Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 3

Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?

Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?

“Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana.”—OHAB. 4:23.

HIRA 36 Arovy ny Fonao

HO HITANAO ATO *

1-3. a) Nahoana i Jehovah no tena tia an’i Solomona, ary inona no fitahiana nomeny azy? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliana ato?

MBOLA tanora i Solomona dia efa lasa mpanjakan’ny Israely. Niseho taminy tao anaty nofy i Jehovah tamin’izy vao nanjaka kelikely, dia niteny taminy hoe: “Angataho izay tianao homeko anao.” Namaly i Solomona hoe: “Izaho mbola zaza sady tsy mahalala izay atsimo sy avaratra akory. ... Koa omeo fo mankatò ity mpanomponao mba hitsarako ny olonao.” (1 Mpanj. 3:5-10) “Fo mankatò” no nangatahiny. Nanetry tena izy ka tsy mahagaga raha tena tian’i Jehovah. (2 Sam. 12:24) Nahafinaritra be an’i Jehovah ny zavatra nangatahin’i Solomona, dia nomeny “fo hendry sy mahiratra” izy.—1 Mpanj. 3:12.

2 Nahazo fitahiana be dia be i Solomona tamin’izy tsy nivadika. Nasaina nanorina tempoly “ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely” izy, ary voninahitra be izany. (1 Mpanj. 8:20) Nalaza ho hendry koa izy satria nomen’i Jehovah fahendrena. Tsy vitan’izany fa voasoratra ao amin’ny boky telo ao amin’ny Baiboly ny zavatra noteneniny tamin’izy nahazo fanahy masina. Anisan’izany ny bokin’ny Ohabolana.

3 Miverina efa ho injato ao amin’ny Ohabolana ny hoe fo. Izao, ohatra, no voalazan’ny Ohabolana 4:23: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana.” Inona ilay ‘fo’ resahina eo? Hamaly an’izany isika ato. Hojerentsika koa hoe ahoana no ataon’i Satana mba hanimbana ny fontsika, ary inona no azontsika atao mba hiarovana azy io. Mila mahafantatra ny valin’ireo isika, raha tsy te hivadika amin’i Jehovah.

INONA ILAY HOE “FONAO”?

4-5. a) Inona ilay ‘fo’ resahina ao amin’ny Ohabolana 4:23? b) Nahoana io ‘fo’ io no tena mila karakaraina? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Tsy fo ara-bakiteny ilay resahin’ny Ohabolana 4:23. Ny tiana holazaina amin’izy io dia ny eritreritsika, ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika, ary ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Ny tena maha izy antsika no atao hoe fo, fa tsy izay miseho amin’ny ataontsika fotsiny.

5 Tena zava-dehibe io fo io, ary mila karakaraina tsara. Eritrereto izay ataontsika mba hikarakarana ny fahasalamantsika. Mihinana sakafo mahasalama isika, dia mampiasa vatana matetika. Dia hoatr’izay koa no tokony hataontsika mba hikarakarana ny fontsika, izany hoe ny tena maha izy antsika. Mila misakafo ara-panahy tsara isika, sady mila mampiseho ny finoantsika an’i Jehovah. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa mampihatra an’izay nianarantsika sy miresaka momba an’izay inoantsika. (Rom. 10:8-10; Jak. 2:26) Ankoatra izay, dia mety ho salama tsara ny fahitana ny olona iray, nefa any anatiny any efa misy aretina. Hoatr’izany koa fa mety hanana fahazarana tsara isika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mieritreritra hoe matanjaka tsara ny finoantsika. Any anatintsika any anefa mety ho efa misy fanirian-dratsy mitombo. (1 Kor. 10:12; Jak. 1:14, 15) Tadidio hoe tian’i Satana hitovy toe-tsaina aminy isika. Ahoana no anaovany an’izany? Ary inona no azontsika atao mba ho voaro?

AHOANA NO ANIMBAN’I SATANA NY FONTSIKA?

6. Inona no tian’i Satana, ary inona no tetika ampiasainy?

6 Mpikomy i Satana sady tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah ary tia tena. Tiany ho lasa hoatr’azy koa isika. Tsy afaka manery antsika hitovy fomba fisaina aminy sy hanaraka ny ataony anefa izy. Mitady hevitra hafa àry izy. Ataony, ohatra, izay hahatonga antsika ho voahodidina olona manana ny toe-tsainy. (1 Jaona 5:19) Mieritreritra mantsy izy hoe hiaraka amin’izy ireny ihany isika, na dia efa fantatsika aza hoe ‘hanimba’ ny fomba fisainantsika sy hitarika antsika hanao ratsy izany. (1 Kor. 15:33) Izany no nahavoa an’i Solomona Mpanjaka. Nanambady vehivavy maro mpanompo sampy izy, ary  nisy vokany be taminy izany. “Voatarik’ireny tsikelikely ny fony”, dia nivadika tamin’i Jehovah izy.—1 Mpanj. 11:3.

