Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JANOARY 2017

Omeo Andraikitra ny Lehilahy Mendri-pitokisana

Omeo Andraikitra ny Lehilahy Mendri-pitokisana

“Izay renao tamiko, ... dia atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa.”—2 TIM. 2:2.

HIRA: 123, 53

1, 2. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny asany?

BE DIA BE ny olona mieritreritra hoe ny asany no mahatonga azy hisy dikany na tsia. Rehefa miezaka hahafantatra anao ny olona any amin’ny tany sasany, dia anisan’ny zavatra voalohany anontaniany anao ny hoe: “Inona no asanao?”

2 Ny asany koa no ahalalana ny olona sasany, ao amin’ny Baiboly. “Mpamory hetra”, ohatra, no ahalalana an’i Matio. I Simona indray “mpanao hoditra,” ary i Lioka “dokotera.” (Mat. 10:3; Asa. 10:6; Kol. 4:14) Ny andraikiny na ny tombontsoam-panompoany kosa no tena ahalalana ny olona sasany. Anisan’izany i Davida Mpanjaka, i Elia mpaminany, ary ny apostoly Paoly. Nankasitraka ny tombontsoa nomen’i Jehovah azy ireo lehilahy ireo. Raha manana tombontsoam-panompoana koa isika, dia tokony hankasitraka an’izany.

3. Nahoana ireo efa zokinjokiny no tokony hampiofana an’ireo tanora kokoa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Maro amintsika no tia ny asa ampanaovina antsika eo anivon’ny fandaminana. Tiantsika koa raha manao an’ilay izy foana isika. Mampalahelo anefa fa mihantitra daholo izay taranaka nifandimby, nanomboka tamin’ny andron’i Adama. (Mpito. 1:4)  Lasa mampisy zava-tsarotra tsy mahazatra ho an’ny vahoakan’i Jehovah izany tato ho ato. Be dia be mantsy ny asa fitoriana mila atao, ary mampiasa fitaovana sy teknolojia maoderina ny fandaminana mba hanaovana an’ireo tetikasa mifandray amin’izany. Vetivety dia miova anefa matetika ny teknolojia, ka mety tsy haharaka hianatra azy ireny ireo efa zokinjokiny. (Lioka 5:39) Na mahavita an’izany aza izy ireo, dia efa tsy matanjaka tsara hoatran’ny tanora intsony koa. (Ohab. 20:29) Tena mety àry raha mampiofana an’ireo tanora kokoa mba hahazo andraikitra fanampiny ireo rahalahy efa zokinjokiny. Be fitiavana izy ireo raha manao an’izany.—Vakio ny Salamo 71:18.

4. Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny manome ny andraikiny ho an’olon-kafa? (Jereo ilay hoe “ Nahoana ny Olona Sasany no Tsy Mampiofana ny Hafa?”)

4 Sarotra amin’ireo manana andraikitra indraindray ny manome ny andraikiny an’ireo rahalahy tanora kokoa. Matahotra mantsy izy hoe ho lasan’olon-kafa ny andraikiny nefa tena tiany ilay izy. Misy indray manahy hoe sao dia tsy ho vita tsara ny asa raha tsy izy no miandraikitra azy. Ny hafa kosa mieritreritra hoe tsy manam-potoana hampiofanana olon-kafa izy. Mila manam-paharetana àry ireo rahalahy tanora kokoa raha mbola tsy nahazo andraikitra fanampiny.

5. Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

5 Hodinihintsika ato hoe: Ahoana no azon’ireo efa zokinjokiny anampiana an’ireo tanora kokoa mba hanao andraikitra fanampiny? Nahoana izany no tena ilaina? (2 Tim. 2:2) Nahoana ireo tanora kokoa no mila manana toe-tsaina tsara rehefa manampy an’ireo rahalahy manana traikefa kokoa? Nahoana izy ireo no tokony hiana-javatra avy amin’izy ireny? Hojerentsika anefa aloha hoe inona no nataon’i Davida Mpanjaka mba hanampiana ny zanany hahavita asa lehibe iray.

