Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Febroary 2018

Mahafantatra Tsara An’i Jehovah toa An’i Noa sy Daniela ary Joba ve Ianao?

Mahafantatra Tsara An’i Jehovah toa An’i Noa sy Daniela ary Joba ve Ianao?

“Tsy mahazo ny dikan’ny hoe rariny ny olona tia manao ratsy, fa mahalala ny zava-drehetra kosa izay mitady an’i Jehovah.”—OHAB. 28:5.

HIRA: 126, 150

1-3. a) Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy, amin’izao andro farany izao? b) Inona no hodinihintsika ato?

EFA hifarana izao ny andro farany, ary vao mainka “mitsiry tahaka ny ahitra” ny ratsy fanahy. (Sal. 92:7) Tsy mahagaga raha betsaka ny olona tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Inona àry no hanampy antsika ho “zaza bodo raha ny amin’ny faharatsiana”, fa ho “olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina”?—1 Kor. 14:20.

2 Mamaly an’izany ny andinin-teny fototra amin’ity lahatsoratra ity. Voalaza eo hoe “izay mitady an’i Jehovah” dia “mahalala ny zava-drehetra”, izany hoe izay rehetra ilaina mba hampifaliana azy. (Ohab. 28:5) Milaza koa ny Ohabolana 2:7, 9 hoe “hitahiry fahendrena ho an’ny olo-mahitsy” i Jehovah, ka ho takatr’izy ireo “ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana, eny, izay tsara rehetra.”

3 Nomen’i Jehovah an’izany fahendrena izany i Noa sy Daniela ary Joba. (Ezek. 14:14) Hoatr’izany koa ny mpanompony amin’izao. Ary ianao? Mila mahafantatra tsara an’i Jehovah ianao, raha  te ‘hahalala ny zava-drehetra’ ilaina mba hampifaliana azy. Hovaliantsika ato àry ireto: 1) Ahoana no nahalalan’i Noa sy Daniela ary Joba an’Andriamanitra? 2) Inona no soa noraisin’izy ireo avy tamin’izany? 3) Inona no hanampy antsika hanam-pinoana toa azy ireo?

NIARA-NANDEHA TAMIN’ANDRIAMANITRA FOANA I NOA

4. Inona no nanampy an’i Noa hahalala an’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany taminy?

4 Ahoana no nahalalan’i Noa an’i Jehovah? Hatramin’izay nisian’ny olombelona, dia ireto no tena nanampy ny mpanompon’i Jehovah hahafantatra azy: Mandinika ny zavaboary, mihaino an’ireo efa mpanompony, ary mankatò ny fitsipiny sy ny toro lalany dia mahatsapa hoe mandray soa. (Isaia 48:18) Azo inoana fa rehefa nandinika ny zavaboary i Noa, dia nahita porofo be dia be hoe tena misy Andriamanitra. Tsy maintsy hoe lasa nahafantatra ny toetrany koa izy, anisan’izany “ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy.” (Rom. 1:20) Tsy hoe nino fotsiny àry i Noa hoe misy Andriamanitra, fa lasa natoky tanteraka azy koa.

5. Ahoana no nahalalan’i Noa ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona?

5 Ny finoana dia “avy amin’izay re.” (Rom. 10:17) Azo inoana hoe nandre momba an’i Jehovah i Noa rehefa niresaka taminy ny havany. Anisan’izany i Lameka rainy. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) Nanam-pinoana i Lameka, ary mbola velona i Adama tamin’ny androny. Anisan’izany koa i Metosela dadaben’i Noa, sy Jareda dadaben’i Metosela. Niara-belona tamin’i Noa nandritra ny 366 taona i Jareda. * (Lioka 3:36, 37) Toa ireo lehilahy ireo sy ny vadin’izy ireo no nahalalan’i Noa hoe ahoana no nampisy ny olombelona. Izy ireo koa angamba no nahafantarany hoe tian’i Jehovah ho feno olo-marina ny tany sy hoe nikomy i Adama sy Eva. Hitan’i Noa tsara ny vokatr’izany fikomiana izany. (Gen. 1:28; 3:16-19, 24) Nanohina ny fon’i Noa ny zavatra fantany, ka lasa nanompo an’i Jehovah izy.—Gen. 6:9.