Inona no azontsika atao mba hisakanana ny toe-tsain’i Satana tsy hiditra ao am-pontsika? (Fehintsoratra 7) *

7. Ahoana koa no itaoman’i Satana ny olona hanaraka ny fomba fisainany? Nahoana isika no mila mitandrina?

7 Mampiasa filma sy fandaharana amin’ny tele i Satana, mba hitaomana ny olona hanaraka ny fomba fisainany. Fantany mantsy hoe tsy mampiala voly fotsiny ny tantara ao amin’izy ireny, fa misy vokany eo amin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po ary ny zavatra atao koa. Nilaza tantara koa i Jesosy mba hampianarana ny olona. Anisan’izany ny fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy sy ny fanoharana momba an’ilay zanaka adala. (Mat. 13:34; Lioka 10:29-37; 15:11-32) Mila mahay mandanjalanja isika, satria tsy hoe manimba daholo ny filma sy fandaharana rehetra amin’ny tele. Mampiala voly sy ianaran-javatra ny sasany. Tsy maintsy mitandrina anefa isika rehefa mifidy fialam-boly. Mampiasa azy ireny mba hampirisihana ny olona hanana eritreri-dratsy mantsy ny olona manana ny toe-tsain’i Satana. Eritrereto àry hoe: ‘Ity zavatra tiako hojerena ity ve hampianatra ahy hoe tsy maninona raha manaiky ho resin’ny faniriako aho dia manao ratsy?’ (Gal. 5:19-21; Efes. 2:1-3) Inona no tokony hataonao raha hitanao hoe mampiely ny toe-tsain’i Satana ny fandaharana iray? Aza mijery an’ilay izy mihitsy fa ialao hoatran’ny areti-mifindra mampidi-doza!

8. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny iarovana ny fon’ny zanany?

8 Ry ray aman-dreny, manana andraikitra miavaka ianareo. Arovy ny zanakareo satria tian’i Satana hosimbana ny fony. Azo antoka hoe manao izay azo atao ianareo mba tsy harary izy ireo. Ataonareo madio foana, ohatra, ny tranonareo ary arianareo izay mety hankarary. Dia hoatr’izany koa no tokony hatao mba hiarovana azy ireo amin’izay mety hahatonga azy hanana ny toe-tsain’i Satana. Anisan’izany ny filma, fandaharana amin’ny  tele, lalao video, na tranonkala sasany. Nomen’i Jehovah andraikitra hanampy ny zanakareo mba ho lasa namany ianareo. (Ohab. 1:8; Efes. 6:1, 4) Aza matahotra àry mametraka lalàna mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly. Teneno ny ankizy hoe inona no azony jerena sy tsy azony jerena, dia ampio izy hahazo ny antony. (Mat. 5:37) Rehefa mihalehibe indray ry zareo, dia ampiofano mba hahay hanavaka an’izay lazain’i Jehovah hoe tsara sy izay lazainy hoe ratsy. (Heb. 5:14) Tadidio koa hoe izay ataonao no tena ianaran’izy ireo, mihoatra noho izay lazainao.—Deot. 6:6, 7; Rom. 2:21.

9. Inona, ohatra, no hevitra aelin’i Satana? Nahoana izany no mampidi-doza?

9 Ahoana koa no ataon’i Satana mba hanimbana ny fontsika? Ataony izay hahatonga antsika hanaraka ny hevitr’olombelona fa tsy ny an’i Jehovah. (Kol. 2:8) Ampirisihiny, ohatra, ny olona mba hieritreritra hoe izay hahazoana vola be no zava-dehibe indrindra. Mety ho lasa mpanankarena tokoa ny olona mieritreritra hoatr’izany, nefa mety tsy ho izany koa. Na ahoana na ahoana anefa, dia mampidi-doza izany. Mety hifantoka be amin’izay hahazoany vola mantsy izy, dia hataony an-tsirambina ny fahasalamany sy ny fianakaviany. Mety tsy hiraharaha ny fifandraisany amin’i Jehovah intsony koa izy. (1 Tim. 6:10) Faly àry isika hoe manampy antsika tsy ho variana hitady vola i Jehovah, ilay Raintsika tena hendry.—Mpito. 7:12; Lioka 12:15.

AHOANA NO HIAROVANTSIKA NY FONTSIKA?

Mila mailo isika dia manao zavatra mba hisakanana ny ratsy tsy hiditra ao am-pontsika, hoatran’ny nataon’ny mpiambina sy mpiandry vavahady taloha (Fehintsoratra 10-11) *

10-11. a) Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te hahavita hiaro ny fontsika isika? b) Inona no nataon’ny mpiambina taloha? Nahoana ny feon’ny fieritreretantsika no mitovy amin’ny mpiambina?

