Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Janoary 2018

“Omeny Hery ny Reraka”

“Omeny Hery ny Reraka”

Andinin-teny ho an’ny taona 2018: “Izay manantena an’i Jehovah ... hahazo hery indray.”—ISAIA 40:31.

HIRA: 3, 47

1. Inona avy no olana atrehintsika? Inona anefa no mahafaly an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TSY ilaozan’olana ny fiainana. Maro aminareo, ry rahalahy sy anabavy malala, no miady amin’ny aretina. Misy koa efa zokinjokiny nefa mbola tsy maintsy mikarakara havana be taona. Ny sasany indray miady mafy vao mahazo izay tena ilain’ny ankohonany. Maro no tena mijaly, satria indray mitontona ao aminy ny ankamaroan’ireo olana ireo. Mandreraka be ny olana hoatr’izany, sady mandany vola sy fotoana. Tena matoky anefa ianareo hoe hanampy anareo i Jehovah, ary hihatsara ny fiainana araka ny efa nampanantenainy. Azo antoka fa faly izy mahita hoe manam-pinoana ianareo.

2. Nahoana no mampahery ny Isaia 40:29? Inona anefa no fahadisoana lehibe mety hataontsika?

2 Mila tsy ho zakanao ve ny onjam-piainana indraindray? Maro no mahatsapa an’izany. Nisy mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra hoe tsy ho vitany intsony ny miatrika ny olana manjo azy. (1 Mpanj. 19:4; Joba 7:7) Tsy kivy anefa izy ireo fa nanantena hoe homen’i Jehovah hery. Tsy diso fanantenana izy ireo, satria i Jehovah ‘manome hery ny reraka.’ (Isaia 40:29) Mampalahelo fa misy mieritreritra hoe rehefa mahery ny onjam-piainana, dia “aleo maka aina kely” dia tsy manompo an’i Jehovah aloha. Tsy mahafinaritra azy intsony ny fanompoana an’i  Jehovah, fa lasa toy ny enta-mavesatra. Tsy mamaky Baiboly sy tsy mivory ary tsy manompo intsony izy. Izay mihitsy anefa no tian’i Satana hataony.

3. a) Inona no azontsika atao mba tsy ho vitan’i Satana ny hampihena ny herintsika? b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Tsy tian’i Satana hatanjaka isika. Fantany tsara hoe mahazo hery isika rehefa mazoto manompo an’i Jehovah. Aza miala amin’i Jehovah mihitsy àry rehefa reraka na kivy. Amin’iny ianao no vao mainka tokony hifandray akaiky aminy. “Hanamafy orina” anao sy “hampahatanjaka” anao izy amin’izay. (1 Pet. 5:10; Jak. 4:8) Handinika olana roa mety hahatonga antsika tsy hazoto hanompo an’i Jehovah intsony isika ato. Horesahintsika avy eo hoe ahoana no azo ampiharana ny toro lalan’ny Baiboly mba hiatrehana an’ilay izy. Handinika ny Isaia 40:26-31 anefa aloha isika, mba hahitantsika fa mahavita manome hery antsika i Jehovah.

HAHAZO HERY INDRAY IZAY MANANTENA AN’I JEHOVAH

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny Isaia 40:26?

4 Vakio ny Isaia 40:26. Mbola tsy nisy olona nahavita nanisa ny kintana rehetra. Milaza ny mpahay siansa hoe mety hahatratra 400 000 tapitrisa ny isan’ny kintana ao amin’ny vahindanitra misy ny tany. Omen’i Jehovah anarana anefa ny kintana tsirairay. Koa raha zavatra tsy mananaina aza sarobidy amin’i Jehovah hoatr’izany, tsy mainka ve fa ianao! Sarobidy aminy ianao satria noho ianao tia azy no mahatonga anao hanompo azy, fa tsy noho ianao hoe voatery manao an’izany. (Sal. 19:1, 3, 14) Fantatr’ilay Raintsika be fitiavana ny momba anao rehetra. ‘Na ny volon-dohanao aza voaisany’ daholo. (Mat. 10:30) Manome toky antsika koa ny mpanao salamo hoe: “Fantatr’i Jehovah ny fiainan’ny tsy manan-tsiny.” (Sal. 37:18) Hitany ny olana rehetra atrehinao, ary afaka manome anao hery hiaretana ny olana tsirairay izy.

