Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 7

Tena Tiantsika i Jehovah Raintsika

Tena Tiantsika i Jehovah Raintsika

“Isika kosa tia, satria izy no tia antsika voalohany.”—1 JAONA 4:19.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

HO HITANAO ATO *

1-2. Ahoana no nataon’i Jehovah mba hahatonga antsika ho lasa fianakaviany? Nahoana?

NASAIN’I Jehovah hanompo azy isika mba ho lasa anisan’ny fianakaviany. Tena mahafaly antsika izany! Olona nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy mino ny sorona nataon’ny Zanany no anisan’io fianakaviana io. Fianakaviana sambatra isika. Misy dikany ny fiainantsika dieny izao ary manantena hiaina mandrakizay isika amin’ny hoavy, na any an-danitra izany na ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

2 Nanao sorona ny Zanany i Jehovah mba hahatonga antsika ho anisan’ny fianakaviany. Tena tsy mora taminy izany nefa nataony satria tena tia antsika izy. (Jaona 3:16) Novidiny lafo àry isika. (1 Kor. 6:20) Lasa afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah isika noho ny vidim-panavotana. Eritrereto ange e! Tsy misy lehibe noho i Jehovah eo amin’izao rehetra izao, nefa isika afaka miantso azy hoe Ray. Dia hisy hoatr’izany indray ve? Tsy vitan’izany fa izy koa no Ray tsara indrindra, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

3. Inona avy no fanontaniana mety hoeritreretintsika? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Mba Hitan’i Jehovah Ihany ve Aho?”)

3 Hoy ny mpanoratra Baiboly iray: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Sal. 116:12) Mety hieritreritra hoatr’izany koa ianao. Raha ny marina, dia tsy ho voavalintsika mihitsy ny soa nataon’ilay Raintsika. Na tsy ho voavalintsika aza anefa izany, dia tena tia azy isika satria tia antsika izy. Hoy ny apostoly Jaona: “Isika kosa tia, satria izy no tia antsika voalohany.” (1 Jaona 4:19) Ahoana àry no azontsika ampisehoana amin’ilay Raintsika any an-danitra hoe tiantsika izy?

MIEZAHA HO AKAIKY AN’I JEHOVAH FOANA

Ho hita hoe tena tia an’ilay Rainao any an-danitra ianao, raha mivavaka aminy sy mankatò azy ary manampy ny olona ho tia azy (Fehintsoratra 4-14)

4. Araka ny Jakoba 4:8, nahoana isika no tokony hiezaka hinamana amin’i Jehovah?

4 Tian’i Jehovah hinamana aminy sy hiresaka aminy isika. (Vakio ny Jakoba 4:8.) Ampirisihiny ‘haharitra amin’ny vavaka’ isika, ary vonona hihaino antsika foana izy. (Rom. 12:12) Tsy mba sahirana izy na vizana ka hoe tsy afaka mihaino antsika. Ahoana anefa no hataontsika mba hihainoana an’i Jehovah? Mila mamaky ny Teniny isika. Ilaina koa ny mamaky an’ireo boky sy gazety, satria manampy antsika hahazo an’izay lazain’ny Baiboly izy ireny. Mihaino an’i Jehovah koa isika rehefa mifantoka tsara any am-pivoriana. Inona no ho vokany raha mifampiresaka tsy tapaka amin’i Jehovah isika? Ho akaiky azy foana isika, hoatran’ny ankizy lasa mifandray akaiky amin’ny dada sy mamany rehefa mifampiresaka tsara amin’izy ireo.

Fehintsoratra 5

5. Ahoana no azonao anatsarana ny vavaka ataonao?

5 Tian’i Jehovah hamboraka ny ao am-pontsika isika rehefa mivavaka. (Sal. 62:8) Diniho àry ny vavaka ataonao. Eritrereto hoe: ‘Tena mamoaka ny ao am-poko amin’i Jehovah ve aho, sa manao tsianjery fotsiny?’ Azo inoana fa tena tia an’i Jehovah ianao ary te hifandray tsara aminy foana. Tsy maintsy miresaka aminy tsy tapaka àry ianao. Resaho aminy daholo izay any am-ponao. Zarao aminy izay mahafaly sy mampalahelo anao, ary aza misalasala mangataka fanampiana aminy.

6. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho akaiky an’ilay Raintsika foana?