10 Raha te hahavita hiaro ny fontsika isika, dia mila mahay mamantatra an’izay mety hanimba azy io ary manao zavatra haingana avy eo. Mampahatsiahy ny asa ataon’ny mpiambina ilay teny nadika hoe “arovy”, ao amin’ny Ohabolana 4:23. Nijoro teo amin’ny mandan’ny tanàna ny mpiambina, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Niantsoantso ry zareo raha vao nahita fahavalo nanatona. Hoatr’izany koa no tsy maintsy ataontsika, mba hisakanana an’i Satana tsy hanimba ny saintsika.

11 Niara-niasa tsara ny mpiambina sy ny mpiandry vavahady tamin’izany. (2 Sam. 18:24-26) Nifanampy ry zareo mba ho azo antoka hoe nihidy ny vavahady rehefa nisy fahavalo nanatona. (Neh. 7:1-3) Hoatran’ilay mpiambina ny feon’ny fieritreretantsika efa nozarina hanaraka ny Baiboly. * Mampitandrina antsika mantsy izy io rehefa tadiavin’i Satana hosimbana ny fontsika, izany hoe ny eritreritsika, ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika, ary ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Henoy àry ny feon’ny fieritreretanao, rehefa miantsoantso na mampitandrina anao. Hidio ny vavahady avy eo, izany hoe miezaha mafy mba tsy ho resin’i Satana.

12-13. Inona no mety ho tiantsika hatao? Inona anefa no tokony hataontsika?

12 Inona no azontsika atao mba tsy ho voataonan’i Satana hanana ny fomba fisainany? Andao isika haka ohatra. Mandidy antsika i Jehovah hoe: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana.” (Efes. 5:3) Ahoana anefa raha manomboka miresaka zavatra vetaveta ny mpiara-mianatra, na mpiara-miasa amintsika? Fantatsika  hoe tokony holavintsika ny zavatra hoatr’izany, satria “mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra” sady anisan’ny “fanirian’izao tontolo izao.” (Tit. 2:12) Mety hiantsoantso ilay mpiambina amin’izay, izany hoe mety hampitandrina antsika ny feon’ny fieritreretantsika. (Rom. 2:15) Mety ho te hihaino an’ireo mpiara-mianatra na mpiara-miasa amintsika anefa isika, na te hijery ny sary asehony. Iza àry no hohenointsika? Amin’izay mihitsy isika no tokony hanidy an’ilay vavahady, izany hoe hanova resaka na hiala teo.

13 Mila herim-po isika mba tsy hanaiky ho voataona hieritreri-dratsy na hanao ratsy. Matokia anefa fa hitan’i Jehovah ny ezaka ataontsika. Homeny hery koa isika dia hampiany mba ho hendry, ka hahatohitra ny fomba fisainan’i Satana. (2 Tan. 16:9; Isaia 40:29; Jak. 1:5) Inona koa no azontsika atao mba hiarovana ny fontsika?

MIAMBENA FOANA

14-15. a) Inona no tokony havelantsika hiditra ao am-pontsika, ary ahoana no hanaovana an’izany? b) Araka ny Ohabolana 4:20-22, inona no azo atao mba handraisana soa faran’izay betsaka rehefa mamaky Baiboly? (Jereo koa ilay hoe “ Ahoana Izany hoe Misaintsaina?”)

14 Ahoana koa no hiarovantsika ny fontsika? Tsy hoe sakanantsika tsy hiditra ao am-pontsika fotsiny izay zavatra mety hitarika antsika hanao ratsy. Ezahintsika ampidirina ao koa izay hahatonga antsika hanao ny tsara. Eritrereto ilay mpiandry vavahady. Nohidiany tsara ny vavahady mba tsy hisy fahavalo ho tafiditra. Nosokafany anefa ilay izy rehefa nila nampiditra sakafo na zavatra hafa izy. Tsy ho nanan-kohanina ny olona tao raha tsy izany. Mila manao hoatr’izany koa isika. Tokony havelantsika hiditra ao am-pontsika matetika ny fomba fisainan’i Jehovah.

15 Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny fomba fisainany. Isaky ny mamaky azy io isika, dia mamela ny hevitr’i Jehovah hisy vokany eo amin’ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika ary izay ataontsika. Inona no hanampy antsika handray soa faran’izay betsaka rehefa mamaky Baiboly? Tena ilaina ny mivavaka. Nilaza ny anabavy iray hoe mivavaka izy alohan’ny hamakiana Baiboly, dia miangavy an’i Jehovah mba hanampy azy hahita tsara an’izay zavatra miavaka ao amin’ny Teniny. (Sal. 119:18) Ilaina koa ny misaintsaina an’izay novakina. Raha mivavaka isika ary avy eo mamaky sy misaintsaina, dia ho ‘voarakitra ao am-pontsika’ izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Hanohina lalina ny fontsika izany, ka ho tiantsika ny fomba fisainan’i Jehovah.—Vakio ny Ohabolana 4:20-22; Sal. 119:97.

