Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 9

Hita Amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah

Hita Amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah

“Tia ny rariny sy ny hitsiny izy. Ary heniky ny hatsaram-panahin’i [na, fitiavan’i] Jehovah ny tany.”—SAL. 33:5.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Inona no ilaintsika rehetra? b) Inona no azontsika antoka?

SAMY te hahatsapa hoe tiana isika rehetra. Tiantsika koa raha manao ny rariny amintsika ny olona. Ahoana raha tsy dia mahatsapa hoe tiana ny olona iray, na iharan’ny tsy rariny foana? Mety hieritreritra izy hoe tsy misy azo antenaina intsony sady tsy misy ilana azy.

2 Fantatr’i Jehovah hoe te ho tiana isika, ary tiantsika raha manao ny rariny amintsika ny olona. (Sal. 33:5) Afaka matoky isika fa tena tia antsika Andriamanitra ary tsy tiany iharan’ny tsy rariny isika. Hita amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy izany. Tsy misy mpitia ve ianao na iharan’ny tsy rariny ka malahelo mafy? Diniho tsara àry ny Lalàn’i Mosesy * dia ho hitanao ao hoe tena tia ny vahoakany i Jehovah.

3. a) Araka ny hazavain’ny Romanina 13:8-10, inona no ho hitantsika rehefa mianatra ny Lalàn’i Mosesy isika? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliana ato?

3 Lasa hitantsika hoe be fitiavana i Jehovah Andriamanitsika rehefa mianatra ny Lalàn’i Mosesy isika. (Vakio ny Romanina 13:8-10.) Hijery lalàna vitsivitsy isika ato ary hamaly an’ireto fanontaniana ireto: Nahoana no lazaina fa ny fitiavana no fototry ny Lalàna? Nahoana no mampirisika ny olona hanao ny rariny ny Lalàna? Ahoana no tokony hampiharan’ny  manam-pahefana ny Lalàna? Iza no tena narovan’ny Lalàna? Hampahery antsika ny valin’ireo fanontaniana ireo ary hanome fanantenana antsika sy hahatonga antsika ho akaiky an’ilay Raintsika be fitiavana.—Asa. 17:27; Rom. 15:4.

LALÀNA MIORINA AMIN’NY FITIAVANA

4. a) Nahoana no azo lazaina hoe miorina amin’ny fitiavana ny Lalàn’i Mosesy? b) Inona avy ny lalàna nasongadin’i Jesosy, rehefa jerena ny Matio 22:36-40?

4 Azo lazaina hoe miorina amin’ny fitiavana ny Lalàn’i Mosesy satria fitiavana foana no mahatonga an’i Jehovah hanao zavatra. (1 Jaona 4:8) Didy roa, raha ny marina, no nataon’i Jehovah fototr’io Lalàna io: Tiavo Andriamanitra ary tiavo ny namanao. (Lev. 19:18; Deot. 6:5; vakio ny Matio 22:36-40.) Tsy mahagaga àry raha ahitana taratry ny fitiavan’i Jehovah daholo ireo lalàna 600 mahery ao. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy.

5-6. Tian’i Jehovah hanao ahoana ny mpivady, ary inona no hitany? Manomeza porofo.

5 Aza mivadika amin’ny vadinao ary karakarao tsara ny zanakao. Tian’i Jehovah hifankatia be mandritra ny androm-piainany ny mpivady. (Gen. 2:24; Mat. 19:3-6) Anisan’ny zavatra ratsy indrindra vitan’ny olona iray amin’ny vadiny izany manitsakitsa-bady izany. Izany no mahatonga ny didy fahafito amin’ny Didy Folo handrara ny fanitsakitsaham-bady. (Deot. 5:18) Manota “amin’Andriamanitra” izay manao an’izany sady mandratra ny fon’ny vadiny. (Gen. 39:7-9) Mety haharitra taona maro mihitsy ny ratram-pon’ilay vadiny.

