Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 TANTARAM-PIAINANA

Sambatra Aho Satria Nahazo Lova Sarobidy

Sambatra Aho Satria Nahazo Lova Sarobidy

EFA alina ny andro rehefa tonga teo amin’ny Reniranon’i Niger izahay. Mahery be io renirano io ary 1 kilaometatra mahery kely ny sakany. Nafana ny ady an-trano tany Nizeria tamin’izany, ka mety ho faty izay niampita an’ilay renirano. Tsy maintsy niampita teo imbetsaka anefa izahay. Inona no nahatonga an’izany? Andraso aloha hotantaraiko izay nitranga talohan’ny nahaterahako.

John Mills no anaran’i Dada. Natao batisa tany New York izy tamin’ny 1913, tamin’izy 25 taona. Ny Rahalahy Russell no nanao ny lahatenin’ny batisany. Nifindra tany Trinité izy taoriana kelin’izay, ary tany izy no nanambady an’i Constance Farmer, Mpianatra ny Baiboly mafana fo. I Dada no nanampy an’i William Brown namany mba handefa ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Nifanampy hoatr’izany foana izy ireo mandra-pahatongan’ny fanendrena an-dry Brown ho any Afrika Andrefana, tamin’ny 1923. Nijanona tany Trinité kosa i Dada sy Neny, izay samy voahosotra.

TIA ANAY I DADA SY NENY

Sivy mianadahy izahay. Nataon’i Dada sy Neny hoe Rutherford ny anaran’ny zokinay lahimatoa, satria izay no anaran’ny prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany. Rehefa teraka aho, tamin’ny 30 Desambra 1922, dia nampitovina tamin’ny anaran’i Clayton Woodworth ny anarako. Izy mantsy no niandraikitra ny fanomanana ny lahatsoratra tao amin’ny Fotoam-pahasambarana (Mifohaza!). Nalefan’i Dada sy Neny tany an-tsekoly daholo izahay, fa tanjona ara-panahy no tena tiany hotratrarinay. Tena mahay mandresy lahatra avy ao amin’ny Soratra Masina i Neny. I Dada indray tia mitantara zavatra avy ao amin’ny Baiboly sady ahetsiny daholo ny vatany mba ho azonay tsara ilay tantara.

Nody ventiny ny rano nantsakain’izy ireo. Nanao Sekolin’i Gileada ny telo taminay dimy lahy. Mpisava lalana nandritra ny taona maro tany Trinité sy Tobago kosa ny telo tamin’ny anabavinay. Toy ny hoe nambolen’i Dada sy Neny “tao an-tranon’i Jehovah” izahay satria nampianatra anay izy ireo sady modely ho anay. Izy ireo no nanampy anay hijanona tao foana sy hiroborobo “tao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika.”—Sal. 92:13.

 Nampiasaina be tamin’ny fitoriana ny tranonay. Tonga tao ny mpisava lalana dia matetika izy ireo no niresaka momba ny Rahalahy George Young, misionera kanadianina nanompo tany Trinité. Efa tany Afrika Andrefana ry Brown tamin’izany, nefa faly be foana ry Dada sy Neny rehefa niresaka momba an’ireo namany ireo. Izany rehetra izany no nahatonga ahy ho lasa mpitory, tamin’izaho folo taona.

NY FANOMPOAKO VOALOHANDOHANY

Tsy nitsitsy mihitsy ny gazetintsika tamin’izany rehefa niresaka momba ny fivavahan-diso, ny mpanao raharaham-barotra tia vola, ary ny mpanao politika manao raharaha maloto. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana tao Trinité àry ny governora mba handrara ny bokintsika, tamin’ny 1936. Nafeninay ireny boky ireny ary nampiasainay ihany mandra-pahatapitr’izy rehetra. Nandeha bisikileta izahay na nandeha an-tongotra, dia nilanja takelaka fitoriana sy nizara taratasy fanasana teny an-dalana. Nahavita nitory hatrany amin’ny toerana lavitra be any Trinité izahay, rehefa nampiasa fiara nasiana fanamafisam-peo, niaraka tamin’ny mpitory avy tany Tunapuna. Nahafinaritra be tamin’izany, ary izany no nahatonga ahy hatao batisa tamin’izaho 16 taona.

Mpitory avy any Tunapuna, miaraka amin’ilay fiara misy fanamafisam-peo

Lasa te ho misionera aho noho ny lova ara-panahy azoko sy ireny zavatra niainako ireny. Mbola izany ihany no faniriako rehefa nankany Aruba aho, tamin’ny 1944, ary niara-nanompo tamin’ny Rahalahy Edmund Cummings. Faly erỳ izahay fa nisy folo ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ny 1945. Lasa nisy fiangonana tao amin’io nosy io, herintaona taorian’izay.

