Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) FEBROARY 2017

Ho Tanteraka ny Fikasan’i Jehovah!

Ho Tanteraka ny Fikasan’i Jehovah!

“Efa nolazaiko izany ka hotanterahiko. Efa nokasaiko izany ka hataoko.”—ISAIA 46:11.

HIRA: 147, 149

1, 2. a) Inona no nampahafantarin’i Jehovah antsika? b) Inona no azontsika antoka rehefa mamaky ny Isaia 46:10, 11 sy ny Isaia 55:11 isika?

IZAO no teny voalohany ao amin’ny Baiboly: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Gen. 1:1) Misy dikany be io fehezan-teny io, na dia tsotra kely aza. Vitsy kely amin’ireo zavatra maro be noforonin’Andriamanitra no efa hitantsika. Kely fotsiny koa ny zavatra fantatsika momba azy ireny, ohatra hoe ny momba ny any ambony tsy taka-maso sy ny hazavana ary ny hery misintona. (Mpito. 3:11) Nampahafantarin’i Jehovah antsika anefa izay kasainy hatao amin’ny tany sy ho an’ny olombelona. Nataony misy itovizana aminy ny olona, ary nataony tsara be ny tany mba hipetrahan’izy ireo. (Gen. 1:26) Tiany ho lasa zanany izy ireo, ary izy no ho Rain’izy ireo.

2 Resahin’ny Genesisy toko faha-3 fa nisy olana nisakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny fikasany. (Gen. 3:1-7) Tsy hoe olana tsy azo anoarana anefa ilay izy. Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hanao izay tiany mantsy. (Isaia 46:10, 11; 55:11) Matoky àry isika fa ho tanteraka izay nokasainy, amin’ny fotoana efa noeritreretiny hanaovana an’izany.

3. a) Inona no tokony ho fantatsika mba hahazoantsika tsara an’izay voalazan’ny Baiboly? b) Nahoana isika no mandinika an’izany indray izao? d) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

 3 Efa fantatsika izay kasain’i Jehovah hatao amin’ny tany sy ho an’ny olombelona. Fantatsika koa hoe inona no tsy maintsy nataon’i Jesosy Kristy mba hahatanteraka an’izany. Tena ilaina ny mahafantatra an’ireo, ary ireo angamba ny zavatra voalohany nianarantsika tamintsika vao nianatra Baiboly. Te hanampy ny olon-kafa hahalala an’ireo koa isika. Miezaka àry isika izao manasa olona faran’izay betsaka, mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. (Lioka 22:19, 20) Hiana-javatra betsaka momba ny fikasan’i Jehovah ny olona tonga amin’io. Mila mametraka fanontaniana voafaritra tsara isika, mba hazoto hanatrika an’io fotoan-dehibe io ny olona liana sy izay ampianarintsika Baiboly. Azo anontaniana azy, ohatra, hoe: Inona no kasain’Andriamanitra hatao amin’ny tany sy ho an’ny olombelona? Nahoana ilay izy no tsy tanteraka? Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nanao sorona ny ainy, mba ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra? Handinika an’ireo isika ato.

NY FIKASAN’NY MPAMORONA

4. Nahoana no manome voninahitra an’i Jehovah ny zavatra noforoniny?

4 Mpamorona tena mahay i Jehovah. Tsara be daholo ny zavatra noforoniny. (Gen. 1:31; Jer. 10:12) Tsara tarehy sy milamina, ohatra, ny zavaboariny. Rehefa mandinika azy ireny isika, dia tena miaiky hoe nisy antony daholo ny namoronana azy ireny, na ny kely na ny lehibe. Eritrereto ny lanitra feno kintana, ny onjan-dranomasina, na ny hakanton’ny masoandro mody. Tena mahavariana antsika izy ireny, satria nataon’i Jehovah mahay ny atao hoe kanto isika.—Vakio ny Salamo 19:1; 104:24.

