Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

Tsy mba Nanda An’i Jehovah Mihitsy Izahay!

Tsy mba Nanda An’i Jehovah Mihitsy Izahay!

VAO avy nisy rivo-doza tamin’izay, dia lasa nahery be ilay renirano. Nahazaka vato be mihitsy ilay izy ary feno fotaka. Nila niampita an’ilay renirano izahay, nefa lasan’ny rano ilay tetezana tokony ho niampitanay. Anankitelo izahay no niaraka tamin’izay: Izaho sy Harvey vadiko, dia lehilahy iray nandika teny ho amin’ny teny amis. Natahotra be izahay sady tsy hitanay izay natao. Nampidirinay tao anaty kamiao aloha ilay aotomobilina kelinay. Navela tamin’izao fotsiny ilay izy fa tsy nofatorana tady na rojo vy. Dia niampita tsimoramora amin’izay ilay kamiao, tao anatin’ilay rano nisasasasa be. Rehefa nanomboka niampita izahay, dia nijery tsara anay ny mpiara-manompo terỳ ampita sady nitaintaina. Nivavabavaka tamin’i Jehovah foana anefa izahay, dia tafampita soa aman-tsara ihany. Hoatran’ny hoe tsy ho tody izany mihitsy izahay! Tamin’ny taona 1971 izany no nitranga, tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Taïwan. Tany izahay no nipetraka tamin’izany, ary lavitra be teo ny tany niavianay. Aleo holazaiko aminareo ny tantaranay.

AHOANA NO NAHATONGA ANAY HO TIA AN’I JEHOVAH?

Efatra mirahalahy ry Harvey, dia izy no lahimatoa. Lasa nahafantatra ny fahamarinana ny fianakaviany, 80 taona mahery lasa izay. Tany Midland Junction, any Aostralia Andrefana, ry zareo no nipetraka tamin’izany. Nahantra be ny ankamaroan’ny olona tany. Lasa tia an’i Jehovah i Harvey, dia natao batisa tamin’izy 14 taona. Mbola kely izy dia efa nianatra hoe tsy tokony handa rehefa misy zavatra asain’i Jehovah atao. Nisy fotoana, ohatra, izy notendrena hamaky Ny Tilikambo Fiambenana tany am-pivoriana. Tsy nanaiky anefa izy satria nieritreritra hoe tsy hahavita tsara an’izany. Dia nilaza taminy ilay ranadahy hoe: “Matoa ny olona anankiray ao amin’ny fandaminan’i Jehovah maniraka anao, dia fantany hoe ho vitanao ilay izy.”​—2 Kor. 3:5.

Izaho indray tany Angletera no nahalala ny fahamarinana, hoatran’ny mamanay sy ny zokiko vavimatoa. Nanaiky ny fahamarinana koa i Dada, fa efa tatỳ aoriana be. Tamin’ny voalohany anefa izy tena nanohitra. Vao sivy taona aho dia natao batisa, ary tsy faly tamin’izany i Dada. Te ho lasa mpisava lalana aho, dia avy eo hanao misionera. Tsy navelany hanao mpisava lalana anefa aho raha tsy hoe feno 21 taona, hono. Izaho anefa tsy te hiandry ela be hoatr’izany.  Efa nifindra tany Aostralia ny zokinay vavimatoa tamin’izany, dia nandeha nipetraka tany aho. Tsy nampaninona an’i Dada izany. Izaho amin’io vao 16 taona! Nanao mpisava lalana amin’izay aho raha vao feno 18 taona.

Tamin’ny mariazinay tamin’ny 1951

Tany Aostralia aho no nihaona tamin’i Harvey. Samy te ho lasa misionera izahay. Nivady izahay tamin’ny 1951. Rehefa avy nanao mpisava lalana nandritra ny roa taona izahay, dia voatendry hanao ny asan’ny faritra. Nidadasika be ilay faritra nasaina notsidihinay tany Aostralia Andrefana. Tsy maintsy nanao dia lavitra tamin’ny aotomobilina àry izahay matetika, dia nandalo toerana mitokana sady maina be.

TANTERAKA IHANY ILAY NOFINOFINAY!

Fizarana diplaoman’i Gileada tao amin’ny Yankee Stadium, tamin’ny 1955

Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-25 izahay tamin’ny 1954. Ho tanteraka ihany ilay nofinofinay hoe hanao misionera! Nandeha sambo nankany New York izahay. Nanomboka nianatra Baiboly izahay rehefa tonga tany. Lalina be mihitsy ilay fianarana! Tsy maintsy nianatra teny espaniola koa izahay nandritra an’ilay sekoly. Sarotra be tamin’i Harvey ilay izy satria tsy nahay nanonona “r” tamin’ny teny espaniola izy.