5. Nahoana isika no mahazo antoka fa vitan’i Jehovah ny manome hery antsika?

5 Vakio ny Isaia 40:28. Avy amin’i Jehovah ny angovo na ny hery rehetra. Eritrereto ange ny habetsahan’ny angovo ao amin’ny masoandro e! Nilaza ilay mpanoratra atao hoe David Bodanis fa ‘mitovy amin’ny angovo avoakan’ny baomba ataomika an’arivony tapitrisa ny angovo avoakan’ny masoandro isaky ny iray segondra.’ Nilaza koa ny mpikaroka iray hafa hoe ‘ampy ho an’ny olona eran-tany mandritra ny 200 000 taona ny angovo avoakan’ny masoandro ao anatin’ny iray segondra.’ Raha vitan’i Jehovah ny manisy angovo be dia be hoatr’izany ao amin’ny masoandro, dia tsy ho vitany ve ny hanome izay hery ilaintsika mba hiatrehana ny olana rehetra mahazo antsika?

6. Nahoana no azo lazaina hoe mora entina ny ziogan’i Jesosy, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

6 Vakio ny Isaia 40:29. Tena mahafaly ny manompo an’i Jehovah. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ento ny ziogako.” Hoy koa anefa izy: “Ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Tena marina izany! Vizana be angamba isika indraindray, nefa mandeha mivory na manompo ihany. Inona no tsapantsika rehefa avy eo? Mahatsiaro ho velombelona indray isika! Lasa vonona kokoa isika hiatrika an’izay olana mitranga. Tena mora entina tokoa ny ziogan’i Jesosy.

7. Milazà ohatra manaporofo fa marina ny voalazan’ny Matio 11:28-30.

7 Vizana sy kivy ary marary andoha lava ny anabavy atao hoe Kayla. Tsy mahagaga  àry raha sarotra aminy indraindray ny mandeha mivory. Niezaka nivory anefa izy indray mandeha. Izao no nosoratany avy eo: “Momba ny hakiviana ny lahateny tamin’izay. Tena nangoraka sy niahy ny mpanatrika ilay mpandahateny, dia latsa-dranomaso mihitsy aho. Nampahatsiahy ahy izany hoe tena mila mivory aho.” Faly be izy fa niezaka nivory!

8, 9. Inona no dikan’ilay tenin’i Paoly hoe: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery”?

8 Vakio ny Isaia 40:30. Na mahay tahaka ny inona aza isika, dia voafetra ihany ny zavatra vitantsika amin’ny herintsika samirery. Mila mitadidy an’izany isika rehetra. Tena nahay ny apostoly Paoly, nefa nisy zavatra tsy vitany koa. Tsy afaka nanao an’izay rehetra tiany hatao izy. Rehefa nitaraina momba an’izany tamin’i Jehovah izy, dia hoy i Jehovah taminy: “Lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.” Azon’i Paoly ny tiany holazaina, ka hoy izy: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Kor. 12:7-10) Inona no dikan’izany?

9 Fantatr’i Paoly fa be dia be ny zavatra tsy ho vitany, raha tsy ampian’Andriamanitra izy. Afaka nanome azy hery fanampiny ny fanahy masin’Andriamanitra rehefa nahatsiaro ho malemy izy. Afaka nanampy azy hahavita zavatra tsy ho vitany samirery koa izy io. Hoatr’izany koa isika. Tena hatanjaka isika raha mahazo hery avy amin’i Jehovah.

10. Ahoana no nahavitan’i Davida niatrika ny olana nahazo azy?

10 Imbetsaka i Davida mpanao salamo no nahazo hery avy amin’ny fanahy masina. Nihira toy izao izy: “Noho ianao, dia mahavita mihazakazaka hamely mpandroba aho, ary noho ilay Andriamanitro, dia mahavita mianika manda aho.” (Sal. 18:29) Azo oharina amin’ny manda ny olana mahazo antsika. Mila tosika avy amin’i Jehovah isika vao mahavita mianika ny sasany amin’izy ireny.

11. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika rehefa manana olana isika?

11 Vakio ny Isaia 40:31. Tsy ny heriny samirery no ahavitan’ny voromahery manidina lavitra be sy ambony be. Misy rivotra mafana manosika azy hiakatra, ka afaka mitsitsy ny heriny izy. Tsarovy àry ny voromahery rehefa manana olana lehibe ianao. Mitalahoa amin’i Jehovah mba hanome tosika anao amin’ny alalan’ilay “mpanampy, dia ny fanahy masina.” (Jaona 14:26) Soa ihany fa afaka mahazo azy io foana isika, na andro na alina. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny olona sasany ao amin’ny fiangonana angamba isika no tena mila ny fanampian’i Jehovah. Inona anefa no mahatonga an’ireny disadisa ireny?

