Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Janoary 2018

Nahafoy Tena Izy Ireo: Madagasikara

Nahafoy Tena Izy Ireo: Madagasikara

ROAPOLO taona mahery i Sylviana, ary mpisava lalana maharitra. Hoy izy: ‘Nitantara tamiko ny namako hoe mahafinaritra be ny manitatra any amin’ny faritany mila mpisava lalana betsaka kokoa, dia mba te hanandrana an’izany koa aho. Natahotra anefa aho sao tsy ho vitako ilay izy.’

Efa nieritreritra hoatran’i Sylviana ve ianao? Te hanitatra faritany ve ianao, nefa matahotra sao tsy ho vitanao izany? Aza kivy raha izany no tsapanao. Rahalahy sy anabavy maro no nahavita nanitatra faritany na dia nanana olana aza, satria nampian’i Jehovah. Anisan’izany ireo mpanitatra atỳ Madagasikara, fahefatra amin’ireo nosy lehibe indrindra. Hojerentsika hoe ahoana no nanampian’i Jehovah ny sasany tamin’izy ireo.

Faritany mamokatra be atỳ Afrika i Madagasikara, ary tena tia Baiboly ny olona atỳ. Tao anatin’ny folo taona, dia mpitory sy mpisava lalana 70 mahery, avy any amin’ny firenena 11, * no tonga nanitatra tatỳ. Betsaka koa ny mpitory avy eto mifindra any amin’ny faritra hafa, eto amin’ity nosy midadasika ity, mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Hiresaka momba ny sasany amin’ireo mpanitatra ireo isika izao.

TSY NATAHOTRA INTSONY SADY TSY KIVY

Perrine sy Louis

Avy any Frantsa i Louis sy Perrine, ary 30 taona mahery izy mivady. Efa ela izy ireo no nieritreritra ny hanitatra any an-tany hafa, fa i Perrine no nisalasala. Hoy izy: “Natahotra ho any amin’ny toerana tsy fantatro aho. Nanahiran-tsaina ahy ny hoe hanova ny fahazaranay, sy handao ny fianakavianay, ny fiangonanay, ny tranonay, ary ny toerana rehetra nahazatra anay. Be fanahiana aho, dia izay no tena olana.” Niezaka ny hatanja-tsaina anefa izy, dia nifindra tatỳ Madagasikara izy mivady tamin’ny 2012. Hoy izy: “Rehefa mieritreritra ny lasa aho, dia mihamatanjaka ny finoako. Hitako hoe tena nanampy anay i Jehovah.” Hoy koa i Louis: “Tsy nampino hoe folo be izao ny mpianatray tonga tamin’ny Fahatsiarovana voalohany natrehinay teto Madagasikara!”

 Nijanona tatỳ Madagasikara foana izy mivady na dia nisy olana aza. Inona no nanampy azy ireo? Nitalaho tamin’i Jehovah izy ireo mba hahazo hery hiaretana. (Fil. 4:13) Hoy i Louis: ‘Tena namaly ny vavakay i Jehovah, dia tsapanay hoe nomeny ny fiadanany izahay. Lasa nifantoka tamin’ireo zavatra mahafaly hitanay teny amin’ny fanompoana izahay. Nandefa e-mail sy taratasy ho anay koa ny namanay any Frantsa, mba hampaherezana anay.’—Fil. 4:6, 7; 2 Kor. 4:7.

Tena notahin’i Jehovah izy mivady satria niaritra. Hoy i Louis: “Nanatrika ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina * tany Frantsa izahay, tamin’ny Oktobra 2014. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ilay izy, ary tsy hohadinoinay mihitsy.” Faly erỳ izy roa fa voatendry ho atỳ Madagasikara ihany, rehefa nahazo diplaoma.

“FALY BE IZAHAY”

Nadine sy Didier

Avy any Frantsa i Didier sy Nadine. Nifindra teto Madagasikara izy mivady tamin’ny 2010, ary 50 taona mahery izy ireo tamin’izany. Hoy i Didier: “Mpisava lalana izahay tamin’ny mbola tanora kokoa, dia avy eo niteraka telo mianadahy. Rehefa lehibe ry zareo, dia nieritreritra ny hanompo any an-tany hafa izahay.” Hoy i Nadine: “Tsy te handeha aho tamin’ny voalohany satria tsy te hisaraka tamin’ny zanako. Nilaza anefa ry zareo hoe: ‘Faly be izahay raha hanitatra any an-tany hafa ianareo.’ Nandrisika anay hifindra izany. Marina fa tena lavitra anay ny zanakay. Faly anefa izahay fa afaka miresaka matetika amin-dry zareo ihany.”

