Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Febroary 2018

Miezaha Hanam-pinoana sy Hankatò toa An’i Noa sy Daniela ary Joba

Miezaha Hanam-pinoana sy Hankatò toa An’i Noa sy Daniela ary Joba

‘Ny tenany ihany no ho voavonjin’i Noa sy Daniela ary Joba noho ny fahamarinany.’—EZEK. 14:14.

HIRA: 89, 119

1, 2. a) Nahoana no mampahery antsika ny ohatra navelan’i Noa sy Daniela ary Joba? b) Hoatrahoatran’ny ahoana ny zava-nisy tamin’i Ezekiela nanoratra ny Ezekiela 14:14?

MIARITRA ny mafy ve ianao izao satria marary na sahirana ara-bola na enjehina? Tsy mahafaly anao ve indraindray ny manompo an’i Jehovah? Raha izany no tsapanao, dia hampahery anao ny ohatra navelan’i Noa sy Daniela ary Joba. Tsy lavorary izy ireo, ary betsaka amin’ny olana mahazo antsika no efa natrehiny. Nisy fotoana aza izy ireo efa saika maty. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy ireo. Nanam-pinoana sy nankatò azy izy ireo, ka asainy tahafintsika.—Vakio ny Ezekiela 14:12-14.

2 I Ezekiela no nanoratra an’ireo teny ao amin’ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity, tamin’izy tany Babylonia tamin’ny 612 T.K. * (Ezek. 1:1; 8:1) Noravana i Jerosalema tsy ela taorian’izay, tamin’ny  607 T.K. Vitsy ny olona nanam-pinoana sy nankatò an’i Jehovah toa an’i Noa sy Daniela ary Joba, ka tafavoaka velona. (Ezek. 9:1-5) Anisan’izany i Jeremia, Baroka, Ebeda-meleka, ary ny Rekabita.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hoatr’izany koa no hitranga rehefa horinganina ity tontolo ity. Izay heverin’i Jehovah ho olo-marina hoatran’i Noa sy Daniela ary Joba ihany no ho tafavoaka velona. (Apok. 7:9, 14) Andeha àry hofantarintsika hoe nahoana no nolazain’i Jehovah fa nanao ny marina izy telo lahy ireo, ka tokony hatao modely. Hodinihintsika hoe inona no olana nahazo ny tsirairay tamin’izy ireo, ary ahoana no ampisehoantsika fa manam-pinoana sy mankatò an’i Jehovah toa azy ireo isika.

NANAM-PINOANA SY NANKATÒ NANDRITRA NY 900 TAONA MAHERY I NOA

4, 5. Inona no olana nahazo an’i Noa, ary nahoana no tena miavaka ny fiaretany?

4 Inona no olana natrehin’i Noa? Efa lasa ratsy fanahy be ny olona tamin’ny andron’i Enoka, dadan’ny dadaben’i Noa. Nilaza “teny manafintohina” hanoherana an’i Jehovah mihitsy aza izy ireo. (Joda 14, 15) Nihanitombo ny herisetra ka lasa nameno ny tany izany tamin’ny andron’i Noa. Nanao paozin’olombelona ny anjely, dia nanambady vehivavy tetỳ an-tany. Nahery setra sy ratsy fanahy be ny zanak’izy ireo. (Gen. 6:2-4, 11, 12) Hafa mihitsy anefa i Noa. ‘Tsy nisy tsiny izy teo amin’ny mpiara-belona taminy. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy, ary nankasitrahany.’—Gen. 6:8, 9.

