Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) JANOARY 2017

Mankasitraka ny Fahafahana Omen’i Jehovah Anao ve Ianao?

Mankasitraka ny Fahafahana Omen’i Jehovah Anao ve Ianao?

“Izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.”2 KOR. 3:17.

HIRA: 62, 65

1, 2. a) Inona no lazain’ny olona momba ny fahafahana? b) Inona no lazain’ny Baiboly, ary inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

NILAZA tamin’ny namany ny vehivavy iray hoe: “Izaho tsy te hieritreritra be, fa lazao ahy fotsiny ny tokony hatao. Izay no tsotra kokoa.” Tsy te hampiasa an’ilay fanomezana sarobidy nomen’ny Mpamorona antsika izy. Tsy inona izany fa ny fahafahana hisafidy. Ary ianao? Tianao ve raha ianao ihany no manapa-kevitra, sa aleonao ny olona no manapa-kevitra ho anao? Ahoana no fiheveranao ny fahafahana ananantsika?

2 Samy manana ny heviny momba ny fahafahana ny olona. Misy milaza fa tsy manana fahafahana isika, satria efa voalahatr’Andriamanitra mialoha izay rehetra hataontsika. Misy indray milaza fa rehefa tsy misy mifehifehy mihitsy isika vao azo lazaina hoe tena manana fahafahana. Mila mandinika ny Baiboly àry isika raha te hahalala ny marina. Voalaza ao fa omen’i Jehovah fahafahana isika, izany hoe avelany hisafidy izay tiantsika sy hanapa-kevitra rehefa avy nieritreritra. (Vakio ny Josoa 24:15.) Resahin’ny Baiboly koa ireto: Ahoana no tokony hampiasantsika an’io fahafahana io? Misy fetrany ve izy io? Ahoana no ampisehoantsika  fa tena tia an’i Jehovah isika, rehefa misy safidy ataontsika? Inona no hataontsika raha manaja ny fanapahan-kevitry ny hafa isika?

MODELY HO ANTSIKA I JEHOVAH SY JESOSY

3. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fahafahana ananany?

3 I Jehovah irery no afaka manao izay rehetra tiany fa tsy misy mifehifehy azy. Hainy tsara ny mampiasa ny fahafahana ananany, ary modely ho antsika izy. Nifidy an’ireo Israelita, ohatra, izy mba ho vahoakany sy ho “fananany manokana.” (Deot. 7:6-8) Tsy nataotaony fahatany izany safidy izany, fa nataony mba hanatanterahana ny zavatra nampanantenainy an’i Abrahama. (Gen. 22:15-18) Be fitiavana sy manao ny rariny foana koa i Jehovah rehefa mifidy izay hataony. Nofaiziny, ohatra, ny Israelita satria nivadika taminy imbetsaka. Tena nibebaka anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka naneho fitiavana sy namindra fo tamin’izy ireo i Jehovah. Hoy izy: “Hositraniko ny fivadihany tamiko. Ary sitrapoko ny ho tia azy.” (Hosea 14:4) Modely ho antsika àry i Jehovah satria mampiasa ny fahafahana ananany mba hanampiana ny hafa.

4, 5. a) Iza no voalohany nomen’i Jehovah fahafahana, ary ahoana no nampiasany an’ilay izy? b) Inona ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika tsirairay?

4 Be fitiavana i Jehovah ka nataony afaka misafidy izay tiany ny olombelona sy ny anjely. I Jesosy Zanany lahimatoa, izay nataony araka ny endriny, no voalohany nahazo an’izany fahafahana izany. (Kol. 1:15) Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fahafahana nomena azy? Tsy nikomy niaraka tamin’i Satana izy, fa nifidy ny tsy hivadika tamin’i Jehovah, na dia tamin’izy mbola tsy tetỳ an-tany aza. Rehefa tonga tetỳ an-tany izy ka naka fanahy azy i Satana, dia tsy nanaiky izy. (Mat. 4:10) Vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra foana izy. Hoy izy, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kaopy ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Enga anie isika hanahaka azy, ka hampiasa ny fahafahana ananantsika mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah sy hanaovana ny sitrapony. Ho vitantsika ve anefa izany?

