Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 7

Miezaha Handefitra dia ho Faly i Jehovah

Miezaha Handefitra dia ho Faly i Jehovah

“Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, ... katsaho ny fandeferana.”—ZEF. 2:3.

HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

HO HITANAO ATO: *

1-2. a) Olona hoatran’ny ahoana i Mosesy ary inona no zava-bitany? b) Nahoana isika no tokony hiezaka handefitra?

MILAZA ny Baiboly hoe “tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana indrindra.” (Nom. 12:3) Midika ve izany hoe malefaka loatra sy tsy manana hazondamosina ary matahotra olona izy? Izany mantsy no fiheveran’ny olona sasany ny atao hoe mandefitra. Diso be anefa izany. Sahy sy vonona hanapa-kevitra ary be herim-po i Mosesy. Nampian’i Jehovah izy ka nifanandrina tamin’ny mpanjakan’i Ejipta, nitarika vahoaka mety ho 3 000 000 hamakivaky tany efitra, ary nanampy ny firenen’Israely handresy ny fahavalony.

2 Tsy mitovy amin’ny olana natrehin’i Mosesy ny olana atrehintsika. Sarotra anefa ny mandefitra, noho ny zavatra iainantsika na ny olona ifaneraserantsika isan’andro. Nahoana isika no tokony hiezaka hanana an’io toetra io? Ity misy antony iray lehibe. Mampanantena i Jehovah hoe: “Ny mpandefitra ... no handova ny tany.” (Sal. 37:11) Mpandefitra ve no fahitanao anao? Ary ny olona ve mahita hoe mpandefitra ianao? Mba hahafahanao mamaly an’ireo, dia andao aloha hojerentsika ny atao hoe fandeferana.

INONA NO ATAO HOE FANDEFERANA?

3-4. a) Azo ampitovina amin’ny inona ny fandeferana? b) Inona avy ireo toetra efatra ilaina raha te ho mpandefitra, ary nahoana?

3 Hoatran’ny sary hoso-doko tsara tarehy ny fandeferana. *  Loko manintona maromaro mantsy no ampiasain’ny mpanao zavakanto mba hanaovana hoso-doko iray. Mila manana toetra tsara maromaro koa ny olona iray vao azo lazaina hoe mpandefitra. Mila manetry tena, ohatra, izy, mora mankatò, malemy fanahy, ary be herim-po. Nahoana isika no mila an’ireo toetra ireo raha te hampifaly an’i Jehovah?

4 Ny olona manetry tena ihany no mankatò an’Andriamanitra, izany hoe manao ny sitrapony. Anisan’ny sitrapony ny hoe tokony halemy fanahy isika. (Mat. 5:5; Gal. 5:23) Tezitra anefa i Satana rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Tezitra amintsika koa àry ny olona maro anisan’ny tontolony, na dia malemy fanahy sy manetry tena aza isika. (Jaona 15:18, 19) Mila herim-po isika, vokatr’izany, mba hanoherana an’i Satana.

5-6. a) Nahoana i Satana no mankahala ny mpandefitra? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika ato?

5 Tsy mpandefitra ny olona iray raha manambony tena sy tsy mahafehy ny hatezerany ary tsy mankatò an’i Jehovah. Hoatr’izany mihitsy i Satana. Izany no mahatonga azy hankahala ny mpandefitra. Ny mpandefitra mantsy manana toetra tsara nefa izy tsy manana dia hita be hoe ratsy toetra izy. Tsy izay ihany fa manaporofo koa izy ireo hoe mpandainga i Satana. Tsy afaka manakana ny mpandefitra tsy hanompo an’i Jehovah mihitsy mantsy izy, na inona na inona lazainy na ataony.—Joba 2:3-5.

6 Rahoviana no sarotra ny mandefitra? Nahoana isika no tokony hiezaka handefitra foana? Handinika an’izay nataon’i Mosesy sy ny Hebreo telo lahy babo tany Babylona ary Jesosy isika, mba hamaliana an’ireo fanontaniana ireo.

RAHOVIANA NO SAROTRA NY MANDEFITRA?

7-8. Ahoana no nataon’i Mosesy rehefa nisy olona tsy nanaja azy?

7 Rehefa manana fahefana: Mety ho sarotra amin’ny olona manana fahefana ny handefitra foana, indrindra rehefa ny olona iandraiketany no tsy manaja azy, na milaza fa tsy mety ny fanapahan-kevitra noraisiny. Efa tratran’izany ve ianao? Ahoana raha ny fianakavianao no manao an’izany aminao? Inona no hataonao? Andao hojerentsika izay nataon’i Mosesy.

