Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 LAHATSORATRA FIANARANA 8

Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao

Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao

“Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.”—KOL. 3:15.

HIRA 46 Misaotra, Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no nampisehoan’ny Samaritanina iray hoe nankasitraka ny nataon’i Jesosy izy?

NISY lehilahy folo kivy be satria boka. Tsy nanantena intsony izy ireo hoe ho sitrana. Tazany lavitra anefa i Jesosy indray mandeha. Henon’izy ireo hoe mahavita manasitrana ny karazan’aretina rehetra io Mpampianatra Lehibe io, ary nino izy ireo hoe hahavita hanasitrana azy ireo koa izy. Niantsoantso àry izy ireo hoe: “Ry Jesosy Mpampianatra ô, mba iantrao izahay!” Nositranin’i Jesosy tokoa izy ireo. Azo antoka fa nankasitraka an’izany izy rehetra. Ny iray tamin’izy ireo anefa sady nankasitraka * an’i Jesosy no nampiseho an’izany taminy. Samaritanina io lehilahy io. Tsy tanany ny fihetseham-pony ka te hidera an’Andriamanitra “tamin’ny feo avo” izy.—Lioka 17:12-19.

2-3. a) Inona no mety hahatonga antsika hanadino hankasitraka ny hafa? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Tiantsika haseho amin’ny olona tsara fanahy amintsika koa hoe mankasitraka azy isika, hoatran’ny nataon’ilay Samaritanina. Hadinontsika anefa indraindray ny misaotra na manao zavatra ho an’ilay olona.

3 Hodinihintsika ato hoe nahoana no tena ilaina ny miteny sy manao zavatra rehefa mankasitraka olona. Hijery tantaran’ny olona sasany ao amin’ny Baiboly koa isika. Nisy tamin’izy ireo nahay nankasitraka ary nisy tsy nahay. Ho hitantsika  koa hoe inona no azontsika atao mba hampisehoana hoe mankasitraka ny hafa isika.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HAMPISEHO HOE ANKASITRAHANTSIKA NY HAFA?

4-5. Nahoana isika no tokony hampiseho hoe mankasitraka ny hafa?

4 Modely ho antsika i Jehovah satria tena mahay mankasitraka. Ahoana no ampisehoany an’izany? Mamaly soa an’ireo olona ankasitrahany, ohatra, izy. (2 Sam. 22:21; Sal. 13:6; Mat. 10:40, 41) Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba “hanahaka an’Andriamanitra ... amin’ny maha zanaka malala” antsika. (Efes. 5:1) Izany no tena mahatonga antsika hampiseho fankasitrahana. Tokony hanahaka an’i Jehovah isika.

5 Misy antony hafa koa anefa. Azo oharina amin’ny sakafo matsiro ny hoe mankasitraka. Mahafinaritra kokoa ilay izy rehefa ifampizarana. Hoatr’izany koa fa mahafaly antsika ny mahatsapa hoe misy mankasitraka isika. Tiantsika ho faly koa ny olon-kafa avy eo ka asehontsika aminy hoe mankasitraka azy isika. Fantany mantsy hoe tena nilaintsika ilay zavatra nomeny na nataony fa tsy hoe very maina. Vao mainka isika hifankatia amin’izay.

6. Inona no mampitovy ny teny fisaorana sy ny paoma volamena?

6 Hoy ny Baiboly: “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” (Ohab. 25:11) Tianao ve raha mahazo an’izany paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy izany ianao? Tsara tarehy be izany sady lafo be. Sarobidy hoatr’izany ny teny fisaorana ataonao. Tsy izay ihany, fa maharitra ela be ny paoma volamena. Rehefa misy olona isaoranao koa, dia mety ho tadidiny foana izany mandra-pahafatiny.

 OLONA NAHAY NANKASITRAKA

7. Araka ny Salamo 27:4, ahoana no nataon’i Davida mba hampisehoana hoe nankasitraka an’i Jehovah izy? Ary ahoana no nataon’ny mpanao salamo hafa?

7 Be dia be ny mpanompon’Andriamanitra nampiseho hoe nahay nankasitraka, anisan’izany i Davida. (Vakio ny Salamo 27:4.) Sarobidy be taminy ny fivavahana marina ary nasehony tamin’ny nataony izany. Nanome be dia be tamin’ny fananany izy mba hanorenana ny tempoly. Ny taranak’i Asafa indray nanoratra salamo, na hira fiderana, mba hampisehoana ny fankasitrahany. Nisaotra an’i Jehovah izy ireo tao amin’ny hira iray, sady niaiky hoe “mahagaga” ny asan’i Jehovah. (Sal. 75:1) Samy te hankasitraka an’i Jehovah àry na i Davida na ny taranak’i Asafa, satria nahazo fitahiana be dia be izy ireo. Inona no azonao atao mba hanahafana azy ireo?