6, 7. Inona avy no nantenain’i Noa ka nanatanjaka ny finoany?

6 Manatanjaka finoana ny fanantenana. Azo antoka fa nihanatanjaka ny finoan’i Noa, rehefa fantany fa manome fanantenana ny anarany. Toa midika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana” mantsy ny hoe Noa. (Gen. 5:29, f.a.p.) Nasain’i Jehovah nanoratra toy izao momba azy i Lameka: “Izy no hitondra fampiononana ho antsika. Ilaintsika mantsy izany satria ... misasatra isika noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.” Nanantena i Noa fa hovan’i Jehovah ho tsara kokoa ny fiainana. Toa an’i Abela sy Enoka, dia nino izy hoe hisy taranaka hanorotoro ny lohan’ilay menarana.—Gen. 3:15.

7 Mety ho tsy nazava tamin’i Noa ny tsipiriany rehetra tamin’io faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 io. Azo antoka anefa fa nahatonga azy hanantena izy io hoe hifarana ny fijaliana. Mitovy amin’io faminaniana io ny hafatra notorin’i Enoka. Nilaza izy fa horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy. (Joda 14, 15) Azo antoka fa nampitombo ny finoan’i Noa sy ny fanantenany ilay hafatra notorin’i Enoka. Ho tanteraka amin’ny fomba feno izy io amin’ny Hara-magedona.

8. Nahoana no azo lazaina hoe voaro i Noa noho izy nahalala tsara an’Andriamanitra?

8 Inona no soa noraisin’i Noa noho izy nahalala tsara an’Andriamanitra? Lasa nanana finoana sy fahendrena izy. Niaro azy izany ary nisakana azy tsy hanao izay hampalahelo an’i Jehovah. Tsy nifanerasera tamin’ny olona tsy tia an’i Jehovah izy, ohatra, satria “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” Tsy voafitak’ireo demonia tonga teto an-tany izy. Azo antoka fa nahavariana ny olona izy  ireny satria natanjaka be. Voafitaka izy ireo, ary angamba lasa nanompo an’ireo demonia mihitsy. (Gen. 6:1-4, 9) Fantatr’i Noa koa fa ny olombelona no nasain’i Jehovah hiteraka sy hameno ny tany. (Gen. 1:27, 28) Fantany àry hoe tsy mety ny nataon’ireo anjely rehefa nanao firaisana tamin’ireo vehivavy teto an-tany izy ireo. Vao mainka niaiky an’izany izy, rehefa hitany fa tsy mba hoatran’ny ankizy hafa ny zanak’izy ireny. Nampahafantarin’i Jehovah an’i Noa tatỳ aoriana hoe hampisy safodrano izy. Nino azy i Noa, dia nanao sambofiara ka voavonjy izy mianakavy.—Heb. 11:7.

9, 10. Inona no azontsika atao raha te hanam-pinoana toa an’i Noa isika?

9 Inona no hanampy antsika hanam-pinoana toa an’i Noa? Tokony hianatra tsara ny Baiboly isika, ho tia an’izay ianarantsika ao, ary hamela an’izany hanova antsika sy hitari-dalana antsika amin’izay safidy ataontsika. (1 Pet. 1:13-15) Hanana finoana sy fahendrena isika amin’izay, ka ho voaro amin’ny tetik’i Satana sy ny toe-tsain’ity tontolo ity. (2 Kor. 2:11) Mahery setra sy ratsy fitondran-tena ny olona manana an’io toe-tsaina io, ary tsy mieritreritra afa-tsy izay hanatanterahana ny faniriany. (1 Jaona 2:15, 16) Tsy raharahain’izy ireo hoe efa akaiky ny andron’i Jehovah. Mety ho hoatr’izany koa isika, raha tsy manana finoana matanjaka. Tadidio izay noresahin’i Jesosy tamin’izy nilaza hoe toy ny tamin’ny andron’i Noa ny androntsika. Tsy niresaka herisetra na fitondran-tena ratsy izy tamin’izay, fa nampitandrina antsika mba tsy ho variana ka tsy hanompo an’i Jehovah intsony.—Vakio ny Matio 24:36-39.

