Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) FEBROARY 2017

 TANTARAM-PIAINANA

Naneho Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa Taminay Foana i Jehovah

Naneho Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa Taminay Foana i Jehovah

TENA tia an’Andriamanitra ny dadanay. Arthur Guest no anarany. Te ho lasa pasitera metodista izy, tamin’izy tovolahy. Niova hevitra anefa izy rehefa namaky ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly sy nifanerasera tamin’izy ireo. Natao batisa izy tamin’ny 1914, tamin’izy 17 taona. Nafotaka ny Ady Lehibe I tamin’izany, ka voantso hanao miaramila izy. Tsy nety nitondra fitaovam-piadiana anefa izy, dia voaheloka higadra folo volana tany amin’ny Fonjan’i Kingston any Ontario, any Kanada. Nanao mpisava lalana izy rehefa nafahana.

Tamin’ny 1926 i Dada sy Neny no nivady. Hazel Wilkinson no anaran’ny neninay, ary tamin’ny 1908 no nahalala ny fahamarinana ny mamany. Tamin’ny 24 Aprily 1931 aho no teraka. Efatra mianadahy izahay ary izaho no faharoa. Tena tia sy nanaja ny Baiboly i Dada, dia nampianariny hanao hoatr’izany koa izahay. Ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra taminay. Niara-nitory isan-trano tsy tapaka izahay mianakavy.—Asa. 20:20.

NANAHAKA AN’I DADA

Nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939, ary voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kanada tamin’ny 1940. Nanao fombafomba nampiseho fitiavan-tanindrazana ny sekolim-panjakana, ka tsy maintsy nanangan-tsaina sy nanao hiram-pirenena ny ankizy nianatra tany. Navelan’ny mpampianatra nivoaka anefa izaho sy Dorothy zokiko vavy rehefa nanao an’izany ry zareo. Gaga aho indray mandeha fa nolazainy hoe kanosa. Tiany ho menatra aho mantsy dia amin’izay manao an’ilay izy. Novonoin’ny mpiara-mianatra tamiko aho rehefa nirava, dia nakapok’izy ireo tamin’ny tany.  Vao mainka anefa aho tapa-kevitra hoe ‘Andriamanitra no hankatoaviko fa tsy olona’, satria izy no mpitondra.—Asa. 5:29.

Natao batisa aho tamin’ny Jolay 1942, tamin’izaho 11 taona. Tao anaty fitoeran-drano lehibe tany amin’ny toeram-piompiana iray ilay izy no natao. Nanao mpisava lalana mpanampy aho isan-taona, isaky ny vakansy. Nisy fotoana aho niaraka tamin’ny rahalahy telo, nitory tamin’ny mpanapaka hazo tany amin’ny faritra avaratr’i Ontario. Faritany tsy nisy tompony ilay nalehanay.

Lasa mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1 Mey 1949. Nasaina hanampy tamin’ny fanorenana tao amin’ny biraon’ny sampan’i Kanada aho, ary lasa mpianakavin’ny Betela tamin’ny 1 Desambra. Voatendry hiasa tao amin’ny fanontam-pirinty aho, dia nianatra nampiasa milina fanaovana pirinty. Nanao pirinty taratasy mivalona momba ny fanenjehana ny vahoakan’i Jehovah tany Kanada izahay, indray mandeha. Niasa alina aho tamin’izay, nandritra ny herinandro maromaro.

Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho tatỳ aoriana. Nasaina niresaka tamin’ny mpisava lalana vitsivitsy aho, indray mandeha. Ho any Québec ry zareo, dia nitsidika Betela aloha. Nisy fanenjehana be tany Québec tamin’izany. Mary Zazula ny iray tamin’izy ireo. Avy any Edmonton, any Alberta, izy ary Ortodoksa nafana fo ny dada sy mamany. Tsy navelan-dry zareo hianatra Baiboly intsony izy sy Joe zokiny lahy nefa tsy nety, dia noroahiny. Natao batisa izy dahy tamin’ny Jona 1951, ary nanomboka nanao mpisava lalana enim-bolana taorian’izay. Rehefa niresadresaka teo izahay, dia tena variana aho nahita fa tena tia an’i Jehovah i Mary. Hozy aho hoe: ‘Raha tsisy ny sampona, dia ity tovovavy ity no halaiko ho vady.’ Nivady izahay sivy volana taorian’izay, tamin’ny 30 Janoary 1954. Nasaina hiofana ho mpiandraikitra ny faritra izahay herinandro taorian’izay, ary avy eo nitsidika fiangonana tany amin’ny faritra avaratr’i Ontario nandritra ny roa taona.