12, 13. a) Inona no mahatonga ny Kristianina tsy hifanaraka indraindray? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa mandinika ny tantaran’i Josefa isika?

12 Tsy lavorary isika rehetra, ka tsy mifanaraka indraindray. Mety hahasorena antsika àry ny ataon’ny mpiara-manompo amintsika na ny zavatra lazainy. Ry zareo koa mety ho sorena amin’ny ataontsika sy izay lazaintsika. Tena mety ho sarotra ny miatrika an’izany. Afaka manaporofo anefa isika hoe tsy mivadika amin’i Jehovah, raha miezaka hifanaraka tsara amin’izy ireo. Tian’i Jehovah mantsy ireo rahalahy sy anabavintsika na dia tsy lavorary aza, ka tokony ho tiantsika koa.

Tsy nanary an’i Josefa i Jehovah, ary tsy hanary anao koa (Fehintsoratra 13)

13 Tsy miaro ny mpanompony mba tsy hiharan’ny fitsapana i Jehovah. Manaporofo an’izany ny tantaran’i Josefa. Nialona azy ny rahalahiny tamin’izy mbola tanora. Namidin’izy ireo ho andevo izy, dia lasa tany Ejipta. (Gen. 37:28) Hitan’i Jehovah daholo izany, ka azo inoana fa nalahelo izy. Namany mantsy i Josefa sady mpanompony  tsy nivadika. Tsy nisakana an’ireo olana ireo tsy hitranga anefa izy. Nendrikendrehin’ny vadin’i Potifara ho nitady hametaveta azy i Josefa tatỳ aoriana, ka nigadra. Mbola navelan’i Jehovah hitranga koa izany. Tsy midika anefa izany hoe nanary an’i Josefa izy. Vao mainka aza ‘nataony nahomby izay nataon’i Josefa.’—Gen. 39:21-23.

14. Inona avy ny soa horaisintsika raha ‘miala’ amin’ny fahatezerana isika?

14 Diniho koa ny tantaran’i Davida. Vitsy angamba ny olona nampijalina hoatr’azy. Tsy tezi-dava tamin’izay nanjo azy anefa io naman’Andriamanitra io. Izao kosa no nosoratany: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana. Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.” (Sal. 37:8) Inona no tena mahatonga antsika ‘hiala’ amin’ny fahatezerana? Te hanahaka an’i Jehovah isika. Tsy mba “mamaly antsika araka ny fahotantsika” izy. (Sal. 103:10) Mahasoa antsika koa ny ‘miala’ amin’ny fahatezerana. Tsy mahasalama mantsy ny hatezerana. Mety hampiakatra tosidra izy io, ary mety hisy vokany eo amin’ny fandevonan-kanina, ny taovam-pisefoana, ny aty, ary ny sarakaty. Tsy misaina tsara koa matetika ny olona rehefa tezitra. Lasa kivy be mandritra ny fotoana elaela mihitsy aza indraindray ny olona avy tezitra be. “Ny fo tony” kosa “mamelombelona ny vatana.” (Ohab. 14:30) Ahoana àry raha nisy mpiara-manompo nampahatezitra antsika? Inona no azontsika atao mba hihavanana aminy? Mila mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika.

REHEFA MISY MPIARA-MANOMPO MANDISO FANANTENANA ANAO

15, 16. Inona no tokony hataontsika raha nisy mpiara-manompo nampahatezitra antsika?

15 Vakio ny Efesianina 4:26. Tsy gaga isika raha ratsy toetra amintsika ny olona eto amin’ity tontolo ity. Mety ho kivy be anefa isika rehefa ny mpiara-manompo amintsika na ny mpianakavintsika no milaza na manao zavatra mandratra ny fontsika. Ahoana raha tsy vitantsika ny manadino an’ilay izy? Dia ho tezitra eny foana ve isika mandritra ny taona maro? Sa isika hanaraka ny torohevitry ny Baiboly, dia handamina haingana an’ilay izy? Vao mainka ho sarotra ny handamina an’ilay olana, raha mangataka andro isika.