6 Tsy tokony hitsahatra hankasitraka an’ilay Raintsika isika raha te ho akaiky azy foana. Hoy ny mpanao salamo: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. Tsy misy azo ampitahaina aminao. Raha te hilaza sy hiresaka momba izany aho, dia maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.” (Sal. 40:5) Mitovy hevitra aminy koa isika. Tsy hoe mankasitraka an’i Jehovah fotsiny isika any am-pontsika any, fa asehontsika amin’ny teny sy ny atao koa ilay izy. Izany no mampiavaka antsika amin’ny ankamaroan’ny olona. Tsy mankasitraka an’izay rehetra ataon’Andriamanitra aminy mantsy izy ireny. Tsy mahagaga izany satria anisan’ny famantarana ny “andro farany” ny hoe tsy hahay hisaotra ny olona. (2 Tim. 3:1, 2) Tsy tokony ho hoatr’izany mihitsy isika!

7. Inona no tian’i Jehovah hataontsika, ary nahoana?

7 Tian’ny ray aman-dreny hifankatia ny zanany fa tsy hiadiady. Hoatr’izany koa i Jehovah. Tiany raha minamana tsara ny zanany rehetra. Ny fifankatiavantsika no amantarana hoe tena Kristianina isika. (Jaona 13:35) Mitovy hevitra amin’ny mpanao salamo isika hoe: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Sal. 133:1) Asehontsika amin’i Jehovah hoe tena tia azy isika, rehefa tia an’ireo mpiara-manompo. (1 Jaona 4:20) Tsara fanahy sy mangoraka ny rahalahy sy anabavintsika. (Efes. 4:32) Tsy faly ve ianao hoe anisan’io fianakaviana io?

MANKATÒ AN’I JEHOVAH IZAY TIA AZY

Fehintsoratra 8

8. Araka ny 1 Jaona 5:3, inona no antony lehibe indrindra ankatoavantsika an’i Jehovah?

8 Milaza i Jehovah hoe tokony hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy. (Efes. 6:1) Tiany hankatò azy koa àry isika. Mendrika an’izany izy satria izy no namorona antsika. Izy koa no manome antsika izay ilaina mba hahavelomana. Tsy vitan’izany fa izy no Ray hendry indrindra. Ny fitiavana anefa no tena mahatonga antsika hankatò azy. (Vakio ny 1 Jaona 5:3.) Tsy manery antsika hankatò azy i Jehovah, na dia maro aza ny antony tokony hankatoavantsika azy. Nomeny safidy kosa isika, ka faly izy raha isika mihitsy no mifidy ny hankatò azy satria tia azy.

9-10. Nahoana isika no mila mahafantatra sy mankatò ny fitsipik’Andriamanitra?

9 Tian’ny ray aman-dreny ho voaro ny zanany, dia izany no mahatonga azy ireo hanome fitsipika. Mandray soa ny ankizy rehefa mankatò an’ireny fitsipika ireny, sady hita hoe matoky sy manaja ny ray aman-dreniny. Raha ray aman-dreny olombelona aza atao an’izany, tsy mainka ve fa ilay Raintsika any an-danitra? Mila mahafantatra sy mankatò ny fitsipika omeny isika. Rehefa manao an’izany isika, dia mampiseho aminy hoe tia azy sy manaja azy. Handray soa avy amin’izany koa isika. (Isaia 48:17, 18) Ho voa mafy kosa izay tsy miraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny.—Gal. 6:7, 8.

10 Rehefa manao izay mampifaly an’i Jehovah isika, dia voaro amin’izay mety hanimba fahasalamana na hiteraka ratram-po. Voaro koa ny fifandraisantsika aminy. I Jehovah mantsy no mahalala hoe inona no tsara indrindra ho antsika. Hoy i Aurora, anabavy any Etazonia: “Fantatro hoe rehefa mankatò an’i Jehovah aho dia tsara be foana ny fiainako, ary tsy hahita fiainana tsara hoatr’izany aho!” Marina foana izany. Inona no soa noraisinao rehefa nankatò ny fitsipik’i Jehovah ianao?

11. Manampy antsika hahavita inona ny vavaka?

11 Mety ho sarotra ny mankatò, nefa hahavita an’izany isika raha mivavaka. Miady mafy isika indraindray mba hanao izay lazain’i Jehovah, satria isika mpanota. Tokony hiezaka mafy foana anefa isika. Niangavy an’i Jehovah ny mpanao salamo hoe: “Ampio aho hanam-paniriana hankatò anao.” (Sal. 51:12) Izao no nolazain’i Denise, anabavy mpisava lalana maharitra: “Rehefa misy didin’i Jehovah hitako hoe sarotra amiko ny manaraka azy, dia mivavaka aho mba homeny hery hankatoavana an’ilay izy.” Afaka matoky isika hoe hovalian’i Jehovah foana ny vavaka hoatr’izany.—Lioka 11:9-13.