Nandroso be ny fitoriana eran-tany, dia nasaina hanao misionera izay nazoto. Nieritreritra izahay hoe: ‘Ny hatsiaka amin’ny ririnina sy ny moka amin’ny andro mafana aza zakantsika eto Kanada, dia tsy ho zakantsika ve izay zava-tsarotra any an-tany hafa?’ Nanao Sekolin’i Gileada kilasy faha-27 izahay, dia nahazo diplaoma tamin’ny Jolay 1956. Voatendry ho any Brezila izahay, ary tonga tany tamin’ny Novambra.

MISIONERA TANY BREZILA

Nianatra teny portogey izahay rehefa tonga tany amin’ny Betelan’i Brezila. Rehefa nahay nanombo-dresaka sy nahatadidy fomba fanolorana gazety fohifohy izahay, dia nasaina nitory teny amin’ny saha amin’izay. Notenenina anay hoe raha liana ilay olona, dia tsara raha hamakiana andinin-teny miresaka momba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Nisy ramatoa niresahanay ny andro voalohany  nandehananay nanompo. Nihaino tsara izy, dia novakiko taminy ny Apokalypsy 21:3, 4. Torana aho avy eo fa tsy nahazaka an’ilay andro mafana be. Niady tamin’ny hafanana foana aho.

Voatendry ho any amin’ny tanànan’i Campos izahay. Efa 15 izao ny fiangonana any. Antoko-mpitory iray monja anefa no tany tamin’izahay vao tonga. Nisy tranona misionera koa tany ary misionera efa-bavy no tao: Esther Tracy, Ramona Bauer, Luiza Schwarz, ary Lorraine Brookes (izay lasa vadin’ny Rahalahy Wallen). Nanampy tamin’ny fanasan-damba tao amin’ilay tranona misionera aho, dia izaho koa no nitady kitay handrahoana sakafo. Nanam-bahiny tsy nampoizina izahay indray alatsinainy alina, rehefa avy nianatra Tilikambo Fiambenana. Natoritory naka aina teo ambony sezalava ny vadiko, dia niresadresaka ny zavatra nataonay nandritra ny andro izahay roa. Rehefa niarina teo anefa izy, dia nisy bibilava nivoaka avy tao ambanin’ny ondana natoriany. Sady taitra izahay no nihorakoraka be, mandra-pamonoko an’ilay izy.

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho, rehefa avy nianatra teny portogey herintaona. Ambanivohitra no nisy anay, ary tsotra be ny fiainanay. Tsy nisy jiro tany, natory tamin’ny tsihy izahay, ary soavaly na kalesy taritin’ny soavaly no nivezivezenay. Nandeha lamasinina izahay, indray mandeha, rehefa nitory tany amin’ny tanàna iray tany an-tendrombohitra. Faritany mbola tsy nisy tompony ilay izy. Nanofa efitra iray tany izahay tamin’izay. Nandefa gazety 800 ny biraon’ny sampana, dia tsy maintsy nivezivezy tany amin’ny paositra izahay nitaona an’ireo baoritra nisy an’ilay izy.

