Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 26

Ampio ny Hafa Hizaka ny Adin-tsainy

Ampio ny Hafa Hizaka ny Adin-tsainy

“Miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena.” —1 PET. 3:8.

HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana?

TENA tia antsika i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana. (Jaona 3:16) Te hanahaka azy isika ka mampihatra ny voalazan’ny Baiboly hoe “miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy”, ary “manàna fangorahana.” Manao an’izany amin’ny olona rehetra isika, indrindra fa amin’ny “mpiray finoana amintsika.” (1 Pet. 3:8; Gal. 6:10) Hoatran’ny fianakaviantsika mihitsy izy ireo, ka tiantsika hampiana rehefa miatrika olana mampiady saina.

2. Inona no horesahintsika ato?

2 Tsy maintsy hiatrika zava-tsarotra daholo izay te ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah. (Mar. 10:29, 30) Azo inoana hoe vao mainka hihabetsaka ny olana mahazo antsika, arakaraka ny anatonan’ny faran’ity tontolo ity. Mila mifanampy àry isika. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Andao isika handinika ny tantaran’i Lota sy Joba ary Naomy mba hahitana ny valin’izany. Horesahintsika avy eo ny zava-tsarotra sasany mahazo ny mpiara-manompo amintsika sy izay azontsika atao mba hanampiana azy ireo.

MANÀNA FAHARETANA

3. Inona no safidy ratsy nataon’i Lota, araka ny 2 Petera 2:7, 8? Inona no vokatr’izany?

3 Tsy nety ny safidy nataon’i Lota. Nanapa-kevitra ny hipetraka tany Sodoma mantsy izy, nefa ratsy fitondran-tena be ny olona tao. (Vakio ny 2 Petera 2:7, 8.) Marina fa nanankarena io faritra io. Novidiny lafo anefa ilay safidy nataony. (Gen. 13:8-13; 14:12) Noringanin’i Jehovah tamin’ny afo sy solifara mantsy i Sodoma. Nafoin’i Lota tao daholo àry ny fananany sy  ny tranony. Maty tamin’izay koa ny fofombadin’ny zanany roa vavy. Fa ny mangidy indrindra, dia hoe namoy ny ainy tamin’ilay fandringanana koa ny vadiny. Tsy nankatò an’i Jehovah mantsy ny vadiny, satria angamba lasa tia be an’ilay tanàna na ny olona sasany nipetraka tao. (Gen. 19:12-14, 17, 26) Azo antoka fa nampiady saina an’i Lota izany rehetra izany. Tsy tezitra taminy anefa i Jehovah fa mbola nanam-paharetana ihany.

Nangoraka an’i Lota sy ny fianakaviany i Jehovah, ka nandefa anjely mba hamonjy azy ireo (Fehintsoratra 4)

4. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nanam-paharetana tamin’i Lota izy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

4 Marina fa i Lota ihany no nisafidy hipetraka tany Sodoma. Nangoraka azy anefa i Jehovah ka nandefa anjely mba hamonjy azy mianakavy. Nasain’ireo anjely niala haingana tao Sodoma ry zareo, nefa tsy tonga dia nankatò fa mbola “nitaredretra.” Notantanan’ireo anjely mihitsy aza izy mianakavy, ary nampiany mba hitsoaka an’ilay tanàna. (Gen. 19:15, 16) Nasain’ireo anjely nihazakazaka nankany amin’ireo faritra be tendrombohitra i Lota avy eo. Mbola tsy nankatò ihany anefa izy, fa niangavy an’i Jehovah mba havelany handositra any amin’ny tanàna teo akaiky teo. (Gen. 19:17-20) Nihaino azy i Jehovah sady nanam-paharetana, ary nanaiky ny fangatahany. Lasa natahotra indray anefa i Lota rehefa nipetraka tao amin’ilay tanàna, dia nandeha nifindra. Taiza izy no nandeha? Tany amin’ilay faritra be tendrombohitra nasain’i Jehovah nalehany tamin’ny voalohany ihany. (Gen. 19:30) Tsy hitanao ve fa manam-paharetana be i Jehovah? Ahoana no hanahafantsika azy?

5-6. Ahoana no azontsika ampiharana ny 1 Tesalonianina 5:14?

5 Mety hitranga amin’ireo rahalahy sy anabavintsika koa ny nanjo an’i Lota. Mety hanao safidy ratsy izy ireo dia hahita olana be. Ahoana no hataonao amin’izay? Mety ho te hiteny aminy ianao hoe mijinja an’izay nafafiny izy, ary marina izany. (Gal. 6:7) Tsy tsara kokoa ve anefa raha ampiana izy, hoatran’ny nataon’i Jehovah tamin’i Lota? Ahoana no hanaovana an’izany?

