Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Enga Anie Isika Rehetra ho Tafaray Tahaka An’i Jehovah sy Jesosy

Enga Anie Isika Rehetra ho Tafaray Tahaka An’i Jehovah sy Jesosy

‘Mangataka aho mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko.’—JAONA 17:20, 21.

HIRA: 24, 99

1, 2. a) Inona no nangatahan’i Jesosy, tamin’ilay vavaka farany niarahany tamin’ny apostoliny? b) Inona no mety ho nahatonga an’i Jesosy hatahotra hoe tsy hiray saina izy ireo?

NANAHY i Jesosy tamin’izy niara-nisakafo farany tamin’ny apostoliny hoe sao dia tsy hiray saina izy ireo. Rehefa niara-nivavaka tamin’izy ireo àry izy, dia nilaza fa tiany ho tafaray hoatr’azy sy ny Rainy ny mpianany rehetra. (Vakio ny Jaona 17:20, 21.) Raha miray saina izy ireo, dia hiaiky ny olona hoe i Jehovah tokoa no naniraka an’i Jesosy tetỳ an-tany mba hanao ny sitrapony. Hanampy azy ireo hiray saina ny fitiavana, ary izany no hamantarana ny tena mpanara-dia an’i Jesosy.—Jaona 13:34, 35.

2 Ara-dalàna raha niresaka betsaka momba ny firaisan-tsaina i Jesosy. Hitany mantsy hoe tsy dia niray saina ny apostoliny. Nahatsikaritra an’izany izy, ohatra, tamin’iny alina farany iny. Nifanditra izy ireo hoe ‘iza no lehibe indrindra teo aminy.’ Efa nanao hoatr’izany izy ireo talohan’izay. (Lioka 22:24-27; Mar. 9:33, 34) Nisy fotoana koa i Jakoba sy Jaona nangataka tamin’i Jesosy mba homena toerana ambony ao amin’ny Fanjakany.—Mar. 10:35-40.

3. Inona no mety ho nahatonga ny mpanara-dia an’i Jesosy tsy hiray saina? Inona no hodinihintsika ato?

 3 Te ho ambony sy hanana fahefana ny mpianatr’i Jesosy, ka mety ho nahatonga azy ireo tsy hiray saina izany. Tsy vitan’izany fa nifankahala sy nanavakavaka ny olona, dia tsy maintsy niezaka mafy izy ireo mba tsy hanana an’izany toe-tsaina izany. Hodinihintsika ato hoe: Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa navakavahana izy? Ahoana no nanampiany ny mpanara-dia azy tsy hanavakavaka sy ho tena tafaray? Nahoana ny zavatra nampianariny no manampy antsika hiray saina foana?

NAVAKAVAHANA I JESOSY SY NY MPIANANY

4. Inona no porofo fa nisy nanavakavaka i Jesosy?

4 Na i Jesosy aza nisy nanavakavaka. Rehefa nilaza tamin’i Natanaela, ohatra, i Filipo hoe hitany ny Mesia, dia izao no navaliny: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?” (Jaona 1:46) Fantatr’i Natanaela angamba ilay faminaniana ao amin’ny Mika 5:2. Mety ho nieritreritra àry izy hoe tsy dia miavaka i Nazareta, ka tsy ho any mihitsy ny tanàna hiavian’ny Mesia. Nisy olona ambony avy any Jodia koa nanambany an’i Jesosy, satria hoe avy any Galilia izy. (Jaona 7:52) Nihevitra ny olona maro avy any Jodia hoe ambany ny olona avy any Galilia. Ny Jiosy hafa indray niantso azy hoe Samaritanina mba hanambaniana azy. (Jaona 8:48) Avy amin’ny firenena samy hafa ny Jiosy sy ny Samaritanina. Tsy nitovy koa ny fivavahan’izy ireo. Tsy nifandray tamin’ny Samaritanina mihitsy ny olona avy any Jodia sy Galilia, sady zara raha nanaja azy ireo.—Jaona 4:9.