 8 Notendren’i Jehovah ho mpitarika ny Israely i Mosesy ary nasainy nanoratra ny lalàna ho an’io firenena io. Tsy maintsy hoe nanohana azy àry i Jehovah. Mbola nanome tsiny azy ihany anefa i Miriama sy Arona iray tam-po aminy, sady nanakiana azy hoe tsy nety ny safidiny tamin’izy nanambady. Raha olon-kafa no teo amin’ny toeran’i Mosesy dia ho tezitra be ilay olona sady te hamaly faty. Tsy nahatezitra an’i Mosesy anefa ilay izy. Izy aza niangavy an’i Jehovah mba tsy hanasazy an’i Miriama intsony. (Nom. 12:1-13) Nahoana i Mosesy no nanao an’izany?

Niangavy an’i Jehovah i Mosesy mba tsy hanasazy an’i Miriama intsony (Fehintsoratra 8)

9-10. a) Inona no tian’i Jehovah ho takatr’i Mosesy? b) Inona no azon’ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy ianarana avy amin’i Mosesy?

9 Nanaiky hampiofanin’i Jehovah i Mosesy. Tsy nandefitra mihitsy izy, 40 taona talohan’izay, tamin’izy mbola nipetraka tao an-tranon’ny fianakavian’ny mpanjaka tany Ejipta. Mora tezitra be izy tamin’izany. Nisy lehilahy iray novonoiny ho faty mihitsy aza satria hitany hoe nanao ny tsy rariny. Nieritreritra i Mosesy hoe nankasitrahan’i Jehovah ny nataony. Efapolo taona no nanampian’i Jehovah azy mba hahatakarany hoe inona no ilainy raha te hitarika ny Israelita izy. Mila mandefitra izy fa tsy hoe be herim-po fotsiny. Tokony hanetry tena sy ho mora mankatò ary halemy fanahy anefa izy raha te handefitra. Nanana an’ireo toetra ireo izy tatỳ aoriana ka lasa mpiandraikitra tsara.—Eks. 2:11, 12; Asa. 7:21-30, 36.

10 Tsara raha manahaka an’i Mosesy ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy. Aza mora tezitra rehefa misy tsy manaja anao. Aleo manetry tena, dia miaiky raha nanao diso. (Mpito. 7:9, 20) Ankatoavy i Jehovah ka araho ny tari-dalana omeny rehefa mandamina olana, ary miezaha halemy fanahy foana. (Ohab. 15:1) Hitandro fihavanana ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy raha manao an’izany, sady hampianatra ny hafa handefitra. Ho faly koa i Jehovah amin’izay.

11-13. Inona no nataon’izy telo lahy ka tokony hotahafintsika?

11 Rehefa misy fanenjehana: Nanenjika ny vahoakan’i Jehovah foana ny mpitondra hatramin’izay. Mety hoendrikendrehiny ho mpanao ratsy isika. Ny tena mahatezitra azy ireo anefa dia hoe Andriamanitra no ‘tsy maintsy ankatoavintsika fa tsy olona.’ (Asa. 5:29) Mety hesoin’izy ireo isika na hogadrainy. Mety hikasi-tanana antsika mihitsy aza izy ireo. Ampian’i Jehovah anefa isika ka halemy fanahy foana fa tsy hamaly faty.

12 Eritrereto izay nataon’i Hanania sy Misaela ary Azaria, Hebreo telo lahy babo tany  Babylona. * Nasain’ny mpanjaka niankohoka teo amin’ny sariolona volamena ngezabe izy telo. Nalemy fanahy izy ireo rehefa nanazava tamin’ny mpanjaka hoe tsy hivavaka amin’ilay sary. Nankatò an’Andriamanitra foana izy telo lahy na dia norahonan’ny mpanjaka aza hoe hodorana ao amin’ny lafaoro misy afo mirehitra. Tonga dia novonjen’i Jehovah izy ireo na dia tsy nieritreritra an’izany aza. Efa vonona hiatrika an’izay rehetra navelan’i Jehovah hitranga izy ireo. (Dan. 3:1, 8-28) Noporofoin’izy ireo hoe be herim-po ny olona mandefitra. Tapa-kevitra izy ireo hoe i Jehovah irery no hotompoiny, ary tsy hampiova an’izany na mpanjaka, na fandrahonana, na sazy.—Eks. 20:4, 5.

13 Mety hisy zavatra hahatonga antsika hivadika amin’i Jehovah koa amin’izao. Ahoana no azontsika anahafana an’ireo Hebreo telo lahy? Manetry tena isika ka matoky hoe hanampy antsika i Jehovah. (Sal. 118:6, 7) Malemy fanahy amin’izay manendrikendrika antsika isika sady manaja azy. (1 Pet. 3:15) Tsy hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika be fitiavana koa isika.