6 Tsy ny hampitandrina an’i Lota fotsiny no nandefasan’i Jehovah an’ireo anjely. Nasainy nanampy azy mianakavy koa izy ireo mba handositra ka tsy ho ringana ao Sodoma. Hoatr’izany koa isika. Mila mampitandrina an’ireo mpiara-manompo isika, raha hitantsika hoe hampivarina azy ireo any an-kady ny zavatra ataony. Mety ho afaka hanampy azy koa anefa isika. Tokony hanam-paharetana isika, raha elaela izy vao mampihatra ny torohevitra ara-baiboly nomena azy. Manaova hoatran’ireo anjely, ka aza ihatakatahana izy fa mitadiava foana hevitra hanampiana azy. (1 Jaona 3:18) Mila manolo-tena hitantana azy mihitsy angamba isika, izany hoe manampy azy hampihatra ny torohevitra tsara nomena azy.—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:14.

7. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’i Lota, ary ahoana no azontsika anahafana azy?

7 Afaka nifantoka tamin’izay tsy nety nataon’i Lota i Jehovah, nefa tsy nanao an’izany izy. Nasainy nosoratan’ny apostoly Petera tatỳ aoriana hoe olo-marina i Lota. Tena faly isika fa mamela ny fahadisoantsika i Jehovah! (Sal. 130:3) Maninona àry raha miezaka hanahaka azy? Raha mifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavy ianao, dia hanam-paharetana kokoa amin’izy ireo. Mety ho mora kokoa amin’izy ireo ny hanaiky ny fanampianao amin’izay.

MIEZAHA HANGORAKA

8. Inona no hataontsika raha mangoraka isika?

8 Niaritra ny mafy koa i Joba, saingy tsy hoatran’ny nanjo an’i Lota ny nanjo azy.  Tsy avy amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny mantsy ny fahoriana nianjady taminy. Fongana ny fananany rehetra, afa-boninahitra teo amin’ny fiaraha-monina izy, ary narary mafy. Tsy vitan’izany fa maty daholo ny zanak’izy mivady. Nanendrikendrika azy koa ny lehilahy telo nilaza ho namany. Tsy nangoraka azy mihitsy izy ireo. Nahoana? Satria tsy niezaka hahazo an’izay tena nanjo an’i Joba izy ireo. Diso hevitra izy ireo vokatr’izany, ka lasa nitsaratsara an’i Joba fotsiny. Inona no hanampy antsika tsy hanao an’izany fahadisoana izany? Tadidio fa i Jehovah irery no mahalala ny tsipiriany rehetra momba an’izay mahazo ny olona iray. Raha misy rahalahy na anabavy kivy miresaka aminao àry, dia henoy tsara izy. Aza ny teny lazainy fotsiny anefa no ifantohana, fa ataovy mihitsy izay hahatsapanao ny fahoriany. Amin’izay ihany ianao vao hahavita hampiseho hoe tena miara-ory aminy.

9. Inona no tsy hataontsika raha mangoraka isika, ary nahoana?

9 Raha mangoraka koa isika, dia tsy hiresadresaka momba ny olana manjo an’ilay olona kivy. Tsy mampiray saina ny fiangonana ny mpifosafosa fa mandrava azy io. (Ohab. 20:19; Rom. 14:19) Tsy tsara fanahy izay manao an’izany, ary mety handratra ny fon’ilay olona efa mijaly ny zavatra lazainy. (Ohab. 12:18; Efes. 4:31, 32) Aleo lavitra àry mifantoka amin’ny toetra tsaran’ilay olona sy mieritreritra an’izay azontsika anampiana azy.

Mety ‘hirediredy’ ny mpiara-manompo aminao, nefa henoy tsara foana izy ary manàna faharetana. Ilazao teny mampahery koa izy amin’ny fotoana mety (Fehintsoratra 10-11) *

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny Joba 6:2, 3?

10 Vakio ny Joba 6:2, 3. “Nirediredy” i Joba indraindray. Niaiky anefa izy tatỳ aoriana hoe tsy nety ny zavatra noteneniny. (Joba 42:6) Raha miady saina noho ny olana mianjady aminy koa ny olona iray, dia mety hirediredy ka hilaza zavatra hanenenany. Inona no tokony hataontsika amin’izay? Aleo mangoraka  toy izay manakiana azy. Tsy noforonin’i Jehovah hanana olana sy hiady saina mantsy isika. Tsy mahagaga àry raha miteniteny foana na dia ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aza, rehefa sendra ny mafy. Raha tafateny zavatra tsy marina momba an’i Jehovah na momba antsika izy, dia tsy tokony ho tezitra aminy isika na hitsaratsara azy noho ny zavatra lazainy.—Ohab. 19:11.

11. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Eliho rehefa manome torohevitra?

11 Mila torohevitra ny olona miady saina indraindray, ary manome an’izany ny anti-panahy. (Gal. 6:1) Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Mila manahaka an’i Eliho izy ireo. Tena nangoraka an’i Joba i Eliho rehefa nihaino azy. (Joba 33:6, 7) Efa azony tsara ny tao an-tsain’i Joba, izay izy vao nanoro hevitra azy. Raha manahaka azy àry ny anti-panahy, dia hihaino tsara ny mpiara-manompo aloha sady hiezaka hahazo tsara an’izay manjo azy ireo. Azo inoana kokoa hoe hanohina ny fo ny torohevitra homen’izy ireo amin’izay.

MANAOVA TENY MAMPAHERY

12. Nanao ahoana i Naomy rehefa maty ny vadiny sy ny zanany roa lahy?

12 Tena tia an’i Jehovah i Naomy, ary tsy nivadika taminy. Rehefa maty anefa ny vadiny sy ny zanany roa lahy, dia tiany hovana hoe “Mara” ny anarany. Mangidy no dikan’izany. (Rota 1:3, 5, 20, 21) Be dia be ny olana nahazo an’i Naomy nefa tsy nety nisaraka taminy mihitsy i Rota. Nanampy azy hahazo an’izay nilainy izy, sady nampionona azy. Teny tsotra sy vokatry ny fo no nampaherezany an’i Naomy sy nampisehoany ny fitiavany azy.—Rota 1:16, 17.

13. Nahoana no mila ny fanampiantsika ireo rahalahy sy anabavy rehefa maty ny vadiny?

13 Mila ny fanampiantsika ireo rahalahy sy anabavy rehefa maty ny vadiny. Azo oharina amin’ny hazo roa mifanakaiky sy miara-maniry mantsy ny mpivady. Rehefa mandeha ny fotoana, dia lasa mifamatopatotra ny fakan’ireo hazo ireo. Raha ongotana àry ny iray ka maty, dia mety hisy fiantraikany be amin’ilay hazo iray tavela izany. Hoatr’izany no mitranga amin’ny olona iray rehefa nindaosin’ny fahafatesana ny vadiny. Mety hifamahofaho be ny fihetseham-pony ary mety haharitra ela be izany. Izany no nahazo an’i Paula * rehefa maty tampoka ny vadiny. Hoy izy: “Nitsimbadika tanteraka ny fiainako. Hoatran’ny hoe tsisy hery intsony aho. Tsy eo intsony ilay namako akaiky indrindra. Iza indray izany no mba hiara-mifaly amiko sy hitantarako an’izay rehetra manjo ahy? Iza no hampitraka an’ahy rehefa ao anatin’ny sarotra? Any amin’iza aho no handeha hitomany rehefa kivy? Banga be ny fiainako rehefa tsy teo intsony izy.”

Ahoana no azontsika anampiana an’ireo maty vady? (Fehintsoratra 14-15) *

14-15. Ahoana no azontsika ampaherezana ny olona maty vady?

14 Ahoana no azo ampaherezana ny olona maty vady? Miezaha hiresaka aminy na dia tsy sahy aza ianao na tsy mahita holazaina. Tena zava-dehibe izany. Hoy i Paula, ilay noresahina tetsy aloha: “Azoko ihany hoe mahasadaikatra ny olona ny miresaka momba ny fahafatesana. Matahotra mantsy ry zareo sao tafateny zavatra tsy mety. Aleo anefa maheno zavatra tsy mety toy izay tsy misy miresaka.” Tsy manantena koa ny olona nidonam-pahoriana hoe hilaza zavatra miavaka be isika. Hoy ihany i Paula: “Tena faly aho na dia niteny fotsiny aza ny namako hoe nalahelo an’ahy ry zareo.”

15 Maty ny vadin’i William, taona vitsivitsy lasa izay. Hoy izy: “Tiako rehefa mba mitantara zavatra tsara momba ny vadiko ny olona,  satria lasa mahazo toky aho hoe tian’ny olona izy sady nohajain’izy ireo. Tena manampy sy mampahery be an’ahy izany, satria sarobidy be tamiko izy. Hoatran’ny rano sy vary mihitsy izahay!” Maty vady koa i Bianca ary izao no nolazainy: “Lasa tsy dia malahelo aho rehefa miara-mivavaka amiko ny olona, dia mamaky andinin-teny iray na roa ho an’ahy. Mampahery an’ahy koa rehefa miresaka amiko momba ny vadiko ry zareo, na mihaino an’ahy miresaka momba azy.”