Inona no ianarantsika rehefa jerena ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina? (Fehintsoratra 8-9) *

8-9. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly hoe nankasitraka ny mpiara-manompo taminy izy, ary azo antoka hoe inona no vokatr’izany?

8 Nankasitraka an’ireo rahalahy sy anabavy ny apostoly Paoly, ary nasehony izany rehefa niresaka momba azy ireo izy. Rehefa nivavaka irery izy, dia nisaotra an’i Jehovah foana hoe manana azy ireo. Rehefa nanoratra ho azy ireo koa izy, dia nosoratany tao hoe nankasitrahany izy ireo. Nanonona anarana mpiara-manompo 27, ohatra, izy ao amin’ny Romanina 16:1-15. Tadidiny tsara hoe “nanao vivery ny ainy” i Priska sy Akoila. Tadidiny koa hoe “mpiaro olona maro” i Foiby, ary anisan’ny narovany i Paoly. Tiany ireo rahalahy sy anabavy niasa mafy ireo ary noderainy.

9 Fantatr’i Paoly hoe tsy lavorary ny mpiara-manompo taminy. Rehefa namarana ny taratasiny ho an’ny Romanina anefa izy, dia naleony niresaka momba ny toetra tsaran’izy ireo. Tsy maintsy hoe nampahery be an’ireo rahalahy sy anabavy ireo ny naheno ny teny fideran’i Paoly, rehefa novakina tamin’ny fiangonana ilay taratasy. Azo antoka fa lasa mpinamana kokoa tamin’i Paoly izy ireo. Ianao koa ve zatra mampiseho amin’ny mpiara-mivory aminareo hoe mankasitraka ny zavatra ataony na lazainy?

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nampisehoan’i Jesosy fankasitrahana?

10 Nasehon’i Jesosy hoe nankasitraka ny asa nataon’ny mpanara-dia azy tany amin’ny fiangonana sasany tany Azia Minora izy. Rehefa nanomboka ny teniny ho an’ny fiangonan’i Tyatira, ohatra, izy dia nilaza hoe: “Fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa be kokoa noho ny tany aloha ny nataonao tatỳ aoriana.” (Apok. 2:19) Noderain’i Jesosy izy ireo satria nanana toetra tsara maromaro nahatonga azy ireo hanao zavatra tsara. Nolazainy koa hoe nihabetsaka ny asa nataon’izy ireo. Marina hoe nila nanarina ny olona sasany tao Tyatira, nefa nampahery be ny nanombohany sy namaranany ny hafatra ho azy ireo. (Apok. 2:25-28) Eritrereto ange izany e! Manana fahefana be i Jesosy satria izy no lohan’ny fiangonana. Tsy voatery hisaotra antsika izy rehefa misy asa ataontsika ho azy. Asehony anefa hoe mankasitraka antsika izy. Tena ohatra tsara ho an’ny anti-panahy izany!

OLONA TSY NAHAY NANKASITRAKA

11. Ahoana no niheveran’i Esao ny zava-masina, araka ny Hebreo 12:16?

11 Mampalahelo fa tsy nahay nankasitraka ny olona sasany resahin’ny Baiboly. Tsy nankasitraka zava-masina, ohatra, i Esao, nefa mba tia sy nanaja an’i Jehovah ihany ny ray aman-dreniny. (Vakio ny Hebreo 12:16.) Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Izy no tokony hahazo ny zon’ny lahimatoa, nefa  maika erỳ izy hivarotra an’izany tamin’ny zandriny, sady izay indray lantihy iray vilia fotsiny no takalony! (Gen. 25:30-34) Nanenina tongotra aman-tanana izy tatỳ aoriana. Tsy nisy antony tokony hitarainany anefa rehefa tsy nahazo an’ilay fitahiana tokony ho an’ny lahimatoa izy, satria izy no tsy nahay nankasitraka an’izay nananany.

12-13. Inona no mampiseho hoe tsy nahay nankasitraka ny Israelita, ary inona no vokany?