5. Inona no nataon’i Jehovah mba hiara-hiasa tsara ny zava-drehetra noforoniny?

5 Be fitiavana i Jehovah, ka nanao ny lalàn’ny natiora sy ny lalàna mifehy ny fitondran-tena. Tiany hiara-hiasa tsara mantsy ny zava-drehetra noforoniny. (Sal. 19:7-9) Samy napetrany amin’ny toerany avy sy nomeny anjara asa àry izy ireny. Nanao ny lalàn’ny hery misintona, ohatra, i Jehovah. Ny hery misinton’ny tany no mihazona ny atmosfera (gazy mahavelona) hijanona manodidina ny tany. Ny hery misinton’ny masoandro sy ny volana kosa no mifehy ny fisondrotry ny ranomasina. Tsy ho azo iainana eto an-tany raha tsy eo ny hery misintona. Milamina tsara izao rehetra izao, noho ireny lalàna nataon’i Jehovah ireny. Midika izany hoe misy zavatra kasainy hatao amin’ny tany sy ho an’ny olombelona. Tsara àry raha mampahafantatra ny momba an’ilay namorona an’izao rehetra izao isika, rehefa mitory.—Apok. 4:11.

6, 7. Inona avy no nomen’i Jehovah an’i Adama sy Eva?

6 Noforonin’i Jehovah mba hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona. (Gen. 1:28; Sal. 37:29) Nomeny zava-tsarobidy be dia be i Adama sy Eva, mba hahafahany hankafy fiainana. (Vakio ny Jakoba 1:17.) Nataony afaka misafidy, ohatra, izy ireo sady nataony afaka mieritreritra, maneho fitiavana, ary mankafy fiarahana amin’ny namana. Niresaka tamin’i Adama izy, ary nanoro azy izay tokony hataony mba hankatoavany azy. Nianatra nikarakara an’izay nilainy sy nikarakara ny biby sy ny tany koa i Adama. (Gen. 2:15-17, 19, 20) Nataon’i Jehovah afaka mandre tsiron-tsakafo koa i Adama sy Eva, sady nataony afaka mahita, mandre, maheno fofona, ary mamantatra izay zavatra kasihiny. Afaka nankafy  tsara ny hakanton’ilay Paradisa sy ny zavatra maro be tao amin’izy io àry izy ireo. Afaka niana-javatra foana koa izy ireo tao, sady nisy asa mahafa-po be dia be azony natao.

7 Inona koa no fikasan’i Jehovah? Nataony afaka nanan-janaka lavorary i Adama sy Eva. Tiany hanan-taranaka be dia be koa ny zanak’izy ireo mandra-pahafenon’ny tany. Tena tiany ireo zanany teto an-tany, izany hoe i Adama sy Eva. Tiany koa raha tia ny zanany hoatr’izany izy mivady sy ny ray aman-dreny rehetra. Nataon’i Jehovah ho an’ny olombelona ny tany sy izay rehetra eo aminy. Tiany hipetraka eto an-tany mandrakizay izy ireo.—Sal. 115:16.

INONA NO NITRANGA?

8. Nahoana i Jehovah no nanome an’ilay lalàna ao amin’ny Genesisy 2:16, 17?

8 Tsy tonga dia tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Nahoana? Nomeny lalàna tsotra kely i Adama sy Eva, mba hahitana raha neken-dry zareo na tsia hoe misy fetrany ny zavatra azon’izy ireo atao. Izao ilay lalàna: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Gen. 2:16, 17) Tsy sarotra tamin’i Adama sy Eva ny nahazo ny dikan’io lalàna io, ary tsy nampijaly be ny nankatò an’ilay izy. Nisy sakafo be dia be azon’izy ireo nohanina mantsy tao amin’ilay zaridaina.

9, 10. a) Inona no lainga nolazain’i Satana momba an’i Jehovah? b) Inona no safidy nataon’i Adama sy Eva? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Nampiasa bibilava i Satana mba hamitahana an’i Eva, dia lasa tsy nankatò an’i Jehovah Rainy i Eva. (Vakio ny Genesisy 3:1-5; Apok. 12:9) Nataony izay hahatonga azy mivady hieritreritra hoe tsy navelan’i Jehovah hihinana “ny voan’ny hazo rehetra” tao amin’ilay zaridaina ry zareo. Te hilaza izy hoe: ‘Ianareo ange izany tsy mahazo manao izay tianareo e!’ Nandainga izy avy eo ka nilaza hoe: “Tsy ho faty velively ianareo.” Nandresy lahatra an’i Eva izy hoe tsy voatery mankatò an’Andriamanitra i Eva. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo.” Te hilaza i Satana hoe tsy tian’i Jehovah hihinana tamin’ilay voankazo ry zareo, satria raha mihinana an’ilay izy, hono, ry zareo dia hitombo ny zavatra fantany. Nilaza koa izy hoe: “Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Lainga anefa izany!