Rehefa nandeha ny fianarana, dia niteny ny mpampianatra hoe afaka misoratra anarana hianatra teny japoney izay te ho voatendry any Japon. Nanapa-kevitra izahay hoe aleo ny fandaminan’i Jehovah ihany no hifidy an’izay hanendrena anay. Tsy ela taorian’izay anefa, dia niresaka taminay i Albert Schroeder. Anisan’ny mpampianatra izy. Nilaza taminay izy hoe: “Toa mbola tsy nisoratra anarana ianareo? Eritrereto ihany aloha e!” Mbola nisalasala ihany anefa izahay, dia niteny indray izy hoe: “Efa nosoratanay sy ny mpampianatra hafa any ny anaranareo. Andramo aloha sao dia mba ho hainareo ihany ilay teny japoney.” Vetivety dia nahay i Harvey!

Tonga tany Japon izahay tamin’ny 1955. I Harvey tamin’izany 26 taona, dia izaho 24 taona. Tsy nisy afa-tsy mpitory 500 tany. Voatendry hanompo tany Kobe izahay dia nijanona tao efa-taona. Nisy seranan-tsambo tao amin’io tanàna io. Faly be izahay avy eo satria nasaina nanao ny asan’ny faritra indray. Tany akaikin’ny tanànan’i Nagoya izahay no voatendry. Nahafinaritra anay daholo na ny mpiara-manompo, na ny sakafo, na ny tanàna. Nisy asa hafa nanirahan’i Jehovah anay indray tsy ela taorian’izay, dia mbola tsy nanda ihany izahay.

TSY MORA ILAY FANENDRENA VAOVAO

Izahay sy Harvey miaraka amin’ny misionera hafa tany Kobe, any Japon, tamin’ny 1957

Rehefa avy nanao ny asan’ny faritra nandritra ny telo taona izahay, dia nanontany anay ny sampan’i Japon raha vonona ho any Taïwan izahay mba hitory amin’ny foko amis. Lasa mpivadi-pinoana ny mpiara-manompo sasany tao amin’io foko io, dia nila ranadahy niteny japoney tsara ny sampana mba  handamina an’ilay olana. * Tena tianay ny asanay tany Japon, dia sarotra be taminay ny nanapa-kevitra. Efa nianatra tsy handa fanendrena mihitsy anefa i Harvey, dia nanaiky hifindra izahay.

Tonga tany Taïwan izahay tamin’ny Novambra 1962. Nisy mpitory 2271 tany tamin’izany, ary avy amin’ny foko amis ny ankamaroany. Tsy maintsy nianatra teny sinoa aloha izahay. Tsy nanana afa-tsy boky fianarana anankiray izahay, moa ilay mpampianatra anay tsy nahay teny anglisy. Hainay ihany anefa ilay izy!

Voatendry ho mpikarakara ny sampana i Harvey, taoriana kelin’ny nahatongavanay tany Taïwan. Kelikely ihany ilay sampana. Sady afaka nanao ny andraikiny àry i Harvey, no nanompo niaraka tamin’ny mpiara-manompo avy amin’ny foko amis nandritra ny telo herinandro isam-bolana. Nanao ny andraikitry ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra koa izy indraindray, dia nanao lahateny tamin’ny fivoriambe. Raha nataony tamin’ny teny japoney ny lahateniny, dia ho nahazo tsara an’izany ihany ny mpiara-manompo avy amin’ny foko amis. Namoaka didy anefa ny fitondrana hoe tsy azo atao ny manao fivoriana ara-pivavahana amin’ny teny hafa ankoatra ny teny sinoa. Nataony tamin’ny teny sinoa ihany àry ny lahateniny, na dia mbola tsy nahay tsara an’izany aza izy. Nisy ranadahy nandika an’ilay izy ho amin’ny teny amis.

Tsy maintsy nangataka fahazoan-dalana ny mpiara-manompo tamin’izany vao afaka nanao fivoriambe. Tsy mora anefa ny nahazo an’izany. Indraindray aza ilay izy ela be mihitsy vao azo! Raha mbola tsy namoaka an’ilay fahazoan-dalana ny polisy tamin’ny herinandro hanaovana ny fivoriambe, dia nankany amin-dry zareo i Harvey. Tsy niala tao izy raha tsy azony ilay izy. Nahomby izany tetika izany satria menatra ny polisy hoe misy olona avy any an-tany hafa miandry ao amin’ny biraony.

