Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JOLAY 2016

Nahoana Isika no Tokony ‘Hiambina Hatrany’?

Nahoana Isika no Tokony ‘Hiambina Hatrany’?

Tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.”MAT. 24:42.

HIRA: 136, 129

1. Nahoana no ilaina ny mahafantatra ny fotoana sy ny zava-misy manodidina antsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

EFA hanomboka ny fivoriambe. Efa eny amin’ny lampihazo ny mpanolotra fandaharana, dia miarahaba tonga soa an’ireo mpanatrika. Fantatrao hoe tokony hipetraka amin’izay ianao, satria efa handeha ny mozika mahafinaritra nataon’ny orkesitry ny fandaminana. Mila manomana ny fonao sy ny sainao koa ianao mba ho vonona hihaino tsara an’ireo lahateny. Mbola misy mpanatrika mivezivezy na variana miresaka ihany anefa indraindray amin’io fotoana io. Midika izany hoe tsy mba mailomailo izy ireo ka tsy nijery famantaranandro. Tsy hitany akory hoe efa eny amin’ny lampihazo ny mpanolotra fandaharana, manomboka ny mozika fanokafana, ary efa mipetraka ny mpanatrika. Ilaina àry ny hoe mailomailo. Mbola hisy zavatra hafa lehibe kokoa hitranga mantsy tsy ho ela. Inona izany?

2. Nahoana i Jesosy no nampirisika ny mpianany ‘hiambina hatrany’?

2 Niresaka momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” i Jesosy, ary nampirisika ny mpianany hoe: “Mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana  ny fotoana voatondro.” Namerimberina nilaza tamin’ny mpianany izy taorian’izay hoe: “Miambena hatrany.” (Mat. 24:3; vakio ny Marka 13:32-37.) Nitantara an’io resak’i Jesosy sy ny mpianany io koa i Matio. Nilaza izy fa nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ho mailo foana. Hoy izy: ‘Miambena hatrany ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo. Aoka ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.’ Mbola nilaza koa izy hoe: ‘Miambena hatrany, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.’Mat. 24:42-44; 25:13.

3. Nahoana isika no mankatò ny fampitandreman’i Jesosy?

3 Mankatò an’ilay fampitandreman’i Jesosy isika Vavolombelon’i Jehovah. Fantatsika mantsy fa efa tena ao anatin’ny “fotoanan’ny farany” isika, ary kely sisa dia hanomboka ny “fahoriana lehibe.” (Dan. 12:4; Mat. 24:21) Betsaka ny ady, mihamaro ny olona ratsy fitondran-tena sy mandika lalàna, mampikorontan-tsaina ny fivavahana, misy ny mosary, betsaka ny areti-mandringana, ary misy horohoron-tany any amin’ny toerana maro. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran-tany koa ny vahoakan’i Jehovah. (Mat. 24:7, 11, 12, 14; Lioka 21:11) Efa tsy andrintsika àry izay hahatongavan’i Jesosy mba hanatanterahany ny fikasan’Andriamanitra.Mar. 13:26, 27.

EFA KELY SISA NY FOTOANA

4. a) Nahoana isika no milaza fa efa fantatr’i Jesosy izao hoe rahoviana ny Hara-magedona? b) Inona no azontsika antoka na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana ny fahoriana lehibe?

4 Fantatsika ny ora hanombohan’ny fivoriambe. Tsy ho fantatsika kosa ny taona hanombohan’ny fahoriana lehibe, na hiezaka mafy hamantatra an’izany aza isika, mainka moa fa ny andro sy ora! Hoy i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Mat. 24:36) Nomena fahefana handringana ny tontolon’i Satana anefa i Jesosy, amin’ny Hara-magedona. (Apok. 19:11-16) Azo antoka àry fa efa fantany izao hoe rahoviana izany no hitranga. Isika kosa tsy mahalala an’io fotoana io, ka tsy maintsy miambina foana. Efa nofaritan’i Jehovah anefa hoe rahoviana no hanomboka ny fahoriana lehibe ary ho tonga ny farany. Miandry an’izany fotoana izany fotsiny izy sisa, ary “tsy ho tara izany.” (Vakio ny Habakoka 2:1-3.) Nahoana isika no matoky an’izany?

5. Milazà ohatra mampiseho fa tanteraka ara-potoana foana ny faminanian’i Jehovah.

5 Tanteraka ara-potoana foana ny faminanian’i Jehovah. Eritrereto ny nanafahany ny Israelita tany Ejipta, tamin’ny 14 Nisana 1513 T.K. Hoy i Mosesy: “Tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.” (Eks. 12:40-42) Tamin’ny 1943 T.K. no nanomboka ireo 430 taona ireo, rehefa nanomboka nanan-kery ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. (Gal. 3:17, 18) Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah tatỳ aoriana hoe: “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.” (Gen. 15:13; Asa. 7:6) Nanomboka tamin’ny 1913 T.K. ireo 400 taona ireo, tamin’i Ismaela naneso an’i Isaka, ary nifarana tamin’ny 1513 T.K., rehefa niala tany Ejipta  ny Israelita. (Gen. 21:8-10; Gal. 4:22-29) Mba eritrereto ange e! Efa 400 taona mialoha i Jehovah no nilaza ny fotoana hanafahany ny vahoakany.