16 Andeha hatao hoe nisy mpiara-manompo nanao zavatra nahasosotra anao, dia tsy mety afaka ao an-tsainao ilay izy. Inona no azonao atao mba hihavanana aminy? Voalohany, mivavaha mafy amin’i Jehovah. Mangataha aminy mba hanampy anao hifampiresaka tsara amin’ilay olona. Tadidio fa naman’i Jehovah izy ary tena tiany. (Sal. 25:14) Tsara fanahy amin’ny namany i Jehovah,  ary tiany ho tsara fanahy amin’izy ireny koa ianao. (Ohab. 15:23; Mat. 7:12; Kol. 4:6) Faharoa, eritrereto tsara izay holazainao amin’ilay olona. Aza tonga dia mieritreritra hoe ratsy saina izy, ka nanao fanahy iniana nanafintohina anao. Mety mba sendra diso fotsiny izy, na mety ho ianao no diso hevitra. Tokony ho vonona hanaiky koa ianao hoe mety ho nisy fahadisoanao tamin’ilay izy. Izao, ohatra, no azonao anombohana ny resaka: “Tsy haiko aloha na izaho no mora tezitra, fa tamin’ianao niresaka tamiko omaly, dia...” Lazao avy eo izay tsapanao. Aza kivy raha tsy tonga dia milamina ilay olana. Manandrama mihavana aminy amin’ny fotoana hafa, ary mivavaha ho azy. Mangataha amin’i Jehovah mba hitahy azy sy hanampy anao hifantoka amin’ny toetra tsarany. Na inona na inona mitranga, dia matokia fa faly i Jehovah hoe tena niezaka nihavana tamin’ilay namany ianao.

MAMPIADY SAINA BE ANAO VE NY FAHOTANAO TALOHA?

17. Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony nanota? Nahoana isika no tokony hanaiky hampiany?

17 Misy Kristianina mahatsiaro ho tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah noho ny fahotana lehibe nataony taloha. Mampijaly anefa ny manamelo-tena be hoatr’izany. Efa niaina an’izany i Davida Mpanjaka. Hoy izy: “Nangina tsy niteny aho, ka nihalany ny taolako satria nitoloko mandrakariva aho. Fa navesatra tamiko ny tananao, na andro na alina.” Soa ihany fa be herim-po i Davida, ka nanao izay nasain’i Jehovah natao. Nanoratra toy izao izy: “Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho tamin’ny farany. ... Dia namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.” (Sal. 32:3-5) Raha nanao fahotana lehibe àry ianao, dia vonona hanampy anao mba hihavana aminy indray i Jehovah. Mila manaiky ny fanampiana omeny amin’ny alalan’ny anti-panahy anefa ianao. (Ohab. 24:16; Jak. 5:13-15) Aza mangataka andro fa miankina amin’izany ny hoavinao mandrakizay. Ahoana anefa raha efa voavela ny fahotanao, nefa ianao mbola enjehin’ny eritreritrao foana?

18. Nahoana ny tantaran’i Paoly no afaka mampahery antsika, raha mahatsiaro ho tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah isika?

18 Azo inoana fa kivy be ny apostoly Paoly indraindray rehefa nahatsiaro ny fahotana vitany. Hoy izy: “Izaho no kely indrindra amin’ny apostoly, ary tsy mendrika hantsoina hoe apostoly aho, satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra.” Hoy koa anefa izy: ‘Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra no naha toy izao ahy.’ (1 Kor. 15:9, 10) Neken’i Jehovah ho mpanompony i Paoly na dia tsy lavorary aza, ary tiany hatoky an’izany izy. Azo antoka àry fa namindra fo taminao i Jehovah, raha tena nibebaka sy nifona taminy ianao ary niresaka ny fahotanao tamin’ny anti-panahy raha nilaina izany. Matokia ny tenin’i Jehovah ary ekeo hoe namela anao izy.—Isaia 55:6, 7.

19. Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2018, ary nahoana izy io no mety tsara?

19 Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity, ka azo antoka hoe hihamahery ny onjam-piainana. Matokia anefa fa afaka manome hery anao i Jehovah mba hanampiana anao tsy hivadika. “Omeny hery ny reraka, ary ataony matanjaka be ny tsy manan-kery.” (Isaia 40:29; Sal. 55:22; 68:19) Hampahatsiahivina an’izany isika mandritra ny taona 2018, isaky ny mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ho hitantsika any mantsy ny andinin-teny ho an’ny taona 2018, hoe: “Izay manantena an’i Jehovah ... hahazo hery indray.”Isaia 40:31.