NANAMPY AN’I SOLOMONA I DAVIDA

6. Inona no tian’i Davida Mpanjaka hatao, ary inona no nolazain’i Jehovah?

6 Nisy nanenjika i Davida nandritra ny  taona maro, ka tsy maintsy nifindrafindra monina. Rehefa lasa mpanjaka izy, dia nipetraka tao amin’ny trano tsara tarehy. Nalahelo anefa izy satria tsy mba nisy “trano” na tempoly natokana ho an’i Jehovah. Te hanorina trano ho azy àry izy, ka nilaza tamin’i Natana mpaminany hoe: “Jereo fa izaho mipetraka amin’ny trano sedera, nefa ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah mipetraka anaty tranolay!” Dia namaly i Natana hoe: “Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra.” Izao anefa no nasain’i Jehovah nolazain’i Natana tamin’i Davida taorian’izay: “Tsy ianao no hanorina trano hipetrahako.” I Solomona zanak’i Davida no nasain’i Jehovah nanorina an’ilay tempoly. Nanome toky anefa izy fa mbola hotahiny foana i Davida. Inona no vokatr’izany tamin’i Davida?—1 Tan. 17:1-4, 8, 11, 12; 29:1.

7. Inona no nataon’i Davida rehefa fantany ny hevitr’i Jehovah?

7 Azo antoka fa diso fanantenana i Davida. Tsy hoe tsy nety nanampy an’i Solomona hanorina an’ilay tempoly anefa izy. Fantany fa tsy izy no hahazo voninahitra rehefa vita ilay izy. Nantsoina hoe tempolin’i Solomona tokoa ilay trano, fa tsy hoe tempolin’i Davida. Tsy nieritreritra be an’izany anefa i Davida, fa nanampy an’i Solomona tamin’ny fony manontolo. Nazoto nandamina antokona mpiasa izy ary nanangona vy, varahina, volafotsy, volamena, ary hazo sedera. Hoy koa izy tamin’i Solomona: “Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Jehovah, ka hahomby izay hataonao! Aoreno àry ny tranon’i Jehovah Andriamanitrao, araka izay efa nolazainy momba anao.”—1 Tan. 22:11, 14-16.

8. Inona no nety ho nahatonga an’i Davida hieritreritra hoe tsy ho vitan’i Solomona ilay tempoly? Inona anefa no nataony?

8 Vakio ny 1 Tantara 22:5. Nieritreritra angamba i Davida hoe tsy hahavita hiandraikitra an’izany asa goavana izany i Solomona. Tokony ho “trano faran’izay kanto” mantsy ilay tempoly, nefa i Solomona tamin’izany “mbola kely sy tanora fanahy.” Nino anefa i Davida fa hanampy azy i Jehovah. Nanao izay azony natao àry izy mba hanampiana an’i Solomona, ka nanomana fitaovana be dia be hanorenana an’ilay tempoly.

HO FALY IANAO RAHA MAMPIOFANA NY HAFA

Mahafinaritra ny mahita an’ireo tanora kokoa mahazo andraikitra fanampiny (Fehintsoratra 9)

9. Nahoana no tokony ho faly ireo efa zokinjokiny rehefa omena olon-kafa ny andraikiny? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Tsy tokony ho kivy ireo rahalahy efa zokinjokiny raha tsy maintsy omena rahalahy tanora kokoa ny andraikiny. Ho vita tsara mantsy ny asa asain’i Jehovah atao raha ampiofanina mba hahazo andraikitra ireo tanora kokoa. Tokony ho faly be ireo rahalahy manana andraikitra rehefa lasa mahafeno fepetra hanao ny andraikiny ireo olona ampiofaniny. Eritrereto, ohatra, hoe mampianatra ny zanany hitondra fiara ny lehilahy iray. Mandinika azy mitondra fiara fotsiny aloha ilay zaza amin’ny voalohany. Rehefa lehibebe izy vao hazavain’ilay dadany aminy hoe ahoana no atao. Rehefa  mahazo permis amin’izay izy, dia avelany hitondra sady atorotorony ihany. Mety hifandimby hitondra ry zareo indraindray. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia ilay zanany foana amin’izay no mitondra satria efa mihantitra ilay dadany. Tezitra ve izy hoe tsy izy intsony no mitondra? Tsia. Vao mainka aza izy faly. Hoatr’izany koa ireo rahalahy efa zokinjokiny. Faly be izy ireo rehefa ny olona nampiofaniny indray no manao ny andraikiny.