5 Inona no ianarantsika avy amin’ireo teny ireo? Voalohany, tsy nivadika tamin’i Jehovah i Noa talohan’ny Safodrano, na dia ratsy fanahy aza ny mpiara-belona taminy. Tsy hoe nandritra ny 70 na 80 taona monja no nanaovany an’izany, fa efa ho 600 taona be izao. (Gen. 7:11) Faharoa, tsy mba nisy fiangonana na mpiara-manompo afaka nampahery azy tamin’izany, tsy hoatran’ny amin’izao andro izao. Na ny iray tam-po taminy aza toa tsy azony nantenaina hanohana azy. *

6. Ahoana no ahalalantsika fa be herim-po i Noa?

6 Tsy nieritreritra i Noa hoe ampy ny manao ny tsara. “Mpitory ny fahamarinana” koa izy, ary sahy niresaka tamin’ny olona hoe mino an’i Jehovah. (2 Pet. 2:5) Nilaza ny apostoly Paoly hoe ny finoan’i Noa no “nanamelohany an’izao tontolo izao.” (Heb. 11:7) Tsy mahagaga raha nisy naneso sy nanohitra izy. Mety ho nisy nandrahona hikasi-tanana azy mihitsy aza. Tsy natahotra olona anefa i Noa. (Ohab. 29:25) Hitan’i Jehovah hoe nanam-pinoana izy ka nampiany mba ho be herim-po.

7. Inona no olana natrehin’i Noa rehefa nasaina nanao sambofiara izy?

7 Nasain’i Jehovah nanorina sambofiara hamonjena ny olona sy ny biby i Noa tatỳ aoriana. Efa niara-nandeha tamin’Andriamanitra nandritra ny 500 taona mahery izy tamin’izay. (Gen. 5:32; 6:14) Azo antoka fa nieritreritra i Noa hoe ho sarotra ny hanamboatra an’izany sambofiara goavam-be izany. Fantany koa fa vao mainka haneso sy hanohitra azy ny olona rehefa mahita azy manamboatra an’ilay izy. Nanam-pinoana anefa izy ka nankatò. “Izany indrindra no nataony.”—Gen. 6:22.

8. Inona no manaporofo fa natoky i Noa hoe hikarakara azy mianakavy i Jehovah?

8 Tsy mora tamin’i Noa koa ny namelom-bady aman-janaka. Sarotra be mantsy ny namboly talohan’ny Safodrano, ka tsy maintsy niasa mafy ny olona vao nahazo sakafo. Azo inoana fa tsy maintsy nanao an’izany koa i Noa. (Gen. 5:28, 29) Tsy variana nikarakara ny ankohonany anefa izy. Marina fa mety ho 40 na 50 taona vao vita ilay sambofiara. Ny fanompoana an’i Jehovah foana anefa no zava-dehibe indrindra taminy, nandritra an’ izany sy nandritra an’ireo 350 taona taorian’ny Safodrano. (Gen. 9:28) Tena nanam-pinoana sy nankatò izy, ka modely ho antsika!

9, 10. a) Ahoana no ampisehoantsika fa manam-pinoana sy mankatò toa an’i Noa isika? b) Inona no azonao atokisana raha mankatò ny fitsipik’i Jehovah ianao?

9 Ahoana no ampisehoantsika hoe manam-pinoana sy mankatò toa an’i Noa isika? Mila manohana ny fiheveran’i Jehovah ny atao hoe tsara isika, miezaka tsy ho anisan’ny tontolon’i Satana, ary manao loha laharana an’ilay Fanjakana foana. (Mat. 6:33; Jaona 15:19) Marina fa tsy tian’ity tontolo ity isika, satria manao an’izany. Manaratsy antsika, ohatra, ny haino aman-jery any amin’ny tany sasany, noho isika tapa-kevitra hanaraka an’izay lazain’Andriamanitra momba ny fanambadiana sy ny firaisana. (Vakio ny Malakia 3:17, 18.) Manahaka an’i Noa anefa isika, ka i Jehovah no atahorantsika fa tsy ny olona. Fantatsika fa izy irery ihany no afaka manome antsika fiainana mandrakizay.—Lioka 12:4, 5.

10 Eritrereto àry hoe: ‘Hanao ny sitrapon’i Jehovah foana ve aho, na dia misy maneso na manakiana aza? Matoky ve aho hoe hanome izay ilainay mianakavy izy, na dia rehefa tena sarotra aza ny fiainana?’ Matokia fa hikarakara anao i Jehovah, raha manahaka an’i Noa ianao ka manam-pinoana sy mankatò azy.—Fil. 4:6, 7.

