Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

“Tsy Anisan’ity Tontolo ity ny Fanjakako”

“Tsy Anisan’ity Tontolo ity ny Fanjakako”

“Izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”—JAONA 18:37.

HIRA: 15, 74

1, 2. a) Inona no porofo fa vao mainka misara-bazana ity tontolo ity? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

HOY ny anabavy iray any Eoropa momba ny fiainany taloha: “Mbola kely aho dia efa nahita hoe manjaka ny tsy rariny. Tsy tiako intsony ny fitondrana atỳ amin’ny tany misy ahy, dia lasa nanohana ny hevitr’ireo te hitondra fanovana aho. Nampiaraka tamin’ny lehilahy iray mpampihorohoro mihitsy aza aho, nandritra ny taona maro.” Nieritreritra ny rahalahy iray atsy Afrika fa mety ny mampiasa herisetra. Hoy izy: “Nihevitra aho hoe ambony noho ny foko rehetra ny fokonay, dia niditra ho anisan’izay antoko politika iray izay aho. Nampianarina hamono ny fahavalonay tamin’ny lefona izahay. Izay nanohana antoko politika hafa dia nasaina novonoinay, na dia iray foko taminay aza.” Niaiky toy izao ny anabavy iray hafa any Eoropa: “Nanavakavaka aho taloha. Halako daholo izay olona tsy nitovy firenena na fivavahana tamiko.”

2 Mihabetsaka izao ny olona manana toe-tsaina hoatr’izany. Antoko politika maro no mampiasa herisetra mba hahazoana fahaleovan-tena. Vao mainka mampiady ny politika. Vao mainka mankahala ny vahiny koa ny olona any amin’ny tany maro. Marina mihitsy ny voalazan’ny Baiboly hoe “tsy ho azo ifanarahana” ny olona mandritra ny andro farany. (2 Tim. 3:1, 3) Inona àry no hanampy antsika hiray saina, na dia mihamisara-bazana aza ity tontolo ity? Hanampy antsika ny modely nomen’i Jesosy. Nampisy korontana koa mantsy ny resaka politika tamin’ny androny. Handinika an’ireto  hevi-dehibe ireto isika: Nahoana i Jesosy no tsy nety niditra ho anisana antoko politika mihitsy? Ahoana no nampisehoany hoe tsy tokony homba ny atsy na ny aroa ny mpanompon’i Jehovah? Ahoana koa no nampisehoany hoe tsy mety mihitsy ny mampiasa herisetra, na inona na inona antony?

NANOHANA AN’IREO NITADY FAHALEOVAN-TENA VE I JESOSY?

3, 4. a) Inona no nantenain’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy? b) Inona no mampiseho fa nisy vokany tamin’ny mpianatr’i Jesosy izany?

3 Maro tamin’ny Jiosy nitorian’i Jesosy no tena tsy te ho eo ambany fahefan’ny Romanina intsony. Vao mainka te hahazo fahaleovan-tena izy ireo, satria nisy Jiosy nafana fo be ho an’ny tanindrazany nitaona an-dry zareo hikomy tamin’ny Romanina. Nantsoina hoe Zelôta izy ireny. Maro tamin’izy ireny no nanaraka ny hevitr’i Jodasy avy any Galilia. Nihambo ho Mesia io Jodasy io tamin’ny taonjato voalohany, ary maro no voafitany. Nilaza ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Josèphe fa “nitaona an’ireo mpiray firenena taminy hikomy [i Jodasy], ka nilaza hoe kanosa izy ireo satria nanaiky handoa hetra ho an’ny Romanina.” Nasain’ny Romanina novonoina izy tatỳ aoriana. (Asa. 5:37) Nampiasa herisetra mihitsy ny Zelôta sasany mba hanatratrarana ny tanjony.

