Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 TANTARAM-PIAINANA

‘Tsara Fanahy Taminay i Jehovah’

‘Tsara Fanahy Taminay i Jehovah’

TAORIAN’NY taona 1970 tamin’izay. Tonga tany Gabon, any Afrika, izahay sy Danièle. Nankany amin’ny hotely hijanonanay izahay, ora vitsivitsy taorian’izay. Vao tonga kelikely izahay, dia nilaza tamiko ilay mpandray olona hoe: “Mba azonao antsoina ve ny polisy, azafady?” Voarara mantsy ny asantsika tany.

Tonga dia azon’i Danièle hoe inona no nitranga. Izy moa marani-tsaina be izay. Nobitsibitsihiny tamiko hoe: “Aza miantso intsony, fa efa ireo ry zareo!” Teo anoloan’ilay hotely ny polisy niaraka tamin’ny fiaran-dry zareo. Nosamborina izahay avy eo. Soa ihany i Danièle fa niteny mialoha, dia nomeko an’ilay rahalahy izay ny taratasy sasany.

Nifanohana hoatr’izany foana izahay roa. Tonga saina aho teny an-dalana ho any amin’ny polisy hoe sambatra be aho nanana vady tena tia an’i Jehovah sady tsy natahotahotra. Fa maninona anefa izahay no nankany amina tany andrarana ny fitoriana? Aleo fa hotantaraiko.

NAMPAHAFANTARIN’I JEHOVAH NY MARINA

Tany Croix aho no teraka, tamin’ny 1930. Tanàna kely any amin’ny faritra avaratr’i Frantsa izy io. Katolika be izahay, ary namonjy lamesa isan-kerinandro. I Dada indray nafana fo be nikarakara an’izay nilain’ny paroasy. Nisy zava-nitranga anefa rehefa handray 14 taona aho, ka hitako hoe mpihatsaravelatsihy ny mpitondra fivavahana.

Nofehezin’ny tafika alemà i Frantsa nandritra ny Ady Lehibe II. Rehefa nanao toriteny ny momperanay, dia nampirisihiny hanohana ny fitondram-panjakan’i Vichy tao Frantsa ny mpiangona. Nanohana ny Nazia anefa io fitondrana io. Nahatsiravina ny nihaino azy! Namoaka vaovao momba an’ireo firenena niray dina tamin’i Frantsa ny radio BBC, dia maro be ny olona niafina nihaino an’io radio io. Nanao hoatr’izany koa izahay. Rehefa nitady handresy anefa ireo firenena niray dina tamin’i Frantsa tamin’ny Septambra 1944, dia nanao fotoam-pivavahana hankalazana an’izany ilay mompera. Nahasosotra ahy ny nahita azy nihatsaravelatsihy! Lasa tsy natoky mpitondra fivavahana aho.

Maty i Dada taoriana kelin’ny ady. I Simone zokiko vavy indray efa nanambady, dia nipetraka tany Belzika. Izaho izany no tsy maintsy nikarakara an’i Mama sy ny zandriko vavy. Niasa tamina orinasa mpanao lamba aho, ary nety ho nahazo toerana ambony. Nisy olana anefa tsy ela taorian’izay. Katolika be mantsy ny lehibenay sy ny zanany.

 Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Simone, ary nitsidika anay izy tamin’ny 1953. Noporofoiny avy tao amin’ny Baiboly hoe diso ny fampianaran’ny Eglizy Katolika momba ny afobe sy ny Andriamanitra telo izay iray ary ny fanahy tsy mety maty. Tsy nino azy aho satria tsy nampiasa Baiboly katolika izy, fa resy lahatra ihany aho tsy ela taorian’izay hoe marina ny azy. Nitondrany Tilikambo Fiambenana efa tranainy koa aho, dia nazoto erỳ namaky an’ireny isak’alina. Tonga dia niaiky aho hoe nahita ny marina. Natahotra anefa aho sao ho voaroaka amin’ny asako raha lasa Vavolombelona.