6 Hitan’i Jehovah tsara ny fomba ifampitondran’ny mpivady. Ny vehivavy no tena tiany ho voakarakara tsara. Tia ny vadiny ny lehilahy nanaja ny Lalàna, ary tsy hisaraka aminy noho ny antony tsy dia misy dikany. (Deot. 24:1-4; Mat. 19:3, 8) Raha nisy olana lehibe anefa ka hisaraka izy, dia tsy maintsy nomeny taratasy fisaraham-panambadiana ilay vehivavy. Io taratasy io no niaro an’ilay vehivavy raha nisy nanendrikendrika azy ho nijangajanga. Toa nila niresaka tamin’ny anti-panahin’ny tanàna anefa ilay lehilahy alohan’ny hanomezana an’ilay taratasy ho an’ilay vehivavy. Afaka manampy azy mivady tsy hisaraka ny anti-panahy, amin’izay. Rehefa nisy lehilahy israelita nisaraka tamin’ny vadiny satria tia tena, dia tsy nosakanan’i Jehovah foana akory izany, ohatra hoe tamin’ny alalan’ny anti-panahy na mpaminany. Hitany anefa ny ranomason’ilay vehivavy ary tsapany ny fahoriany.—Mal. 2:13-16.

(Fehintsoratra 7-8) *

7-8. a) Nandidy ny ray aman-dreny hanao inona i Jehovah? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.) b) Inona no lesona raisintsika?

7 Hita amin’ilay Lalàna koa hoe tian’i Jehovah ho faly sy tsy hanana ahiahy ny ankizy. Tiany hifandray tsara aminy sy hahazo izay ilainy ny ankizy ka nodidiany ny ray aman-dreny mba hanampy azy ireo amin’izany. Tokony hanararaotra ny fotoana rehetra ny ray aman-dreny mba hanampiana azy ireo ho tia an’i Jehovah sy hampianarana azy ireo momba ny Lalàny. (Deot. 6:6-9; 7:13) Anisan’ny nahatonga an’i Jehovah hanasazy ny Israelita ny zavatra nahatsiravina nataon’ny ray aman-dreny sasany tamin’ny zanany. (Jer. 7:31, 33) Tsy tokony hoheverin’ny ray aman-dreny ho toy ny fananana ny zanany ka hoe azony ampijalina na tsy raharahaina. Tokony hoheveriny ho lova sy fanomezana avy amin’i Jehovah kosa izy ireo ka tokony hotiaviny sy holalainy.—Sal. 127:3.

8 Lesona: Jeren’i Jehovah tsara hoe hoatran’ny ahoana no ifampitondran’ny mpivady. Tiany ho tia zanaka ny ray aman-dreny  ary hotsarainy izy ireo raha tsy manao an’izany.

9-11. Nahoana i Jehovah no nanome lalàna momba ny fitsiriritana?

9 Aza mitsiriritra. Te hahazo zavatr’olona ny olona mitsiriritra. Mandrara an’izany ny didy farany amin’ny Didy Folo. (Deot. 5:21; Rom. 7:7) Nomen’i Jehovah an’io lalàna io ny mpanompony satria tiany hiaro ny fony, izany hoe ny eritreriny sy ny fihetseham-pony ary ny fomba fisainany. Fantany mantsy hoe manomboka any an-tsaina sy any am-po ny fanaovan-dratsy. (Ohab. 4:23) Raha mikolokolo eritreri-dratsy any am-pony, ohatra, ny Israelita iray, dia azo inoana hoe hahavanon-doza. Izany no nahazo an’i Davida Mpanjaka. Tsara toetra izy tamin’ny ankapobeny. Nisy fotoana anefa izy nitsiriritra vadin’olona ka nanota. (Jak. 1:14, 15) Nijangajanga izy dia niezaka nanarontsarona an’izany, ary namono ny vadin’ilay vehivavy.—2 Sam. 11:2-4; 12:7-11.

10 Mahita ny any am-po i Jehovah ka fantany raha vao nisy Israelita nitsiriritra. (1 Tan. 28:9) Te hilaza io lalàna io hoe tokony hesorin’ny Israelita ao an-tsainy izay eritreritra mety hahatonga azy hanao ratsy. Tsy hitanao amin’izany ve hoe mahay i Jehovah sady Ray be fitiavana?