6. Nahoana isika no matoky fa hamonjy ny vahoakany i Jehovah?

6 Anisan’ireo nafahana avy tany Ejipta i Josoa. Hoy izy tamin’ny Israelita: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.” (Jos. 23:2, 14) Nampanantena koa i Jehovah fa hanafaka antsika izy amin’ny fahoriana lehibe. Matokia fa tsy maintsy ho tanteraka izany. Mila miambina foana anefa isika raha te ho voavonjy.

MILA MIAMBINA ISIKA RAHA TE HO VOAVONJY

7, 8. a) Inona no andraikitry ny mpiambina fahiny, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? b) Inona no mety hitranga rehefa matory ny mpiambina? Manomeza ohatra.

7 Tena ilaina ny miambina foana. Manaporofo an’izany ny zava-nitranga fahiny. Voahodidina manda avo be tamin’izany ny tanàna lehibe, anisan’izany i Jerosalema. Nisakana ny fahavalo tsy ho tafiditra tao an-tanàna izy ireny. Teny koa ny mpiambina no nanara-maso ny manodidina. Nisy mpiambina foana teny ambony manda sy teny am-bavahady, na andro na alina. Tsy maintsy nampandre ny mponina izy ireny raha vao nisy loza nananontanona. (Isaia 62:6) Tena nila nifoha sy nijery tsara àry ny mpiambina, raha tsy izany dia maro no namoy ny ainy.Ezek. 33:6.

8 Nilaza ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Josèphe fa natory ireo mpiambina ka tafiditra tao amin’ny Tilikambon’i Antonia, teo amin’ny mandan’i Jerosalema, ny tafika romanina tamin’ny taona 70. Avy teo izy ireo no niditra nankao amin’ny tempoly ka nandoro azy io, ary avy eo nandrava ny faritra hafa tao Jerosalema. Io no zava-nitranga farany tamin’ilay fahoriana lehibe indrindra nanjo ny firenena jiosy tamin’izany.

9. Inona no tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona?

9 Maro ny firenena manana mpiambina sy mampiasa teknolojia arifomba, mba hanaraha-maso ny sisin-taniny. Izy ireny no miambina sao dia misy olona na zavatra mety hampidi-doza mitady hiditra ao amin’ny taniny. Ny tetika ataon’olona na ataon’ny fitondran’olombelona ihany anefa no hitan’izy ireny. Tsy fantatr’ireny firenena ireny hoe misy Fanjakana iray efa am-perinasa any an-danitra, ary i Kristy no Mpanjakan’izy io. Tsy hainy koa hoe kely sisa dia handringana ny fitondrana rehetra eto an-tany izy io. (Isaia 9:6, 7; 56:10; Dan. 2:44) Fantatsika kosa izany rehetra izany, ka mailo sy miambina foana isika mba ho vonona rehefa tonga io fotoana io.Sal. 130:6.

MITANDREMA MBA TSY HO VARIANA

10, 11. a) Inona no mila tandremantsika, ary nahoana? b) Inona no manaporofo fa voafitaky ny Devoly ny olona ka tsy miraharaha ny faminanian’ny Baiboly?

10 Eritrereto hoe efa niari-tory nandritra ny alina ny mpiambina iray. Reraka be izy rehefa akaiky ho maraina, ka amin’izay izy no tena mety ho resin-tory. Efa tena akaiky koa ny faran’ity tontolo ity, dia lasa sarotra be amintsika ny miambina hatrany. Hidiran-doza anefa isika raha tsy mahavita an’izany. Inona no mety hahatonga antsika tsy ho mailo tsara intsony? Handinika telo amin’izany isika.

 11 Mamitaka ny Devoly. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia intelo i Jesosy no nampitandrina ny mpianany momba an’ilay “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31; 14:30; 16:11) Fantany mantsy fa hamitaka ny olona ny Devoly, amin’izay izy ireo tsy hiraharaha hoe efa akaiky ny farany, na dia manaporofo an’izany aza ny faminaniana. (Zef. 1:14) Mampiasa ny fivavahan-diso i Satana mba hamitahana. Tsy mahatsapa an’izany ve ianao rehefa miresaka amin’ny olona? Tsy hitanao ve hoe “manajamba ny sain’ny tsy mino” izy, ka lasa tsy hain’izy ireny hoe efa akaiky ny farany ary efa manjaka i Kristy? (2 Kor. 4:3-6) Tsy miraika ny ankamaroan’ny olona rehefa ilazana hoe efa hifarana ity tontolo ity. Matetika izy ireny no milaza hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.”

