Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Febroary 2018

 TANTARAM-PIAINANA

Hain’i Jehovah ny Zava-drehetra

Hain’i Jehovah ny Zava-drehetra

NANDEHA bisy i Mairambubu vadiko indray mandeha, dia naheno vehivavy niteny hoe: “Tsy hisy intsony ny fahafatesana. Na ny maty aza ho velona indray.” Nahaliana azy ilay izy, dia te hahazo fanazavana bebe kokoa izy. Rehefa nijanona ilay bisy ka niala ny mpandeha, dia nenjehiny ilay vehivavy. Apun Mambetsadykova no anarany, ary Vavolombelon’i Jehovah izy. Nampidi-doza ny niresaka tamin’ny Vavolombelona tamin’izany. Nanova ny fiainanay anefa ny zavatra nampianarin’i Apun anay.

NIASA VAO MARAINA KA HATRAMIN’NY HARIVA

Avy amin’ny foko kirghiz izahay ary miteny kirghiz. Teraka tany amin’ny kolkhoz, tany akaikin’i Tokmok, eto Kirghizistan, aho tamin’ny 1937. Toeram-pambolena ny kolkhoz, ary ny fanjakana no nanara-maso azy ireny. Mpamboly i Dada sy Neny, ary niasa vao maraina ka hatramin’ny hariva tany amin’ny kolkhoz. Nizarana sakafo matetika ny mpamboly, fa indray mandeha isan-taona vao nomena karama. Sahirana be i Neny nikarakara ahy sy ny zandriko vavy. Dimy taona fotsiny aho no nianatra, dia nandeha niasa tontolo andro tany amin’ny kolkhoz.

Tendrombohitra Teskey Ala-Too

Nitrongy vao homana ny olona tany aminay satria nahantra be. Hoatr’izany koa izahay. Mbola tanora aho tamin’izany. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe inona no antony namoronana ny olombelona na hoe hanao ahoana ny hoavy. Tsy nampoiziko mihitsy hoe hiova ny fiainako, rehefa mahalala an’i Jehovah sy ny antony namoronany ny olombelona aho. Lasa nahafantatra an’izany koa ny olona teto Kirghizistan, ary tena mahaliana ny fomba nahafantaran’izy ireo an’izany. Tany amin’ny nisy anay, any amin’ny faritra avaratr’i Kirghizistan, no nisy nitory voalohany.

OLONA AVY NATAO SESITANY NO NITORY TATỲ

Tamin’ny 1956 no nanomboka nisy nitory momba an’i Jehovah teto Kirghizistan. Nanjaka anefa ny fampianarana kominista, satria anisan’ny Firaisana Sovietika i Kirghizistan tamin’izany. Noheverina ho fahavalon’ny fanjakana kominista ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nenjehina. Tsy nanao  politika mantsy ry zareo. (Jaona 18:36) Tsy misy fampianarana mahasakana ny Tenin’Andriamanitra tsy hanohina ny fon’ny olona anefa, rehefa tia ny fahamarinana izy. Hain’i Jehovah mantsy “ny zava-drehetra.” Anisan’ny zava-dehibe indrindra nianarako teo amin’ny fiainako izany.—Mar. 10:27.

Emil Yantzen

Lasa nihamaro ny Vavolombelona tatỳ rehefa nisy fanenjehana. Anisan’ny Firaisana Sovietika i Siberia tamin’izany, ary natao sesitany tany ny fahavalon’ny fanjakana. Maro tamin’ireo nalefa tany no nifindra tatỳ Kirghizistan rehefa nafahana, ary ny sasany tamin’izy ireny no nitory ny fahamarinana tatỳ. Anisan’izany i Emil Yantzen, izay teraka teto tamin’ny 1919. Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona izy, ary nihaona tamin’ny Vavolombelona izy tany. Nanaiky ny fahamarinana izy ary nody tamin’ny 1956. Lasa nipetraka tany akaikin’i Sokuluk, ilay faritra niaviako, izy. Lasa nisy fiangonana tany tamin’ny 1958, ary io no fiangonana voalohany teto Kirghizistan.