11 Lesona: Tsy izay miseho eny ivelany fotsiny no hitan’i Jehovah amin’ny olona fa ny any am-pony koa. (1 Sam. 16:7) Hitany daholo na ny eritreritra, na ny fihetseham-po, na ny atao. Mitady an’izay tsara ao am-pontsika izy ary tiany hitombo izany. Tiany ho tonga saina isika raha vao mitady hieritreritra zava-dratsy ary tiany hifehy an’izany haingana, dieny mbola tsy manao ratsy.—2 Tan. 16:9; Mat. 5:27-30.

LALÀNA NAMPIRISIKA NY OLONA HANAO NY RARINY

12. Inona no hita avy amin’ny Lalàn’i Mosesy?

12 Hita avy amin’ny Lalàn’i Mosesy koa hoe tia rariny i Jehovah. (Sal. 37:28; Isaia 61:8) Nanao ny rariny izy ary izy no modely tsara indrindra amin’izany. Notahiny ny Israelita rehefa nankatò ny lalàny. Nijaly kosa izy ireo rehefa tsy niraharaha ny fitsipiny ara-drariny. Manaporofo an’izany ny lalàna roa hafa ao amin’ny Didy Folo.

13-14. Inona no notakin’ny didy roa voalohany amin’ny Didy Folo, ary inona ny soa noraisin’ny Israelita rehefa nankatò an’izany?

13 Manompoa an’i Jehovah irery ihany. Takin’ny lalàna roa voalohany amin’ny Didy Folo hoe i Jehovah irery no tompoin’ny Israelita ary tsy tokony hanompo sampy izy ireo. (Eks. 20:3-6) Tsy hoe i Jehovah no nandray soa tamin’ireo didy ireo fa ny vahoakany. Rehefa tsy nivadika taminy izy ireo dia sambatra sady nilamina ny fiainany. Nijaly kosa izy ireo rehefa nanompo ny andriamanitry ny firenen-kafa.

14 Eritrereto, ohatra, ny Kananita. Sampy tsy manan’aina no notompoiny fa tsy ilay tena Andriamanitra velona. Nanambany ny tenany àry izy ireo. (Sal. 115:4-8) Rehefa nanompo sampy izy ireo dia nanao zavatra vetaveta sy naharikoriko ary nanao sorona zazakely. Nanambany tena sy nampijaly ny fianakaviany koa àry ny Israelita rehefa tsy niraharaha an’i Jehovah fa nanompo sampy. (2 Tan. 28:1-4) Ny manam-pahefana teo amin’ny Israelita indray lasa tsy niraharaha ny fitsipik’i Jehovah momba ny rariny, ka nanararaotra ny fahefany sy nanao tsindry hazo lena. (Ezek. 34:1-4) Efa nampitandrina i Jehovah hoe hampihatra ny didim-pitsarany amin’izay nampijaly ny zaza amam-behivavy tsy nisy mpiahy izy.  (Deot. 10:17, 18; 27:19) Notahiny kosa ny vahoakany rehefa tsy nivadika taminy sy nanao ny rariny.—1 Mpanj. 10:4-9.

Tian’i Jehovah isika ary fantany rehefa miaritra ny tsy rariny (Fehintsoratra 15)

15. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah?

15 Lesona: Tsy i Jehovah no tokony homena tsiny raha tsy manaraka ny fitsipiny ny olona sasany milaza fa manompo azy ka lasa mijaly ny vahoakany. Tian’i Jehovah isika ary malahelo izy rehefa mahita antsika miaritra ny tsy rariny. Mihoatra lavitra noho ny alahelon’ny reny mahita ny zanany mijaly izany. (Isaia 49:15) Na dia tsy manao zavatra eo no ho eo aza i Jehovah, dia tsy maintsy hotsarainy amin’ny fotoana mety izay manao ny tsy rariny nefa tsy mibebaka.

AHOANA NO TOKONY HAMPIHARANA NY LALÀNA?

16-18. Nihatra tamin’ny inona avy ny Lalàn’i Mosesy? Inona ny lesona raisintsika?

16 Nihatra tamin’ny zavatra be dia be teo amin’ny fiainan’ny Israelita ny Lalàn’i Mosesy, ka tena tokony hanao ny rariny ny anti-panahy rehefa nitsara. Izy ireo no niandraikitra ny raharaha mifandray amin’ny fivavahana amin’i Jehovah sady nitsara ny heloka bevava sy ny zavatra madinika kokoa. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy.