Nisy Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana nanerana an’i Brezila, tamin’ny 1962. Ny anabavy misionera sy ny rahalahy no nanao an’ilay izy. Nasaina nampianatra tamin’ireny sekoly ireny aho nandritra ny enim-bolana, ary tsy niaraka tamiko i Mary. Tany Manaus aho dia tany Belém, Fortaleza, Recife, ary Salvadaoro. Nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Manaus aho, ary tao amin’ny trano iray malaza fanaovana tantara an-kira ilay izy no natao. Avy be ny orana tamin’izay, dia tsy ampy ny rano madio hosotroina sady tsy nisy toerana tsara azo nandrahoana sakafo sy nisakafoanana. (Mbola nizarana sakafo ny mpanatrika tamin’izany.) Noresahiko tamin’ny manam-pahefana iray ilay olana. Tena tsara fanahy izy satria nanampy anay hahazo rano hosotroina nandritra an’ilay fivoriambe. Naniraka miaramila hanangana tranolay lehibe anankiroa koa izy, mba hatao lakozia sy hisakafoanana.

Nitory tany amin’ny faritany iray be toeram-pivarotana i Mary, tamin’izaho tsy teo. Avy atỳ Portogaly ny olona ao amin’ilay toerana, ary resa-bola no tena nahaliana an-dry zareo. Tsy nahavita niresaka Baiboly tamin’iza na iza mihitsy i Mary, dia hozy izy tamin’ny Betelita sasany hoe: “Izaho indray tsy mba hipetraka any Portogaly izany!” Taoriana kelin’izay anefa, dia naharay taratasy  fanendrena anay ho atỳ Portogaly izahay. Ankona tsy nahateny i Mary! Voarara ny fitoriana tatỳ tamin’izany, nefa nanaiky izahay.

TONGA TETO PORTOGALY

Tonga tany Lisbonne, eto Portogaly, izahay tamin’ny Aogositra 1964. Tena nampijaly an’ireo rahalahy teto ny polisy miafina portogey. Hitanay àry hoe tsara kokoa raha tsy tsenaina izahay, ary naleonay aloha tsy nifandray tamin’ireo Vavolombelona teto. Nanofa efitra iray izahay mandra-pahazonay vizà, dia rehefa azo ilay izy dia nanofa trano amin’izay. Dimy volana tatỳ aoriana izahay vao nifandray tamin’ny biraon’ny sampana. Faly be koa izahay fa afaka nivory amin’izay!

Henonay hoe nanao bemidina tany an-tranon’ireo rahalahy ny polisy isan’andro. Nakatona daholo koa ny Efitrano Fanjakana, dia tany an-tranon’olona no natao ny fivoriana. Vavolombelona an-jatony no voantso tany amin’ny polisy mba halaina am-bavany. Nampijalin’izy ireo ny rahalahy satria tiany hilaza ny anaran’ireo rahalahy mitarika fivoriana. Tsy nifampiantso tamin’ny anarany intsony àry ireo rahalahy fa tamin’ny fanampin’anarany, ohatra hoe José na Paulo. Izany koa no nataonay.

Nanao ezaka be izahay mba hahazoan’ny mpiara-manompo sakafo ara-panahy foana. Nampiasa milina fanoratana i Mary, dia naveriny nosoratana tamin’ny taratasy manokana ny lahatsoratra fianarana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa. Nampidirina tao amin’ny milina iray hafa ilay taratasy avy eo, mba hahazoana kopia maromaro.

NIARO NY VAOVAO TSARA TANY AMIN’NY FITSARANA

Nisy raharaha ara-pitsarana lehibe nokarakaraina tany Lisbonne, tamin’ny Jona 1966. Niakatra fitsarana daholo ireo rahalahy sy anabavy 49 tao amin’ny Fiangonana Feijó, satria nanatrika fivoriana tsy ara-dalàna tany an-tranon’olona, hono. Te hanampy azy ireo ho vonona amin’ilay fitsarana sy famotopotorana aho. Nanao fanazaran-tena àry izahay, dia mody nanao mpampanoa lalàna aho. Efa fantatray fa ho resy izahay, nefa fantatray koa fa ho fitoriana vita ho azy ilay izy. Rehefa namarana ny teniny ilay mpisolovava niaro anay, dia ny tenin’i Gamaliela tamin’ny taonjato voalohany no nolazainy. (Asa. 5:33-39) Tena be herim-po izy. Resy anefa izahay. Voaheloka higadra daholo izy 49, ka ny sazy kely indrindra dia iray volana sy tapany ary ny be indrindra dimy volana sy tapany. Nivoaka tamin’ny vaovao ilay fitsarana. Faly izahay fa nanaiky hianatra Baiboly ilay mpisolovava, ary efa nivory izy talohan’ny nahafatesany.