NANAM-PINOANA SY NANKATÒ I DANIELA NA DIA BETSAKA AZA NY RATSY FANAHY

11. Inona no olana lehibe natrehin’i Daniela sy ny namany telo lahy tany Babylona? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 Inona no olana natrehin’i Daniela? Natao sesitany tany Babylona izy. Mpanompo sampy be anefa ny Babylonianina sady tia nampiasa herin’ny maizina. Tsy tia Jiosy koa ry zareo, ka naneso azy ireo sy Jehovah Andriamaniny. (Sal. 137:1, 3) Azo antoka fa tena nampalahelo an’i Daniela sy ny Jiosy hafa tia an’i Jehovah izany. Maro koa ny olona nandinika an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria namany. Nampiofanina hiasa ho an’ny mpanjaka mantsy izy ireo. Na ny sakafo nomena azy ireo aza efa voafidy tsara. Tsy nety nihinana an’izany anefa i Daniela, satria nisy zavatra tsy navelan’i Jehovah nohanina tamin’ilay izy. Tsy te “handoto ny tenany tamin’ny hanim-py fihinan’ny mpanjaka” izy.—Dan. 1:5-8, 14-17.

12. a) Inona no toetra tsara nananan’i Daniela? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah azy?

12 Mety ho nisy fisedrana hafa nahazo an’i Daniela koa, ary tsy tonga dia hita hoe mety hanahirana ilay izy. Nahay be mantsy izy dia lasa nahazo tombontsoa manokana. (Dan. 1:19, 20) Raha tsy nitandrina izy, dia mety ho lasa nanambony tena na nieritreritra hoe ny heviny foana no marina. Nanetry tena foana anefa izy ary niaiky fa voafetra ny zavatra hainy. Nekeny foana koa hoe i Jehovah no nanampy azy. (Dan. 2:30) Mbola tanora i Daniela dia efa nasain’i Jehovah natao modely toa an’i Noa sy Joba. Tena natoky azy i Jehovah, ary tsy diso izy nanao an’izany. Tsy nivadika taminy sy nankatò azy foana mantsy i Daniela mandra-pahafatiny. Toa efa ho 100 taona izy rehefa niteny taminy ny anjelin’i Jehovah hoe: “Ry Daniela ô, tena tiana ianao.”—Dan. 10:11.

13. Inona no mety ho antony nahatonga an’i Daniela hahazo toerana ambony?

13 Nampian’i Jehovah i Daniela ka lasa manam-pahefana ambony tao amin’ny Fanjakana Babylonianina, ary tatỳ aoriana tao amin’ny Fanjakana Medianina-Persianina. (Dan. 1:21; 6:1, 2) Nataon’i Jehovah angamba izay hahazoan’i Daniela an’io toerana io, amin’izay i Daniela afaka miaro ny Jiosy. * (Dan. 2:48) Hoatr’izany no nitranga tamin’i Josefa tany Ejipta, ary tamin’i Estera sy Mordekay tany Persa. Azo antoka fa nampahery be an’i Ezekiela sy ny Jiosy hafa tany an-tsesitany ny nahita hoe nampiasa an’i Daniela i Jehovah mba hanampiana azy ireo.

Tena tian’i Jehovah izay tsy mivadika aminy (Fehintsoratra 14, 15)

14, 15. a) Nahoana no azo lazaina hoe mitovy amin’ny an’i Daniela ny zavatra iainantsika? b) Inona no azo ianarana avy amin’ny ray aman-drenin’i Daniela?