17 Tsy hoe novonoina foana izay Israelita nahafaty olona. Nila nanadihady tsara an’izay nitranga aloha ny anti-panahy, izay vao nanapa-kevitra hoe tokony homelohina ho faty izy sa tsia. (Deot. 19:2-7, 11-13) Nitsara raharaha isan-karazany koa ny anti-panahy. Notsarain’izy ireo daholo na olona miady fananana na mpivady miady. (Eks. 21:35; Deot. 22:13-19) Inona no vokany rehefa nanao ny rariny ny anti-panahy ary nankatò ny Lalàna ny Israelita? Nandray soa izy rehetra ary nahazo voninahitra i Jehovah.—Lev. 20:7, 8; Isaia 48:17, 18.

18 Lesona: Zava-dehibe amin’i Jehovah izay rehetra ataontsika isan’andro. Tiany hanao ny rariny sy ho be fitiavana isika rehefa mifandray amin’ny hafa. Hitany daholo koa izay lazaintsika sy ataontsika, na dia ao an-trano aza isika ka tsy misy mahita.—Heb. 4:13.

19-21. a) Ahoana no tokony hitondran’ny anti-panahy sy ny mpitsara ny vahoakan’Andriamanitra fahiny? b) Nahoana ny Lalàn’i Mosesy no niaro ny Israelita? Inona ny lesona raisintsika?

19 Tsy tian’i Jehovah hanao ratsy hoatran’ny firenena hafa ny firenen’Israely. Tiany raha tsy miangatra ny anti-panahy sy ny mpitsara rehefa nampihatra ny Lalàna. Tsy tokony hasiaka izay nitsara, fa tokony ho tia ny rariny.—Deot. 1:13-17; 16:18-20.

20 Mangoraka ny vahoakany i Jehovah. Nametraka ny Lalàna àry izy mba hiarovana azy ireo amin’ny tsy rariny, ohatra hoe mba tsy hisian’ny olona meloka ho nanao zavatra tsy nataony akory. Nanan-jo hahafantatra an’izay nitory azy ny olona iray. (Deot. 19:16-19; 25:1) Tokony hisy vavolombelona roa  koa, fara fahakeliny, izay izy vao azo nomelohina. (Deot. 17:6; 19:15) Ahoana indray raha nisy nanao heloka bevava nefa vavolombelona iray ihany no nahita azy? Tsy tokony hieritreritra mihitsy izy hoe ho afa-maina. Hitan’i Jehovah mantsy ny nataony. Raha ny teo amin’ny fianakaviana indray, dia nomena fahefana ny raim-pianakaviana, nefa voafetra ihany izany. Anjaran’ny anti-panahy mantsy ny nandamina ny adim-pianakaviana sasany ary izy ireo no nanapa-kevitra farany.—Deot. 21:18-21.

21 Lesona: Rariny daholo izay ataon’i Jehovah ary izy no modely tsara indrindra amin’izany. (Sal. 89:14) Mamaly soa an’izay mankatò ny fitsipiny izy, ary manasazy an’izay manararaotra fahefana. (2 Sam. 22:21-23; Ezek. 9:9, 10) Hoatran’ny hoe afa-maina ny olona sasany manao ratsy. Hampihatra ny rariny aminy anefa i Jehovah amin’ny fotoana mety. (Ohab. 28:13) Raha tsy mibebaka ilay olona, dia ho hitany hoe mampatahotra izany “azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona” izany.—Heb. 10:30, 31.

IZA NO TENA NAROVAN’NY LALÀNA?

Tokony ho tia olona sy hanao ny rariny hoatran’i Jehovah ny anti-panahy rehefa nandamina olana (Fehintsoratra 22) *

22-24. a) Iza no tena narovan’ny Lalàna, ary inona no ianarantsika momba an’i Jehovah? b) Inona ny fampitandremana ao amin’ny Eksodosy 22:22-24?