SAMBANY AHO NIANIKA TENDROMBOHITRA

Tany Taïwan. Handeha hitory izahay dia miampita renirano marivo

Nandeha an-tongotra adiny iray na mahery izahay matetika rehefa nitory niaraka tamin’ny mpiara-manompo. Nianika tendrombohitra izahay tamin’izany sady niampita renirano. Tadidiko tamin’izaho sambany nianika tendrombohitra. Nisakafo maraina haingankaingana izahay tamin’izay, dia namonjy bisy tamin’ny 5.30 maraina mba ho any amin’ny tanàna iray lavidavitra teo. Niampita renirano ngezabe efa maina koa izahay, dia avy eo nananika tendrombohitra iray. Nifanitsy tamin’ny masoko mihitsy ny tongotr’ilay ranadahy nandeha teo anoloako, satria nideza be ilay tendrombohitra.

Nanompo irery tao amina tanàna nisy olona niteny japoney aho tamin’io maraina io, fa i Harvey indray nanompo niaraka tamin’ny ranadahy hafa. Nalemilemy aho tamin’ny iray tolakandro teo ho eo, satria efa ela be aho no nisakafo farany. Tsy nisy mpiara-manompo intsony teo rehefa nihaona izahay sy i Harvey. Nitondra atody akoho anankitelo izy avy any. Nametraka gazety mantsy izy teny amin’ny fanompoana, dia nomen’ny olona atody ho takalony. Natorony ahy hoe ahoana no fihinanana an’ilay atody manta. Goahina kely eo amin’ny lohany sy ny vodiny, dia trohina ilay izy avy eo. Kamokamo aloha aho hihinana an’ilay izy e, fa nandramako ihany. Mbola izaho ihany anefa no nihinana an’ilay atody fahatelo! Tsy ho vitan’i Harvey mantsy ny hitondra ahy hidina an’ilay tendrombohitra raha torana teo aho.

 FANDROANA HAFAKELY

Nisy zavatra hafakely nitranga tamiko indray mandeha, tamin’izahay nanatrika fivoriamben’ny faritra. Nipetraka tao amin’ny tranona ranadahy iray izahay tamin’izay, teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana. Tena zava-dehibe amin’ny foko amis ny mandro. Nikarakara an’izay nilainay àry ny vadin’ny mpiandraikitra ny faritra rehefa handro izahay. Mbola be atao be i Harvey tamin’izay, dia izaho no nasainy nandro voalohany. Nomen’ilay rahavavy siô iray misy rano mangatsiaka aho, dia siô iray misy rano mafana, dia koveta iray tsy misy na inona na inona. Gaga be aho satria teo ivelan’ny trano ireo no napetrak’ilay rahavavy, dia tazana be avy teo amin’ny Efitrano Fanjakana. Nisy ranadahy maromaro nikarakara an’ilay fivoriambe anefa tao. Niteny taminy aho hoe: “Sao dia mba misy zavatra azoko atao ridao?” Dia inona, hoy ianareo, no nentiny avy any? Sase plastika ngezangeza sady tsy miloko! Nieritreritra àry aho hoe tsaratsara angamba raha ao ambadiky ny trano aho no mandro. Ao mantsy mba takontakona. Nisy gisa koa anefa tao dia natahotra aho sao dia hotsaingotsaingohin-dry zareo. Naleoko ihany niverina tany amin’ilay toerana natoron’ilay rahavavy. Nieritreritra mantsy aho hoe: ‘Tsy ho tsikaritr’ireo ranadahy ireo akory ange hoe mandro eo aho e! Ry zareo aza mbola be atao. Raha tsy mandro indray anefa aho, dia ho tafintohina ry zareo. Aleo fa eo aho no handro e!”

Hoatr’izao ny akanjo fanaovan’ny Amis rehefa fety

BOKY SY GAZETY HO AN’NY FOKO AMIS

Hitan’i Harvey hoe tsy dia nandroso ny mpiara-manompo tamin’ny foko amis. Betsaka tamin-dry zareo mantsy no tsy nahay namaky teny, moa tsy nisy boky sy gazety tamin’ny fiteniny koa. Vao haingana tamin’izany no nanomboka nosoratana ny fitenin-dry zareo. Nampianarina hamaky ny fiteniny àry ny mpiara-manompo. Asa be aloha ilay izy e! Nahafinaritra anefa fa nahavita nianatra samirery ny ranadahy sy rahavavy tatỳ aoriana. Lasa nisy boky sy gazety tamin’ny teny amis tamin’ny 1966, dia lasa nisy Tilikambo Fiambenana koa nanomboka tamin’ny taona 1968.