10. Ahoana no fiheveran’i Mosesy ny voninahiny sy ny fahefany?

10 Mila mitandrina ireo efa zokinjokiny mba tsy hialona. Diniho izay nataon’i Mosesy rehefa nanao hoatran’ny mpaminany ny Israelita sasany. (Vakio ny Nomery 11:24-29.) Tian’i Josoa hosakanana ry zareo, satria natahotra angamba izy hoe sao dia hihena ny voninahitra sy ny fahefan’i Mosesy. Hoy anefa i Mosesy: “Ny fahefako ve no mahasaro-piaro anao? Tsy mety izany! Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ka homen’i Jehovah ny fanahiny!” Fantatr’i Mosesy hoe i Jehovah no nahatonga azy ireo haminany. Tsy nitady voninahitra àry izy, fa tiany kosa raha nahazo andraikitra hoatr’azy daholo ny mpanompon’i Jehovah. Ary isika? Ahoana raha misy tombontsoam-panompoana noeritreretintsika hoe tokony homena antsika? Faly ve isika raha olon-kafa no nahazo an’ilay izy?

11. Inona no nolazain’ny rahalahy iray rehefa nomena rahalahy hafa ny andraikiny?

11 Be dia be ny rahalahy tena nazoto nanao ny andraikiny nandritra ny taona maro, ary nampiofana ny hafa hanao andraikitra bebe kokoa. Nanompo manontolo andro nandritra ny 74 taona mahery, ohatra, i Peter, ary tao amin’ny biraon’ny sampana iray any Eoropa ny 35 taona tamin’izany. Mpiandraikitra ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana foana izy hatramin’izay. Tsy nanao an’io andraikitra io intsony izy vao haingana, fa rahalahy tanora kokoa atao hoe Paul no nandimby azy. Efa niara-niasa nandritra ny taona maromaro izy ireo. Rehefa nanontaniana i Peter hoe ahoana no fahitany an’ilay fanovana, dia namaly izy hoe: “Tena faly aho hoe misy rahalahy nampiofanina mba hanao andraikitra bebe kokoa, sady tena manao tsara an’izay ampanaovina azy.”

ANKASITRAHO IREO BE TAONA

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Rehoboama?

12 Rehefa maty i Solomona, dia i Rehoboama zanany no lasa mpanjaka. Nangataka torohevitra tamin’ireo zokiolona izy, satria te hahavita tsara ny andraikiny. Tsy nanaraka ny tenin’izy ireo anefa izy avy eo. Ny hevitr’ireo tovolahy niara-lehibe taminy indray no narahiny, ka loza ny vokany. (2 Tan. 10:6-11, 19) Tsara àry ny mangataka torohevitra amin’ireo be taona kokoa sy ampy traikefa kokoa noho isika. Diniho tsara avy eo ny torohevitra omeny. Marina fa tsy hoe izay efa fanao hatramin’izay no tsy maintsy arahin’ireo tanora kokoa. Tsy tokony holavin’izy ireo avy hatrany anefa ny soso-kevitr’ireo efa zokinjokiny.

13. Inona no tokony hataon’ireo rahalahy miara-miasa amin’ny be taona?

13 Mety ho lasa mpiandraikitra ny asan’ireo rahalahy be taona kokoa ny rahalahy tanora kokoa. Tsara anefa ny manontany ny hevitr’ireny rahalahy efa be taona ireny rehefa hanapa-kevitra. Betsaka mantsy ny fahalalana sy traikefa ananan’izy ireny. Izao, ohatra, no nolazain’i Paul, ilay nisolo an’i Peter: “Nangataka torohevitra tamin’i Peter foana aho, ary nampirisihiko hanao an’izany koa ny olon-kafa ao amin’ny sampan-draharaha misy ahy.”

14. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly sy Timoty?