16. Inona no soa raisintsika rehefa mijery ny Tele JW isika?

16 Mamela ny hevitr’i Jehovah hisy vokany eo amintsika koa isika, rehefa mijery ny Tele JW. Hoy ny mpivady iray: “Valim-bavaka mihitsy ireny fandaharana mivoaka isam-bolana ireny! Mampahery be anay ireny rehefa malahelo sy manirery izahay. Alefanay foana koa ny hira ao amin’ny Tele JW, ohatra hoe rehefa mahandro sakafo, na manadio trano, na misotro dite kely.” Manampy antsika hiaro ny fontsika ireny fandaharana ireny. Mampianatra antsika hitovy hevitra amin’i Jehovah izy ireny, sady manampy antsika tsy hanaiky hotaomin’i Satana hanahaka ny fomba fisainany.

17-18. a) Inona no vokany rehefa mampihatra an’izay ampianarin’i Jehovah antsika isika, araka ny 1 Mpanjaka 8:61? b) Inona no ianarantsika avy amin’i Hezekia Mpanjaka? d) Inona no azontsika angatahina amin’i Jehovah, araka ny Salamo 139:23, 24?

17 Isaky ny manao ny tsara isika ka mandray soa amin’ilay izy, dia mihamatanjaka ny finoantsika. (Jak. 1:2, 3) Mirehareha i Jehovah amin’izay miantso antsika hoe zanany. Mahafaly antsika izany, ka vao mainka isika te hampifaly azy. (Ohab. 27:11) Isaky ny misy zava-tsarotra,  dia lasa vonona hampiseho isika hoe tsy ‘voazarazara ny fontsika’, fa tena tapa-kevitra ny hanompo an’ilay Raintsika be fitiavana. (Sal. 119:113, f.a.p.) Lasa te hanaporofo isika hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, izany hoe tapa-kevitra tsara ny hankatò azy sy hanao ny sitrapony.—Vakio ny 1 Mpanjaka 8:61.

18 Tsy hanao fahadisoana mihitsy ve izany isika? Tsy izany mihitsy, satria isika tsy lavorary. Raha sendra solafaka anefa ianao, dia tadidio i Hezekia Mpanjaka. Nanao fahadisoana izy nefa nibebaka, dia nanompo an’i Jehovah ‘tamin’ny fony manontolo’ foana. (Isaia 38:3-6; 2 Tan. 29:1, 2; 32:25, 26) Miezaha àry hanohitra an’i Satana mba tsy ho voataona hanaraka ny toe-tsainy. Mivavaha koa mba hanana “fo mankatò.” (1 Mpanj. 3:9; vakio ny Salamo 139:23, 24.) Hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah isika raha miaro ny fontsika, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana.

HIRA 54 “Ity no Lalana”

^ feh. 5 Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy ve isika, sa hanaiky hotaomin’i Satana? Tsy miankina amin’ny hamafin’ny fitsapana mahazo antsika izany, fa miankina amin’ny hoe voaro tsara ve ny fontsika sa tsia. Inona anefa ilay ‘fo’ tokony harovana? Ahoana no ataon’i Satana mba hanimbana ny fontsika? Ary ahoana no hiarovantsika azy io? Hamaly an’ireo fanontaniana lehibe ireo ity lahatsoratra ity.

^ feh. 11 FANAZAVANA: Nataon’i Jehovah hahay handinika ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika ary izay ataontsika isika, dia avy eo afaka mitsara hoe mety sa tsy mety ilay izy. Antsoina hoe feon’ny fieritreretana io fahaizana io, ao amin’ny Baiboly. (Rom. 2:15; 9:1) Ahoana no hataon’ny olona iray, raha efa nozariny hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretany? Hisaintsaina an’izay lazain’i Jehovah izy rehefa mamantatra hoe tsara na ratsy ny zavatra ataony, na lazainy, na eritreretiny..

^ feh. 56 SARY: Rahalahy vita batisa mijery tele, dia misy sary vetaveta mipoitra. Tsy maintsy manapa-kevitra izy hoe inona no hataony.

^ feh. 58 SARY: Mpiambina mahatazana fahavalo, dia miantsoantso an’ireo mpiandry vavahady etỳ ambany. Tonga dia hidian’izy ireo tsara avy atỳ anatiny ny vavahady..