Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 28

Manompoa An’i Jehovah Foana na dia Voarara aza Izany!

Manompoa An’i Jehovah Foana na dia Voarara aza Izany!

“Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.”—ASA. 4:19, 20.

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Nahoana no tsy tokony ho gaga isika raha voarara ny fanompoantsika an’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ato?

MPITORY 223 000 mahery no nipetraka tany amin’ny firenena andrarana na anakantsakanana ny asantsika, tamin’ny 2018. Tsy gaga amin’izany isika. Efa ampoizin’ny tena Kristianina mantsy hoe henjehina izy ireo, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. (2 Tim. 3:12) Na aiza na aiza misy antsika, dia mety handrara tampoka ny fanompoana an’i Jehovah ny fitondram-panjakana.

2 Raha voarara ny fanompoana an’i Jehovah ao amin’ny tany misy anao indray andro any, dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy ankasitrahan’i Jehovah intsony ve izahay matoa enjehina? Tsy ho afaka hanompo an’i Jehovah intsony ve izany izahay? Sao dia mba tokony hifindra any amin’ny tany tsy misy fandrarana aho?’ Hamaly an’ireo isika ato. Hodinihintsika koa hoe inona no azontsika atao mba ho afaka hanompo an’i Jehovah foana, ary inona no fandrika mila tandremana.

TSY ANKASITRAHAN’I JEHOVAH INTSONY VE ISIKA MATOA ENJEHINA?

3. Inona avy no niaretan’ny apostoly Paoly, araka ny 2 Korintianina 11:23-27? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

3 Mety hieritreritra isika hoe tsy tahin’i Jehovah intsony matoa raran’ny fanjakana ny fanompoana azy. Tadidio anefa fa tsy hoe tsy faly amintsika i Jehovah rehefa enjehina isika. Niaritra fanenjehana mafy, ohatra, ny apostoly Paoly. (Vakio ny 2 Korintianina 11:23-27.) Midika ve izany hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah izy? Tsy izany mihitsy! Izy aza nasainy nanoratra taratasy  14 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, sady notendreny ho apostoly ho an’ny hafa firenena. Ianarantsika avy amin’izany hoe avelan’i Jehovah hisy hanenjika ny mpanompony tsy mivadika indraindray.

4. Nahoana isika no halan’ity tontolo ity?

4 Fa maninona isika no tokony hanampo hoe hisy hanenjika? Nanazava i Jesosy hoe hankahala antsika ny olona satria tsy anisan’izao tontolo izao isika. (Jaona 15:18, 19) Rehefa enjehina àry isika, dia tsy midika izany hoe tsy tahin’i Jehovah isika. Manaporofo kosa izany hoe manao ny tsara isika.

TAPITRA HATREO VE NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH?

5. Hahavita hampitsahatra ny fanompoana an’i Jehovah ve ny olombelona? Hazavao.

5 Tsy hahavita hampitsahatra ny fanompoana an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, raha izay olombelona. Betsaka no efa niezaka fa tsy nahavita! Hoatr’izany tamin’ny Ady Lehibe II. Nenjehina be ny mpanompon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, tamin’izany. Tsy ny fitondrana nazia tany Alemaina ihany no nandrara ny asantsika fa ny fitondrana hafa koa, ohatra hoe ny tany Aostralia sy Kanada. Inona anefa no nitranga? Nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny mpitory! Nisy mpitory 72 475 eran-tany rehefa nanomboka ilay ady tamin’ny 1939. Noho ny fitahian’i Jehovah anefa, dia lasa 156 299 ny isan’ny mpitory rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945.

6. Inona no zavatra tsara mety hitranga rehefa misy fandrarana? Manomeza ohatra.

6 Mety handrisika antsika hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ny fanenjehana, fa tsy hampahatahotra antsika. Izany no nitranga tamin’ny mpivady iray nanan-janaka lahikely. Lasa voarara ny fanompoana an’i Jehovah tao amin’ny tanin’izy ireo. Tsy resin’ny tahotra anefa ry zareo, fa vao mainka aza nanomboka nanao mpisava lalana maharitra. Niala tamin’ny asany mihitsy ilay anabavy mba hanaovana an’izany, nefa tsara karama be izy. Nilaza ilay rahalahy hoe lasa mora nahita mpianatra Baiboly izy. Be dia be mantsy ny olona te hahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah, vokatr’ilay fandrarana. Nisy vokany tsara hafa koa ilay izy. Nilaza ny anti-panahy iray hoe nivory sy nitory indray ny rahalahy sy anabavy maro efa tsy nanompo an’i Jehovah intsony.

7. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny Levitikosy 26:36, 37? b) Inona no hataonao rehefa voarara ny asantsika?