Victor Vinter

Nifindra tany Sokuluk i Victor Vinter, herintaona teo ho eo taorian’izay. Betsaka ny fisedrana nahazo azy fa tsy nivadika mihitsy izy. Indroa izy no voasazy higadra telo taona, noho izy tsy nanao politika. Nigadra folo taona indray izy avy eo, ary nalefa tany an-tsesitany dimy taona. Nihabetsaka foana anefa ny olona lasa nanompo an’i Jehovah, na teo aza ny fanenjehana.

TONGA TENY AKAIKINAY NY FAHAMARINANA

Eduard Varter

Nisy Vavolombelona 160 teo ho eo teto Kirghizistan tamin’ny 1963. Maro tamin’izy ireo no avy any Alemaina sy Ukraine ary Rosia. Anisan’izany i Eduard Varter, izay natao batisa tany Alemaina tamin’ny 1924. Nalefan’ny Nazia tany amin’ny toby fitanana izy, tamin’ny 1940 tany ho any. Taona vitsivitsy taorian’izay, dia nandefa azy tany an-tsesitany indray ny Kominista. Tsy nivadika mihitsy anefa izy. Nifindra tany Kant, akaikin’ny tanànanay, izy tamin’ny 1961.

Elizabeth Fot; Aksamai Sultanalieva

Nisy anabavy tsy nivadika koa tany Kant. Elizabeth Fot no anarany ary mpanjaitra izy. Tsara zaitra be izy, dia nampanao akanjo tany ny olona ambonimbony toy ny dokotera sy ny mpampianatra. Nampanjaitra tany koa i Aksamai Sultanalieva, vadina manam-pahefana mpiara-miasa amin’ny mpampanoa lalàna. Resaka zaitra no nalehany tany, nefa nanontanintany be izy hoe manao ahoana ny olona rehefa maty, ary inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olona. Nampiasa Baiboly i Elizabeth rehefa namaly azy. Lasa mpitory tena nazoto i Aksamai.

Nikolai Chimpoesh

Tamin’izany fotoana izany no lasa mpiandraikitra ny faritra i Nikolai Chimpoesh, avy any Moldavia. Efa ho 30 taona izy no nanao ny asan’ny faritra. Sady nitsidika fiangonana izy no niandraikitra ny fanaovana kopia sy fizarana ny bokintsika. Voamariky ny manam-pahefana anefa ny nataony. Nanoro hevitra azy àry i Eduard Varter hoe: “Rehefa misy manam-pahefana manadihady anao, dia tsory hoe avy any amin’ny foibe any Brooklyn ny bokintsika. Jereo tsara eo amin’ny masony izy. Tsy misy atahoranao azy.”—Mat. 10:19.

Voantso tany amin’ny foiben’ny polisy miafina sovietika tany Kant i Nikolai, taoriana kelin’izay. Hoy izy: “Nanontanian’ilay polisy aho hoe avy aiza ny bokintsika, dia namaly aho hoe avy any Brooklyn. Tsy hitany izay nolazaina, dia navelany nandeha fotsiny aho. Tsy nampiantso ahy intsony izy.”  Nitory foana tao amin’ilay faritra niaviako ireny Vavolombelona be herim-po ireny sady mailomailo ihany. Lasa nahalala ny marina momba an’i Jehovah ny fianakaviako tamin’ny farany. I Mairambubu no nandre voalohany ny fahamarinana, tamin’ny 1980 tany ho any.

TONGA DIA FANTANY HOE NAHITA NY MARINA IZY

Avy any amin’ny Faritr’i Naryn i Mairambubu. Nitsidika ny anabaviko izy indray andro, tamin’ny Aogositra 1974. Tamin’io izahay no nihaona voalohany. Tonga dia tiako izy, ary tamin’io andro io ihany izahay dia nivady.

Apun Mambetsadykova

Tao anaty bisy handeha hiantsena i Mairambubu indray mandeha, tamin’ny Janoary 1981. Tamin’izay izy no nahare an’ilay resaka nolazaiko tetsy am-piandohana. Te hahazo fanazavana misimisy kokoa izy, dia nanontaniany ny anaran’ilay vehivavy sy ny adiresiny. Apun, hono, no anarany. Tsy nomeny anefa ny adiresiny, fa ny anay no noraisiny. Voarara mantsy ny asan’ny Vavolombelona tamin’izany, ka mailomailo izy. Falifaly be ny vadiko rehefa tonga tao an-trano.