12 Nanana antony be dia be hankasitrahana an’i Jehovah ny Israelita. Nandefa Loza Folo i Jehovah mba hanafahana azy ireo tsy ho andevo tany Ejipta. Novonjen’Andriamanitra izy ireo avy eo, rehefa naringany tao amin’ny Ranomasina Mena ny tafika ejipsianina manontolo. Tena nankasitraka an’i Jehovah ny Israelita ka nanao hira fiderana ho azy. Nahay nankasitraka foana ve anefa izy ireo?

13 Vetivety dia hadinon’ny Israelita ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo rehefa nisy olana vaovao. Tsy nahay nankasitraka intsony izy ireo. (Sal. 106:7) “Nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ... ny vahoaka manontolo” tamin’izay. Nimenomenona tamin’i Jehovah anefa izy ireo raha ny marina. (Eks. 16:2, 8) Diso fanantenana i Jehovah satria tsy nahay nankasitraka ny vahoakany. Nilaza izy, tatỳ aoriana, hoe i Josoa sy Kaleba ihany no tsy ho faty any an-tany efitra tamin’ireo Israelita ireo. (Nom. 14:22-24; 26:65) Tsy te hanao hoatran’ireo olona tsy nahay nankasitraka ireo isika. Inona àry no azontsika atao raha te hahay hankasitraka isika?

ASEHOY HOE MAHAY MANKASITRAKA IANAO

14-15. a) Inona no azon’ny mpivady atao mba hampisehoana hoe mahay mankasitraka izy ireo? b) Ahoana no azo ampianarana ny ankizy hahay hankasitraka?

14 Amin’ny mpianakavy. Mandray soa daholo ny mpianakavy rehefa samy mahay mankasitraka. Vao mainka ny mpivady hifankatia rehefa mahay mankasitraka. Ho mora amin’izy ireo koa ny hifamela heloka. Raha mankasitraka ny vadiny ny lehilahy, dia hahita ny zavatra tsara ataony sy teneniny, ary ‘hitsangana ka hidera azy.’ (Ohab. 31:10, 28) Ny vehivavy hendry indray milaza zavatra voafaritra tsara rehefa misaotra ny vadiny.

15 Ry ray aman-dreny, inona no azonareo atao mba hahatonga ny zanakareo hahay hankasitraka? Tadidio hoe izay ataonareo sy lazainareo ihany no hotahafiny. Isaory àry izy rehefa manao zavatra ho anareo. Ampianaro  koa izy hiteny hoe “misaotra” rehefa misy olona manao zavatra ho azy. Ataovy azony tsara hoe tokony hisaotra amin’ny fony izy, ary misy vokany tsara amin’ny olona izany. Izao, ohatra, no notantarain’ny vehivavy iray atao hoe Clary: “Lasa nitaiza irery anay telo mianadahy i Neny, tamin’izy 32 taona. Rehefa feno 32 taona aho, dia azoko hoe mafy ny niainany tamin’izany. Nolazaiko taminy àry hoe tena misaotra azy aho satria nahafoy zavatra be dia be izy mba hitaizana anay telo. Vao haingana izy no nilaza tamiko hoe tiany be iny zavatra noteneniko iny. Matetika, hono, izy no mieritreritra an’iny dia faly be foana.”

Ampianaro hahay hankasitraka ny zanakao (Fehintsoratra 15) *

16. Milazà fitantarana mampiseho hoe mampahery ny hafa isika rehefa asehontsika aminy hoe ankasitrahantsika izy.

16 Amin’ny mpiara-mivory. Mampahery ny mpiara-manompo amintsika isika rehefa mampiseho hoe ankasitrahantsika izy ireo. Narary mafy, ohatra, i Jorge, anti-panahy 28 taona. Tsy afaka nivory izy nandritra ny iray volana. Mbola tsy afaka nanao anjara izy na dia rehefa niverina nivory aza. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe tsy nisy nilana ahy intsony satria tsy vitako ny andraikitro tao amin’ny fiangonana. Rehefa vita ny fivoriana indray mandeha izay, dia nilaza tamiko ny rahalahy iray hoe: ‘Misaotra fa modely ho anay mianakavy ianao hatramin’izay. Tena tianay ireny lahateny nataonao tato anatin’ny taona vitsivitsy ireny. Nanatanjaka ny finoanay ireny.’ Nihetsi-po be aho dia latsaka ny ranomasoko. Izay teniny izay mihitsy no nilaiko.”