5 Tena afaka manahaka an’i Jesosy isika, satria isika koa natao araka ny endrik’Andriamanitra. (Gen. 1:26) Misy tsy itovizantsika amin’i Jehovah anefa. Na dia afaka misafidy an’izay tiantsika hatao aza isika, dia misy fitsipika napetrany tokony harahintsika. Tokony hanaiky ny vadiny, ohatra, ny vehivavy, ary ny ankizy tokony hankatò ray aman-dreny. (Efes. 5:22; 6:1) Ahoana àry no tokony hampiasantsika ny fahafahana omena antsika? Mety hisy vokany amin’ny hoavintsika mandrakizay izany.

AHOANA NO TOKONY HAMPIASANTSIKA NY FAHAFAHANA ANANANTSIKA?

6. Nahoana no mila fitsipika isika, na dia manana fahafahana aza? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Tena manana fahafahana isika, na dia misy fitsipika mifehy antsika aza. Miaro antsika mantsy ireny fitsipika ireny. Eritrereto, ohatra, hoe hanao dia lavitra ianao dia hitondra fiara. Ahoana raha samy afaka manao izay tiany ny mpitondra fiara rehetra, fa tsy misy lalàna mifehy azy ireo? Afaka mandeha mafy be na mora kely, ohatra, izy ireo, ary afaka mifidy hoe handeha amin’ny ankavia na ankavanana. Tsy hampahatahotra be ve izany? Tsy maintsy ferana àry ny zavatra azontsika atao vao hahasoa antsika rehetra ny fahafahana ananantsika. Handray soa isika raha manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Mampiseho an’izany ireto ohatra ao amin’ny Baiboly ireto.

7. a) Inona no nampiavaka an’i Adama tamin’ny biby? b) Ahoana no nampiasan’i Adama ny fahafahana nomena azy?

 7 Nataon’i Jehovah afaka misafidy hoatran’ny anjely i Adama, ilay lehilahy voalohany. Nampiavaka azy tamin’ny biby izany. Nisy fotoana izy nampiasa tsara ny fahafahana nomena azy. Efa nisy talohan’ny olombelona, ohatra, ny biby, ka efa azon’i Jehovah nomena anarana. I Adama anefa no nasainy nanome anarana azy ireo, ary azo antoka fa faly erỳ izy nanao an’izany. Nentin’i Jehovah tany aminy ny biby “mba hahitana izay hiantsoany azy avy.” Nandinika ny biby tsirairay i Adama, dia nifidy anarana nety tsara taminy. Tsy nisy novan’i Jehovah izay anarana nofidiny. “Izay niantsoan-dralehilahy ny zavamananaina tsirairay, dia izany no anarany.”Gen. 2:19.

8. Inona no mampiseho fa lasa tsy nampiasa tsara ny fahafahana nomena azy i Adama, ary inona no vokatr’izany?

8 Nasain’Andriamanitra namboly sy nikarakara ny paradisa i Adama. Hoy izy taminy: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro ... sy ny biby manidina ... ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Gen. 1:28) Tena be dia be àry ny zavatra azon’i Adama natao. Tsy afa-po anefa izy fa nihoa-pefy, ka nihinana an’ilay voankazo efa nolazain’Andriamanitra hoe tsy azo hanina. Tsy nampiasa tsara ny fahafahana nomena azy izy, ka efa an’arivony taona izao ny taranany no nijaly. (Rom. 5:12) Tsy tokony handrisika antsika hampiasa tsara ny fahafahana ananantsika sy hanaja ny fitsipik’i Jehovah ve izany?

9. Inona no safidy nomen’i Jehovah ny Israelita, ary inona no nataon’izy ireo?

9 Noho i Adama sy Eva tsy nankatò, dia lasa tsy lavorary sy maty ny taranany. Mbola avelan’i Jehovah hisafidy izay tiany sy hanapa-kevitra anefa izy ireo. Manaporofo an’izany ny zavatra nataony tamin’ny firenen’Israely. Nasainy nisafidy izy ireo hoe hanaiky ho lasa fananany manokana sa tsia. (Eks. 19:3-6) Nanaiky ho lasa vahoakan’Andriamanitra sy hanaraka ny fitsipiny izy ireo, ka niteny hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 19:8) Mampalahelo anefa fa lasa tsy nampiasa tsara ny fahafahana nomena azy ny Israelita, sady tsy nitana ny teniny. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hankasitraka foana ny fahafahana omena antsika isika, ka hifandray akaiky amin’i Jehovah sy hankatò ny fitsipiny foana.1 Kor. 10:11.