5. Inona no nataon’ny olona tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy?

5 Nanambany ny mpanara-dia an’i Jesosy koa ny mpitondra fivavahana jiosy. Niantso azy ireo hoe “olom-boaozona”, ohatra, ny Fariseo. (Jaona 7:47-49) Tsy nianatra tany amin’ny sekolin’ny mpitondra fivavahana mantsy izy ireo, sady tsy nanaraka ny fomban-drazan’ny Fariseo. Olon-tsotra tsy nisy nilana azy no fahitan’ny Fariseo ny olona hoatr’izany. (Asa. 4:13) Nirehareha be tamin’ny fivavahany sy ny sarangany ary ny firazanany ny olona tamin’izany, ka izany no nahatonga azy ireo hanavakavaka an’i Jesosy sy ny mpianany. Nanavakavaka koa ny mpanara-dia an’i Jesosy, ka nila niova raha te hiray saina foana.

6. Inona no mampiseho fa mety hanavakavaka koa isika? Manomeza ohatra.

6 Betsaka amin’izao ny olona manavakavaka. Mety hiharan’izany isika, na mety ho isika mihitsy no somary manavakavaka. Hoy ny anabavy iray, mpisava lalana any Aostralia: “Manao ny tsy rariny amin’ny tompon-tany eto ny fotsy hoditra, na taloha na amin’izao. Nieritreritra be an’izany aho taloha, moa izaho koa efa nisy fotsy hoditra nampijaly, dia vao mainka halako ry zareo.” Nanavakavaka koa ny rahalahy iray any Kanada taloha. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe ambony ny olona miteny frantsay, dia lasa tsy tiako maizina ny olona miteny anglisy.”

7. Ahoana no nataon’i Jesosy na dia nanavakavaka aza ny ankamaroan’ny olona?

7 Mety ho efa zatra manavakavaka ny olona iray ka sarotra be aminy ny miova. Hoatr’izany ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Ahoana anefa no nataon’i Jesosy? Voalohany, tsy nanavakavaka mihitsy izy. Nitoriany daholo na ny manankarena na ny mahantra, na ny Fariseo na ny Samaritanina, ary na dia ny mpamory hetra sy ny mpanota aza. Faharoa, nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe tsy tokony hanavakavaka na hiahiahy olona izy ireo. Nanome modely koa izy.

NILA NANAM-PITIAVANA SY NANETRY TENA IZY IREO

8. Inona no antony iray lehibe mahatonga ny mpanara-dia an’i Jesosy hiray saina? Hazavao.

8 Nilaza antony iray lehibe mahatonga ny mpanara-dia azy hiray saina i Jesosy. Hoy izy: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Vakio ny Matio 23:8, 9.) Nahoana isika no azo  lazaina hoe “mpirahalahy” daholo? Voalohany, samy taranak’i Adama isika rehetra. (Asa. 17:26) Faharoa, nanazava i Jesosy fa samy manaiky isika mpanara-dia azy hoe i Jehovah no Raintsika any an-danitra. (Mat. 12:50) Fahatelo, lasa anisan’ny fianakaviambe ara-panahy isika, ka tafaray noho ny fitiavana sy ny finoana. Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina namany àry ny apostoly, dia matetika no niantso azy ireo hoe rahalahy.—Rom. 1:13; 1 Pet. 2:17; 1 Jaona 3:13. *

9, 10. a) Nahoana no tsy tokony ho nampirehareha ny Jiosy ny firazanany? b) Inona no nataon’i Jesosy mba hampisehoana hoe tsy mety ny manambany olona hafa firazanana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Rehefa avy nanazava i Jesosy hoe tokony hifampitondra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy ny mpanara-dia azy, dia nasongadiny hoe mila manetry tena izy ireo. (Vakio ny Matio 23:11, 12.) Hitantsika teo aloha fa lasa tsy nifandray tsara ny apostoly satria nirehareha. Mety ho nanambony tena koa izy ireo noho ny firazanany. Jiosy maro no nirehareha satria hoe taranak’i Abrahama. Hoy anefa i Jaona Mpanao Batisa tamin’izy ireo: “Vitan’Andriamanitra ny manova ireto vato ireto ho lasa zanak’i Abrahama.”—Lioka 3:8.

