Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Mila Sitraka Amin’iza Ianao?

Mila Sitraka Amin’iza Ianao?

‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’—HEB. 6:10.

HIRA: 39, 30

1. Inona no faniriana voajanahary ananantsika, ary inona no tiantsika ho fantatry ny olona?

INONA no tsapanao raha misy olona fantatrao sy hajainao nefa hadinony ny anaranao, na ianao mihitsy no tsy tadidiny? Mety ho kivy be ianao. Efa voajanahary amintsika mantsy ny hoe mba te ho fantatry ny olona sy ho tiany. Tsy ny anarantsika fotsiny no tiantsika ho fantatr’izy ireo, fa ny toetrantsika sy ny zava-bitantsika koa.—Nom. 11:16; Joba 31:6.

2, 3. Inona no mety hitranga raha tsy voafehintsika ilay faniriana hoe mba hahazo sitraka amin’ny olona? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Hoatran’ny faniriana hafa rehetra ihany anefa ilay hoe te hahazo sitraka amin’ny olona. Mety tsy ho voafehintsika izy io satria tsy lavorary isika. Ataon’ny tontolon’i Satana izay hahatonga antsika haniry halaza sy hila sitraka amin’olona, fa tsy hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra. Izy anefa no tena mendrika ny hoderaina sy hotompoina.—Apok. 4:11.

3 Nila sitraka be loatra tamin’olona ny mpitondra fivavahana sasany, tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy àry i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna, izay  tia mandehandeha manao akanjo lava, sady tia ny hoarahabaina eny an-tsena sy ny hahazo toerana eny aloha ao amin’ny synagoga ary ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva.” Hoy koa izy: “Hahazo fanamelohana mafy kokoa izy ireny.” (Lioka 20:46, 47) Noderain’i Jesosy kosa ny mpitondratena iray nahantra, satria tsy mba nila sitraka tamin’olona izy tamin’izy nanao fanomezana. (Lioka 21:1-4) Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe inona no toe-tsaina ankasitrahan’i Jehovah ka tokony hananantsika foana. Izany no hodinihintsika ato.

NY FANKASITRAHAN’IZA NO TSARA INDRINDRA?

4. Ny fankasitrahan’iza no tsara indrindra, ary nahoana?

4 Te ho voamariky ny hafa ny olona ka manao fianarana ambony, na manao izay hahatafita azy amin’ny asany, na manao izay hampahalaza azy amin’ny resaka spaoro na filma na zavatra hafa. Tsy ny fankasitrahan’ny olona anefa no tsara indrindra, fa ny fankasitrahan’Andriamanitra. Hoy i Paoly momba izany: ‘Efa mahalala an’Andriamanitra ianareo, na ny marina kokoa dia hoe efa fantany ianareo. Koa nahoana àry ianareo no miverina indray any amin’ireo zavatra fototra tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy, ary te handevozin’izany indray?’ (Gal. 4:9) Tombontsoa be ny hoe lasa ‘fantatr’Andriamanitra’, ilay Mpitondra Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. Fantany isika sady tiany. Tiany ho lasa namany koa isika, satria izany no antony namoronany antsika.—Mpito. 12:13, 14.

5. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatonga an’i Jehovah hahafantatra antsika?

5 Naman’i Jehovah i Mosesy. Niangavy an’i Jehovah izy hoe: ‘Mba ampahafantaro ahy re ny lalanao e!’ Dia hoy i Jehovah taminy: ‘Hataoko izay zavatra nolazainao izay, satria mankasitraka anao aho sady mahafantatra anao amin’ny anaranao.’ (Eks. 33:12-17) Hahazo fitahiana koa isika raha lasa fantatr’i Jehovah. Inona anefa no mila ataontsika mba hahatonga azy hahafantatra antsika? Tsy maintsy tia azy isika ary manokan-tena ho azy.—Vakio ny 1 Korintianina 8:3.

6, 7. Inona no mety hahatonga antsika tsy ho naman’i Jehovah intsony?