10 Eritrereto àry hoe: ‘Hita eo amin’ny fiainako ve fa tena mahalala an’i Jehovah aho? Manam-pinoana ve aho ka manaraka ny fitsipiny sady mampianatra ny olona hankatò azy ireny?’ Enga anie ka ho hita amin’ny valin-teninao hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’ toa an’i Noa ianao.

NANANA FAHENDRENA AVY AMIN’I JEHOVAH I DANIELA

11. a) Inona no azo antoka fa nataon’ny ray aman-drenin’i Daniela, matoa izy tena tia an’Andriamanitra? b) Inona no tianao hotahafina amin’i Daniela?

11 Ahoana no nahalalan’i Daniela an’i Jehovah? Azo antoka hoe nampianatra azy ho tia an’i Jehovah sy ny Teniny ny ray aman-dreniny. Tao amin’i Daniela foana izany fitiavana izany. Na efa antitra aza izy dia mbola nazoto nandalina ny Soratra Masina. (Dan. 9:1, 2) Nahalala tsara an’i Jehovah izy, anisan’izany izay nataony ho an’ny Israelita. Manaporofo an’izany ny vavaka vokatry ny fo sy feno fanetren-tena nataony, ao amin’ny Daniela 9:3-19. Makà fotoana kely hamakiana sy hisaintsainana azy io, ary eritrereto hoe inona no ianaranao momba an’i Daniela.

12-14. a) Inona no porofo fa nomen’i Jehovah fahendrena i Daniela? b) Inona no fitahiana azon’i Daniela noho izy be herim-po sy tsy nivadika?

12 Inona no soa noraisin’i Daniela noho izy nahalala tsara an’Andriamanitra? Tsy mora tamin’ny Jiosy ny nanompo an’i Jehovah tany Babylona, satria mpanompo sampy be ny mponina tany. Nilaza tamin’ny Jiosy, ohatra, i Jehovah hoe: “Katsaho izay hampiadana an’ilay tanàna nandefasako sesitany anareo.” (Jer. 29:7) Nilaza koa anefa izy hoe izy irery ihany no tokony hotompoin’izy ireo amin’ny fo manontolo. (Eks. 34:14) Ahoana no nahavitan’i Daniela nankatò an’ireo didy roa ireo? Nomen’i Jehovah fahendrena izy, ka azony hoe i Jehovah aloha no tokony hankatoavina izay vao ny manam-pahefana. Izany koa no nampianarin’i Jesosy, taona maro tatỳ aoriana.—Lioka 20:25.

13 Nisy didy nivoaka indray mandeha hoe mandritra ny iray volana, dia tsy misy mahazo mivavaka na manao fangatahana amin’andriamanitra na amin’olona, afa-tsy amin’ny mpanjaka ihany. (Vakio ny Daniela 6:7-10.) Afaka nilaza i Daniela hoe: ‘Izay iray volana!’ Ny fanompoany an’i Jehovah anefa no zava-dehibe  kokoa taminy noho ny didin’ny mpanjaka. Marina fa afaka nivavaka tany amin’ny takontakona izy, dia tsy nisy nahita. Raha nanao an’izany anefa izy, dia mety ho nieritreritra ny olona hoe tsy nanompo an’i Jehovah intsony izy. Efa fantatr’olona mantsy ny fahazarany. Mbola nivavaka hoatran’ny fanaony isan’andro àry i Daniela, na dia mety ho faty aza izy vokatr’izany.