4 Ny ankamaroan’ny Jiosy kosa niandry mafy ny hahatongavan’ny Mesia. Nanantena izy ireo hoe hanafaka azy ireo amin’ny fahefan’ny Romanina ny Mesia, ary hataony lasa firenena mahery ny firenen’izy ireo. (Lioka 2:38; 3:15) Maro no nihevitra hoe hanangana fanjakana tany Israely ny Mesia, ka ho afaka hody any an-tanindrazany ireo Jiosy maro be tany amin’ny tany samy hafa. Na i Jaona Mpanao Batisa aza nanontany an’i Jesosy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?” (Mat. 11:2, 3) Tian’i Jaona ho fantatra angamba tamin’izay hoe hisy olon-kafa hanafaka ny Jiosy ve. Nisy mpianatr’i Jesosy anankiroa nihaona taminy teny amin’ny lalana mankany Emaosy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Nanantena koa ry zareo hoe i Jesosy no hanafaka ny Israely. (Vakio ny Lioka 24:21.) Nanontany an’i Jesosy ny apostoly taoriana kelin’izay hoe: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?”—Asa. 1:6.

5. a) Nahoana no tian’ny mponin’i Galilia hatao mpanjaka i Jesosy? b) Inona no nataon’i Jesosy mba hanitsiana ny fomba fihevitr’izy ireo?

5 Azo antoka fa izany zavatra nantenain-dry zareo izany no nahatonga ny mponin’i Galilia nitady hanao an’i Jesosy ho mpanjaka. Nieritreritra angamba izy ireo hoe tsy hahita mpitondra tsara noho i Jesosy. Tena nahay nandaha-teny mantsy izy, nahay nanasitrana, ary nahavita nanome sakafo ho an’ny noana mihitsy aza. Gaga be ny olona rehefa nanome sakafo ho an’ny lehilahy 5000 teo ho eo i Jesosy. Nitady ‘haka azy an-keriny hatao mpanjaka’ àry izy ireo. Fantatr’i Jesosy izany ka niala teo izy, dia nandeha irery nankany an-tendrombohitra. (Jaona 6:10-15) Efa tsy dia nieritreritra be an’izany intsony angamba ny olona ny ampitson’iny. Nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo àry ny tena asany. Nohazavainy hoe ny hampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra no tena tanjony, fa tsy ny hikarakara izay ilain’ny olona. Hoy izy: “Aza miasa hahazoana sakafo mety simba, fa miasà kosa hahazoana sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:25-27.

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tsy te hanao politika izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Voamarik’i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany, fa nisy mpanara-dia azy nanantena hoe ho lasa mpanjaka any Jerosalema izy. Nilaza fanoharana àry i Jesosy mba hanazavana amin’izy ireo hoe tsy izany no hitranga. Nampitoviny tamin’ny “andriandahy” nankany an-tany lavitra ny tenany. Nasehony tamin’izany hoe tsy maintsy handeha izy, ka tsy ho eo elaela. (Lioka 19:11-13, 15) Nilaza tamin’ny  manam-pahefana romanina koa i Jesosy hoe tsy miditra amin’ny politika izy. Nanontany azy, ohatra, i Pontio Pilato hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?” (Jaona 18:33) Natahotra angamba io governora io hoe hitarika ny vahoaka hikomy i Jesosy. Namaly i Jesosy hoe: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Tsy nety nanao politika izy, satria ho lasa mpanjaka any an-danitra. Niteny tamin’i Pilato àry izy hoe “ny hanambara ny marina” no nahatongavany tetỳ an-tany.—Vakio ny Jaona 18:37.