Sarotra be tamin’i Didier sy Nadine ny nianatra teny gasy. Sady nitsiky i Nadine no nilaza hoe efa tsy tanora intsony ry zareo ka tsy mora ilay izy. Inona no nataon’izy ireo? Tany amin’ny fiangonana miteny frantsay aloha ry zareo, dia rehefa vonona hianatra teny gasy vao nifindra tany amin’ny fiangonana miteny gasy. Hoy i Nadine: “Mahita olona be dia be tia mianatra Baiboly izahay rehefa mitory. Misaotra anay ry zareo matetika noho izahay nankany aminy. Hoatran’ny hoe nanonofy aho tamin’ny voalohany! Tiako be ny manao mpisava lalana ao amin’ny faritaninay. Rehefa mifoha aho amin’ny maraina, dia izao no tonga ao an-tsaiko: ‘Mahafinaritra fa handeha hitory indray aho androany!’”

Tsaroan’i Didier ny nanjo azy tamin’izy vao nianatra teny gasy. Nitsiky izy nitantara hoe: “Nitarika fivoriana aho tamin’izay, fa tsisy azoko ny valin-tenin’ny rahalahy sy anabavy. Izaho koa tsy nahay afa-tsy hoe: ‘Misaotra.’ Rehefa namaly ny anabavy iray, dia nisaotra azy aho. Nanao fihetsika anefa ny olona taoriany mba hilazana tamiko hoe diso ny valin-teniny. Nanondro rahalahy hafa haingana aho, dia izy no namaly an’ilay tena izy. Eny e! Enga anie ka mba tsy nandiso koa izy.”

NANAIKY HIFINDRA KOA NY MAMANY

Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra i Thierry sy Nadia vadiny tamin’ny 2005, dia nijery an’ilay  tantara an-tsehatra hoe “Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’Andriamanitra.” Momba an’i Timoty ilay izy. Nanohina ny fon’izy ireo io tantara io, ka vao mainka izy ireo te hanitatra faritany. Hoy i Thierry: “Rehefa tapitra ilay tantara, dia nitehaka izahay, sady nibitsibitsika tamin’i Nadia aho hoe: ‘Dia ho aiza izany isika?’ Nilaza izy hoe izany koa no tao an-tsainy.” Niezaka nanatratra an’izany tanjony izany izy mivady tsy ela taorian’izay. Hoy i Nadia: “Nahenanay tsikelikely ny entanay, dia izay omby tao anaty valizy efatra sisa no notazoninay.”

Sisiny ankavia: Nadia sy Marie-Madeleine; Sisiny ankavanana: Thierry

Tonga teto Madagasikara ry zareo tamin’ny 2006, ary tonga dia nahafinaritra azy ireo ny fanompoana teto. Hoy i Nadia: “Mahafinaritra be anay ny olona hitanay eny am-pitoriana.”

Nisy olana anefa enin-taona taorian’izay. Nianjera i Marie-Madeleine, maman’i Nadia, dia tapaka ny tanany ary naratra ny lohany. Tany Frantsa anefa izy no nipetraka. Niresaka tamin’ny dokoterany izy mivady, dia avy eo niangavy an’ilay mamany hifindra atỳ Madagasikara. Nanaiky izy na dia efa 80 taona aza izy tamin’izay. Ahoana no fahitany ny fiainany eto? Hoy izy: “Sarotra be indraindray ny manavao. Tsapako anefa hoe tena ilaina aho ao amin’ny fiangonana, na dia tsy mahavita zavatra be intsony aza. Tena faly koa aho hoe noho izaho nifindra, dia afaka manohy ny fanompoany atỳ ny zanako.”

“NANAMPY AHY I JEHOVAH”

Riana, manao lahateny amin’ny teny tandroy

Rahalahy 20 taona eo ho eo i Riana. Tany Alaotra Mangoro izy no lehibe. Faritra mahavokatra be any amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara izy io. Nahay izy tany am-pianarana ary te hanao fianarana ambony. Niova hevitra anefa izy rehefa nianatra Baiboly. Hoy izy: “Niezaka mafy aho mba ho vita aloha kokoa ny fianarako tany amin’ny lise. Nivoady tamin’i Jehovah aho hoe: ‘Hanao mpisava lalana aho raha afaka baka.’” Afaka izy dia nitana ny teniny. Nandeha niara-nipetraka tamin’ny rahalahy iray mpisava lalana izy, nitady asa tapa-potoana, dia nanao mpisava lalana. Hoy izy: “Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra nataoko!”

Tsy azon’ny havan’i Riana anefa hoe fa naninona izy no tsy nanohy fianarana dia mba nahazo asa tsara. Hoy izy: “Nampirisika ahy hanao fianarana ambony daholo ny dadako sy ny dadatoako ary ny rahavavin’ny bebenay. Tsy nisy na inona na inona navelako hisakana ahy tsy hanao mpisava lalana anefa.” Lasa te hanitatra faritany i Riana, tsy ela taorian’izay. Nahoana? Hoy izy: “Nisy mpangalatra teny aminay, dia lasany ny ankamaroan’ny entako. Nahatonga ahy hisaintsaina ny tenin’i Jesosy izany, ilay hoe ‘manangòna harena any an-danitra.’ Tapa-kevitra aho hoe hiezaka kokoa mba hanangona harena ara-panahy.” (Mat. 6:19, 20) Nifindra any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, any amin’ny misy ny Antandroy, àry izy. Any amin’ny 1 300 kilaometatra avy eo amin’ny nisy azy ilay izy, ary misy hain-tany any. Fa nahoana izy no nifindra tany?