17. Ahoana no hampiharantsika ny Kolosianina 3:15 ka hampiseho amin’i Jehovah hoe mankasitraka azy?

17 Amin’Andriamanitra. Malala-tanana i Jehovah satria manome antsika sakafo ara-panahy be dia be. Mahazo toromarika tsara isika, ohatra hoe any am-pivoriana, any anaty gazety, na ao amin’ny tranonkalantsika. Nisy fotoana ve ianao nihaino lahateny, na namaky lahatsoratra, na nijery video dia nieritreritra hoe natao ho anao mihitsy ilay izy? Ahoana no azonao ampisehoana amin’i Jehovah hoe mankasitraka azy ianao? (Vakio ny Kolosianina 3:15.) Mivavaha tsy tapaka ary isaory izy noho ireny zavatra tsara omeny ireny.—Jak. 1:17.

Tena mahay mankasitraka isika raha manadio Efitrano Fanjakana (Fehintsoratra 18)

18. Ahoana no azontsika ampisehoana hoe sarobidy amintsika ny Efitrano Fanjakana?

18 Misy fomba hafa koa ampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika. Tokony hataontsika madio sy milamina foana ny toeram-pivoriantsika. Mila manadio sy mikoja koja Efitrano Fanjakana foana, ohatra, isika. Tokony hitandrina koa ny rahalahy rehefa mikarakara ny fitaovana fandefasana feo sy video. Tsy ho mora simba ny Efitrano Fanjakana sady tsy dia hila fanamboarana be raha voakojakoja tsara. Ho betsaka kokoa amin’izay ny vola azo ampiasaina hanorenana sy hanavaozana Efitrano Fanjakana any an-toeran-kafa.

19. Inona no nianaranao avy amin’izay nitranga tamin’ny mpiandraikitra ny faritra iray sy ny vadiny?

19 Amin’izay miasa mafy ho antsika. Mety hiova ny fiheveran’ny olona iray ny olana atrehiny rehefa lazaintsika aminy hoe ankasitrahantsika izy. Eritrereto izay nitranga tamin’ny mpiandraikitra ny faritra iray sy ny vadiny. Ririnina ny andro tamin’izay. Reraka be izy ireo fa avy nanompo tontolo andro. Nangatsiaka loatra ilay anabavy dia nentiny natory ilay akanjoba be nanaovany. Niteny tamin’ny vadiny izy ny ampitso maraina hoe hoatran’ny tsy ho vitany intsony ny asa fitetezam-paritany. Nisy taratasy tonga, kelikely taorian’izay. Avy any amin’ny biraon’ny sampana ilay izy ary ho an’ilay anabavy. Nidera azy izy ireo satria mazoto manompo izy sady miaritra. Noresahina tao amin’ilay taratasy koa hoe fantatr’izy ireo fa tena mafy izany mifindrafindra trano isan-kerinandro izany. Hoy ilay rahalahy: “Faly be mihitsy ny vadiko rehefa nahazo an’iny taratasy iny, dia tsy nitaraina intsony hoe te hiala amin’ny asa fitetezam-paritany. Izy indray aza no nampahery ahy isaky ny nitady hijanona aho.” Efa ho 40 taona izy mivady ireo no nitety faritany.

20. Tokony hiezaka hanao inona ianao isan’andro, ary nahoana?

20 Enga anie hasehonao amin’izay lazainao sy ataonao isan’andro hoe mahay mankasitraka ianao! Tsy mahay mankasitraka ny ankamaroan’ny olona amin’izao, ka zavatra kely na teny kely vokatry ny fo fotsiny dia mety hanampy olona iray hiatrika ny olana sy adin-tsaina zakainy isan’andro. Mety ho lasa mpinamana mandrakizay koa ianareo. Ary ny zava-dehibe indrindra dia hoe hanahaka an’i Jehovah, ilay Raintsika malala-tanana sy tia mankasitraka, ianao raha manao an’izany.

HIRA 20 Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

^ feh. 5 Inona no azontsika ianarana avy amin’i Jehovah sy Jesosy ary ny boka iray momba ny fankasitrahana? Handinika an’izay nataon’izy ireo sy ny olon-kafa isika ato. Hojerentsika koa hoe nahoana isika no tokony hampiseho ny fankasitrahantsika ary ahoana no azontsika anaovana an’izany.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Fihetseham-po ny hoe mankasitraka. Mankasitraka olona na zavatra iray isika, raha miaiky hoe sarobidy ilay olona na ilay zavatra.

^ feh. 55 SARY: Vakina amin’ny fiangonana romanina ny taratasin’i Paoly; faly erỳ i Akoila, Priska, Foiby, ary ny olon-kafa satria voatonona tao ny anarany.

^ feh. 57 SARY: Vehivavy mampianatra ny zanany hahay hankasitraka an’ilay anabavy be taona, izay modely ho azy ireo.