Ny olana mitranga ve no tena ifantohanao sa ny Fanjakan’Andriamanitra? (Fehintsoratra 7)

7. Nahoana no mety ho sarotra ny hoe tsy manohana antoko politika mihitsy, na dia ao am-pontsika fotsiny aza?

7 Azon’i Jesosy tsara hoe inona no asa nanirahana azy. Raha azontsika tsara koa hoe inona no asa anirahana antsika, dia tsy hanohana antoko politika mihitsy isika, na dia ao am-pontsika fotsiny aza. Mety tsy ho mora anefa izany. Izao no nolazain’ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Vao mainka ny olona atỳ aminay miady mafy mba hisian’ny fanovana. Lasa manindrahindra tanindrazana be ry zareo. Maro no mieritreritra hoe hihatsara ny fiainany raha tsy fehezin’ny firenena hafa ny taniny. Soa ihany fa mifantoka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny rahalahy sy anabavy, dia miray saina foana. Andriamanitra no antenain’izy ireo hanafoana ny tsy rariny sy ny olana hafa mahazo antsika.”

AHOANA NO NAMPISEHOAN’I JESOSY FA TSY MOMBA NY ATSY NA NY AROA IZY?

8. Inona no tsy rariny nanjo ny Jiosy?

8 Vao mainka mafana fo amin’ny politika ny olona matetika rehefa mahita ny tsy rariny. Nampiady hevitra be, ohatra, ny fandoavan-ketra tamin’ny andron’i Jesosy. Resaka hetra no nahatonga an’i Jodasy avy any Galilia hikomy tamin’ny Romanina. Nasain’izy ireo nisoratra anarana mantsy ny vahoaka mba ho azo antoka hoe handoa hetra daholo. Tsy maintsy nandoa hetra be dia be ny vahoakan’ny Fanjakana Romanina, anisan’izany ireo nihaino an’i Jesosy. Tsy maintsy nandoa hetran-tany sy hetran-trano, ohatra, izy ireo. Nanampy trotraka koa ny nataon’ireo mpamory hetra tia kolikoly. Nomen’izy ireo vola ny manam-pahefana indraindray mba hahazoan’izy ireo fahefana hitaky hetra. Nohararaotiny izany avy eo mba hahazoana tombony be. Nanambaka olona, ohatra, i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra tany Jeriko, ka lasa nanan-karena. (Lioka 19:2, 8) Betsaka angamba no nanao hoatr’izany tamin’izany andro izany.

9, 10. a) Inona no nataon’ny fahavalon’i Jesosy mba hitaomana azy hiditra amin’ny resaka politika? b) Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jesosy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Nanandrana namandrika an’i Jesosy ny fahavalony indray mandeha, anisan’izany ireo “mpomba an’i Heroda.” Nanontany ny  heviny momba ny “hetra isan-dahy” izy ireo. Vola madinika iray nantsoina hoe denaria no nandoavana an’io hetra io, ary tsy maintsy nandoa azy io ny Jiosy rehetra. (Vakio ny Matio 22:16-18.) Tena tsy tian’ny Jiosy ny nandoa an’io hetra io, satria nampahatsiahy azy ireo hoe eo ambany fahefan’ny Romanina izy ireo. Nieritreritra ireo “mpomba an’i Heroda” hoe raha milaza i Jesosy fa tsy ilaina ny mandoa an’ilay hetra, dia azon’izy ireo endrikendrehina izy hoe mampirisika ny olona hikomy amin’ny Fanjakana Romanina. Raha milaza indray i Jesosy hoe ilaina ny mandoa an’ilay hetra, dia mety tsy hanaraka azy intsony ny mpianany.

10 Nitandrina àry i Jesosy mba tsy homba ny atsy na ny aroa. Hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara ... izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Mat. 22:21) Fantatr’i Jesosy hoe maro ny mpamory hetra tsy nanao ny marina, saingy tsy nifantoka be tamin’izany izy. Nitadidy foana kosa izy hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no tena hamaha ny olana rehetra. Modely ho antsika àry i Jesosy. Tsy tokony hiditra amin’ny resaka politika mihitsy isika, na dia hoatran’ny hoe misy antony ara-drariny tokony hanaovana an’izany aza. Mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany isika Kristianina, fa tsy variana mieritreritra hoe inona no rariny sy tsy rariny. Tsy manaparitaka hevitra hanoherana ny tsy rariny koa isika.—Mat. 6:33.