Rehefa misy olona manohitra antsika dia hajaintsika izy (Fehintsoratra 13)

14-15. a) Mety hanao ahoana isika rehefa miady saina? b) Rehefa jerena ny Isaia 53:7, 10, nahoana i Jesosy no ohatra tsara indrindra raha ny amin’ny fandeferana?

14 Rehefa miady saina: Be dia be ny zavatra mety hampiady saina antsika, ohatra hoe rehefa hanala fanadinana na hanao asa manokana any am-piasana. Mety hampiady saina antsika koa na dia ny mieritreritra ny fitsaboana tsy maintsy arahintsika aza. Sarotra be ny mandefitra amin’izay. Zavatra tsy misy dikany mantsy dia mety hahakizitina antsika ary mety hasiaka be isika. Eritrereto izay nataon’i Jesosy raha efa niady saina hoatr’izany ianao.

15 Niady saina be i Jesosy nandritra ny volana faramparany niainany teto an-tany. Fantany mantsy hoe tsy maintsy hampijalina sy hovonoina izy. (Jaona 3:14, 15; Gal. 3:13) Nilaza izy, volana vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, hoe nitaintaina be. (Lioka 12:50) Nilaza koa izy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, hoe: “Mitebiteby mafy aho izany!” Nanetry tena anefa izy sady nankatò an’Andriamanitra rehefa jerena ny vavaka nataony. Namboraka ny fihetseham-pony izy ka nilaza hoe: “Ray ô, vonjeo ho afaka amin’ity ora ity aho. Nefa dia ho amin’ity ora ity no nahatongavako. Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” (Jaona 12:27, 28) Be herim-po i Jesosy ka nitolo-batana tamin’ny fahavalon’Andriamanitra rehefa tonga ny fotoana hamonoana azy. Nampijalijalin’izy ireo tsy nisy hoatr’izany izy sady nataony afa-baraka tanteraka rehefa novonoina. Nandefitra sy nanao ny sitrapon’Andriamanitra foana anefa izy, na dia nitaintaina sy nijaly be aza. I Jesosy àry no ohatra tsara indrindra! Nahavita nandefitra foana izy, na dia niady saina be aza.—Vakio ny Isaia 53:7, 10.

Ohatra tsara indrindra amin’ny fandeferana i Jesosy (Fehintsoratra 16-17) *

16-17. a) Inona no nataon’ny naman’i Jesosy? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?

16 Niady saina be i Jesosy, ny alina farany niainany teto an-tany, hoe hahavita tsy hivadika mandra-pahafatiny ve izy. Miankina amin’izany mantsy ny ain’ny olona an’arivony tapitrisa. (Rom. 5:18, 19) Miankina amin’izany koa ny lazan’ny Rainy, ary izany no tena zava-dehibe. (Joba 2:4) Tamin’io alina io anefa ny namany akaiky indrindra, izany hoe ny apostoliny, no nanao zavatra nahasosotra. “Nifanditra mafy” izy ireo teo am-pisakafoana hoe “iza no noheverina ho lehibe  indrindra teo aminy.” Vao avy niteny azy ireo momba an’izany anefa i Jesosy ary tsy vao voalohany tamin’izay. Mahavariana hoe tsy kizitina i Jesosy fa nalemy fanahy foana. Hentitra izy nefa tsara fanahy rehefa namerina nanazava ny toe-tsaina tokony hananan’izy ireo. Nidera an’ireo namany ireo koa izy satria nanohana azy foana izy ireo.—Lioka 22:24-28; Jaona 13:1-5, 12-15.

17 Ahoana no ho nataonao raha ianao no tratran’izany? Miezaha halemy fanahy hoatran’i Jesosy na dia miady saina aza ianao. Ankatoavy ilay didin’i Jehovah hoe: “Mahaiza foana mifampizaka.” (Kol. 3:13) Hankatò an’izany isika raha mitadidy hoe mety hahasosotra ny hafa koa ny zavatra ataontsika na tenenintsika. (Ohab. 12:18; Jak. 3:2, 5) Derao koa ny hafa amin’ny toetra tsara ananany.—Efes. 4:29.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIEZAKA HANDEFITRA FOANA?

18. Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpandefitra? Inona anefa no tokony hataon’izy ireo?

18 Hahay hanapa-kevitra kokoa isika. Hanampy antsika hanapa-kevitra i Jehovah rehefa tsy hitantsika izay hatao. Ny mpandefitra ihany anefa no ampiany. Mampanantena izy hoe hohenoiny “ny fitalahoan’ny mpandefitra.” (Sal. 10:17) Mampanantena koa ny Baiboly hoe: “Hataony izay hanarahan’ny mpandefitra ny didim-pitsarany, ary hampianariny ny lalany ny mpandefitra.” (Sal. 25:9) Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny fivoriana i Jehovah, ary koa amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny zavatra vita pirinty * ary ny video avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Isika kosa tokony hanetry tena ka hanaiky hoe mila ny fanampiany. Ampiasao àry izay fitaovana omen’i Jehovah. Ianaro izy ireny ary ampiharo izay nianaranao.