 14 Ahoana no ampisehoantsika hoe manam-pinoana sy mankatò toa an’i Daniela isika? Mamitaka an’ity tontolo ity i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, izay antsoina koa hoe “fonenan’ny demonia.” (Apok. 18:2) Betsaka àry ny olona ratsy fitondran-tena, ary maro no lasa any amin’ny fivavahan-diso. Isika kosa toy ny mpivahiny. Hitan’ny olona hoe miavaka isika, dia lasa maneso antsika izy ireo. (Mar. 13:13) Mila manahaka an’i Daniela anefa isika, ka mifandray akaiky amin’i Jehovah. Ho tena tiany sy ho sarobidy aminy koa isika raha manetry tena sy mankatò ary matoky azy.—Hag. 2:7.

15 Misy zavatra azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny ray aman-drenin’i Daniela. Azo antoka fa nampianatra azy momba an’i Jehovah izy ireo. (Ohab. 22:6) Mbola kely mantsy i Daniela dia efa tia an’i Jehovah, na dia ratsy toetra aza ny ankamaroan’ny olona tao Joda. Tsy tongatonga ho azy izany. Na ny anaran’i Daniela aza dia efa ahitana hoe natahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny. Ny hoe Daniela mantsy dia midika hoe “Andriamanitra no Mpitsara Ahy.” Manàna àry faharetana rehefa mampianatra ny zanakao. Aza mieritreritra mihitsy hoe efa tsy misy antenaina intsony ny aminy. (Efes. 6:4) Miaraha mivavaka aminy ary mivavaha ho azy. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatonga azy ho tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia tena hotahin’i Jehovah ianao.—Sal. 37:5.

NANAM-PINOANA SY NANKATÒ FOANA I JOBA NA NAHANTRA NA NANANKARENA

16, 17. Inona no tsy maintsy niezahan’i Joba tamin’izy nanankarena sy tamin’izy nijaly?

16 Inona no olana natrehin’i Joba? Nisy fiovana be teo amin’ny fiainany. Izy no “nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra”, talohan’izy niatrika fitsapana. (Joba 1:3) Tena nohajain’ny olona koa izy, ary tsy nisy izay tsy nahalala azy. (Joba 29:7-16) Mety ho nahatonga azy hanambony tena izany, na nahatonga azy hieritreritra hoe tsy mila an’Andriamanitra izy. Tsy nanao an’izany anefa izy. Niantso azy hoe ‘mpanompony’ i Jehovah sady nilaza hoe: “Lehilahy tsy manan-tsiny izy, sady marina sy matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy.”—Joba 1:8.

17 Nitsimbadika tampoka anefa ny fiainan’i Joba. Lasa nahantra faraidiny izy, ary namoy fo tanteraka. Fantatsika hoe i Satana no nahatonga an’izany. Nilaza izy fa nitady tombontsoa fotsiny i Joba matoa nanompo an’i Jehovah. (Vakio ny Joba 1:9, 10.) Tsy hoe tsy noraharahain’i Jehovah izany fanendrikendrehana  izany. Navelany hanaporofo i Joba hoe tsy mivadika aminy ary tena tia azy matoa manompo azy.

18. a) Inona no tena mampiaiky anao rehefa mieritreritra momba an’i Joba ianao? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa mandinika an’izay nataony tamin’i Joba isika?

18 Nampijaly an’i Joba i Satana, ary tsy indray mandeha fa imbetsaka. Lasa nieritreritra i Joba hoe Andriamanitra no nanisy ratsy azy. (Joba 1:13-21) Nisy lehilahy telo niseho ho namany koa, nefa nanao teny maharary taminy. Nanao ratsy, hono, i Joba dia nosazin’Andriamanitra. (Joba 2:11; 22:1, 5-10) Tsy nivadika mihitsy anefa i Joba. Marina fa niteniteny foana izy indraindray. (Joba 6:1-3) Fantatr’i Jehovah anefa fa kivy sy nalahelo izy matoa nirediredy. Hitany koa hoe tsy niala taminy mihitsy i Joba, na dia nampijalijalin’i Satana sy nendrikendrehiny imbetsaka aza. Rehefa nifarana àry ny fitsapana an’i Joba, dia nataon’i Jehovah avo roa heny noho ny taloha ny fananany. Nampitomboiny 140 taona koa ny androm-piainany. (Jak. 5:11) Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo foana i Joba nandritra an’izany fotoana rehetra izany. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Satria efa taona maro taorian’ny nahafatesany no nosoratana ny Ezekiela 14:14.