7 Tian’ny fahavalo hampitahorina isika,  amin’izay tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Izany no mahatonga azy ireo handrara ny asantsika. Mety hampiely lainga momba antsika koa izy ireo, dia haniraka olona hanao savahao ny tranontsika, ary hiampanga antsika eny amin’ny fitsarana. Mety hogadrainy mihitsy aza ny sasany amintsika! Mieritreritra ry zareo hoe hihorohoro isika satria nahavita nanagadra rahalahy sy anabavintsika vitsivitsy izy ireo. Raha avelantsika hampihorohoro antsika izany, dia mety hanajanona ny fanompoana an’i Jehovah isika. Lasa hoatran’ny hoe isika indray amin’izay no mandrara ny fanompoantsika. Tsy tiantsika ny hitovy amin’ireo olona resahin’ny Levitikosy 26:36, 37. (Vakio.) Tsy havelantsika hampihena na hampijanona ny fanompoantsika mihitsy ny tahotra. Matoky tanteraka an’i Jehovah isika, ka tsy hanaiky ho resin’ny tahotra mihitsy. (Isaia 28:16) Mivavaka kosa isika mba hahazo ny tari-dalany. Fantatsika mantsy hoe rehefa ampian’i Jehovah isika dia tsy hisy hahasakana antsika tsy hanompo azy, na dia ny fitondram-panjakana matanjaka indrindra eto an-tany aza.—Heb. 13:6.

TOKONY HIFINDRA ANY AN-TANY HAFA VE AHO?

8-9. a) Inona no fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny Kristianina tsirairay na ny loham-pianakaviana? b) Inona no hanampy ny Kristianina iray hanapa-kevitra tsara?

8 Raha mandrara ny fivavahantsika ny fitondrana any amin’ny tany misy anao, dia mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Sao dia mba tokony hifindra any amin’ny tany tsy misy fandrarana àry aho?’ Ianao ihany anefa no tokony hanapa-kevitra ny amin’izany. Mety hanampy anao hanapa-kevitra ny nataon’ny Kristianina voalohany. Rehefa avy notoraham-bato i Stefana, dia niparitaka nanerana an’i Jodia sy Samaria ny mpianatr’i Jesosy tao Jerosalema. Nisy aza tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiokia. (Mat. 10:23; Asa. 8:1; 11:19) Azonao atao koa anefa ny mandinika an’izay nataon’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Tsy nifindra izy rehefa nisy nanohitra ny fitoriana. Naleony nampiely ny vaovao tsara sy nampahery ny mpiara-manompo tany amin’ireo toerana nisy fanenjehana be, na dia nampidi-doza aza izany.—Asa. 14:19-23.

9 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny loham-pianakaviana no tokony hanapa-kevitra hoe hifindra sa tsia. Mila mivavaka sy mandinika tsara an’izay ilain’ny vady aman-janany anefa izy aloha. Tokony hoeritreretiny koa hoe inona daholo ny vokany tsara sy ny vokany ratsy, raha mifindra ry zareo. “Samy hitondra ny entany avy” mantsy ny Kristianina tsirairay amin’io resaka io. (Gal. 6:5) Tsy tokony hitsaratsara ny mpiara-manompo àry isika amin’izay safidy ataony.

AHOANA NO HANOMPOANA AN’I JEHOVAH REHEFA MISY FANENJEHANA?

10. Inona no hataon’ny biraon’ny sampana sy ny anti-panahy rehefa misy fandrarana?

10 Ahoana no hahafahantsika hanompo an’i Jehovah foana na dia voarara aza ny asantsika? Hanome toromarika sy soso-kevitra ho an’ny anti-panahy ny biraon’ny sampana, mba hahalalan’izy ireo ny fomba hahazoana sakafo ara-panahy sy izay tokony hatao mba hahafahana mivory sy mitory. Raha tsy afaka mifandray amin’ny anti-panahy ny biraon’ny sampana, dia ny anti-panahy no hanampy anao sy ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana mba hanompo an’i Jehovah foana. Hanome toromarika mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly sy ny bokintsika izy ireo.—Mat. 28:19, 20; Asa. 5:29; Heb. 10:24, 25.

11. Nahoana ianao no matoky fa hahazo sakafo ara-panahy foana? Inona no azonao atao mba hiarovana ny sakafo ara-panahy anananao?

11 Nampanantena i Jehovah fa ho ampy sakafo  ara-panahy tsara ny mpanompony. (Isaia 65:13, 14; Lioka 12:42-44) Matokia àry fa hanao izay rehetra azo atao ny fandaminana, amin’izay ianao hahazo an’izay ilainao mba hahafahanao tsy hivadika. Inona kosa no azonao atao rehefa tena tonga ny fandrarana? Mitadiava toerana mety tsara mba hanafenana ny Baibolinao sy izay sakafo ara-panahy anananao, na vita pirinty izany na amin’ny endriny elektronika. Tena sarobidy be ireo, ka aza apetrapetraka amin’ny toerana mora hita mihitsy. Tsy maintsy manao izay azo atao ny tsirairay mba hananany finoana matanjaka foana.