Hafa mihitsy ny fiainako niaraka tamin’i Oris

Nitory tsy ara-potoana tamin’ny mpiara-miasa tamiko aho, tsy ela taorian’izay. Oris Williams no anarany. Nafana fo be niaro ny finoany izy. Rehefa nianatra Baiboly anefa izy dia hitany ny tena marina. Natao batisa izy tamin’ny 5 Janoary 1947. Nifankatia izahay tatỳ aoriana ary nivady. Nanomboka nanao mpisava lalana izy tamin’ny Novambra 1950. Hafa mihitsy ny fiainako niaraka tamin’i Oris.

NY FANOMPOANAY TANY NIZERIA

Voasa hanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-27, izahay tamin’ny 1955. Nialanay sy Oris àry ny asanay, namidinay ny tranonay sy ny fanananay, dia niala tany Aruba izahay. Tamin’ny 29 Jolay 1956 izahay no nahazo diplaoma ary voatendry ho any Nizeria.

Niaraka tamin’ny fianakavian’ny Betela tany Lagos, any Nizeria (1957)

Hoy i Oris: “Miovaova be ny fiainan’ny misionera, nefa vitan’ny fanahin’i Jehovah foana ny manampy azy hizaka an’izany. Izahay mivady izao tsy nitovy. Tsy te ho misionera mihitsy aho fa naleoko nanana trano dia nanan-janaka. Niova anefa izany rehefa tsapako hoe maika ny fitoriana. Tapa-kevitra be aho, nandritra ny Sekolin’i Gileada, hoe hanao misionera dia hitory. Tonga hanao veloma anay ny Ranadahy Worth Thornton, mpiara-miasa tamin’ny Ranadahy Knorr, rehefa nankao amin’ilay sambo nitondra anay ho any amin’ny fanendrena anay izahay. Izy no niteny taminay hoe hiasa ao amin’ny Betela izahay. Diso fanantenana kely aho rehefa niteny an’izay izy. Vetivety anefa dia lasa tiako ny Betela, ary niovaova be ny asako tao. Ilay teo amin’ny fandraisana olona no tena tiako. Tena tia olona aho, dia eo aho no mifandray mivantana amin’ny mpiara-manompo nizerianina. Betsaka no feno vovoka, reraka, mangetaheta, ary noana rehefa tonga eo. Tiako be ny nanome zavatra kely hohanin’izy ireo na hosotroiny na zavatra hafa nampahazo aina azy. Fanompoana masina daholo izany ary faly sy afa-po aho rehefa nanao an’izany.” Nahatonga anay “hiroborobo” tokoa ny fanendrena rehetra azonay.

Nisy fiaraha-mikorana tany Trinité, tamin’ny 1961, dia nitantara ny zavatra nampientanentana niainany tany Afrika ny Rahalahy Brown. Nitantara ny fitomboana tany Nizeria aho avy eo. Nosakambinin’ny Rahalahy Brown aho dia hoy izy tamin’i Dada: “Johnny a, tsy lasa tany Afrika mihitsy ialahy fa i Woodworth tany.” Hoy i Dada avy eo: “Tohizo leisy fa tsara, ry Worth a!” Vao mainka aho te hanao tsara ny fanompoako rehefa nampaherezin’ny olona matotra be hoatr’ireny.

Nampahery be anay i William Brown “Baiboly” sy Antonia vadiny

Nahazo fampiofanana fanampiny aho, tamin’ny 1962. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-37, aho ary naharitra folo volana ilay izy. Ny  Rahalahy Wilfred Gooch no mpiandraikitra ny sampana tao Nizeria tamin’izany. Nanatrika ny kilasy faha-38 izy dia voatendry ho any Angletera. Izaho àry no lasa mpiandraikitra ny sampan’i Nizeria. Nandehandeha be hoatran’ny Rahalahy Brown aho, ka lasa nahafantatra sy tia kokoa an’ireo rahalahy nizerianina. Tsy dia manana ny zavatra ananan’ny olona any amin’ny tany manankarena izy ireo, nefa faly sy afa-po. Hita mihitsy hoe tsy ny vola sy ny fananana no mahasambatra. Nahafinaritra be ny nahita azy ireo tany am-pivoriana. Mahantra izy ireo nefa madio sy milamina sady mihaja tsara. Mandeha kamiao na bolekaja (bisy fampiasan’ny olona any) izy ireo rehefa hamonjy fivoriambe. Matetika no mampieritreritra ny teny filamatra misoratra amin’izy ireny, ohatra hoe: “Piti-drano kely maro ny ranomasimbe.”