10 Nila nanapa-kevitra i Adama sy Eva hoe hanaraka ny tenin’i Jehovah sa ny tenin’ilay bibilava. Naleon’izy ireo tsy nankatò an’i Jehovah. Lasa nikomy niaraka tamin’i Satana izy ireo tamin’izay. Tsy nekeny ho Rainy intsony i Jehovah, ka tsy narovan’i Jehovah intsony izy ireo.—Gen. 3:6-13.

11. Nahoana i Jehovah no tsy nandefitra tamin’i Adama sy Eva?

11 Lasa tsy lavorary i Adama sy Eva rehefa nikomy tamin’i Jehovah, ary lasa fahavalony. “Madio loatra” mantsy ny mason’i Jehovah ka “tsy tia mijery zava-dratsy.” Tsy milefitra amin’ny faharatsiana izy. (Hab. 1:13) Raha noleferiny izay nitranga tany Edena, dia tsy ho afaka hanantena hoavy tsara ny zavaboariny rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Mety ho lasa nisalasala koa izy ireo raha tena azo itokisana izy. Tsy mandika ny fitsipiny mihitsy anefa i Jehovah. (Sal. 119:142) Tsy hoe satria nanan-jo hisafidy i Adama sy Eva, dia azony natao ny nandika ny lalàn’Andriamanitra. Nikomy izy ireo ka maty ary lasa vovoka indray.  Vovoka mantsy no nanaovana azy ireo.—Gen. 3:19.

12. Inona no nanjo ny taranak’i Adama?

12 Tsy neken’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviany intsony i Adama sy Eva rehefa nihinana an’ilay voankazo. Noroahiny avy tao Edena izy ireo, ary tsy nahazo niverina tao intsony. (Gen. 3:23, 24) Namela azy ireo hizaka ny vokatry ny fanapahan-keviny i Jehovah tamin’izany, sady nampihatra ny rariny. (Vakio ny Deoteronomia 32:4, 5.) Tsy nahavita nanahaka tsara ny toetran’Andriamanitra intsony izy mivady, satria lasa tsy lavorary. Tsy afaka nanantena hoavy tsara intsony koa i Adama. Lasa tsy lavorary sy mpanota ary maty ny taranany, vokatry ny nataony. (Rom. 5:12) Tsy afaka nanantena hiaina mandrakizay intsony koa izy ireo. Lasa tsy afaka nanan-janaka lavorary i Adama sy Eva sy ny taranany. Voatarik’i Satana hivadika tamin’Andriamanitra izy mivady, ary mbola mamitaka ny olona foana i Satana hatramin’izao.—Jaona 8:44.

NANDRAVONA NY FIHAVANANA NY VIDIM-PANAVOTANA

13. Inona no irin’i Jehovah ho an’ny olombelona?

13 Mbola tian’Andriamanitra foana anefa ny olombelona. Tiany hifandray tsara aminy izy ireo, na dia nikomy taminy aza i Adama sy Eva. Tsy tiany hisy ho faty izy ireo. (2 Pet. 3:9) Taoriana kelin’ilay fikomiana àry, dia nisy zavatra nataon’i Jehovah mba hahatonga ny olona hihavana aminy indray. Nanaja foana ny fitsipiny izy tamin’izany. Inona no nataony?

14. a) Araka ny Jaona 3:16, inona no nataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana? b) Inona no fanontaniana azontsika dinihina miaraka amin’ny olona liana?

14 Vakio ny Jaona 3:16. Maro amin’ny olona hasaintsika hanatrika ny Fahatsiarovana no mahay tsianjery an’io andininy io. Nahoana anefa ny sorona nataon’i Jesosy no mahatonga antsika ho afaka hiaina mandrakizay? Afaka manampy ny olona hahita ny valin’izany isika, rehefa manasa azy hanatrika Fahatsiarovana. Hahita ny valin’izany koa izy rehefa tonga amin’io fotoana io. Mety ho afaka hanampy azy koa isika rehefa mitsidika azy aorian’ny Fahatsiarovana. Hazava kokoa aminy amin’izay ny hoe vidim-panavotana, ka ho fantany fa be fitiavana sy manana fahendrena i Jehovah. Tena mety hanohina ny fony izany. Inona avy àry no azontsika resahina aminy momba ny vidim-panavotana?