19, 20. a) Inona no hataontsika raha manam-pinoana sy mankatò toa an’i Joba isika? b) Ahoana no ampisehoantsika hoe mahay mangoraka toa an’i Jehovah isika?

19 Ahoana no ampisehoantsika hoe manam-pinoana sy mankatò toa an’i Joba isika? Tokony ho i Jehovah foana no hataontsika loha laharana, na mandeha tsara ny fiainantsika na misy olana. Mila matoky azy tanteraka sy mankatò azy amin’ny fo manontolo isika. Manana antony betsaka kokoa hanaovana an’izany isika, raha oharina amin’i Joba. Mahafantatra tsara kokoa an’i Satana sy ny tetika ampiasainy mantsy isika izao. (2 Kor. 2:11) Fantatsika hoe nahoana Andriamanitra no mamela antsika hijaly, ary anisan’ny manampy antsika hahalala an’izany ny bokin’i Joba. Fantatsika koa hoe fitondrana tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no mpanjakan’izy io. Izany no ianarantsika ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Dan. 7:13, 14) Fantatsika fa tsy ho ela io fitondrana io dia hanafoana ny fijaliana rehetra.

20 Ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Joba koa fa mila mangoraka an’ireo mpiara-manompo miatrika olana isika. Mety hiteniteny foana toa an’i Joba izy ireny indraindray. (Mpito. 7:7) Tsy tokony hitsaratsara azy ireny anefa isika, fa hiezaka hahatakatra ny manjo azy ka hangoraka azy. Raha manao an’izany isika, dia manahaka an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana sy mamindra fo.—Sal. 103:8.

“HAMPAHATANJAKA” ANAO I JEHOVAH

21. Nahoana ny 1 Petera 5:10 no mampahatsiahy antsika ny fiainan’i Noa sy Daniela ary Joba?

21 Tsy nitovy ny fotoana nahaveloman’i Noa sy Daniela ary Joba. Samy hafa be koa ny zavatra niainany. Samy niaritra anefa izy ireo rehefa tojo zava-tsarotra. Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny apostoly Petera ireto ny tantaran’izy ireo: “Rehefa avy nijaly vetivety ... ianareo, dia ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no hamita ny fampiofanana anareo, sy hanamafy orina anareo, ary hampahatanjaka anareo.”—1 Pet. 5:10.

22. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Manome toky antsika i Jehovah ao amin’io 1 Petera 5:10 io fa hanampy antsika ho mafy orina sy hatanjaka. Samy maniry an’izany daholo isika, sady tsy te hivadika. Enga anie àry isika ka hanam-pinoana sy hankatò toa an’i Noa sy Daniela ary Joba. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa nahafantatra tsara an’i Jehovah izy ireo, ary izany no tena nanampy azy ireo tsy hivadika. ‘Nahalala ny zava-drehetra’ notakin’i Jehovah taminy izy ireo. (Ohab. 28:5) Afaka ny hahalala an’i Jehovah hoatr’izany koa isika.

^ feh. 2 Tamin’ny 617 T.K. i Ezekiela no natao sesitany. “Tamin’ny taona fahenina” nanaovana sesitany azy izy no nanoratra ny Ezekiela 8:1–19:14, izany hoe tamin’ny 612 T.K.

^ feh. 5 Natahotra an’Andriamanitra i Lameka, dadan’i Noa. Maty anefa izy dimy taona teo ho eo talohan’ny Safodrano. Na mbola teo aza ny maman’i Noa sy ny iray tam-po taminy rehefa nanomboka ny Safodrano, dia toa tsy nanompo an’i Jehovah izy ireo matoa tsy tafavoaka velona.

^ feh. 13 Mety ho izany koa no nahatonga an’ireo naman’i Daniela telo lahy ho lasa manam-pahefana.—Dan. 2:49.