11. Inona no fomba tsara indrindra iadiana amin’ny tsy rariny?

11 Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nanizingizina ny heviny momba ny tsy rariny, tamin’izy ireo mbola tsy nianatra Baiboly. Nahavita nanova ny toe-tsainy anefa izy ireny. Anisan’izany ny anabavy iray any Grande-Bretagne. Lasa te hitondra fanovana be teo amin’ny fiaraha-monina izy, rehefa avy nianatra teny amin’ny oniversite. Hoy izy: “Nianatra momba ny fiaraha-monina aho, dia lasa te hiaro ny zon’ny mainty hoditra. Betsaka mantsy ny tsy rariny nanjo anay. Nandresy foana aho isaky ny nisy adihevitra momba ny mainty hoditra, nefa mbola tsy faly ihany. Tsy tonga saina aho hoe avy ao am-po ny fanavakavaham-bolon-koditra, ka ny ao am-po mihitsy no mila ovana. Nianatra Baiboly anefa aho tatỳ aoriana, dia hitako hoe izaho mihitsy aloha no nila nanova ny tato am-poko. Rahavavy iray fotsy hoditra izay no nanampy ahy hahavita an’izany, ary tena nanam-paharetana izy. Mpisava lalana ao amin’ny fiangonana tenin’ny tanana aho izao, ary miezaka mifandray amin’olona isan-karazany.”

“AVERENO AMIN’NY TRANONY NY SABATRAO”

12. Inona ilay ‘lalivay’ nampitandreman’i Jesosy ny mpianany?

12 Nanohana antoko politika matetika ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy ny boky Ny Fiainana Andavanandro Tany Palestina Tamin’ny Andron’i Kristy (anglisy): ‘Nisy antokom-pivavahana isan-karazany tamin’izany, ary nampizarazara ny Jiosy izy ireny. Mitovitovy amin’ny antoko politika amin’izao ireny antokom-pivavahana ireny.’ Nampitandrina ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Aoka ho mailo hatrany ianareo, ka mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.” (Mar. 8:15) Toa ny mpomba an’i Heroda no tiana horesahina tamin’ilay hoe Heroda. Teo koa ny Fariseo, izay te hanafaka ny Jiosy tsy ho eo ambany fahefan’ny Romanina. Nampitandreman’i Jesosy tamin’ny Sadoseo koa ny mpianany tamin’izay, araka ny voalazan’i Matio. Tian’ny Sadoseo raha mbola nitondra ny Romanina, satria maro tamin’izy ireo no nomen’ny Romanina toerana ambony. Nampitandrina ny mpianany àry i Jesosy mba tsy ho voataonan’ny lalivay na ny fampianaran’ireo antoko telo ireo. (Mat. 16:6, 12) Tsara homarihina fa taoriana kelin’ilay izy saika hataon’ny olona mpanjaka i Jesosy no niresaka an’izany tamin’ny mpianany.

13, 14. a) Inona no porofo fa herisetra sy tsy rariny no vokany rehefa mitsabaka amin’ny politika ny fivavahana? b) Nahoana isika no tsy manan-jo hahery setra mihitsy, na dia misy tsy rariny aza? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

 13 Herisetra matetika no vokany rehefa mitsabaka amin’ny politika ny fivavahana. Niteny tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe tsy tokony hiandany amin’iza na iza izy ireo. Anisan’ny antony nahatonga ny Fariseo sy ny lehiben’ny mpisorona hitady hamono an’i Jesosy izany. Natahotra izy ireo hoe tsy hanohana azy ireo intsony ny olona raha mihaino an’i Jesosy, ka tsy hanana fahefana intsony izy ireo amin’ny resaka fivavahana na politika. Nilaza izy ireo hoe: “Raha avelantsika amin’izao izy, dia hino azy daholo ny rehetra, ary ho avy ny Romanina ka haka ny tempolintsika sy ny firenentsika.” (Jaona 11:48) Namorona tetika hamonoana an’i Jesosy àry i Kaiafa Mpisoronabe.—Jaona 11:49-53; 18:14.