Nanomboka nampianatra Baiboly Antandroy roa lahy izy, iray volana talohan’ny namakian’ny mpangalatra ny tranony. Nianatra teny tandroy vitsivitsy izy, ary nieritreritra an’ireo Antandroy maro mbola tsy naheno ny hafatra momba ilay Fanjakana. Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy hifindra tany amin’ny faritra misy olona miteny tandroy.”

Vao nifindra anefa i Riana dia nanana olana. Tsy nety nahita asa izy. Nisy lehilahy niteny hoe: “Fa inona no ataonao atỳ? Ny olona atỳ aza mankany aminareo mba hitady asa.” Nandeha namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany an-toeran-kafa i Riana, tapa-bolana taorian’izay, sady nieritreritra an’izay hataony. Zara raha nanam-bola izy tamin’izay. Nisy rahalahy nanisika zavatra anefa tao amin’ny paosim-palitaony, tamin’ny andro farany tamin’ilay fivoriambe. Vola ilay izy, ary ampy hataony saran-dalana miverina sy hampiasainy hivarotana yaorta. Hoy i Riana: “Tena nanampy ahy i Jehovah tamin’ny fotoana nilako an’izany. Lasa afaka nanohy nanampy ny olona mbola tsy nahalala azy aho.” Nila fanampiana be koa ny fiangonana tany. Hoy i Riana: “Voatendry hanao lahateny ho an’ny besinimaro aho isaky ny tapa-bolana. Nampiofana ahy tamin’ny alalan’ny fandaminany i Jehovah.” Olona  maro miteny tandroy no te hahafantatra an’i Jehovah, ary mbola mitory amin’izy ireny i Riana hatramin’izao.

‘TAHIN’ILAY ANDRIAMANITRA MENDRI-PITOKISANA’

Manome toky antsika ny Baiboly hoe hotahin’ilay “Andriamanitra mendri-pitokisana” izay “mangataka fitahiana.” (Isaia 65:16) Hotahin’i Jehovah isika raha miezaka mafy mandresy ny olana mba hahafahana mampitombo ny fanompoantsika. Tadidio i Sylviana, ilay noresahintsika voalohany. Natahotra izy hoe sao tsy ho vitany ilay manitatra faritany. Nahoana? Hoy izy: “Mora reraka aho satria mikotringa rehefa mandeha. Tsy ampy sivy santimetatra eo ho eo mantsy ny tongotro havia raha oharina amin’ny tongotro havanana.”

Sylviana (ankavia) sy Sylvie Ann (ankavanana), miaraka amin’i Doratine tamin’izy natao batisa

Tanteraka ihany anefa ny nofinofin’i Sylviana tamin’ny 2014. Nisy mpisava lalana tanora atao hoe Sylvie Ann tao amin’ny fiangonany, dia lasa niara-nanitatra tany amin’ny 85 kilaometatra avy any amin-dry zareo izy roa. Tena notahin’i Jehovah i Sylviana. Hoy izy: “Herintaona fotsiny aho no tany, dia efa nisy renim-pianakaviana kely nampianariko natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra. Doratine no anarany.”

‘HANAMPY ANAO AHO’

Tena nanam-pinoana ireo mpanitatra noresahintsika teo. Hitantsika amin’ny zavatra nolazain’izy ireo fa raha miezaka mafy isika mandresy ny olana misakana antsika tsy hampitombo ny fanompoantsika, dia ho tanteraka amintsika ny tenin’i Jehovah hoe: “Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.” (Isaia 41:10) Vao mainka isika hifandray tsara amin’i Jehovah. Ho vonona hanao an’izay asa hasainy hataontsika ao amin’ny tontolo vaovao koa isika, raha dieny izao dia manolo-tena hanompo eto amin’ny misy antsika na any an-tany hafa. Hoy i Didier, ilay noresahintsika tetsy aloha: “Mampiofana antsika hiatrika ny hoavy ny manitatra faritany.” Enga anie ka hihabetsaka atsy ho atsy ny olona hanaiky an’izany fampiofanana izany.

^ feh. 4 Avy any Alemaina, Etazonia, Frantsa, Goadelopy, Kanada, Luxembourg, Nouvelle-Calédonie, Repoblika Tseky, Royaume-Uni, Soeda, ary Soisa izy ireo.

^ feh. 8 Ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana no lasa solon’izy io. Raha misy mpanompo manontolo andro mahafeno fepetra hanao an’ilay izy nefa manompo any an-tany hafa, dia afaka mangataka hanao azy io any amin’ny tany niaviany izy na any an-tany hafa misy an’ilay sekoly amin’ny fitenin-drazany.