12. Nahoana isika no tsy tokony hanaiky ho voafitaky ny Devoly?

12 Aza kivy fa miambena tsara foana, na dia maro aza no tsy miraika. Fantatsika mantsy fa tena ilaina izany. Hoy i Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy: “Fantatrareo tsara fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.” (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:1-6.) Nampitandrina i Jesosy hoe: ‘Aoka ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.’ (Lioka 12:39, 40) Tsy ho ela dia olona maro no ho voafitak’i Satana hoe misy “fandriampahalemana sy filaminana.” Hihevitra izy ireo hoe milamina tsara ny zava-drehetra maneran-tany. Ary isika? Tsy ‘hahatratra antsika tampoka toy ny mpangalatra’ ny andron’i Jehovah, raha ‘mifoha hatrany sy misaina tsara foana’ isika. Tsy maintsy mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro àry isika, sady misaintsaina an’izay lazainy.

13. Inona no vokatry ny toe-tsain’izao tontolo izao, ary inona no azontsika atao mba tsy hitrangan’izany amintsika?

13 Mahatonga ny olona tsy hiraharaha an’Andriamanitra ny toe-tsain’ity tontolo ity. Variana be amin’ny fiainana ny olona maro, ka tsy “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Mat. 5:3) Variana mikatsaka zavatra eto amin’ity tontolo ity izy ireny, ka izay mahafa-po ny “fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso” no ataony. (1 Jaona 2:16) Be dia be koa ny fialam-boly ary mihamitombo  foana izany, ka lasa “tia fahafinaretana” ny olona. (2 Tim. 3:4) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza amin’ny Kristianina hoe: “Aza manao tetika hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo.” (Rom. 13:11-14) Mety hahatonga azy ireo ho varimbariana mantsy izany, ka tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony izy ireo.

14. Inona no mila tandremantsika araka ny Lioka 21:34, 35?

14 Tsy ny fanahin’izao tontolo izao, izany hoe ny toe-tsainy, no tokony havelantsika hisy heriny amintsika fa ny fanahin’Andriamanitra. [1] (1 Kor. 2:12) Izy io no ampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika hahalala izay hitranga tsy ho ela. Ny zavatra efa mahazatra antsika ihany anefa no mety hahatonga antsika ho varimbariana, ka tsy hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Vakio ny Lioka 21:34, 35.) Mety hisy haneso koa isika satria mino hoe efa akaiky ny farany. (2 Pet. 3:3-7) Tsy tokony hisakana antsika tsy hiambina anefa izany. Mila mivory tsy tapaka kosa isika, amin’izay afaka miaraka amin’ny mpiara-manompo sady mahazo ny fanahin’i Jehovah.

Manao izay azonao atao ve ianao mba hahatonga anao hiambina hatrany? (Fehintsoratra 11-16)

15. Inona no nitranga tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona? Nahoana koa isika no mety ho tratran’izany?

15 Tsy lavorary isika ka mety tsy ho mailo tsara intsony. Fantatr’i Jesosy hoe mora resin’ny fahalementsika isika satria tsy lavorary. Diniho izay nitranga ny alina talohan’ny namonoana azy. Tsy maintsy nangataka hery tamin’ilay Rainy tany an-danitra izy mba tsy hivadika. Nivavaka àry izy, fa i Petera sy Jakoba ary Jaona nasainy niari-tory. Tsy fantatr’izy ireo hoe hisy zava-dehibe hitranga. Tsy niambina àry izy ireo fa vizana ka resin-tory. I Jesosy kosa nifoha tsara sady nitalaho mafy tamin’ny Rainy, na dia reraka aza. Izany no tokony ho nataon’ireo apostoliny.Mar. 14:32-41.

16. Inona no hanampy antsika ‘hiambina hatrany’, araka ny Lioka 21:36?

16 Tsy ampy ny hoe maniry ‘hiambina hatrany’, fa ilaina koa ny miezaka mba tsy ho varimbariana. Nasain’i Jesosy nitalaho tamin’i Jehovah i Petera sy Jakoba ary Jaona, andro vitsivitsy talohan’ny nisamborana an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. (Vakio ny Lioka 21:36.) Mila mivavaka tsy tapaka koa àry isika raha te hiambina hatrany.1 Pet. 4:7.

MIAMBENA HATRANY!

17. Inona no hanampy antsika ho vonona rehefa tonga ny farany?

17 Nilaza i Jesosy fa ‘amin’ny ora tsy eritreretintsika’ no ho tonga ny farany. (Mat. 24:44) Tsy tokony ho varimbariana àry isika. Mety haniry an’ireo zavatra lazain’i Satana sy ny tontolony hoe mahasambatra isika. Tsy izao anefa no fotoana hikatsahana an’izany. Lazain’Andriamanitra sy Kristy ao amin’ny Baiboly hoe inona no hataon’izy ireo ho antsika atsy ho atsy, ary inona no hanampy antsika hiambina hatrany. Eritrereto àry izao: ‘Mbola mifandray tsara amin’i Jehovah ve aho? Manao loha laharana an’ilay Fanjakana foana ve aho?’ Tadidio koa fa efa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny androntsika. Ho vonona isika amin’izay rehefa tonga ny farany. (Apok. 22:20) Iankinan’ny aintsika izany!

^ [1] (fehintsoratra 14) Jereo ny boky Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, toko 21.