Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 TANTARAM-PIAINANA

Nisy Nampahery Foana Aho Rehefa Nanana Olana

Nisy Nampahery Foana Aho Rehefa Nanana Olana

Tany Sukkur, any Pakistan amin’izao, aho no teraka tamin’ny 9 Novambra 1929. Eo amin’ny morony andrefana amin’ny Reniranon’i Indus no misy azy io. Tokotokony ho tamin’izany i Dada sy Neny no nahazo boky maromaro mareva-doko avy tamina misionera anglisy. Nanampy ahy hahalala ny fahamarinana ireo boky ara-baiboly ireo, rehefa nihalehibe aho.

AVANA no niantsoana an’ireo boky niloko isan-karazany ireo. Nanaitra be ahy ny sary tao amin’izy ireo, dia lasa be ny saiko rehefa nandinika an’ilay izy. Mbola kely àry aho dia tena te hahalala izay voalazan’ny Baiboly, anisan’izany ny tao amin’ireo boky ireo.

Nananontanona an’i Inde ny Ady Lehibe II, moa ny fiainako nitsimbadika tanteraka. Nifampisintaka i Dada sy Neny, dia avy eo nisaraka. Tsy azoko hoe fa maninona. Ankona tanteraka aho sady nahatsiaro ho nafoy. Tiako be mantsy ry zareo. Tena nila fampaherezana aho, nefa iza moa no hampahery ahy eo! Izaho irery mantsy no zanak’i Dada sy Neny.

Tany Karachi izaho sy Neny no nipetraka. Tonga tany aminay i Fred Hardaker indray mandeha. Dokotera efa be taona izy, ary Vavolombelon’i Jehovah hoatran’ilay misionera nanome anay an’ireo boky mareva-doko. Nanontany an’i Neny izy raha te hianatra Baiboly i Neny. Tsy nanaiky i Neny, fa nilaza hoe izaho angamba no mazoto. Nanomboka nampianatra Baiboly ahy ny Rahalahy Hardaker ny herinandro nanaraka.

 Nanomboka namonjy fivoriana aho, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Nanana toeram-pitsaboana izay ny Rahalahy Hardaker, dia tany no natao ny fivoriana. Vavolombelona zokiolona 12 teo ho eo no niara-nivory tao. Nampahery ahy sy nikarakara ahy hoatran’ny zanany ry zareo. Mbola tadidiko hoe nipetraka teo akaikiko ry zareo, amin’izay mba mitovitovy amiko dia afaka nifampijery tsara izahay rehefa niresaka. Hitako tamin’ny fomba firesany tamiko hoe tena namany aho. Izany mihitsy no nilaiko.

Tsy ela taorian’izay dia nasain’ny Rahalahy Hardaker niara-nanompo taminy aho. Nampianariny hampiasa grafofaonina aho, amin’izay afaka mandefa diska misy lahateny fohy ara-baiboly. Tsy tian’ny olona ny lahateny sasany fa nivantambantana. Nahafinaritra be ahy anefa ny nitory! Nafana fo tamin’ny fahamarinana aho dia tena tiako ny niresaka an’ilay izy.

Vao mainka nila vaniny tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana britanika, rehefa niomana hanafika an’i Inde ny tafika japoney. Izaho koa aza niharan’izany. Pasitera anglikanina ny talen’ny sekolinay. Niteny tamin’i Neny izy hoe ohatra ratsy ho an’ny mpianatra hafa aho, satria mifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noroahiny aho tamin’ny Jolay 1943. Natahotra be i Neny, dia tsy navelany niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony aho. Nalefany sambo nankany amin’i Dada tany Peshawar aho tatỳ aoriana. Any avaratra io tanàna io, any amin’ny 1 370 kilaometatra eo ho eo. Tsy nahazo sakafo ara-panahy intsony aho, sady tsy niaraka tamin’ny mpanompon’i Jehovah, dia lasa tsy nanompo azy intsony koa.

NIFANDRAY TSARA TAMIN’I JEHOVAH INDRAY

Niverina tany Karachi aho tamin’ny 1947 mba hitady asa. Nitsidika ny Dokotera Hardaker tany amin’ilay toeram-pitsaboany aho, dia tena nandray tsara ahy izy.

Noheveriny fa tonga hitsabo tena aho, dia nanontaniany hoe: “Inona no mahazo an’ise?”

Namaly aho hoe: “Tsy marary aho ka! Te hianatra Baiboly aho.”

Hoy izy: “Dia rahoviana ise no te hanomboka hianatra?”

Namaly aho hoe: “Izao dia izao raha mety!”