Nampiana-tena aho nandritra ny volana vitsivitsy, dia Baiboly sy Tilikambo Fiambenana no nampiasaiko. Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana ihany anefa aho rehefa ela ny ela. Nanohina ny foko ny nahita hoe nifankatia be ilay fiangonana. Nisy rahalahy izay nampianatra ahy Baiboly nandritra ny enim-bolana. Tena nahay nampianatra izy! Natao batisa aho tamin’ny Septambra 1954, dia faly be aho fa natao batisa koa i Mama sy ny zandriko vavy taoriana kelin’izay.

NANOMPO MANONTOLO ANDRO

Tiako be ny nanatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1958. Nampalahelo anefa fa maty i Mama, herinandro vitsivitsy talohan’io. Tsy nila nikarakara na iza na iza intsony aho, rehefa tafaverina. Niala tamin’ny asako àry aho, dia nanao mpisava lalana. Nihaona tamina mpisava lalana nazoto be izay aho. Danièle Delie no anarany. Nifanaiky izahay hoe hivady, dia tamin’ny Mey 1959 no natao mariazy.

Tany Bretagne i Danièle no nanomboka nanao mpisava lalana. Ambanivohitra any ary lavitra be an-dry zareo. Tena nila herim-po izy satria Katolika ny ankamaroan’ny olona tany, sady nila nandeha bisikileta ela be izy. Nazoto foana anefa izy, satria fantany hoe tena akaiky ny farany ary ilaina ny mitory. Izany koa no nahatonga ahy hazoto. (Mat. 25:13) Nahavita nanompo manontolo andro foana izahay, satria nahafoy tena i Danièle.

Notendrena ho mpiandraikitra ny faritra aho, andro vitsivitsy taorian’ny mariazinay, dia lasa nizatra fiainana tsotsotra izahay. Nisy mpitory 14 tao amin’ilay fiangonana voalohany notsidihinay. Tsy afaka nampiantrano anay ry zareo, dia tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay no nipetraka. Nasianay kidoro teo amin’ny lampihazo, dia teo izahay no natory. Tsy tena nampahazo aina ilay izy, nefa nety be tamin’ny lamosina!

Ilay aotomobilina kely nentinay nitsidika fiangonana

Feno be koa ny fotoananay, nefa nizatra tsara an’ilay izy i Danièle. Nivory tampoka, ohatra, ny anti-panahy matetika, dia voatery niandry tao anatin’ilay aotomobilina kelinay izy, nefa tsy nimenomenona mihitsy. Roa taona ihany izahay no nanao ny asan’ny faritra. Nianaranay tamin’izany hoe mila mifampiresaka tsara ny mpivady, ary mila miara-miasa tsara hoatran’ny ekipa iray.—Mpito. 4:9.

NAHAZO FANENDRENA VAOVAO

Nantsoina hanao Sekolin’i Gileada kilasy faha-37 izahay, tamin’ny 1962. Tany Brooklyn, any New York, ilay izy ary naharitra folo volana. Zato ny mpianatra tamin’izay, ary tsy nisy afa-tsy 13 ny mpivady. Faly be izahay roa hoe tafaraka. Mbola tadidiko foana ny fiarahanay tamin’i Frederick Franz sy Ulysses Glass ary Alexander Macmillan. Tiako erỳ  ny niaraka tamin’ireo rahalahy tena nanam-pinoana ireo.

Faly erỳ izahay hoe niaraka nanao Sekolin’i Gileada

Nampianarina hahay handinika izahay tamin’ilay fiofanana. Rehefa nirava, ohatra, ny asabotsy tolakandro, dia nentina nijerijery tanàna izahay indraindray. Hariva izahay matetika vao tafody sady vizana be. Nisy famerenana an-tsoratra momba an’izay hitanay ny alatsinainy. Te hanampy anay ho vonona amin’izany ilay Betelita nitondra anay, dia nanontaniany an’izay hevi-dehibe tamin’ilay fitsidihana izahay. Nivezivezy be izahay indray asabotsy izay, sady nandeha an-tongotra foana. Nianatra momba ny karazana tainkintana roa izahay tany amin’ny toerana iray. Tany amin’ny toerana hafa indray izahay nampianarina hoe inona no tsy mampitovy ny voay sy ny karazana mamba atao hoe alligator. Nanontany ilay Betelita, rehefa teny an-dalana hody, hoe inona no maha samy hafa an’ireo tainkintana roa hitanay. Reraka be i Danièle dia namaly hoe: “Lava kokoa ny nifin’ilay tainkintana iray!”