10 Nilaza i Jesosy hoe ratsy ny mirehareha noho ny firazanana. Nanararaotra nanazava an’izany izy rehefa nanontany azy ny mpanora-dalàna iray hoe: “Fa iza marina moa no namako?” Nilaza tantara kely i Jesosy tamin’izay: Nisy nanendaka sy nidaroka ny Jiosy iray. Tsy nisy niraharaha azy izay Jiosy nahita azy. Niantra azy kosa ny Samaritanina iray dia nikarakara azy. Nampirisihan’i Jesosy avy eo ilay mpanora-dalàna mba hanao hoatran’io Samaritanina io. (Lioka 10:25-37) Nasehon’i Jesosy hoe afaka mampianatra ny Jiosy ho tia olona ny Samaritanina.

11. Nahoana ny mpanara-dia an’i Jesosy no tsy maintsy niezaka mba tsy hanavakavaka? Ahoana no nanampian’i Jesosy azy ireo hahavita an’izany?

11 Tsy maintsy niezaka ny mpanara-dia an’i Jesosy mba tsy hanambony tena sy tsy hanavakavaka, raha te hahavita tsara ny asa nanirahana azy. Talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra mantsy, dia nasainy hitory “eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izy ireo. (Asa. 1:8) Niresaka matetika tamin’izy ireo momba ny toetra tsaran’ny olona tsy jiosy àry i Jesosy talohan’izay, mba hanampiana azy ireo ho vonona hitory amin’ny firenena rehetra. Noderain’i Jesosy, ohatra, ny manamboninahitra iray satria nanana finoana niavaka. (Mat. 8:5-10) Nanazava koa i Jesosy, tamin’izy tany Nazareta, tanàna niaviany, hoe nanampy olona tsy jiosy i Jehovah. Anisan’izany ilay vehivavy fenisianina mpitondratena tany Zarefata sy ilay lehilahy syrianina boka atao hoe Namàna. (Lioka 4:25-27) Nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray koa i Jesosy. Nijanona roa andro tao amin’ny tanàna samaritanina iray mihitsy aza izy, satria hitany hoe liana tamin’ny hafatra nentiny ny olona tao.—Jaona 4:21-24, 40.

NILA NIEZAKA TSY HANAVAKAVAKA NY KRISTIANINA VOALOHANY

12, 13. a) Ahoana no nataon’ny apostoly rehefa nahita an’i Jesosy nampianatra vehivavy samaritanina? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no mampiseho hoe tsy azon’i Jakoba sy Jaona tsara ny zavatra nampianarin’i Jesosy?

12 Tsy mora tamin’ny apostoly ilay hoe tsy manavakavaka. Gaga izy ireo rehefa nahita an’i Jesosy nampianatra vehivavy samaritanina. (Jaona 4:9, 27) Tsy ny mpitondra fivavahana jiosy mihitsy mantsy no hiresaka amin’ny vehivavy eny imason’olona, mainka moa hoe vehivavy samaritanina ratsy laza. Nampirisika an’i Jesosy hisakafo àry ny apostoly.  Hita tamin’ny valin-teniny anefa fa tena nahafa-po azy ny nitory tamin’ilay vehivavy, ka tsy nampaninona azy na tsy hisakafo aza izy. Tian’i Jehovah hitory amin’ny olona rehetra izy, anisan’izany ny vehivavy samaritanina. Toy ny sakafo tamin’i Jesosy ny nanao izay tian’i Jehovah.—Jaona 4:31-34.