Nampianariny Baiboly aho ny harivan’iny, ary tena nahafinaritra ny fianaranay. Faly aho fa lasa anisan’ny vahoakan’i Jehovah indray! Nanao izay rehetra azony natao i Neny mba tsy hiarahako amin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony. Efa tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah anefa aho. Nanokan-tena ho azy aho, dia natao batisa tamin’ny 31 Aogositra 1947. Lasa mpisava lalana maharitra aho tsy ela taorian’izay, tamin’izaho 17 taona.

NAHAFINARITRA NY NANAO MPISAVA LALANA

Tany Quetta, tobina miaramila britanika taloha, no faritany voalohany nanendrena ahy. Nizara roa i Inde tamin’ny 1947, ka lasa Inde sy Pakistan. * Lasa niady àry ny olona samy hafa fivavahana, dia 14 tapitrisa teo ho eo no nifindra monina. Anisan’ny fifindra-monina lehibe indrindra hatramin’izay izany. Nankany Pakistan ny Silamo tany Inde, dia ny Hindoa sy ny Sikh tany Pakistan indray nifindra nankany Inde. Nandritra an’izany korontana be izany aho no nankany Quetta. Nandeha lamasinina avy tao Karachi aho. Efa feno hipoka ilay lamasinina, dia namikitra tamin’izay fitazonana izay aho. Efa ho hatrany Quetta aho no nikiraviravy tany ivelany.

Namonjy fivoriamben’ny faritra tany Inde tamin’ny 1948

Nihaona tamin’i George Singh aho tany Quetta. Mpisava lalana manokana izy, ary 25 taona teo ho eo. Nomeny bisikileta efa tranainy izay aho mba hoentiko eny amin’ny faritany be tendrombohitra. Nisy fotoana natosika ilay bisikileta! Nitory irery aho matetika. Nahazo mpianatra Baiboly 17 aho tao anatin’ny enim-bolana, ary lasa Vavolombelona ny sasany. Anisan’izany i Sadiq Masih, manamboninahitra. Nanampy ahy sy George izy tamin’izahay nandika ny boky sy gazety sasany tamin’ny fiteny ourdou. Io no tena fiteny ao Pakistan. Lasa mpitory be zotom-po i Sadiq.

Tamin’izahay hanatrika ny Sekolin’i Gileada, dia nandeha tamin’ilay sambo Queen Elizabeth

Niverina tany Karachi aho tatỳ aoriana, dia niara-nanompo tamin’i Henry Finch sy Harry Forrest, misionera vao avy nanao Sekolin’i Gileada. Sarobidy tamiko ny fampiofanan’izy ireo ahy. Nitory tany amin’ny faritra avaratr’i Pakistan izaho sy Rahalahy Finch, indray mandeha. Nahita olona be dia be miteny ourdou sy nangetaheta ny fahamarinana izahay, teny am-pototry ny tendrombohitra maromaro avo be.  Nanatrika ny Sekolin’i Gileada koa aho roa taona tatỳ aoriana, dia avy eo nody tany Pakistan. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera tao Lahore aho, niaraka tamin’ny misionera telo lahy. Nanao ny asan’ny faritra aho tsindraindray.

FALIFALY INDRAY AHO

Nampalahelo fa tsy nifankahazo ny misionera tao Lahore tamin’ny 1954. Tsy nieritreritra tsara aho dia lasa niandany tamin’ny misionera sasany. Nahazo torohevitra hentitra be aho tamin’izay, dia tena kivy. Nieritreritra aho hoe tena tsy nisy nilana ahy, satria tsy nahavita izay nasaina nataoko aho. Niverina tany Karachi aho ary avy eo nankany Londres, any Angletera. Nieritreritra mantsy aho hoe aleo any an-toeran-kafa mihitsy indray no manompo.

Betsaka Betelita tao amin’ilay fiangonana nisy ahy tany Londres. Anisan’izany ny Rahalahy Pryce Hughes, izay mpikarakara ny sampana tamin’izany. Tsara fanahy izy sady nanampy be ahy. Notantarainy ahy hoe nisy fotoana izy nahazo torohevitra hentitra avy tamin’ny Rahalahy Joseph Rutherford, mpiandraikitra ny asa fitoriana eran-tany. Niezaka nanamarin-tena, hono, izy dia nobedesin’ny Rahalahy Rutherford. Gaga aho hoe nitsiky izy nahatsiaro an’ilay izy. Tezitra, hono, izy tamin’ny voalohany, fa niaiky ihany avy eo hoe nilainy ilay torohevitra ary porofon’ny fitiavan’i Jehovah ilay izy. (Heb. 12:6) Nanohina ny foko ny teniny, ka lasa faly indray aho nanompo an’i Jehovah.

Nifindra tany Londres koa i Neny tamin’izany, dia nanaiky hianatra Baiboly tamin’i John Barr, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nandroso be izy dia natao batisa tamin’ny 1957. Henoko koa tatỳ aoriana hoe nianatra Baiboly i Dada, talohan’ny nahafatesany.