Ho sahy hivory foana isika satria ampian’i Jehovah (Fehintsoratra 12) *

12. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba tsy hahafantaran’ny olona hoe mivory isika?

12 Ary ahoana indray ny fivoriana? Ny anti-panahy no handamina an’izany, ary hataon’izy ireo izay tsy hahalalan’ny mpanohitra hoe mivory isika. Mety hanome toromarika izy ireo hoe vitsivitsy ihany no hiara-mivory, ary hovany matetika ny ora sy ny toerana hanaovana an’izany. Tsara koa ny miteny moramora rehefa miditra ao amin’ilay toerana ivoriana sy rehefa miala ao. Hiaro ny mpanatrika hafa mantsy izany. Mila manao akanjo fitondra andavanandro koa angamba ianao, amin’izay ny olona tsy miahiahy.

Tsy hitsahatra hitory isika na dia raran’ny fitondram-panjakana aza izany (Fehintsoratra 13) *

13. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo mpiara-manompo amintsika tany amin’ny Firaisana Sovietika?

13 Tsy hitovy ny fomba hanaovana ny asa fitoriana, arakaraka ny toerana misy antsika. Tsy maintsy hahita fomba itoriana foana anefa isika, satria tena tia an’i Jehovah sady tia miresaka momba ny Fanjakany. (Lioka 8:1; Asa. 4:29) Niresaka momba ny fitoriana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika ilay mpahay tantara atao hoe Emily Baran. Hoy izy: “Rehefa noraran’ny fitondram-panjakana mba tsy hampiely ny zavatra inoany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny mpiray tanàna sy ny mpiara-miasa taminy ary ny namany indray no niresahany. Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona ry zareo rehefa tratra nanao an’izany. Mbola nitory tamin’ny olona niara-nigadra taminy indray anefa ry zareo tany.” Tsy nitsahatra nitory ireo rahalahy sy anabavintsika ireo na dia norarana aza izany. Enga anie ianao ka ho tapa-kevitra ny hitory foana hoatran-dry zareo, raha sanatria ka voarara ny asantsika any aminareo.

FANDRIKA MILA TANDREMANA

Rahoviana isika no tokony hangina? (Fehintsoratra 14) *

14. Inona ilay fandrika tsy hahazo antsika, raha manaraka an’izay voalazan’ny Salamo 39:1 isika?

14 Tandremo sao mamoaka tsiambaratelo! Rehefa misy fandrarana, dia mila fantarintsika hoe rahoviana no “fotoana anginana.” (Mpito. 3:7) Misy zavatra sasany tsy tokony holazaina amin’ny olona satria tsiambaratelo. Anisan’izany ny anaran’ny rahalahy sy anabavy, ny toerana ivoriana, ny fomba anaovana ny asa fitoriana, ary ny fomba ahazoana  sakafo ara-panahy. Tsy hampahafantatra an’ireo amin’ny manam-pahefana isika. Tsy hiresaka an’izany amin’ny namantsika na ny havantsika koa isika, na Vavolombelon’i Jehovah izy ireo na tsia, ary na mipetraka any an-tany hafa na ao amin’ny firenena misy antsika. Mety hampidi-doza an’ireo mpiara-manompo mantsy izany.—Vakio ny Salamo 39:1.

15. Inona no hataon’i Satana mba hamandrihana antsika, ary inona no tokony hataontsika?

15 Aza avela hampisara-bazana antsika ny olana madinidinika. Fantatr’i Satana hoe tsy haharitra izay ankohonana miady an-trano. (Mar. 3:24, 25) Hataony foana àry izay hampisaratsaraka antsika. Manantena mantsy izy hoe isika samy isika indray no hiady, dia tsy hiady aminy isika.

16. Inona no modely navelan’ny Ranabavy Gertrud Poetzinger?

16 Na ny Kristianina efa matotra aza mila mitandrina amin’io fandrika io. Manaporofo an’izany ny nanjo ny anabavy voahosotra roa atao hoe Gertrud Poetzinger sy Elfriede Löhr. Niara-nigadra tamin’ny anabavy hafa tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia izy ireo. Nanao lahateny nampahery ho an’ny anabavy tao amin’ny toby i Elfriede, dia lasa nialona azy i Gertrud. Menatra anefa i Gertrud tatỳ aoriana, dia nitalaho tamin’i Jehovah mba hanampy azy. Izao no nosoratany: “Rehefa misy olona mahay kokoa noho isika, na manana andraikitra kokoa noho isika, dia mila mianatra manaiky an’ilay izy isika.” Inona no nanampy azy tsy hialona intsony? Fantany hoe manana toetra tsara mahafinaritra i Elfriede sady olona sariaka, dia ireo no nifantohany. Lasa nifandray tsara taminy indray izy vokatr’izany. Samy tafavoaka velona tany amin’ny toby fitanana izy roa vavy, ary tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahatapitry ny fiainany teto an-tany. Tsy hisara-bazana mihitsy koa isika, raha miezaka mafy foana mba hitandro fihavanana rehefa misy olana.—Kol. 3:13, 14.