Tianay be ny nitsidika an’ireo rahalahy sy anabavy tsy nivadika tany Afrika

Rehefa vita ilay sekoly, dia gaga be izahay hoe voatendry ho atỳ amin’ny sampan’i Frantsa. Niara-nanompo tatỳ nandritra ny 53 taona izahay. Lasa mpandrindra ny Komitin’ny Sampana aho tamin’ny 1976. Voatendry hitsidika an’i Israely sy ny firenena sasany teo akaiky teo ary ny tany sasany tany Afrika koa izahay, dia izay no nahatonga anay hankany Gabon. Ireny efa notantaraiko teo ireny no nitranga tany. Voarara na voasakantsakana ny fitoriana tany amin’ireny tany ireny. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ho vitako ireny andraikitra ireny. Tsy nampoizina daholo koa ilay izy. Soa ihany fa teo foana i Danièle, dia vitako izay rehetra nasaina nataoko.

Nandika ny lahatenin’ny Rahalahy Theodore Jaracz, tamin’ilay fivoriambe hoe “Ny Fahamarinan’Andriamanitra” (Paris, 1988)

NIARITRA NY MAFY

Tonga dia tianay be ny Betela. Dimy volana talohan’ny Sekolin’i Gileada i Danièle vao nianatra teny anglisy. Lasa mpandika teny nahay anefa izy. Tianay be ny asanay tato amin’ny Betela, fa vao mainka izahay faly rehefa niaraka tamin’ny fiangonana. Nampianatra Baiboly izahay indraindray rehefa avy niasa, dia nandeha lamasinina nody. Alina be izahay vao tonga sady vizana, fa faly be satria niara-nampianatra sady nandroso tsara ilay mpianatra. Tsy maty ato an-tsaiko mihitsy ireny fotoana niarahanay ireny. Mampalahelo fa narary tampoka i Danièle, dia tsy nahavita be intsony na dia betsaka aza no mbola tiany hatao.

Voan’ny kanseran’ny nono izy tamin’ny 1993. Nodidiana izy sady nisy fitsaboana simika natao taminy, ary tena mafy ilay izy. Mbola niverina ilay kansera 15 taona taorian’izay, sady nahery vaika kokoa. Tiany be anefa ilay mandika teny, dia niverina niasa izy raha vao tsaratsara.

Tsy mba nieritreritra ny hiala tato amin’ny Betela izahay, na dia nampijaly be an’i Danièle aza ny aretiny. Tsy mora ilay hoe marary ato amin’ny Betela, indrindra raha tsy fantatry ny olona hoe mafy be ny manjo anao. (Ohab. 14:13) Tony foana i Danièle sady sariaka, ka tsy hita mihitsy hoe narary na dia tamin’izy efa ho 80 taona aza. Tsy mba nitsetra tena koa izy, fa niezaka nanampy ny hafa foana. Vonona hihaino foana izy, satria fantany hoe tena manampy izany. (Ohab. 17:17) Nampiasa ny zavatra niainany izy mba hanampiana anabavy maro tsy hatahotra kansera.

 Niatrika olana vaovao koa izahay. Tsy afaka niasa tontolo andro intsony mantsy i Danièle. Niezaka nanampy ahy bebe kokoa anefa izy, dia nahavita ny andraikitry ny mpandrindra ny Komitin’ny Sampana aho nandritra ny 37 taona. Efa nokarakarainy, ohatra, ny zava-drehetra dia afaka niara-nisakafo antoandro sy niara-niala sasatra kely izahay isan’andro.—Ohab. 18:22.

NIEZAKA TSY HANAHY MOMBA NY HOAVY

Tsy mora kivy i Danièle sady te ho velona foana. Niverina fanintelony anefa ilay kansera, ka hoatran’ny tapi-dalan-kaleha izahay. Natao daholo na fitsaboana simika na fitsaboana tamin’ny taratra, fa vao mainka nihena ny heriny. Zara raha nahavita nandeha izy indraindray. Mpandika teny nahay be ilay vadiko, nefa lasa sahirana vao nahita an’izay teny tiany holazaina. Vaky mihitsy ny foko tamin’izay!