13 Tsy azon’i Jakoba sy Jaona izany lesona lehibe izany. Niaraka tamin’i Jesosy tany Samaria ny mpianany indray mandeha, dia nitady toerana hatoriana tao amin’ny tanàna samaritanina iray. Tsy nanaiky hampiantrano azy ireo anefa ny mponina tao. Tezitra be i Jakoba sy Jaona, dia niera tamin’i Jesosy raha afaka mandatsaka afo avy any an-danitra mba handringanana an’ilay tanàna. Bedin’i Jesosy ry zareo tamin’izay. (Lioka 9:51-56) Mety ho tsy nanao hoatr’izany anefa izy mirahalahy raha ny olona tany Galilia, faritra niaviany, no tsy nety nandray azy ireo. Nanavakavaka angamba ry zareo matoa tezitra be. Mety ho menatra be tamin’ny zavatra nataony i Jaona tatỳ aoriana, rehefa nahita hoe betsaka ny Samaritanina nihaino azy rehefa nitory tamin’izy ireo izy.—Asa. 8:14, 25.

14. Ahoana no nandaminana olana teo amin’ny Kristianina miteny grika sy ireo miteny hebreo?

14 Nisy olana taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33. Tsy nahazo ny anjara sakafony ny mpitondratena jiosy miteny grika, rehefa nizarana sakafo ireo mpitondratena sahirana. (Asa. 6:1) Navakavahana angamba izy ireo satria tsy niteny hebreo. Nandamina an’ilay olana avy hatrany ny apostoly. Nanendry rahalahy mahafeno fepetra izy ireo mba hiandraikitra ny fizarana an’ilay sakafo. Nanana anarana grika daholo ireo rahalahy ireo, ka mety ho mora kokoa tamin’ireo mpitondratena nahatsiaro ho navakavahana ny nandray azy ireo.

15. Inona no porofo fa niezaka tsy hanavakavaka i Petera? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

15 Lasa nitory tamin’ny firenena maro kokoa ny mpanara-dia an’i Jesosy, nanomboka tamin’ny taona 36. Nitory tamin’i Kornelio, miaramila romanina, ny apostoly Petera tamin’io taona io. Ny Jiosy ihany no nifandraisany talohan’izay, nefa niova izy rehefa nampahafantarin’i Jehovah hoe tsy tokony hanavakavaka ny Kristianina. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:28, 34, 35.) Niara-nisakafo tamin’ny Kristianina hafa firenena i Petera taorian’izay, ary nifandray tamin’izy ireo. Lasa tsy niara-nisakafo tamin’izy ireny indray anefa izy, tatỳ aoriana, tamin’izy tany Antiokia. (Gal. 2:11-14) Nanitsy azy i Paoly tamin’izay, ary nanaiky nahitsy izy. Rehefa jerena mantsy ny taratasiny voalohany ho an’ny Kristianina jiosy sy hafa firenena tany Azia Minora, dia hita hoe tiany daholo ny rahalahy rehetra.1 Pet. 1:1; 2:17.

16. Inona no lasa nampahalaza ny Kristianina voalohany?

16 Tena nianatra ny ho tia “ny karazan’olona rehetra” ny apostoly, rehefa nahita ny modelin’i Jesosy. (Jaona 12:32; 1 Tim. 4:10) Nanitsy ny toe-tsainy izy ireo na dia nila fotoana aza izany. Lasa nalaza ho nifankatia ny Kristianina voalohany. Nanoratra an’izay nolazain’ny olona momba azy ireo ny mpanoratra iray antsoina hoe Tertullien, tamin’ny taona 200 tany ho any. Hoy izy ireo: ‘Mifankatia ny Kristianina, ary vonona hamoy ny ainy ho an’ny Kristianina hafa mihitsy.’ Nitafy “ny toetra vaovao” ny Kristianina voalohany, ka lasa nitovy hevitra tamin’Andriamanitra. Nitovy daholo ny olona tamin-dry zareo.—Kol. 3:10, 11.