Tsy navelan’ny fanjakana nizara boky tamin’ny teny hafa ankoatra ny teny sinoa anefa izahay. Mba hisorohana olana àry, dia natao izay hahitana hevitra hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny amis. Nasiana lahatsoratra tamin’ny teny sinoa, ohatra, tao amin’ilay gazety fa nadika tamin’ny teny amis. Naharitra volana maromaro izany. Raha nisy olona nanontanintany momba an’ilay izy àry, dia hoatran’ny hoe nampianatra teny sinoa tamin’ny foko amis izahay. Namoaka boky sy gazety be dia be  tamin’ny teny amis ny fandaminana nanomboka tamin’izay, mba hanampiana ny olona any hahalala ny fahamarinana.​—Asa. 10:34, 35.

NODIOVIN’I JEHOVAH NY FIANGONANA

Betsaka ny mpiara-manompo tany tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra nandritra ny taona maro. Tsy azon-dry zareo tsara mantsy ny toro lalan’ny Baiboly. Nisy, ohatra, nijangajanga, nimamo, nifoka sigara sy nihinana paraky, ary nitsako maintim-bazana. Nitsidika fiangonana be dia be i Harvey, dia niezaka nanampy an-dry zareo hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireny. Tamin’ireny fotoana ireny no nitranga ilay zavatra notantaraiko terỳ am-piandohana.

Nanetry tena ny rahalahy sasany dia niova. Mampalahelo anefa fa betsaka no tsy hoatr’izany. Nidina be ny isan’ny mpitory tany Taïwan vokatr’izany, nandritra ny 20 taona. Nisy 2450 mahery izany tamin’ny voalohany, nefa lasa 900 teo ho eo. Tena nahakivy ilay izy! Fantatray anefa fa tsy hotahin’i Jehovah mihitsy ny fandaminana raha tsy madio. (2 Kor. 7:1) Tsy nanao an’ireny fanao ratsy ireny intsony ny mpiara-manompo rehefa nandeha ny fotoana. Efa misy mpitory 11 000 mahery any Taïwan amin’izao, noho ny fitahian’i Jehovah.

Hitanay hoe nihanandroso ny mpiara-manompo avy amin’ny foko amis, nanomboka tamin’ny 1980. Lasa nanam-potoana betsaka kokoa hiarahana tamin’ny fiangonana miteny sinoa i Harvey. Faly erỳ izy nanampy ny vadina anabavy maromaro ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tadidiko izy indray mandeha niteny hoe faly be fa nivavaka tamin’i Jehovah ny iray tamin-dry zareo. Izay io lehilahy io vao nanao an’izany! Izaho koa tena faly satria afaka nanampy olona tso-po be dia be ho lasa naman’i Jehovah. Nisy zanaky ny olona nampianariko Baiboly aza niaraka nanompo tamiko tao amin’ny Betelan’i Taïwan. Faly be aho niaraka tamin’izy mianadahy tao!

MAMPALAHELO FA MATY I HARVEY

Very namana aho satria voan’ny kansera i Harvey, dia maty tamin’ny 1 Janoary 2010. Efa ho 59 taona nivadiana izahay. Efa ho 60 taona izy tamin’izay no nanompo manontolo andro. Mbola malahelo be azy aho hatramin’izao. Nahafinaritra be ahy ny niara-nanompo taminy tany Japon sy Taïwan. Nianatra fiteny aziatika anankiroa sarotra be izahay. I Harvey aza moa nianatra nanoratra azy ireny mihitsy!

Nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, hoe tsara kokoa raha miverina any Aostralia aho. Efa nahazoazo taona ihany mantsy aho. Tonga dia nieritreritra aho hoe: ‘Izaho kosa te hijanona eto Taïwan e!’ Nampianarin’i Harvey ahy anefa hoe: ‘Aza mandà ny fandaminan’i Jehovah mihitsy.’ Nanaiky hiverina àry aho. Soa ihany aho fa nifindra!

Tena faly aho fa afaka miteny japoney sy sinoa rehefa mitondra mpitsidika

Manompo eto amin’ny sampan’i Aostralazia aho izao. Miasa eto aho mandritra ny herinandro, dia manompo miaraka amin’ny fiangonana rehefa faran’ny herinandro. Tena faly aho fa afaka miteny japoney sy sinoa rehefa mitondra mpitsidika. Tsy andriko mihitsy ny fitsanganana amin’ny maty! Hatsangan’i Jehovah mantsy i Harvey. Tsy mba nanda an’i Jehovah izany mihitsy izy hatramin’izay, dia fantatro hoe tadidiny tsara.​—Jaona 5:28, 29.

^ feh. 14 Nampiasa ny teny japoney ny foko maro tany Taïwan tamin’izany. Ny teny japoney mantsy no fiteny ofisialy tany nandritra ny taona maro. Ny teny sinoa kosa no fiteny ofisialy any amin’izao.