16. a) Inona no tokony hataontsika ho an’ireo maty vady? b) Inona no andraikitra nomena antsika, araka ny Jakoba 1:27?

16 Nanampy an’i Naomy foana i Rota ary hoatr’izany koa no tokony hataontsika. Mila manampy foana an’ireo olona maty vady isika. Hoy ihany i Paula, ilay noresahina teo aloha: “Be dia be mihitsy no nanampy ahy tamin’ny vao maty ny vadiko. Fa rehefa nandeha ny fotoana, dia samy variana tamin’ny fiainany daholo ny olona. Ny fiainako anefa niova tanteraka. Raha mba fantatry ny olona hoe mila ampaherezina foana izay nidonam-pahoriana na dia efa volana maro na taona maro atỳ aoriana aza, dia tena manampy be izany.” Marina aloha hoe tsy mitovy ny olona. Hoatran’ny vetivety ny olona sasany dia zatra an’ilay fiainany vaovao. Ny hafa indray manembonembona an’ilay olona maty foana, isaky ny manao zavatra niarahan-dry zareo nanao taloha. Samy manana ny fomba anehoany ny alahelony koa ny olona. Tokony hotadidintsika anefa hoe nomen’i Jehovah andraikitra hikarakara  an’ireo maty vady isika, ary voninahitra ho antsika izany.—Vakio ny Jakoba 1:27.

17. Nahoana no mila ampaherezina ireo nilaozan’ny vadiny?

17 Miady saina be sy mahatsiaro ho mijaly koa ny olona sasany satria nilaozan’ny vadiny. Izany no tsapan’i Joyce. Niaraka tamina vehivavy hafa ny vadiny, dia nisaraka taminy. Hoy izy: “Tena mafy tamiko ilay hoe nisarahan’ny vadiko, ary angamba izany mbola mafy noho ny hoe maty izy. Tsy nanan-tsafidy mantsy izy raha ohatra ka voadonan’ny aotomobilina na narary dia maty. Tsy izay anefa no nitranga. Izy mihitsy no nisafidy ny handao an’ahy. Hoatran’ny hoe nohambaniana sy natao tsinontsinona aho.”

18. Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo maty vady?

18 Inona no vokany rehefa tsara fanahy amin’ny olona maty vady isika, ka manao zavatra kely hanampiana azy? Ho tsapany hoe tiantsika izy. Lasa irery mantsy izy izao ka tena mila namana. (Ohab. 17:17) Misy fomba maromaro azonao ampisehoana hoe tena namana ianao. Afaka manao sakafo tsotsotra, ohatra, ianao dia manasa azy. Afaka miara-miala voly aminy na miara-manompo aminy koa ianao. Maninona raha antsoina hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka aminareo izy indraindray? Hampifaly an’i Jehovah ianao raha manao an’ireo. “Akaiky an’izay torotoro fo” mantsy izy, ary miaro an’ireo maty vady.—Sal. 34:18; Eks. 22:22, 23.

19. Mampirisika antsika hanao inona ny 1 Petera 3:8?

19 Tsy ho ela dia “hohadinoina ... ny fahoriana taloha” rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa tsy andrintsika izany! “Tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha” amin’izay fotoana izay. (Isaia 65:16, 17) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia andao hifanampy sy hampiseho amin’ny teny sy ny atao hoe tiantsika daholo ny mpiara-manompo. Fianakaviana iray ihany mantsy isika.—Vakio ny 1 Petera 3:8.

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

^ feh. 5 Niatrika olana nampiady saina i Lota sy Joba ary Naomy, na dia tsy nivadika tamin’i Jehovah aza. Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo? Nahoana isika no tena tokony hanam-paharetana sy hangoraka ary hanao teny mampahery, rehefa miatrika olana ny mpiara-manompo? Handinika an’izany isika ato.

^ feh. 13 Novana ny anarana ato.

^ feh. 57 SARY: Tezitra be ny rahalahy iray dia ‘mirediredy.’ Mihaino azy ny anti-panahy iray sady manam-paharetana. Efa tsy tezitra intsony ilay rahalahy atỳ aoriana. Tsara fanahy ilay anti-panahy manome torohevitra azy.

^ feh. 59 SARY: Mpivady tanora mitsidika rahalahy iray maty vady vao haingana. Miresaka zavatra mahafinaritra ahatsiarovan’izy ireo an’ilay vadiny izy telo sady mijery sary.