6 Mila mifandray tsara foana amin’ilay Raintsika any an-danitra anefa isika. Mila mitandrina hoatran’ireo Kristianina tany Galatia isika, mba tsy handevozin’ireo “zavatra fototra tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy.” Anisan’izany ny hoe hahazo voninahitra eto amin’ity tontolo ity. (Gal. 4:9) Efa niezaka ireo Kristianina ireo ka lasa fantatr’i Jehovah. Nilaza anefa i Paoly fa niverina tany amin’ny zavatra tsy misy dikany indray izy ireo. Toy ny hoe nilaza tamin’izy ireo àry i Paoly hoe: ‘Mba efa nandroso tsara ihany ve ianareo, dia niverina any amin’ny zavatra tsy misy ilana azy indray?’

7 Mety hitranga amintsika koa izany. Nanana toerana ambony teto amin’ity tontolo ity angamba isika taloha. Nanahaka an’i Paoly anefa isika ka nafointsika izany rehefa lasa nahafantatra an’i Jehovah isika. (Vakio ny Filipianina 3:7, 8.) Mety ho tsy nanaiky hanao fianarana ambony isika, na hanao asa be karama na zavatra hafa hahazoana vola be. Manan-talenta amin’ny mozika na spaoro angamba isika. Mety ho nalaza sy nanan-karena isika raha nanararaotra an’izany, nefa tsy izany no nataontsika. (Heb. 11:24-27) Tsara izany fanapahan-kevitra izany, ka tsy tokony hanenenana. Tsy tokony hieritreritra isika hoe: ‘Tahaka izay izao ny fiainako mba netinety kokoa!’ Raha mieritreritra hoatr’izany mantsy isi ka, dia mety hiverina hitady an’ireo zavatra eto amin’ity tontolo ity, nefa isika efa niaiky hoe “tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy” izy ireny.

ATAOVY FOANA IZAY HAHAZOANA SITRAKA AMIN’I JEHOVAH

8. Inona no hanampy antsika ho tapa-kevitra foana hitady sitraka amin’i Jehovah?

8 Tokony ho tapa-kevitra foana hitady sitraka amin’i Jehovah isika, fa tsy hila sitraka amin’ity tontolo ity. Inona no hanampy antsika hahavita an’izany? Misy hevi-dehibe roa mila tadidintsika. Voalohany, mankasitraka foana an’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 6:10; 11:6) Tena sarobidy aminy ny tsirairay amin’ny mpanompony tsy mivadika, ka toy ny hoe manao ny “tsy marina” izy raha tsy miraharaha azy ireo. Milaza ny Baiboly fa fantatr’i Jehovah foana ny azy. (2 Tim. 2:19) ‘Fantany ny lalan’ny olo-marina’, ary hainy ny manafaka azy ireo amin’ny fitsapana.—Sal. 1:6; 2 Pet. 2:9.

9. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitrahany ny vahoakany?

9 Miavaka be indraindray ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe ankasitrahany ny vahoakany. (2 Tan. 20:20, 29) Eritrereto, ohatra, ny fomba namonjeny ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena, rehefa nanenjika azy ireo ny tafika maherin’i Farao. (Eks. 14:21-30; Sal. 106:9-11) Tena nahatalanjona iny zava-nitranga iny ka mbola niresaka momba an’ilay izy ny olona, 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (Jos. 2:9-11) Mampahery be ny mitadidy an’ireny fomba nanehoan’i Jehovah ny fitiavany sy ny heriny ireny. Tsy ho ela mantsy dia hanafika antsika i Goga avy any Magoga. (Ezek. 38:8-12) Tena ho faly isika amin’izay hoe nitady sitraka tamin’i Jehovah fa tsy tamin’ity tontolo ity.

10. Inona no hevi-dehibe faharoa mila tadidintsika?

10 Faharoa, mety tsy hampoizintsika mihitsy ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy. Raha manao ny tsara ny olona iray satria fotsiny hoe te hoderain’ny olona, dia tsy hahazo valisoa avy amin’i Jehovah izy. Nahoana? Satria ilay fideran’ny olona azy iny no efa valisoany. (Vakio ny Matio 6:1-5.) Nilaza anefa i Jesosy fa “mijery ao amin’ny miafina” ny Rainy, ka hitany hoe iza no manao soa nefa tsy mba misy mankasitraka. Voamarik’i Jehovah ny zavatra ataon’izy ireny, dia mamaly soa azy ireny izy. Tsy ampoizintsika anefa indraindray ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy. Handinika ohatra manaporofo an’izany isika.

