Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Jona 2017

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Rehefa manome toromarika ny fandaminan’i Jehovah, inona no tokony hataon’ny rahalahy, ohatra hoe ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy?

Tokony hankatò avy hatrany izy ireo. Afaka misaintsaina toy izao izy ireo: ‘Mampirisika ny hafa mba tsy hivadika amin’i Jehovah ve aho? Mora manaiky sy mankatò ve aho rehefa misy tari-dalana omena?’—w16.11, p. 11.

Oviana ny tena Kristianina no babo tao amin’i Babylona Lehibe?

Taoriana kelin’ny nahafatesan’ny apostoly. Lasa nisy ny hoe mpitondra fivavahana. Nampirisika ny olona hanaraka ny fivavahan’ireo Kristianina nivadi-pinoana ny Eglizy sy ny Fitondrana. Nataon’izy ireo koa izay hisakanana ny olona tsy hihaino an’ireo voahosotra, izay noharin’i Jesosy tamin’ny vary. Nanomboka niala tao amin’i Babylona Lehibe anefa ny voahosotra, taona maromaro talohan’ny 1914.—w16.11, p. 23-25.

Nahoana no tena sarobidy ny zavatra nataon’i Lefèvre d’Étaples?

Nadikany tamin’ny teny frantsay ny Baiboly, taoriana kelin’ny 1520, mba hovakin’ny sarambabem-bahoaka. Nisy vokany tamin’i Martin Luther sy William Tyndale ary Jean Calvin ny fomba nandikany an’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly.—wp16.6, p. 10-12.

Inona no tsy itovizan’ny hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny nofo’ sy ny hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny fanahy’? (Rom. 8:6)

Ilay voalohany midika hoe manaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsy ary mieritreritra be an’izany foana, dia izay no ambentin-dresaka. Ho faty izay manao an’izany. Ilay faharoa indray midika hoe mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ka ny fanahin’i Jehovah no tena avela hanan-kery eo amin’ny fomba fisainana, ary miezaka mba hitovy hevitra aminy. Hiaina mandrakizay sy hiadana kosa izay manao an’izany.—w16.12, p. 15-17.

Inona no hanampy anao tsy hitebiteby loatra?

Izay tena zava-dehibe atao voalohany. Aza mitady ny tonga lafatra. Manokàna fotoana mangina ho anao irery isan’andro. Ankafizo ny zavaboarin’i Jehovah. Miezaha ho tia vazivazy. Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka. Manaova ampy torimaso tsara.—w16.12, p. 22-23.

Inona no dikan’ny hoe ‘nafindra toerana’ i Enoka “mba tsy hahita fahafatesana”? (Heb. 11:5)

Azo inoana hoe nampatorin’i Jehovah moramora tao amin’ny fahafatesana izy, ka tsy tsapany akory hoe ho faty izy.—wp17.1, p. 12-13.

Nahoana no ilaina ny manetry tena?

Mahafantatra tsara ny tenany ny olona manetry tena, sady mitadidy hoe voafetra ny zavatra hainy sy mety ho vitany. Manampy azy hanaja olona sy ho tsara fanahy izany, ary misakana azy tsy hihevi-tena ho ambony.—w17.01, p. 18.

Inona no porofo fa nitari-dalana ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany i Jehovah, hoatran’ny ataony amin’ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao?

Nampian’ny fanahy masina hahazo ny hevitry ny Soratra Masina izy ireo. Nanampy azy ireo hiandraikitra ny asa fitoriana koa ny anjely. Niantehitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo rehefa nanome toromarika. Hoatr’izany koa ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao.—w17.02, p. 26-28.

Inona no hanampy antsika hitadidy fa tena sarobidy ny vidim-panavotana?

Mila misaintsaina an’ireto isika: Iza no nanome an’ilay izy, ary nahoana? Inona no nafoiny tamin’izany, ary tena ilaina ve ilay izy?—wp17.2, p. 4-6.

Mety ve ny miova hevitra rehefa avy nanapa-kevitra?

Marina fa mila mitana ny teny nataontsika isika. Mila averina dinihina anefa ny fanapahan-kevitra sasany. Novan’i Jehovah, ohatra, ny fanapahan-kevitra efa noraisiny momba ny olona tao Ninive, rehefa nibebaka izy ireo. Mety hila hanao an’izany koa isika raha nisy zavatra niova tamin’ny fiainantsika, na nisy zavatra lasa fantatsika.—w17.03, p. 16-17.

Raha manana olana amin’ny mpiara-manompo isika, nahoana no tsy tsara ny miresadresaka an’ilay izy?

Satria vao mainka hitatra ilay olana. Na manana ny rariny isika na tsia, dia tsy ny firesahana an’ilay olana etsy sy eroa akory no hampilamina an’ilay izy.—w17.04, p. 21.