Nanambady an’i Lene aho tamin’ny 1958. Danoà izy fa nifindra tany Londres. Niteraka vavikely izahay tamin’ny 1959. Jane no anarany ary izy no voalohany amin’izy dimy mianadahy zanakay. Tao amin’ny Fiangonana Fulham no nisy anay, dia nahazo andraikitra tao aho. Tsy maintsy nifindra tany amin’ny tany mafana kokoa anefa izahay satria tsy dia salama i Lene. Nankany Adélaïde atỳ Aostralia àry izahay tamin’ny 1967.

NIATRIKA OLANA NAMPALAHELO BE

Nisy voahosotra 12 tao amin’ilay fiangonana nisy anay tany Adélaïde, ary efa be taona ry zareo. Loha laharana tamin’ny fanompoana ry zareo. Vetivety dia niverina tsara hoatran’ny taloha ny fanompoanay an’i Jehovah.

Tamin’ny 1979 no teraka i Daniel, ilay zanakay fahadimy. Voan’ny aretin’i Down * izy, ary tsy nante naina ho ela velona. Mbola tsy hitako foana hatramin’izao izay teny hilazana ny alahelonay tamin’izany. Nanao izay rehetra vitanay izahay mba hikarakarana azy, sady niezaka tsy nanao tsirambina azy efatra mianadahy. Nivalomainty i Daniel indraindray satria tsy ampy oksizenina. Nisy lavaka roa mantsy ny fony. Tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy isaky ny nitranga izany. Na narary aza anefa izy, dia nahira-tsaina sady be fitiavana. Tena tia an’i Jehovah koa izy. Isaky ny nivavaka izahay rehefa hisakafo, dia nakambany mafy be ny tanana keliny anankiroa, nihatokatoka kely izy, dia avy eo niteny mafy hoe: “Amena!” Izay izy vao nisakafo.

Voan’ny kanseran’ny ra koa i Daniel tamin’izy efa-taona. Tena kivy izahay mivady sady vizana be. Hoatran’ny tsy ho zakako intsony ilay izy. Kivy tanteraka izahay indray andro, dia tamin’izay mihitsy no tonga tao aminay i Neville Bromwich, mpiandraikitra ny faritra. Nampahery anay izy ny alin’io. Nitomany izy sady namihina anay, dia niara-nitomany izahay. Tena nampionona anay ny teny nolazainy sy ny fitiavany. Efa tamin’ny iray maraina teo ho eo izy vao lasa. Maty i Daniel taoriana kelin’izay. Izany no zavatra nampahory indrindra teo amin’ny fiainanay. Nahavita nizaka ny fahorianay anefa izahay, satria natoky fa tsy misy afaka mampisaraka an’i Daniel amin’ny fitiavan’i Jehovah, na dia ny fahafatesana aza. (Rom. 8:38, 39) Tsy andrinay izay hiarahana aminy indray, rehefa hatsangana izy ao amin’ny tontolo vaovao.—Jaona 5:28, 29.

MAHAFINARITRA AHY NY MANAMPY OLONA

Indroa narary be aho fa mbola mahavita ny andraikitro ao amin’ny fiangonanay. Anti-panahy mantsy aho. Noho ny zavatra niainako, dia lasa mahay mangoraka sy mamindra fo aho, indrindra fa rehefa misy olona miady mafy amin’ny olana. Miezaka aho tsy hitsaratsara azy ireo. Mieritreritra kosa aho hoe: ‘Inona no zavatra niainany ka mahatonga azy hanana fihetseham-po na eritreritra hoatr’izao? Inona no azoko atao mba hampisehoana aminy fa tia azy aho? Ahoana no azoko ampirisihana azy hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah?’ Tena tiako ny mikarakara ny andian’ondry ao amin’ny fiangonana. Rehefa mampahery olona amin’ny alalan’ny Baiboly aho, dia mampahery ny tenako koa.

Mbola tiako foana ny manao fitsidihan’ny mpiandry

Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny [fampiononan’i Jehovah] no nanafosafo ahy.” (Sal. 94:19) Izany koa no tsapako. Nanampy ahy foana i Jehovah rehefa nanana olana ny fianakaviako, na rehefa nisy fanoherana, na rehefa diso fanantenana aho na kivy be. Miaiky aho hoe tena Raiko i Jehovah!

^ feh. 19 Nizara roa i Pakistan taloha: Pakistan Andrefana (Pakistan amin’izao) sy Pakistan Atsinanana (Bangladesy amin’izao).

^ feh. 29 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Olana sy Valisoa Amin’ny Fitaizana Zaza Sembana Ara-tsaina”, ao amin’ny Mifohaza! Jona 2011.