Hoy izy: “Naheno zavatra mahafinaritra be aho! Nisy vehivavy niteny tamiko hoe tsy ho ela dia tsy hisy olona ho faty intsony. Na ny bibidia aza ho lasa tsara fanahy.” Tsy nampino ilay izy! Niteny aho hoe: “Aleo miandry azy, dia hita eo izay lazainy.”

Tonga tany aminay i Apun, telo volana tatỳ aoriana. Niverimberina nitsidika anay ireo Vavolombelona taorian’izay. Izany no nahalalanay ny sasany tamin’ireo Kirghiz voalohany lasa Vavolombelona. Nampianatra anay ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany momba ny olombelona ireo anabavy ireo. Ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray no nampianarany anay. * Nadikanay tanana izy io, satria tsy nisy afa-tsy iray tamin’izy io tany Tokmok.

Anisan’ny zavatra voalohany nianaranay ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Hanatanteraka azy io i Jesosy, ilay Mesia sady Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mahalala an’izany daholo ny olona, ka vao mainka izahay tapa-kevitra ny hitory. (Mat. 24:14) Nanova ny fiainanay ny fahamarinana tsy ela taorian’izay.

 FIVORIANA SY BATISA NANDRITRA NY FANDRARANA

Nisy rahalahy tany Tokmok nanasa anay hanatrika mariazy. Hitanay tany hoe hafa mihitsy ny Vavolombelona. Nilamina tsara ilay fety ary tsy nisy toaka tany. Tsy hoatr’izany mihitsy ny mariazy efa nandehananay. Nanaonao foana ny olona matetika, dia mamo sady niteny ratsy.

Namonjy ny fivorian’ny Vavolombelona tao Tokmok koa izahay indraindray. Tany anaty ala ilay izy no natao rehefa tsara ny andro. Fantatr’ireo Vavolombelona hoe nanara-maso azy ireo ny polisy, dia nasiany rahalahy maromaro niambina. Tany amin’ny trano iray izay no natao ny fivoriana rehefa ririnina. Imbetsaka ny polisy no tonga tao, dia nanontany hoe inona no nataonay. Tamin’ny Jolay 1982 izahay mivady no natao batisa, tao amin’ny Renirano Chüy. Nila mailo tsara daholo izahay tamin’izay. (Mat. 10:16) Tonga tsikelikely tany anaty ala izahay satria tany no natao ny lahatenin’ny batisa. Nanao hiran’ilay Fanjakana anankiray izahay, dia avy eo nihaino an’ilay lahateny.

AFAKA NANOMPO BEBE KOKOA IZAHAY

Nisy olona iray tena liana tany Balykchy, dia nasain’izay rahalahy izay notsidihiko izy, tamin’ny 1987. Adiny efatra avy teo aminay vao tonga tany, raha nandeha lamasinina. Niverimberina nitory tany izahay mivady, dia nahita olona liana be dia be. Afaka nanompo bebe kokoa izahay tany.

Imbetsaka izahay sy Mairambubu no nankany Balykchy. Nijanona tany izahay matetika rehefa asabotsy sy alahady, dia nanompo sy nanao fivoriana. Be dia be ny olona nangataka ny bokintsika, dia nitondra boky maromaro avy tany Tokmok izahay. Nataonay tao anaty mishok, gony fasiana ovy, ilay izy. Gony roa feno boky no nentinay isam-bolana, nefa mbola tsy ampy ihany. Mbola afaka nitory koa izahay na dia tao anaty lamasinina aza, rehefa nankany Balykchy sy rehefa niverina.

Lasa nisy fiangonana tany tamin’ny 1995, valo taona taorian’ny nandehananay tany voalohany. Lafo be ny nivezivezy tany nefa ny volanay kely. Vitanay anefa ilay izy satria nisy rahalahy iray nanome vola anay matetika. Hitan’i Jehovah hoe te hanompo bebe kokoa izahay, dia nosokafany ho anay “ny vavahadin-dranon’ny lanitra.” (Mal. 3:10) Tena hain’i Jehovah ny zava-drehetra!