14 Notahin’i Jehovah i Daniela satria be herim-po sy tsy nivadika taminy. Nanao fahagagana izy, dia tsy nohanin’ny liona i Daniela. Lasa nahafantatra an’i Jehovah koa ny olona tany amin’ny faritra rehetra tao amin’ny Fanjakana Medianina-Persianina.—Dan. 6:25-27.

15. Inona no azontsika atao raha te hanam-pinoana toa an’i Daniela isika?

15 Inona no hanampy antsika hanam-pinoana toa an’i Daniela? Tsy ampy ny mamaky Baiboly, raha te hanana finoana matanjaka. Mila “mahazo ny heviny” koa isika. (Mat. 13:23) Tiantsika ho fantatra ny hevitr’i Jehovah, anisan’izany ny toro lalany. Mila misaintsaina an’izay vakintsika àry isika. Tena ilaina koa ny mivavaka matetika sy amin’ny fo, indrindra rehefa misy olana. Homen’i Jehovah fahendrena sy hery be dia be isika, raha mangataka an’izany aminy sady matoky hoe hamaly antsika izy.—Jak. 1:5.

NAMPIHATRA NY TORO LALAN’I JEHOVAH FOANA I JOBA

16, 17. Ahoana no nahatonga an’i Joba hahalala tsara an’Andriamanitra?

16 Ahoana no nahalalan’i Joba an’i Jehovah? Tsy Israelita i Joba, fa havany lavitra i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Nampahafantarin’i Jehovah azy ireo ny momba azy sy ny fikasany ho an’ny olombelona. Lasa fantatr’i Joba koa ny ankamaroan’ny zavatra fantatr’izy ireo. Tsy haintsika fotsiny ny fomba nahalalany an’izany. (Joba 23:12) Nilaza izy hoe nandre momba an’i Jehovah. (Joba 42:5) I Jehovah koa niteny hoe nilaza ny marina momba azy i Joba.—Joba 42:7, 8.

Hatoky kokoa an’i Jehovah isika rehefa mandinika ny zavaboariny ka lasa mahafantatra ny toetrany (Fehintsoratra 17)

17 Be dia be koa ny toetran’i Jehovah lasa fantatr’i Joba, rehefa nandinika ny zavaboary izy. (Joba 12:7-9, 13) Niresaka momba ny zavaboary i Eliho sy Jehovah tatỳ aoriana, mba hampahatsiahivana an’i Joba hoe tsinontsinona ny olombelona raha oharina amin’Andriamanitra. (Joba 37:14; 38:1-4) Nanohina ny fon’i Joba ny tenin’i Jehovah, ka nanetry tena izy sady nilaza hoe: “Fantatro izao fa mahay manao ny zava-drehetra ianao, ary tsy misy fikasana tsy hainao tanterahina. ...  Mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”—Joba 42:2, 6.

18, 19. Inona no porofo fa tena nahalala an’i Jehovah i Joba?

18 Inona no soa noraisin’i Joba noho izy nahalala tsara an’Andriamanitra? Azon’i Joba tsara ny toro lalan’i Jehovah. Tena nahalala an’i Jehovah izy, ary nandrisika azy hanao ny tsara izany. Fantany, ohatra, fa tsy mety ny milaza hoe tia an’Andriamanitra nefa ratsy fanahy amin’ny olona. (Joba 6:14) Tsy nanambony tena izy fa nitady izay hahasoa ny rehetra, na ny manankarena na ny mahantra. Niaiky izy hoe: “Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy?” (Joba 31:13-22) Tsy nieboebo na nanambany olona i Joba, na dia tamin’izy mbola mpanefohefo sy nanana toerana ambony aza. Tsy hoatr’izany mihitsy ny ankamaroan’ny mpanana sy ny olona ambony amin’izao!