14 Nandrasan’i Kaiafa ho alina ny andro, dia naniraka miaramila izy hisambotra an’i Jesosy. Efa fantatr’i Jesosy izany teti-dratsiny izany. Tamin’izy niara-nisakafo farany tamin’ireo apostoly àry, dia nasainy naka sabatra roa ry zareo. Nisy lesona lehibe tiany hampitaina mantsy, ka sabatra roa ihany no nilainy tamin’izany. (Lioka 22:36-38) Nisy andian’olona tonga hisambotra an’i Jesosy taoriana kelin’izay. Tsy rariny ilay izy, ka tezitra be i Petera, dia naka sabatra ary namely olona iray. (Jaona 18:10) Hoy anefa i Jesosy taminy: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Mat. 26:52, 53) Inona àry ilay lesona lehibe nampitain’i Jesosy tamin’izy ireo? Tsy tokony ho anisan’ity tontolo ity izy ireo. Efa nivavaka momba izany izy taloha kelin’izay. (Vakio ny Jaona 17:16.) Andriamanitra ihany no manan-jo hiady amin’ny tsy rariny.

15, 16. a) Inona no porofo fa afaka manampy antsika tsy hankahala olona ny Tenin’Andriamanitra? b) Inona no hitan’i Jehovah rehefa mandinika an’ity tontolo ity izy?

15 Tonga saina ilay anabavy any Eoropa hoe Andriamanitra no tokony havela hanitsy ny tsy rariny. Hoy izy: “Hitako hoe tsy ny herisetra mihitsy no hanafoana ny tsy rariny, ary matetika aza no maty ny olona mahery setra. Ny sasany lasa tezitra be foana. Tena faly aho rehefa hitako tao amin’ny Baiboly hoe Andriamanitra ihany no afaka mampanjaka ny rariny eto an-tany. Izany no hafatra toriko amin’ny olona, ary efa 25 taona aho izao no nanao an’izany.” Ilay rahalahy atsy Afrika indray lasa mitory hafatra mampihavana. Itoriany daholo ny olona, na inona na inona foko niaviany. Natakalony “sabatry ny fanahy”, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra, ny lefony. (Efes. 6:17) Ilay anabavy iray hafa any Eoropa kosa nanambady rahalahy avy amin’ilay foko nankahalainy taloha. Niova daholo ireo olona ireo satria te hanahaka an’i Kristy.

16 Tena mila miova hoatr’izany koa isika rehetra. Oharina amin’ny ranomasina misamboaravoara sady tsy mety mitony ny olombelona, ao amin’ny Baiboly. (Isaia 17:12; 57:20, 21; Apok. 13:1) Matetika ny resaka politika no mahatonga ny olona ho tezitra sy hisara-bazana ary hahery setra. Isika kosa tsy hoatr’izany fa miray saina sy mihavana foana. Azo antoka fa faly be i Jehovah mahita hoe miray saina ny mpanompony, na dia misara-bazana aza ity tontolo ity.—Vakio ny Zefania 3:17.

17. a) Inona ireo zavatra telo azontsika atao mba hampiray saina antsika? b) Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Hitantsika tato àry fa misy zavatra telo azontsika atao mba hampiray saina antsika: 1) Ny Fanjakan’Andriamanitra no antenaintsika hanafoana ny tsy rariny, 2) tsy miandany amin’iza na iza isika amin’ny resaka politika, ary 3) tsy mampiasa herisetra mihitsy. Mety tsy hiray saina intsony anefa isika raha manavakavaka. Hanampy antsika tsy hanao an’izany ny modely nomen’ny Kristianina voalohany. Izany no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.