Marina mihitsy izany! Misy dikany daholo ny ezaka kely ataon’ny tsirairay, dia niezaka koa izahay. Ankoatra an’i Etazonia, dia i Nizeria irery no nahitana mpitory 100 000 tamin’ny 1974. Niroborobo be ny asa!

Nafana ny ady an-trano tany Nizeria tamin’ny 1967 ka hatramin’ny 1970, izany hoe nandritra an’ilay fitomboana. Tsy afaka nifandray tamin’ny biraon’ny sampana ireo rahalahy tany ampitan’ny Reniranon’i Niger, tany Biafra, nandritra ny volana maromaro. Tsy maintsy nanateranay sakafo ara-panahy àry izy ireo. Nivavaka tamin’i Jehovah izahay sady natoky azy dia niampita an’ilay renirano imbetsaka, araka ilay noresahiko terỳ am-piandohana.

Tadidiko tsara hoe nampahatahotra foana ny niampita an’i Niger satria mety hovonoin’ny miaramila mahery setra izahay, ary mety ho fatin’ny aretina na loza hafa. Niahiahy anay ny miaramila rehefa nandalo azy ireo izahay, ary vao mainka nampahatahotra ny nandalo an’ireo sakana tany Biafra. Indray mandeha izay aho nandeha nampahery ny rahalahy nanana andraikitra tany Enugu. Nandeha lakana avy ao Asaba nankany Onitsha aho. Alina tamin’izay sady nahery be ny rano. Nampahery anti-panahy tany Aba koa aho, indray mandeha. Tsy nahazo nandrehitra jiro ny olona tany rehefa maizina ny andro, sao ho hitan’ny fahavalo. Nisy fotoana koa aho tany Port Harcourt. Vao avy nofarananay haingana tamin’ny vavaka ny fivorianay no resin’ny miaramila ireo mpiambina an’i Biafra, tany ivelan’ny tanàna tany.

Tena nilaina ireny fivoriana ireny. Nila nomena toky mantsy ireo rahalahy hoe tian’i Jehovah izy ireo. Nila nomena torohevitra koa izy ireo mba hiray saina fa tsy hiditra amin’ilay ady nahatsiravina, dia vitan’izy ireo tsara izany. Nasehon’ireo rahalahy nizerianina ireo hoe nifankatia sy niray saina izy ireo na dia nifankahala aza ny foko samihafa. Tombontsoa be ny nanampy azy ireo tamin’ireny!

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany” tao amin’ny Yankee Stadium, teto New York, tamin’ny 1969. Ny Rahalahy Milton Henschel no mpitari-draharaha ary izaho no mpanampy azy. Niana-javatra be taminy aho. Soa ihany fa nisy an’iny satria nanao an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Olona Ankasitrahana” koa izahay tany Lagos, any Nizeria, tamin’ny 1970. Tsy vita iny fivoriambe iny raha tsy notahin’i Jehovah, satria taoriana kelin’ny ady an-trano ilay izy. Niavaka ilay izy satria natao tamin’ny fiteny 17 ary 121 128 ny mpanatrika. Nandeha fiaramanidina nofana ny mpanatrika sasany avy teto Etazonia sy Angletera, niaraka tamin’ny Rahalahy Knorr sy Henschel. Nisy 3775 no natao batisa tamin’izay! Anisan’ny batisa betsaka indrindra taorian’ny Pentekosta io. Tamin’ny nikarakara an’iny angamba aho no be atao indrindra hatramin’izay. Nitombo be mihitsy ny mpitory tamin’izany!

Fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Olona Ankasitrahana”, nisy mpanatrika 121 128 ary natao tamin’ny fiteny 17, anisan’izany ny ibo

Telopolo taona mahery no nanompoako tany Nizeria. Mpiandraikitra mpitety faritany aho indraindray, dia nisy fotoana aho mpiandraikitra mpitety sampana tany Afrika Andrefana. Faly be ny misionera satria nampahery sy nikarakara ary niahy azy ireo tsirairay izahay. Nahafinaritra koa ny nanome toky azy ireo hoe tsy natao an-kilabao izy ireo. Hitako tamin’ireny hoe tena tokony hotiavina sy hokarakaraina ny olona mba hanampiana azy hiroborobo. Mahatonga ny fandaminan’i Jehovah hatanjaka sy hiray saina foana koa izany.