TOVOVAVY NAHAZO VALISOA TSY NAMPOIZINA

11. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitrahany i Maria?

11 Tovovavy nanetry tena atao hoe Maria no nofidin’i Jehovah hiteraka an’i Jesosy Zanany. Tany Nazareta izy no nipetraka. Tanàna kely izy io, ary lavitra an’i Jerosalema sy ny tempoly izay tena tsara tarehy. (Vakio ny Lioka 1:26-33.) Nahoana i Maria no nahazo an’izany tombontsoa lehibe izany? Satria “nankasitrahan’Andriamanitra” izy, araka ny tenin’ny anjely Gabriela taminy. Tena tia an’i Jehovah i Maria rehefa jerena izay nolazainy tamin’i Elizabeta havany. (Lioka 1:46-55) Nandinika an’i Maria i Jehovah ka hitany hoe tsy nivadika izy, dia nomeny tombontsoa. Azo antoka hoe tsy nampoizin’i Maria izany.

12, 13. Inona no zavatra tsy nampoizina nataon’i Jehovah, tamin’i Jesosy teraka sy tamin’izy nentina tany amin’ny tempoly?

12 Nisy zavatra tsy nampoizina nataon’i Jehovah koa, tamin’i Jesosy teraka. Tsy ny olona ambony na ny mpitondra tao  Jerosalema sy Betlehema no nampahafantariny an’izany vaovao izany, fa mpiandry ondry tany an-tsaha tany ivelan’i Betlehema. Anjely no nasain’i Jehovah niresaka tamin-dry zareo. (Lioka 2:8-14) Nandeha nitsidika an’i Jesosy ireo mpiandry ondry ireo avy eo. (Lioka 2:15-17) Azo antoka fa sady gaga no faly i Maria sy Josefa hoe nomem-boninahitra hoatr’izany i Jesosy. Tsy hoatran’ny nataon’i Jehovah kosa anefa ny nataon’i Satana Devoly. Naniraka mpanandro hitsidika an’i Jesosy sy ny ray aman-dreniny izy, dia lasa nahalala daholo ny tao Jerosalema hoe teraka i Jesosy. Ankizikely tsy manan-tsiny be dia be no novonoina vokatr’izany.—Mat. 2:3, 16.

13 Tsy maintsy nanao fanatitra ho an’i Jehovah tany amin’ny tempoly tany Jerosalema i Maria, 40 andro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. (Lioka 2:22-24) Sivy kilaometatra eo ho eo izany raha miala avy eo Betlehema. Niara-nankany izy sy Josefa ary Jesosy. Lasa saina angamba i Maria teny an-dalana hoe: ‘Mety hanao zavatra miavaka ve ny mpisorona mba hampisehoana fa fantany izay hataon’i Jesosy amin’ny hoavy?’ Nomem-boninahitra tokoa i Jesosy, saingy mety tsy ho araka ny noeritreretin’i Maria. I Simeona sy Ana no nofidin’i Jehovah mba hilaza fa ho lasa Mesia na Kristy i Jesosy. Lehilahy ‘marina sy natahotra an’Andriamanitra’ i Simeona. I Ana indray mpaminanivavy efa maty vady ary 84 taona.—Lioka 2:25-38.

14. Inona no valisoa nomen’i Jehovah an’i Maria?

14 Nasehon’i Jehovah koa taorian’izay hoe nankasitrahany i Maria noho izy nikarakara sy nitaiza ny Zanany. Nampanoratiny ao amin’ny Baiboly ny zavatra nataon’i Maria sy noteneniny. Toa tsy afaka nanaraka an’i Jesosy izy nandritra an’ireo telo taona sy tapany nanaovan’i Jesosy ny fanompoany. Efa maty vady angamba izy tamin’izay dia tsy maintsy nijanona tany Nazareta. Betsaka àry ny tombontsoa tsy nananany. Afaka niaraka tamin’i Jesosy anefa izy tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy. (Jaona 19:26) Tany Jerosalema niaraka tamin’ny mpianatr’i Jesosy izy tatỳ aoriana, talohan’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’izy ireo tamin’ny Pentekosta. (Asa. 1:13, 14) Azo inoana hoe voahosotry ny fanahy masina niaraka tamin’ireo mpianatra ireo izy. Raha izany no izy, dia hiaraka amin’i Jesosy mandrakizay any an-danitra i Maria. Nahazo valisoa tsara be àry izy satria tsy nivadika.