AMPIO HO TIA AN’ILAY RAINTSIKA NY OLONA

12. Inona no tokony hataontsika, araka ny Efesianina 5:1?

12 Vakio ny Efesianina 5:1. Manao izay fara herintsika isika mba hanahafana an’i Jehovah satria ‘zanany malala.’ Manahaka ny toetrany isika raha be fitiavana sy tsara fanahy ary mamela heloka. Rehefa hitan’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra hoe tsara toetra isika, dia mety ho lasa te hianatra momba azy izy ireo. (1 Pet. 2:12) Tokony hanahaka an’i Jehovah ny ray aman-dreny kristianina amin’ny fomba itondrany ny zanany. Mety haniry ho lasa naman’i Jehovah koa ny zanany, raha manao an’izany izy ireo.

Fehintsoratra 13

13. Inona no hanampy antsika ho be herim-po?

13 Matetika no reharehan’ny ankizy ny dadany, ary faly be izy miresaka momba azy. Reharehantsika koa ilay Raintsika any an-danitra, ary tiantsika hahafantatra azy ny olona. Hoatran’ny tsapan’i Davida Mpanjaka no tsapantsika. Izao no nosoratany: “I Jehovah no ho reharehako.” (Sal. 34:2) Ahoana anefa raha saro-kenatra isika dia tsy sahy miresaka momba an’i Jehovah? Inona no hanampy antsika ho be herim-po? Mila mitadidy isika hoe ho faly be i Jehovah raha manao an’izany isika, ary handray soa ny olona rehefa mahafantatra azy. Hanampy antsika ho sahy hitory izy. Nampiany mba ho be herim-po ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia hanampy antsika koa izy.—1 Tes. 2:2.

14. Nahoana no tena ilaina ny mitory?

14 Tsy manavakavaka i Jehovah. Faly àry izy rehefa maneho fitiavana amin’ny olona isika, na inona na inona fiaviany na zavatra iainany. (Asa. 10:34, 35) Anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoantsika an’izany ny fitoriana ny vaovao tsara. (Mat. 28:19, 20) Inona no mety ho vokatry ny fitoriantsika? Raha mihaino antsika ny olona, dia hihatsara ny fiainany dieny izao. Mety ho afaka hiaina mandrakizay koa izy amin’ny hoavy.—1 Tim. 4:16.

TIAVO ILAY RAINAO DIA HO SAMBATRA IANAO

15-16. Inona avy no antony mahafaly antsika?

15 Ray be fitiavana i Jehovah ka tiany ho sambatra ny fianakaviany. (Isaia 65:14) Marina fa mety hiatrika zava-tsarotra isika amin’izao. Betsaka anefa ny antony mahafaly antsika. Matoky, ohatra, isika hoe tena tia antsika ilay Raintsika any an-danitra. Mahafantatra tsara ny marina voalaza ao amin’ny Teniny koa isika. (Jer. 15:16) Tsy vitan’izany fa miavaka ny fianakaviana misy antsika. Tia an’i Jehovah sy ny fitsipiny daholo ny rahalahy sy anabavintsika ary mifankatia.—Sal. 106:4, 5.

16 Afaka ny ho faly foana koa isika, satria azontsika antoka hoe tena ho tsara kokoa ny fiainana amin’ny hoavy. Fantatsika hoe tsy ho ela dia hofoanan’i Jehovah ny faharatsiana rehetra, ary ho lasa paradisa indray ny tany rehefa hitondra ny Fanjakany. Manantena koa isika hoe hatsangana ny maty, ka ho tafaraka amin’ny havany sy ny namany indray. (Jaona 5:28, 29) Tena hahafinaritra be amin’izany! Mbola misy tsara noho izany rehetra izany anefa. Hidera sy hanome voninahitra ary hanompo an’ilay Raintsika be fitiavana daholo na ny eto an-tany na ny any an-danitra, ary mendrika an’izany izy.

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

^ feh. 5 Tena tia antsika i Jehovah Raintsika, ary notaominy hanompo azy isika ka lasa anisan’ny fianakaviany. Lasa tia azy koa àry isika. Ahoana anefa no hampisehoantsika hoe tiantsika izy? Hiresaka fomba sasany anaovana an’izany isika ato.