 Tsy ho vitanay mihitsy ny niatrika ny olana sy ny aretina vokatry ny ady an-trano, raha tsy nanampy anay i Jehovah. Hita mihitsy hoe notahin’i Jehovah foana izahay. Hoy i Oris:

“Voan’ny tazomoka imbetsaka izahay. Niditra hopitaly tany Lagos i Worth indray mandeha ary tsy nahatsiaro tena. Nolazain’izy ireo aho hoe mety ho faty izy. Soa ihany anefa izy fa velona! Rehefa nahatsiaro tena izy, dia niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ilay mpitsabo mpanampy nikarakara azy. Nwambiwe no anaran’ilay lehilahy. Nitsidika azy izahay mivady taorian’izay. Nandroso izy ary lasa anti-panahy tany Aba. Nanampy olona maro ho lasa mpanompon’i Jehovah mafana fo koa aho. Nisy aza Silamo hiringiriny! Fa ny tena nahafinaritra dia hoe lasa fantatray sy tianay ny mponin’i Nizeria, ny kolontsainy, ny fiteniny, ary ny fombany.”

Nianarako avy amin’izany indray hoe raha te “hiroborobo” ianao rehefa manompo any an-tany hafa, dia tsy maintsy miezaka ho tia ny mpiara-manompo, na dia samy hafa be aza ny kolontsainareo.

FANENDRENA VAOVAO

Voatendry ho misionera eny amin’ny saha, tany Sainte-Lucie, any Karaiba, izahay, tamin’ny 1987, rehefa avy nanompo tao amin’ny Betelan’i Nizeria. Nahafinaritra be ilay izy, nefa nisy zava-tsarotra koa. Manam-bady maro ny lehilahy any Afrika fa ny any Sainte-Lucie indray manao tokantranomaso ny olona. Betsaka tamin’ny olona nampianarinay Baiboly anefa no nahavita niova noho ny Tenin’Andriamanitra.

Nivady nandritra ny 68 taona izahay sy Oris ary tena tiako be mihitsy izy

Nihaosa izahay satria efa nandroso taona. Be fitiavana anefa ny Filan-kevi-pitantanana dia nalefany tany amin’ny foibe any Brooklyn, eto Etazonia, izahay tamin’ny 2005. Mbola misaotra an’i Jehovah aho isan’andro satria nomeny an’i Oris. Nodimandry izy tamin’ny 2015 ary tsy misy teny mahalaza ny alaheloko. Namako be mihitsy izy sady be fitiavana ary mahatehotia. Niaraka nandritra ny 68 taona izahay ary tena tiako be mihitsy izy. Hitanay hoe raha te ho sambatra ianao ao an-tokantrano na ao amin’ny fiangonana, dia mila manaja ny fahefan’izay lohany, mamela heloka tanteraka, manetry tena foana, ary manana ny vokatry ny fanahy.

Rehefa nitady ho kivy izahay na diso fanantenana, dia niandrandra an’i Jehovah mba hanampy anay tsy hilavo lefona, amin’izay tsy very maina ny zavatra efa nafoinay. Nanaiky hahitsy foana izahay, dia hitanay hoe mihatsara foana ny zava-misy, sady azo antoka hoe mbola hihatsara be.—Isaia 60:17; 2 Kor. 13:11.

Notahin’i Jehovah ny fanompoan’i Dada sy Neny ary ny olon-kafa tany Trinité sy Tobago, satria olona 9892 izao no manaraka ny fivavahana marina, araka ny tatitra farany. Betsaka koa no nanatanjaka an’ilay fiangonana voalohany nisy ahy tany Aruba. Misy fiangonana 14 mandroso be any izao. Ny mpitory any Nizeria indray lasa 381 398 be izao. Misy 783 kosa izao no manohana ny Fanjakan’i Jehovah any amin’ny nosy Sainte-Lucie.

Efa 90 taona mahery aho izao. Izao no resahin’ny Salamo 92:14 momba an’ireo nambolena tao an-tranon’i Jehovah: “Mbola handrobona foana izy ireo na dia efa fotsy volo aza, ary mbola hatanjaka sy havitribitrika.” Faly be aho satria nampiasaiko hanompoana an’i Jehovah ny fiainako! Ny lova ara-panahy azoko no nandrisika ahy hanompo tanteraka an’i Jehovah. Tsy miovaova ny fitiavan’i Jehovah ary avelany ‘hiroborobo ao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitro’ aho.—Sal. 92:13.