17. Inona no hanampy antsika tsy hanavakavaka mihitsy? Manomeza ohatra.

17 Mety hila fotoana koa isika vao hahavita tsy hanavakavaka mihitsy, na dia ao am-pontsika fotsiny aza. Nilaza ny anabavy iray any Frantsa hoe: “Nampianarin’i Jehovah haneho fitiavana aho, nampianariny hahay hizara, ary nampianariny ho tia ny karazan’olona rehetra. Mbola mila miezaka tsy hanavakavaka foana anefa aho. Tsy mora izany indraindray, dia mivavaka foana momba an’izany aho.”  Hoatrizany koa no mahazo ny anabavy iray any Espaina. Hoy izy: “Misy foko iray izay tsy tiako maizina mihitsy, dia mila miezaka be aho indraindray mba tsy hanavakavaka an-dry zareo. Mahavita ihany aho matetika, kanefa fantatro hoe mila miezaka mafy foana aho. Faly aho satria nampian’i Jehovah ho lasa anisan’ny fianakaviambe iray tafaray.” Mila mandini-tena tsara àry isika tsirairay, dia mieritreritra hoe sao dia mbola manavakavaka isika, ka mila miezaka hoatr’ireo anabavy roa ireo.

MANÀNA FITIAVANA DIA TSY HANAVAKAVAKA IANAO

18, 19. a) Nahoana isika no tokony handray tsara ny olona rehetra? b) Milazà fomba azo anaovana an’izany.

18 Tsara ny mitadidy hoe nisy fotoana isika rehetra mba “vahiny” koa, izany hoe tsy nifandray tamin’i Jehovah. (Efes. 2:12) Notaomin’i Jehovah hanatona azy tamin’ny alalan’ny “tadim-pitiavana” anefa isika. (Hosea 11:4; Jaona 6:44) Nandray tsara antsika koa i Kristy. Hoatran’ny hoe nanokatra varavarana ho antsika izy mba hahafahantsika ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah. (Vakio ny Romanina 15:7.) Raha noraisina tsara hoatr’izany àry isika na dia tsy lavorary aza, dia isika indray ve no hanilikilika ny hafa?

Miezaka hanana ny fahendrena avy any ambony ny mpanompon’i Jehovah ary tafaray noho ny fitiavana (Fehintsoratra 19)

19 Mihakaiky ny faran’ity tontolo ity, ka vao mainka hisara-bazana sy hanavakavaka ary hifankahala ny olona. (Gal. 5:19-21; 2 Tim. 3:13) Isika mpanompon’i Jehovah kosa miezaka hanana ny fahendrena avy any ambony. Manampy antsika tsy hanavakavaka sy ho tia fihavanana izy io. (Jak. 3:17, 18) Faly isika minamana amin’ny olona avy any an-tany hafa. Tsy mampaninona antsika na tsy mitovy aza ny kolontsaintsika. Mianatra ny fitenin’izy ireny mihitsy aza angamba isika. Raha manao an’izany isika, dia ho toy ny renirano ny fiadanantsika, ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinantsika.—Isaia 48:17, 18.

20. Inona no vokany rehefa manam-pitiavana isika ka miova ny toe-tsaintsika sy ny ao am-pontsika?

20 Nilaza ilay anabavy any Aostralia noresahintsika teo fa rehefa nianatra Baiboly izy, dia niova tsikelikely ka tsy nanavakavaka sy tsy nankahala olona intsony. Lasa nanam-pitiavana izy, dia niova ny toe-tsainy sy ny tao am-pony. Ilay rahalahy any Kanada indray nilaza fa tonga saina izy hoe “ny tsy fahalalana matetika no mahatonga ny olona hanavakava-bolon-koditra, ary tsy miankina amin’ny toerana nahaterahany ny toetran’ny olona.” Nanambady anabavy miteny anglisy izy! Porofoin’ireo ohatra ireo fa manampy ny olona tsy hanavakavaka ny fitiavana. Mampiray saina antsika izy io, ary toy ny fatorana tsy mety tapaka mihitsy.—Kol. 3:14.

^ feh. 8 Mety ho anisan’ilay hoe “rahalahy” koa ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana. Nanoratra ho an’ireo “rahalahy” tany Roma i Paoly indray mandeha. Mazava hoe anisan’izany ny anabavy tao amin’ilay fiangonana, satria nanonona ny anaran’ny maromaro tamin’izy ireo izy. (Rom. 16:3, 6, 12) Efa hatramin’ny ela Ny Tilikambo Fiambenana no niantso ny Kristianina ao amin’ny fiangonana hoe rahalahy sy anabavy.