NANOMPO SADY NAMELONA NY ANKOHONAKO

Voatendry ho anti-panahy aho tamin’ny 1992. Izaho no anti-panahy kirghiz voalohany teto Kirghizistan. Lasa be atao izahay Fiangonana Tokmok tamin’izany. Nianatra Baiboly taminay mantsy ny tanora kirghiz maro tonga handranto fianarana tatỳ. Anisan’ny Komitin’ny Sampana izao ny iray amin’izy ireny, ary mpisava lalana manokana ny roa. Nanampy an’ireo olona tonga nivory koa izahay. Tamin’ny teny rosianina ny fivoriana sy ny boky nampiasaina tamin’izany. Nihabetsaka anefa ny Kirghiz tonga nivory, dia nandika teny ho azy ireo aho. Nanampy azy ireo hahazo kokoa ny fahamarinana izany.

Izaho sy ny vadiko ary ny valo amin’ny zanakay, tamin’ny 1989

Nihamaro koa ny zanakay sy Mairambubu, ary niezaka nitaiza tsara azy ireo izahay. Nentinay nitory sy nivory izy ireo. Vao 12 taona i Gulsayra zanakay vavy dia efa tia niresaka Baiboly tamin’ny  mpandalo. Tena tian’ny zanakay koa ny nanao tsianjery andinin-teny. Nazoto niara-niasa tamin’ny fiangonana ry zareo, ary hoatr’izany koa ny zafikelinay. Mbola velona ny 9 amin’ny zanakay sy ny 11 amin’ny zafikelinay. Ny 16 amin-dry zareo no manompo an’i Jehovah na mivory miaraka amin’ny ray aman-dreniny.

FIOVANA TENA NIAVAKA

Ho gaga ireo rahalahy sy anabavy nitory voalohany teto, raha mahita ny fiovana nitranga hatramin’izay! Lasa malalaka kokoa izahay mitory ny vaovao tsara sy manao fivoriambe, nanomboka tamin’ny 1990 tany ho any.

Izahay mivady miara-manompo

Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Alma-Ata (Almaty), any Kazakhstan, izahay mivady tamin’ny 1991. Sambany nanatrika fivoriambe izahay. Nanao fivoriambe tao amin’ny Kianjan’i Spartak, any Bichkek, koa ny rahalahy teto Kirghizistan, tamin’ny 1993. Izay vao nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tatỳ. Nanadio an’ilay kianja nandritra ny herinandro be izao ny mpitory, talohan’ilay fivoriambe. Gaga be ny mpiandraikitra an’ilay kianja, ka navelany nampiasaina maimaim-poana ilay izy.

Nisy zavatra tena niavaka koa tamin’ny 1994. Tamin’io no nivoaka ny zavatra vita pirinty voalohany tamin’ny teny kirghiz. Misy mpandika teny amin’ny teny kirghiz izao any amin’ny biraon’ny sampana any Bichkek, ka manana boky sy gazety amin’ny teny kirghiz foana izahay. Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Kirghizistan, tamin’ny 1998. Nisy fitomboana be teto ka lasa 5 000 mahery izao ny mpitory. Misy fiangonana 83 sy antoko-mpitory 25 izao eto. Mampiasa teny anglisy, kirghiz, ouïgour, ouzbek, rosianina, sinoa, tenin’ny tanana rosianina, ary tiorka izy ireo. Miara-manompo an’i Jehovah daholo ireo rahalahy sy anabavy malalantsika ireo, na dia samy hafa fiaviana aza. Tsy ho nisy ireo zavatra miavaka rehetra ireo, raha tsy teo i Jehovah.

Nanova ny fiainako koa i Jehovah. Tantsaha ny fianakaviako ary nahantra izahay. Izaho koa dimy taona ihany no nianatra. Nanampy ahy anefa i Jehovah, dia nahavita ny andraikitry ny anti-panahy aho sady nahavita nampianatra olona avara-pianarana. Mahavita zavatra tena miavaka izy! Rehefa mieritreritra ny fiainako aho, dia vao mainka te hitory momba an’i Jehovah, ilay mahay “ny zava-drehetra.”—Mat. 19:26.

^ feh. 21 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.