10. Inona no porofo fa afaka mampiasa tsara ny fahafahana ananantsika isika na dia tsy lavorary aza? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Maro ny mpanompon’i Jehovah nanaja ny fitsipiny, rehefa nisafidy izay tiany hatao. Nahazo fitahiana be dia be izy ireo noho izany, sady afaka nanantena hoavy tena tsara. Misy 16 amin’izy ireo resahin’ny Hebreo toko faha-11. Anisan’izany i Noa. Tena nanam-pinoana izy sady nifidy ny hankatò an’i Jehovah. Nanao sambofiara izy mba hamonjena ny ankohonany sy mba tsy hahalany tamingana ny olombelona. (Heb. 11:7) Nifidy ny hankatò an’i Jehovah koa i Abrahama sy Saraha. Niala tany Ora, tanàna nanankarena, izy ireo ka nifindra tany amin’ny “tany voalazan’ny fampanantenana.” Nety ho “nahita fomba niverenana” tany izy raha tiany. Nanam-pinoana anefa ry zareo, ka nifantoka tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra. ‘Toerana tsara kokoa no nokatsahiny.’ (Heb. 11:8, 9, 13, 15, 16) I Mosesy indray tsy niraharaha an’ireo zava-tsarobidy tany Ejipta. “Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana.” (Heb. 11:24-26) Enga anie isika hanam-pinoana  toa an’ireny olona fahiny ireny, ka hankasitraka ny fahafahana ananantsika ary hampiasa an’izany mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah.

11. a) Inona no safidy tsara indrindra azontsika atao? b) Nahoana ianao no te hampiasa tsara ny fahafahana anananao?

11 Mety ho mora kokoa raha olon-kafa no asaintsika manapa-kevitra ho antsika. Raha izany anefa no ataontsika, dia tsy ho afaka hampiseho isika hoe tena tia an’i Jehovah. Miresaka momba an’izany ny Deoteronomia 30:19, 20. (Vakio.) Resahin’ny andininy faha-19 fa nisy safidy nasain’i Jehovah nataon’ny Israelita. Ny andininy faha-20 indray milaza fa navelany hampiseho izay tena tao am-pony izy ireo. Afaka mifidy ny hanompo an’i Jehovah koa isika. Afaka mampiseho isika hoe tia azy sy te hanome voninahitra azy. Izany no safidy tsara indrindra azontsika atao!

AMPIASAO TSARA NY FAHAFAHANA ANANANAO

12. Tsy tokony hataontsika ahoana ny fahafahana omena antsika?

12 Eritrereto hoe nisy namanao nomenao zavatra tena sarobidy. Ahoana anefa raha nariany tany amin’ny fako ilay izy, na nampiasainy mba hampijaliana olona? Azo antoka fa halahelo be ianao. Malahelo be koa i Jehovah satria tsy mampiasa tsara ny fahafahana omeny ny olona maro. Misafidy ny hanao ratsy na hampidi-doza ny hafa izy ireo. Tena marina ny lazain’ny Baiboly hoe tsy hahay hankasitraka ny olona amin’ny “andro farany.” (2 Tim. 3:1, 2) Ahoana àry no ampisehoantsika fa tena mankasitraka ny fahafahana omen’i Jehovah isika? Inona no hanampy antsika tsy hampiasa an’io fanomezana sarobidy io mba hanaovana zava-dratsy?

13. Inona no hataontsika raha tsy tiantsika hampiasaina hanaovana zava-dratsy ny fahafahana ananantsika?

13 Afaka mifidy ny namantsika isika rehetra, ary afaka mifidy fialam-boly na izay akanjo sy paozy tiantsika. Tsy mety anefa raha manaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsy isika. Tsy mety koa raha manaraka fotsiny an’izay lamaody sy fanao be mpitia eto amin’ity tontolo ity isika, nefa tsy mendrika ilay izy. Mety ho lasa “fanaronana ny ratsy” mantsy ilay fahafahana ananantsika raha izany. (Vakio ny 1 Petera 2:16.) Hiezaka àry isika mba tsy hampiasa azy  io hanatanterahana ny “fanirian’ny nofo.” Ny hanome voninahitra an’i Jehovah kosa no tokony ho tanjontsika amin’izay safidy rehetra ataontsika.Gal. 5:13; 1 Kor. 10:31.