NASEHON’I JEHOVAH HOE NANKASITRAHANY ILAY ZANANY

15. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitrahany ilay Zanany?

15 Tsy mba nila sitraka tamin’ireo mpitondra fivavahana sy manam-pahefana tamin’ny androny i Jesosy. Ny fankasitrahan’i Jehovah no tena zava-dehibe taminy. Azo antoka àry hoe nampahery be azy ny naheno an’i Jehovah niteny taminy avy tany an-danitra hoe zanany izy ary tena tiany. Intelo be izao i Jehovah no nanao an’izany. Tamin’i Jesosy vao avy natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana, dia nilaza izy hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Mat. 3:17) Toa i Jaona Mpanao Batisa irery no naheno an’ireo teny ireo, ankoatra an’i Jesosy. Mbola nilaza hoatr’izany koa i Jehovah herintaona teo ho eo talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, ary apostoly telo no naheno azy. Hoy izy tamin’izay: “Io no Zanako malalako izay sitrako. Henoy izy.” (Mat. 17:5) Mbola niresaka mivantana tamin’ilay Zanany koa i Jehovah, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany.—Jaona 12:28.

Inona no ianaranao rehefa eritreretinao ny fomba nampisehoan’i Jehovah hoe ankasitrahany ny Zanany? (Fehintsoratra 15-17)

16, 17. Inona no zavatra tsy nampoizina nataon’i Jehovah mba hanomezana voninahitra an’i Jesosy?

 16 Efa fantatr’i Jesosy fa hampangain’ny olona ho mpanevateva an’Andriamanitra izy, ary hahamenatra ny fomba hamonoana azy. Na izany aza, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: ‘Aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.’ (Mat. 26:39, 42) ‘Niaritra hazo fijaliana izy ka tsy nitandro henatra.’ Tsy nila sitraka tamin’ity tontolo ity izy fa tamin’ny Rainy ihany. (Heb. 12:2) Ahoana àry no nampisehoan’i Jehovah fa nankasitraka azy izy?

17 Nilaza i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany hoe mba tiany raha haverina aminy ny voninahitra nananany tamin’izy niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra. (Jaona 17:5) Tsy milaza ny Baiboly hoe nitady zavatra mihoatra an’izany izy. Tsy nanantena ny hahazo toerana ambony kokoa izy rehefa any an-danitra. Nisy zavatra tsy nampoizina nataon’i Jehovah anefa mba hanomezana voninahitra an’i Jesosy. Natsangany tamin’ny maty izy ary nomeny “toerana ambony kokoa.” Nataony lasa fanahy tsy mety maty koa i Jesosy, ary mbola tsy nisy nataony an’izany talohany. * (Fil. 2:9; 1 Tim. 6:16) Miavaka tokoa ny valisoa nomen’i Jehovah an’i Jesosy noho izy tsy nivadika.

18. Inona no hanampy antsika tsy hila sitraka amin’ity tontolo ity?

18 Inona no hanampy antsika tsy hila sitraka amin’ity tontolo ity? Aza hadinoina mihitsy fa ankasitrahan’i Jehovah foana ny mpanompony tsy mivadika, ary tsy ampoizina matetika ny valisoa omeny azy ireny. Mety tsy ho azontsika an-tsaina mihitsy ny fitahiana homeny antsika amin’ny hoavy! Tsy maintsy miaritra olana isan-karazany anefa aloha isika izao. Na izany aza, dia tadidio foana fa mandalo ity tontolo ratsy ity, ary hoatr’izany koa izay mba fankasitrahana omeny. (1 Jaona 2:17) I Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, kosa ‘tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataontsika sy ny fitiavana nasehontsika ho an’ny anarany.’ (Heb. 6:10) Hasehony amintsika fa tena mankasitraka antsika izy, ary mety tsy hampoizintsika ny fomba hanaovany an’izany.

^ feh. 17 Mety ho valisoa tsy nampoizin’i Jesosy ilay izy natao tsy mety maty, satria tsy misy resaka an’izany hoe tsy mety maty izany ao amin’ny Soratra Hebreo.