22 Izay tsy nisy mpiahy no tena narovan’ny Lalàna, ohatra hoe ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny. Izao no nolazaina tamin’ny mpitsara tao Israely: “Aza manao fitsarana miangatra amin’ny mpivahiny na ny kamboty ray. Ary aza alaina ho antoka  ny akanjon’ny mpitondratena.” (Deot. 24:17) Nitsinjo manokana an’izay tsy nisy mpiahy i Jehovah, ary nosaziny izay nampijaly azy ireny.—Vakio ny Eksodosy 22:22-24.

23 Noraran’ny Lalàna koa ny firaisana amin’olom-pady mba hiarovana ny mpianakavy. (Lev. 18:6-30) Tsy nampaninona ny firenena manodidina io fanao io ary neken’izy ireo mihitsy aza. Tokony hitovy hevitra amin’i Jehovah anefa ny vahoakany, ka hihevitra an’izany ho zava-maharikoriko.

24 Lesona: Rehefa misy olona omen’i Jehovah andraikitra, dia tiany hokarakarain’izy ireo tsara izay eo ambany fiandraiketany. Halany ny firaisana amin’olom-pady. Tiany harovana sy hampiharana ny rariny koa ny rehetra, indrindra fa izay tsy misy mpiahy.

“ALOKY NY ZAVATRA TSARA HO AVY” NY LALÀNA

25-26. a) Nahoana no mitovy amin’ny vatana sy fofonaina ny fitiavana sy ny rariny? b) Inona no horesahin’ny tohin’ity andian-dahatsoratra ity?

25 Tsy velona ny vatana raha tsy misy fofonaina, ary tsy afaka mandeha irery ny fofonaina fa mila vatana. Tsy afa-misaraka toy izany koa ny fitiavana sy ny rariny. Raha miaiky isika hoe ara-drariny foana izay ataon’i Jehovah amintsika, dia ho tia azy kokoa isika. Rehefa tia azy sy ny fitsipiny ara-drariny indray isika, dia lasa tia olona sy manao ny rariny amin’izy ireo.

26 Nanampy ny Israelita hifandray tsara tamin’i Jehovah ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy. Nosoloana zavatra tsara kokoa anefa ny Lalàna taorian’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary tsy nila nankatò azy io intsony ny mpanompon’Andriamanitra. (Rom. 10:4) Nilaza ny apostoly Paoly hoe “aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàna. (Heb. 10:1) Horesahin’ny tohin’ity andian-dahatsoratra ity any aoriana kely hoe inona ny sasany amin’ireo zavatra tsara ireo, ary nahoana no zava-dehibe ny fitiavana sy ny rariny eo amin’ny fiangonana.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

^ feh. 5 Ity no voalohany amin’ny andian-dahatsoratra miresaka hoe nahoana isika no afaka matoky fa tia sy mikarakara antsika i Jehovah. Hivoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey 2019 ny lahatsoratra telo ambiny. Ireto avy no hodinihina amin’izay: Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe be fitiavana sy manao ny rariny izy eo anivon’ny fiangonana? Ahoana no ampisehoany an’ireo toetra ireo amin’ny olona nisy nametaveta? Ahoana no azontsika ampaherezana an’ireo nisy nametaveta tamin’ny mbola kely?

^ feh. 2 FANAZAVANA: Antsoina hoe “ny Lalàna” na “ny Lalàn’i Mosesy” ireo lalàna 600 mahery nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy. Matetika koa no antsoina hoe ny Lalàna ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, izany hoe ny Genesisy ka hatramin’ny Deoteronomia. Ny Soratra Hebreo manontolo koa indraindray no tiana holazaina amin’izy io.

^ feh. 60 SARY EO AMIN’NY FONONY: Faly i Jehovah rehefa tia ny zanany ny ray aman-dreny sady nitaiza sy nampianatra azy ireo. Tiany koa raha tsy natahotra ny ankizy fa nahazo aina tsara

SARY: Vehivavy israelita mikarakara sakafo sady faly miresaka amin’ny zanany vavy. Erỳ aoriana ny vadiny mampiofana ny zanany lahy hiandry ondry.

^ feh. 64 SARY: Manampy mpitondratena iray sy ny zanany ny anti-panahy eo am-bavahadin’ny tanàna, satria nampijalin’ny mpivarotra izy mianaka.