Voatendry ho mpiandraikitra ny sampana aho tamin’ny Desambra 1966, ary nikarakara raharaha ara-pitsarana no tena nataoko. Nanao izay rehetra azonay natao izahay mba hanaporofoana fa zon’ireo rahalahy sy anabavy eto Portogaly ny manana ny fivavahany. (Fil. 1:7) Nekena ho ara-dalàna ihany ny Vavolombelon’i Jehovah eto Portogaly, tamin’ ny 18 Desambra 1974. Nanao fivoriambe tany Porto sy Lisbonne àry izahay taorian’izay, ary 46870 ny mpanatrika. Tonga niara-paly taminay ny Rahalahy Nathan Knorr sy Frederick Franz, avy tany amin’ny Foibe.

Noho ny fitahian’i Jehovah, dia niely hatrany amin’ireo nosy miteny portogey koa ny vaovao tsara. Anisan’izany ny nosy Açores, Cap-Vert, Madère, ary Sao Tomé-et-Principe. Nitarina àry ny biraon’ny sampana satria nihabetsaka ny mpitory. Notokanana tamin’ny 23 Aprily 1988 ilay izy. Ny Rahalahy Milton Henschel no nanao ny lahateny fitokanana, ary 45522 ny mpanatrika. Faly be izahay fa nisy rahalahy sy anabavy 20 efa misionera teto Portogaly tonga tamin’ilay izy.

NANDRAY LESONA AVY AMIN’IREO MPANOMPON’I JEHOVAH TSY NIVADIKA

Nahazo tombony be izahay niaraka tamin’ireo rahalahy tsy nivadika. Niana-javatra be, ohatra, aho rehefa nanampy an’ny Rahalahy Theodore Jaracz tamin’izy nitsidika sampana anankiray. Nanana olana lehibe ilay sampana, ary efa lany haika ny Komitin’ny Sampana nandamina an’ilay izy. Te hampahery an-dry zareo ny Rahalahy Jaracz, dia niteny hoe: “Aleo ny fanahy masina amin’izay no avela hiasa.” Tsy hadinoko mihitsy koa ny tenin’ny Rahalahy Franz. Tany Brooklyn izahay sy Mary, taona maro lasa izay, ary tafaraka taminy sy tamin’ny mpiara-manompo vitsivitsy indray takariva izay. Talohan’ny nisarahanay, dia nasainay nanome torohevitra anay izy satria efa ela nanompoana an’i Jehovah. Hoy izy: “Aza miala ao amin’ny fandaminan’i Jehovah mihitsy, na inon-kidona na inon-kihatra. Io ihany no fandaminana mankatò ny tenin’i Jesosy hoe mila mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpianany.”

Izany mihitsy no ataonay mivady, ary tena faly izahay manao an’izany. Nitsidika sampana maromaro izahay, ary betsaka ny zavatra mahafinaritra tsaroanay avy amin’izany. Nihaona tamin’ny rahalahy sy anabavy tanora sy antitra izahay, ka afaka nankasitraka ny asa nataony sady nampirisika azy hanohy ny fanompoany.

Tena mandeha ny fotoana. Efa 80 taona mahery izao izahay roa. Maromaro ny aretina mahazo an’i Mary. (2 Kor. 12:9) Niatrika fitsapana isan-karazany izahay, nefa nanatanjaka ny finoanay izany ary vao mainka izahay tapa-kevitra ny tsy hivadika. Rehefa mieritreritra ny fiainanay izahay, dia tena miaiky fa naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa taminay foana i Jehovah. *

^ feh. 29 Nodimandry tamin’ny 25 Oktobra 2015 ny Rahalahy Douglas Guest, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity. Tsy nivadika mihitsy izy.