14 Tanora kokoa noho ny apostoly Paoly i  Timoty, ary niara-niasa nandritra ny taona maro izy ireo. (Vakio ny Filipianina 2:20-22.) Nilaza tamin’ny Korintianina i Paoly hoe: ‘Irahiko any aminareo i Timoty, satria zanako malalako sy mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo izy. Ary izy hampahatsiahy anareo ny fomba fiasako ao amin’i Kristy Jesosy, toy ny fomba fampianatro hatraiza hatraiza any amin’ny fiangonana rehetra.’ (1 Kor. 4:17) Hitantsika amin’izany fa tena niara-niasa akaiky sy nifanampy i Paoly sy Timoty. Naka fotoana i Paoly mba hampianarana an’i Timoty ny fomba fiasany. Nampiharin’i Timoty tsara ny fampiofanana nomena azy, ka lasa tena tian’i Paoly izy. Natoky i Paoly fa hahavita hikarakara tsara ny fiangonana tao Korinto izy. Tokony hanahaka an’i Paoly ny anti-panahy, ka hampiofana an’ireo rahalahy hiandraikitra ny fiangonana.

SAMIA MANAO NY ANJARANY

15. Nahoana no tsara ny misaintsaina ny Romanina 12:3-5 rehefa misy fanovana?

15 Fotoana mahafinaritra be izao iainantsika izao. Mandroso be mantsy ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa misy anefa ny fandrosoana, dia tsy maintsy misy koa ny fanovana. Misy vokany amintsika izy ireny indraindray, ka mila manetry tena isika. Izay hampandrosoana ny asan’i Jehovah no tokony hoeritreretintsika, fa tsy ny tombontsoantsika. Hiray saina foana isika raha manao an’izany. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kristianina tany Roma: “Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara, araka ny fatram-pinoana nozarain’Andriamanitra taminy avy. Fa manana rantsambatana maro isika eo amin’ny vatana iray, nefa tsy mitovy ny asan’izy rehetra. Toy izany koa isika, na maro aza, dia vatana iray tafaray amin’i Kristy.”—Rom. 12:3-5.

16. Inona no azon’ny tsirairay atao mba hihavana sy hiray saina foana ny vahoakan’i Jehovah?

16 Aoka àry isika rehetra hanao izay hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Raha rahalahy efa zokinjokiny ianao, dia ampiofano ireo tanora kokoa mba hanao ny andraikitra ataonao. Raha rahalahy tanora kokoa indray ianao, dia miezaha mba hahazo andraikitra sy hanetry tena ary hanaja an’ireo efa zokinjokiny. Raha anabavy manambady kosa ianao, dia tahafo i Prisila, vadin’i Akoila. Niaraka tamin’ny vadiny foana izy sady nanohana azy, na dia rehefa niova aza ny fiainan’izy ireo.—Asa. 18:2.

17. Inona no natokisan’i Jesosy, ary nampiofaniny mba hahavita inona ny mpianany?

17 Tena nazoto nampiofana ny hafa i Jesosy, ary izy no modely tsara indrindra amin’izany. Fantany mantsy fa olon-kafa no hanohy ny asany rehefa tsy ho eto an-tany intsony izy. Tsy lavorary ny mpianany, nefa natoky izy fa hahavita asa fitoriana betsaka kokoa noho ny vitany izy ireo. (Jaona 14:12) Nampiofaniny tsara àry izy ireo, dia nahavita nanely ny vaovao tsara tany amin’ny faritra maro.—Kol. 1:23.

18. Inona no miandry antsika amin’ny hoavy, nefa inona no azontsika atao izao?

18 Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy rehefa avy nanao sorona ny ainy, ary nankany an-danitra. Nomeny asa fanampiny izy sady nomeny fahefana ‘ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery ary fitondrana.’ (Efes. 1:19-21) Raha tsy mivadika koa isika nefa maty alohan’ny Hara-magedona, dia hatsangana ary hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Hisy asa mahafinaritra be dia be miandry antsika any. Misy asa lehibe tokony hataontsika anefa aloha izao, dia ny mitory ny vaovao tsara sy manao mpianatra. Enga anie isika rehetra “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo”, na antitra isika na tanora.—1 Kor. 15:58.