17. Nahoana isika no tsy tokony hiana-kendry?

17 Aza miana-kendry. Hisoroka olana isika raha manaraka ny tari-dalana omen’ireo rahalahy miandraikitra antsika. (1 Pet. 5:5) Azo atokisana mantsy ireny rahalahy ireny. Nandamina fitoriana tsy ara-potoana, ohatra, ny anti-panahy tao amin’ny tany iray misy fandrarana, dia nanome toromarika hoe tsy tokony hametraka gazety ny mpitory. Nieritreritra anefa ny rahalahy mpisava lalana iray hoe tsy maninona raha mizara gazety ihany, dia nizara izy. Inona no vokany? Nisy polisy tonga nanadinadina azy sy ny mpitory niaraka taminy, rehefa vita ilay fitoriana. Toa nisy manam-pahefana nanaraka an-dry zareo mantsy,  dia naka ny gazety rehetra napetrak’izy ireo tamin’ny olona. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hanaraka toromarika foana isika na dia tsy eken’ny saintsika aza ilay izy. Hotahin’i Jehovah foana isika raha miara-miasa amin’ireo rahalahy notendreny hikarakara antsika.—Heb. 13:7, 17.

18. Nahoana isika no tsy tokony hamorona lalàna tsy ilaina akory?

18 Aza mamorona lalàna tsy ilaina akory. Manasarotra ny fiainan’ny mpiara-manompo ny anti-panahy raha manao an’izany. Izany no nitranga rehefa voarara ny asantsika tany Tsekoslovakia. Izao no notantarain’ny Rahalahy Juraj Kaminský: “Be dia be ny anti-panahy voasambotra. Izay anti-panahy tsy voasambotra no niandraikitra ny fiangonana sy ny faritra. Namorona lalàna harahin’ny mpitory izy ireny, ary nataony lisitra mihitsy aza hoe izao no azo atao sy tsy azo atao.” Tsy nomen’i Jehovah fahefana hanapa-kevitra ho an’ny hafa isika. Te ho tompon’ny finoan’ireo rahalahy sy anabavy izay manao lalàna tsy ilaina hoatr’izany, fa tsy miaro azy ireo.—2 Kor. 1:24.

AZA MITSAHATRA MANOMPO AN’I JEHOVAH!

19. Araka ny 2 Tantara 32:7, 8, nahoana isika no afaka ny ho be herim-po na inona na inona ataon’i Satana?

19 Tsy hijanona hanenjika ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika i Satana Devoly, ilay fahavalontsika lehibe indrindra. (1 Pet. 5:8; Apok. 2:10) Hiezaka foana izy sy izay manohana azy mba handrara ny fanompoantsika an’i Jehovah. Na dia mety hatahotra aza anefa isika, dia tsy hitsahatra hanompo an’i Jehovah mihitsy. (Deot. 7:21) Manampy antsika mantsy i Jehovah, ary hanohana antsika foana izy na dia voarara aza ny asantsika.—Vakio ny 2 Tantara 32:7, 8.

20. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

20 Tapa-kevitra ny tsy hivadika ny mpiara-manompo amintsika tamin’ny taonjato voalohany. Sahy nilaza tamin’ny mpitondra izy ireo hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” (Asa. 4:19, 20) Enga anie isika ka ho tapa-kevitra hoatr’izany koa!

HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay

^ feh. 5 Ahoana raha mandrara ny asantsika ny fitondram-panjakana? Inona no azontsika atao raha te hanompo an’i Jehovah foana isika rehefa mitranga izany? Inona kosa no tokony hotandremana? Hahita soso-kevitra momba an’izany ianao ato.

^ feh. 59 SARY: Mampiseho Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany anakantsakanana ny asantsika ny sary rehetra ato amin’ity lahatsoratra ity. Mpiara-manompo vitsivitsy mivory ao amin’ny efitra fitehirizana entana, ao amin’ny tranon’ny rahalahy iray, no aseho eto.

^ feh. 61 SARY: Anabavy (eo ankavia) miresadresaka amina vehivavy iray sady mitady hirika hitoriana aminy.

^ feh. 63 SARY: Rahalahy iray adinadinin’ny polisy. Tsy manaiky hilaza izay fantany momba ny fiangonany izy.