19 Tsy te hanompo sampy mihitsy koa i Joba. Fantany fa anisan’ny fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena. Nilaza izy hoe ‘mandà an’ilay tena Andriamanitra’ izy, raha zavatra hafa indray no zava-dehibe kokoa aminy. (Vakio ny Joba 31:24-28.) Zava-dehibe tamin’i Joba koa ny voadim-panambadiana. Nanao fifanekena tamin’ny masony mihitsy izy mba tsy hijerijery vehivavy hafa ka haniry hanao firaisana aminy. (Joba 31:1) Tena mahavariana izany satria mbola navelan’Andriamanitra hanambady maro ny lehilahy tamin’izany. Azon’i Joba natao ny naka vady faharoa raha izay no tiany. * Mety ho efa fantany anefa hoe lehilahy iray sy vehivavy iray no nataon’i Jehovah nivady tany Edena, ka izay no narahiny. (Gen. 2:18, 24) Nilaza koa i Jesosy, 1 600 taona teo ho eo tatỳ aoriana, fa vehivavy iray ihany no tokony ho vadin’ny lehilahy iray ary ny mpivady ihany no mahazo manao firaisana.—Mat. 5:28; 19:4, 5.

20. Nahoana isika no lasa mahay mifidy namana sy fialam-boly, rehefa mahalala tsara an’i Jehovah sy ny fitsipiny?

20 Inona no hanampy antsika hanam-pinoana toa an’i Joba? Hoatran’ny noresahintsika tetsy aloha ihany: Ilaina ny mahafantatra tsara an’i Jehovah. Tokony hampifanarahintsika amin’izay fantatsika momba azy koa ny fiainantsika manontolo. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe ‘tena halan’i Jehovah ny olona tia herisetra’, ary tsy tokony hifanerasera “amin’ny olona tsy marina” isika. (Vakio ny Salamo 11:5; 26:4.) Inona no fomba fihevitr’i Jehovah hitanao avy amin’ireo andinin-teny ireo? Inona no tokony ho vokatr’izany amin’izay heverinao ho zava-dehibe sy ny fampiasanao Internet ary ny namana sy fialam-boly fidinao? Mety ho hitanao amin’ny valin-teninao raha mahalala tsara an’i Jehovah ianao na tsia. Tsy maintsy manazatra ny ‘fahaizantsika misaina’ isika, raha tsy te ho voataonan’ity tontolo ratsy ity. Ho haintsika amin’izay ny hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Rehefa misy zavatra tiantsika hatao, dia ho fantatsika koa hoe hendry ve isika sa tsia raha manao an’ilay izy.—Heb. 5:14; Efes. 5:15.

21. Inona no hanampy antsika ‘hahalala ny zava-drehetra’ ilaina mba hampifaliana an’i Jehovah?

21 Niezaka be i Noa sy Daniela ary Joba mba hahalala tsara an’i Jehovah. Nampian’i Jehovah àry izy ireo, ka ‘nahalala ny zava-drehetra’ nilaina mba hampifaliana azy. Lasa modely ho an’ny olon-kafa izy ireo, ary nandeha tsara ny fiainany. (Sal. 1:1-3) Mahafantatra tsara an’i Jehovah hoatran’i Noa sy Daniela ary Joba àry ve ianao? Afaka ny hahalala an’i Jehovah bebe kokoa noho ry zareo mihitsy ianao. Betsaka kokoa mantsy ny zavatra nampahafantarin’i Jehovah antsika. (Ohab. 4:18) Ianaro tsara àry ny Baiboly, saintsaino izay ianaranao, ary mivavaha mba hahazo fanahy masina. Hifandray kokoa amin’ilay Rainao any an-danitra ianao amin’izay, sady hanao zavatra amim-pahendrena fa tsy ho voataonan’ity tontolo ity.—Ohab. 2:4-7.

^ feh. 5 “Niara-nandeha foana tamin’Andriamanitra” koa i Enoka, dadan’ny dadaben’i Noa. “Nalain’Andriamanitra” anefa izy, 70 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Noa.—Gen. 5:23, 24.

^ feh. 19 Hoatr’izany koa i Noa. Iray ihany ny vadiny, na dia lasa fanaon’ny olona aza ny nanambady maro taoriana kelin’ilay fikomiana tany Edena.—Gen. 4:19.