15. Inona no tsy nitovizan’i Jesosy tamin’i Adama?

15 Nataon’i Jehovah izay hisian’ny lehilahy lavorary anankiray ho afaka hanome vidim-panavotana. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah io lehilahy io, ary tokony ho vonona hamoy ny ainy mba hanavotana ny olombelona. (Rom. 5:17-19) Tsy iza izany fa i Jesosy. Nalefan’i Jehovah tetỳ an-tany io zavaboary voalohany noforoniny io. (Jaona 1:14) Lasa olombelona lavorary hoatran’i Adama tamin’ny voalohany àry izy. Nanaraka ny fitsipika rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny olona lavorary anefa izy, fa tsy nanao hoatran’i Adama. Tsy nanota mihitsy izy ary tsy nandika ny lalàn’i Jehovah mihitsy, na dia niaritra fitsapana faran’izay mafy aza.

16. Nahoana ny vidim-panavotana no fanomezana tena sarobidy?

16 Lavorary i Jesosy ka afaka nanao sorona ny ainy mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Lavorary hoatran’i Adama tamin’ny voalohany izy. Tsy nivadika mihitsy anefa izy fa nankatò tanteraka an’Andriamanitra. (1 Tim. 2:6) Nanao sorona ny ainy i Jesosy, ka ho afaka hiaina mandrakizay ny olona “maro”, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy. (Mat. 20:28) Ny vidim-panavotana  àry no ahafahan’i Jehovah manatanteraka ny fikasany tamin’ny voalohany.—2 Kor. 1:19, 20.

TIAN’I JEHOVAH HO ANISAN’NY FIANAKAVIANY INDRAY ISIKA

17. Inona no soa azontsika noho ny vidim-panavotana?

17 Nahafoy zavatra be i Jehovah mba hanomezana ny vidim-panavotana. (1 Pet. 1:19) Tena tiany isika olombelona, ka na ny Zanany lahitokana aza foiny ho faty ho antsika. (1 Jaona 4:9, 10) I Jesosy indray àry no toy ny hoe raintsika, fa tsy i Adama intsony. (1 Kor. 15:45) Afaka hiaina mandrakizay isika noho izany, sady afaka ny ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra any aoriana any. Tsy mandika ny fitsipiny i Jehovah rehefa manaiky antsika ho anisan’ny fianakaviany, satria i Jesosy efa nanao sorona ny ainy. Mba eritrereto ange e! Ho lasa lavorary daholo ny olona tsy mivadika amin’ny hoavy. Tsy mahafinaritra ve izany? Ho toy ny fianakaviana iray ihany ny any an-danitra sy isika rehetra etỳ an-tany. Amin’izay isika vao tena ho lasa zanak’Andriamanitra daholo.—Rom. 8:21.

18. Rahoviana i Jehovah no ho lasa “zava-drehetra ho an’ny rehetra”?

18 Mbola tian’i Jehovah foana ny olombelona, na dia nikomy taminy aza i Adama sy Eva. Na dia tsy lavorary koa aza isika, dia afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy na inona na inona ataon’i Satana. Hanampy antsika ho lasa olo-marina tanteraka i Jehovah, ary ho afaka hanao an’izany izy noho ny vidim-panavotana. Hiaina mandrakizay daholo ny olona ‘mino ny Zanaka.’ (Jaona 6:40) Mba eritrereto ange hoe hanao ahoana ny fiainana amin’izany e! Tena tia antsika ilay Raintsika any an-danitra, ary manana fahendrena izy. Hataony izay hahatonga antsika ho lavorary, araka ny efa nokasainy tamin’ny voalohany. Ho lasa “zava-drehetra ho an’ny rehetra” izy amin’izay.—1 Kor. 15:28.

19. a) Inona no hataontsika raha mankasitraka ny vidim-panavotana isika? (Jereo ilay hoe “ Tadiavo Foana Izay Mendrika.”) b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Raha mankasitraka ny vidim-panavotana àry isika, dia hiezaka mafy hampahafantatra ny olona momba an’io fanomezana sarobidy io. Mila ampahafantarina azy ireo fa porofon’ny fitiavan’i Jehovah izy io, ary izy io no mahatonga ny olona rehetra ho afaka hanantena hiaina mandrakizay. Voaporofo tamin’izy io koa fa lainga ny fiampangana nataon’i Satana tany Edena. Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.