914, sy ny boky Ilay Mistery Fantatra (frantsay) tamin’ny 1917. Farany, dia azo lazaina hoe velona izy ireo tamin’ny 1919, ary toy ny hoe napetrak’i Jehovah tao amin’ny tany iray vaovao. Niampy an’ireo manantena hiaina eto an-tany ny sisa voahosotra, tatỳ aoriana, ka lasa “tafika tena lehibe dia lehibe” izy ireo.—Ezek. 37:10; Zak. 8:20-23. *

Mazava àry fa lasa babo tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’i Jehovah, rehefa nitombo ny mpivadi-pinoana, taorian’ny taona 100. An-jatony taona izy ireo no babo. Fotoana nanjombona ho azy ireo izany, toy ilay fotoana nanaovana sesitany ny Israelita fahiny. Faly anefa isika fa efa nafahana izy ireo. Tanteraka ankehitriny àry ilay hoe ‘hamirapiratra ireo lalin-tsaina’ ary ‘maro no hanadio ny tenany ka ho voadio.’—Dan. 12:3, 10.

Tena nentin’i Satana teny amin’ny tempoly tokoa ve i Jesosy rehefa nalainy fanahy?

Raha tsorina, dia tsy tena fantatsika raha nijoro teo amin’ny tempoly tokoa i Jesosy, na tao amin’ny fahitana fotsiny no nankanesany teo. Samy noresahin’ny gazetintsika ireo hevitra roa ireo.

Diniho aloha izay lazain’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Matio: “Ary nitondra azy [Jesosy] nankany amin’ny tanàna masina avy eo ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly.” (Mat. 4:5) Toy izao koa no nitantaran’i Lioka an’ilay izy: “Nitondra azy nankany Jerosalema ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly.”—Lioka 4:9.

Nohazavain’ny gazetintsika taloha fa mety ho tsy nentina ara-bakiteny nankany Jerosalema i Jesosy. Nilaza toy izao, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1961: “Toa tsy voatery horaisina ara-bakiteny daholo izay voalaza fa nitranga tamin’i Jesosy, tamin’izy nalaina fanahy tany an-tany efitra. Tsy misy mihitsy tendrombohitra avo be ahafahana mahita ‘ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.’ Tsy tokony ho ara-bakiteny àry ilay hoe nentin’i Satana ‘nankany amin’ny tanàna masina’ i Jesosy, ary napetrany ‘teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly.’ Fakam-panahy foana anefa ilay izy, na ahoana na ahoana.” Ny Tilikambo Fiambenana tatỳ aoriana kosa nanazava fa ho namono tena i Kristy, raha nanao an’izay  nasain’i Satana nataony. Toa midika izany fa tena teo amin’ny toerana avo izy.

Misy Baiboly milaza fa nitsangana teo an-tampon’ny tempoly i Jesosy. Milaza anefa ny olona sasany fa tsy nahazo nanao izany izy satria tsy Levita, ka mety ho tao amin’ny fahitana no ‘nitondrana’ azy nankany amin’ny tempoly. Toy izany no nitranga tamin’i Ezekiela mpaminany, ela be talohan’izay.—Ezek. 8:3, 7-10; 11:1, 24; 37:1, 2.

Raha fahitana fotsiny anefa io fakam-panahy io, dia mipoitra ireto fanontaniana ireto:

  • Tena nalaim-panahy hitsambikina avy teny amin’ny tempoly ve i Jesosy?

  • Raha ara-bakiteny ilay hoe nasaina nanova ny vato ho mofo sy nasaina niankohoka teo anatrehan’i Satana izy, tsy tokony ho ara-bakiteny koa ve ilay izy nasaina nitsambikina avy teny amin’ny tempoly?

Raha tena nitsangana teo an-tampon’ny tempoly kosa i Jesosy, dia mipoitra ireto fanontaniana ireto:

  • Nandika ny Lalàna ve izy satria nitsangana teo an-tampon’ny toerana masina?

  • Ahoana no nandehanany avy tany an-tany efitra nankany Jerosalema?

Andeha isika handinika fanazavana fanampiny mety hahavaly an’ireo fanontaniana roa ireo.

Voalohany, manazava ilay manam-pahaizana atao hoe D. Carson fa “angamba ilazana an’ilay toerana manontolo mihitsy fa tsy ny toerana masina fotsiny”, ilay teny grika hoe hierôn, izay nadikan’i Matio sy Lioka hoe “tempoly.” Tsy voatery ho nitsangana teo an-tampon’ny toerana masina àry i Jesosy. Nety ho teo amin’ny zorony atsimoatsinanan’ny faritry ny tempoly kosa izy. Tokotokony ho 137 metatra avy teo no nisy ny Lohasahan’i Kidrona terỳ ambany. Marin-tampona sady nisy arofanina ny tampon’ilay trano avo indrindra teo atsimoatsinanana. Nilaza i Josèphe mpahay tantara fahiny fa avo be ilay izy ka “ho fanina” izay nijoro teo raha nijery terỳ ambany. Ho nahazo nitsangana teo i Jesosy na tsy Levita aza, ary tsy ho niteraka korontana izany.

Faharoa, ahoana no nitondrana an’i Jesosy avy tany an-tany efitra nankany amin’ny tempoly? Tsy haintsika ny tena marina. Fohy ihany mantsy ilay fitantarana, ka tsy resahiny hoe naharitra hafiriana ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy, na hoe taiza ho aiza tany an-tany efitra izy. Mety ho nandeha an-tongotra niverina tao Jerosalema izy, na dia elaela aza izy vao ho tonga. Tsy milaza koa ilay fitantarana hoe tany an-tany efitra foana izy nandritra ny fotoana nakana fanahy azy. Lazainy fotsiny fa nentina nankany Jerosalema izy.

Ary ahoana ilay hoe naseho an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao”? Tsy hitany ara-bakiteny ireo, satria tsy misy tendrombohitra ahafahana mitazana azy rehetra. Mety ho nampiasa karazana fahitana àry i Satana teo, hoatran’ny olona mampiasa efijery sy fitaovana fandefasana filma mba hampisehoana sarina faritra samihafa eto an-tany. Tena nasainy ‘niankohoka teo anatrehany’ anefa i Jesosy, na dia atao aza hoe nampiasa fahitana izy. (Mat. 4:8, 9) Azo inoana àry fa tena nasainy nitsambikina avy teo amin’ny mandan’ny tempoly koa i Jesosy, ary maty izy raha nanao izany. Tsy ho tena nisy vokany ratsy toy izany ilay fakam-panahy, raha toa ka nampiasa fahitana fotsiny i Satana.

Tsy afaka manizingizina àry isika hoe inona no tena nitranga, araka ny efa voalaza teny am-piandohana. Mety ho marina ilay hoe nankany Jerosalema i Jesosy, ary nitsangana teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly. Azo antoka anefa fa tena nisy ireo fakam-panahy ireo, ary hentitra i Jesosy namaly ny Devoly.

^ feh. 1 Samy mitantara zava-nitranga tamin’ny 1919 ny Ezekiela 37:1-14 sy ny Apokalypsy 11:7-12. Ny faminanian’i Ezekiela anefa miresaka fa hafahana ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, rehefa avy babo ela be. Ny Apokalypsy kosa milaza fa toy ny hoe velona indray ny rahalahy voahosotra vitsivitsy nitarika ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa avy nosakanana tsy hitory nandritra ny fotoana fohy.