Tsy afa-nanoatra izahay dia tsy nitsahatra nivavaka. Natoky izahay hoe tsy hamela anay hijaly mihoatra noho izay zakanay i Jehovah. (1 Kor. 10:13) Nampiasa ny Teniny izy mba hanampiana anay. Teo koa ireo Betelita nikarakara ny fitsaboana an’i Danièle sy ireo mpiara-manompo be fitiavana. Niezaka foana izahay mba hankasitraka an’ireny fanampiana nomen’i Jehovah ireny.

Nangataka tamin’i Jehovah izahay matetika mba hanoro anay an’izay fitsaboana mety. Nisy fotoana anefa tsy nisy azo natao mihitsy. Tsy nahatsiaro tena mantsy i Danièle isaky ny avy nanao fitsaboana simika. Tsy hain’ilay dokotera ny antony, nefa efa 23 taona izy no nitsabo azy. Tsy hitany koa izay azo atao solon’ilay fitsaboana simika. Hoatran’ny hoe tsy nisy azonay ianteherana, dia niady saina ny amin’izay hitranga izahay. Nasian’i Jehovah lalan-kivoahana anefa mba hanampiana anay tsy hitebiteby loatra. Nisy dokotera hafa mpitsabo kansera nanaiky hikarakara an’i Danièle.

Nianatra ny tsy hanahy momba an’izay mety hitranga izahay. “Ampy ho an’ny andro tsirairay” mantsy “ny ratsy mitranga eo aminy”, hoy i Jesosy. (Mat. 6:34) Nieritreritra zavatra tsara sy nivazivazy koa izahay, dia nanampy anay izany. Nitsikitsiky hafahafa izay, ohatra, i Danièle indray mandeha sady niteny hoe: “Taiza aho no hitanao salama tsara hoatr’izao!” Izy anefa amin’io tsy nanao fitsaboana simika nandritra ny roa volana. (Ohab. 17:22) Tiany be koa ny nianatra an’ireo hira vaovao, na dia nijaly aza izy. Nihira mafy tsara sy tamin’ny fony izy.

Tena nanohana ahy i Danièle. Nisy zavatra tsy vitako mantsy, dia izy no nanampy ahy. Be dia be ny nataony ho ahy nandritra an’ireo 57 taona niarahanay. Na ny manendy atody aza tsy nampianariny ahy! Voatery nianatra nanasa vilia sy nanasa lamba ary nanao sakafo tsotsotra aho, rehefa narary mafy izy. Namaky vera vitsivitsy aloha aho e! Fa faly be aho hoe nanao zavatra nahafinaritra azy. *

MISAOTRA AN’I JEHOVAH AHO SATRIA TSARA FANAHY TAMIKO IZY

Voafetra ny zavatra vitantsika rehefa marary isika na mihantitra. Niana-javatra avy amin’izany aho, rehefa mandinika ny lasa. Izao no lesona voalohany: Na be atao hoatran’ny inona aza ianao, dia tokony hasehonao amin’ny vadinao hoe tianao izy. Mila manararaotra mikarakara azy ianao dieny mbola matanjaka. (Mpito. 9:9) Faharoa, tsy tokony hiady saina be amin’ny zavatra tsy misy dikany isika. Raha izany mantsy, dia tsy ho hitantsika akory ny fitahiana be dia be efa mirotsaka amintsika isan’andro.—Ohab. 15:15.

Rehefa mieritreritra ny fanompoana nataonay mivady aho, dia tena resy lahatra hoe notahin’i Jehovah mihoatra noho izay noeritreretinay izahay. Hoatran’ilay resahin’ny mpanao salamo mihitsy no tsapako hoe: “Tsara fanahy tamiko i Jehovah.”—Sal. 116:7, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina (anglisy).

^ feh. 32 Nodimandry ny Ranabavy Danièle Bockaert nandritra ny fanomanana an’ity lahatsoratra ity, ary 78 taona izy tamin’izany.