19-21. Inona ny fahadisoana nataon’i Mosesy tany Kadesy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

19 Hihena ny fahadisoana ataontsika. Eritrereto indray i Mosesy. Nandefitra foana izy nandritra ny taona maro ary nampifaly an’i Jehovah. Tsy nahavita nandefitra anefa izy indray mandeha, rehefa ho tapitra ilay 40 taona nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra. Vao avy nalevina tao Kadesy ny anabaviny, izay azo inoana fa ilay namonjy azy tany Ejipta. Mbola nimenomenona indray  ny Israelita tamin’izay hoe tsy voakarakara tsara. “Nila ady tamin’i Mosesy” izy ireo satria tsy nisy rano, hono. Nimenomenona izy ireo na dia efa be dia be aza ny fahagagana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Tsy tia tena koa i Mosesy nandritra an’ireo taona maro nitarihany azy ireo, nefa hoatran’ny te hilaza izy ireo hoe i Mosesy no nahatonga azy ireo hangetaheta.—Nom. 20:1-5, 9-11.

20 Tezitra be i Mosesy ka tsy nalemy fanahy intsony. Nasain’i Jehovah niteny tamin’ilay vatolampy izy, nefa ilay vahoaka indray no noresahiny, sady nasiaka be izy. Nolazainy fa izy koa no hanao an’ilay fahagagana. Nokapohiny indroa ilay vatolampy avy eo, dia tonga dia nisy rano niboiboika avy tao. Nentin’ny hatezerana izy sady nirehareha ka lasa nanao fahadisoana lehibe. (Sal. 106:32, 33) Vetivety fotsiny izy no tsy nandefitra, nefa izay no nahatonga azy tsy ho tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Nom. 20:12.

21 Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Voalohany, tokony hiezaka foana isika mba handefitra. Na vetivety fotsiny aza mantsy isika no tsy mandefitra, dia mety hirehareha ka hiteniteny foana sy hanaonao foana. Faharoa, tokony hiezaka mafy isika mba handefitra na dia rehefa miady saina aza, satria amin’izay indrindra no sarotra izany.

22-23. a) Nahoana isika no tokony hiezaka handefitra foana? b) Inona no tian’ny Zefania 2:3 holazaina?

22 Ho voaro isika. Tsy ho ela dia horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy, ary ny mpandefitra sisa no hijanona eto an-tany ka hiadana daholo. (Sal. 37:10, 11) Ho anisan’ireo mpandefitra ireo ianao raha manaiky an’ilay fanasana nasain’i Jehovah nosoratan’i Zefania mpaminany.—Vakio ny Zefania 2:3.

23 Nahoana ny Zefania 2:3 no miteny hoe “angamba ho voafina ianareo”? Tsy mahavita miaro ny olona tiany sy te hampifaly azy ve i Jehovah? Tsy izany mihitsy. Te hilaza izy io hoe mila manao zavatra isika vao ho voaro. Mety ho tafavoaka velona amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah” sy hiaina mandrakizay isika raha dieny izao dia miezaka handefitra sy hampifaly an’i Jehovah.

HIRA 120 Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

^ feh. 5 Tsy hoe vao teraka isika dia mahay mandefitra, fa mila ianarana ilay izy. Mety ho mora amintsika ny mandefitra amin’ny olona tsara fanahy, fa mety ho sarotra kosa izany raha manambony tena ilay olona. Horesahintsika ato hoe rahoviana no sarotra ny mandefitra, ary inona no azontsika atao mba hahavitana an’izany.

^ feh. 3 FANAZAVANA: Fandeferana. Tsara fanahy ny olona mandefitra rehefa mifandray amin’ny hafa. Malemy fanahy foana izy, na dia misy olona mampahatezitra azy aza. Fanetren-tena. Tsy mirehareha na mieboebo na mizahozaho na mihevi-tena ho ambony ny olona manetry tena, fa mihevitra ny hafa ho ambony noho izy. Rehefa i Jehovah no lazaina hoe manetry tena, dia midika izany hoe be fitiavana sy mamindra fo izy rehefa mifandray amin’ny hafa, izay ambany noho izy.

^ feh. 12 Sadraka sy Mesaka ary Abednego no anarana nomen’ny Babylonianina azy ireo.—Dan. 1:7.

^ feh. 18 Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2011.

^ feh. 59 SARY: Nifanditra ny mpianatr’i Jesosy hoe iza no lehibe indrindra teo amin’izy ireo. Nalemy fanahy sy tony foana i Jesosy rehefa nananatra azy ireo.