14. Nahoana isika no mila matoky an’i Jehovah raha te hanao safidy tsara?

14 Hahay hanao safidy tsara koa isika, raha matoky an’i Jehovah ka manaiky ny tari-dalany sy manaraka ny fitsipiny. Izy irery ihany mantsy no ‘mampianatra antsika mba hahitantsika soa’ sy ‘mampandeha antsika amin’ny lalana tokony halehantsika.’ (Isaia 48:17) Mila manetry tena isika, ka manaiky fa “tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany”, ary ‘tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jer. 10:23) Tokony ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fo manontolo’ àry isika, fa tsy hiantehitra amin’ny fahaizantsika hoatran’ny nataon’i Adama sy ireo Israelita nikomy.Ohab. 3:5.

HAJAO NY SAFIDIN’NY OLONA

15. Inona no ianarantsika avy amin’ilay toro lalana ao amin’ny Galatianina 6:5?

15 Voafetra koa ny fahafahana ananantsika, satria tsy maintsy manaja ny safidy ataon’ny hafa isika. Samy afaka misafidy mantsy isika rehetra, ka tsy voatery hitovy foana ny fanapahan-kevitra raisintsika. Na ny fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fitondran-tena sy ny fanompoana an’i Jehovah aza mety tsy hitovy. Tadidio àry ilay toro lalana ao amin’ny Galatianina 6:5. (Vakio.) Hanaja ny safidy ataon’ny hafa isika, raha ekentsika hoe samy tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-keviny ny tsirairay.

Afaka mifidy izay tiantsika hatao isika, nefa tsy hanery ny olona hanaraka ny hevitsika (Fehintsoratra 15)

16, 17. a) Inona no olana tany Korinto? b) Ahoana no nandaminan’i Paoly an’ilay olana, ary inona no lesona tsoahantsika avy amin’izany?

16 Miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay ny fanapahan-kevitra sasany. Tokony hanaja an’izay safidy ataon’ireo rahalahy sy anabavintsika àry isika. Mampiseho an’izany ny zava-nitranga tany Korinto. Angamba avy natao sorona ho an’ny sampy ny hena sasany namidy teny an-tsena. Nisy Kristianina nieritreritra hoe tsy misy dikany ny sampy, ka tsy nanenjika azy ny eritreriny raha nihinana an’ilay hena izy. Nisy indray anefa nieritreritra hoe mitovy amin’ny manompo sampy ihany izany. Mpanompo sampy mantsy ry zareo taloha. (1 Kor. 8:4, 7) Olana lehibe ilay izy satria saika nampisara-bazana ny fiangonana. Ahoana àry no nanampian’i Paoly azy ireo hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah?

17 Nampahatsiahy azy rehetra i Paoly fa tsy hahatonga azy ireo hifandray kokoa amin’Andriamanitra ny sakafo. (1 Kor. 8:8) Nilaza koa izy hoe na manan-jo hanao izay tiany aza izy ireo, dia mila mitandrina sao izany “ho lasa vato mahatafintohina ho an’ny malemy.” (1 Kor. 8:9) Ary ahoana ny amin’ireo tsy nety nihinana an’ilay hena satria tsy neken’ny eritreriny izany? Nilaza i Paoly fa tsy tokony hitsaratsara an’izay nifidy ny hihinana izy ireo. (1 Kor. 10:25, 29, 30) Fanapahan-kevitra lehibe nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izany, nefa ny Kristianina tsirairay no samy tsy maintsy nanapa-kevitra ny amin’izay hataony. Raha mila manaja ny safidin’ny mpiara-manompo amintsika àry isika amin’ny zavatra lehibe hoatr’izany, tsy mainka ve fa amin’ny zavatra madinika kokoa?1 Kor. 10:32, 33.

18. Ahoana no ampisehoantsika fa ankasitrahantsika ny fahafahana omena antsika?

18 Tena manana fahafahana isika, satria avelan’i Jehovah hisafidy an’izay tiantsika hatao. (2 Kor. 3:17) Tena ankasitrahantsika izany! Azontsika porofoina amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika mantsy hoe tena tiantsika izy. Enga anie àry isika hanao safidy manome voninahitra an’i Jehovah foana, sady hanaja foana ny safidy ataon’ny hafa.