Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Ry Tanora, Tian’ny Mpamorona ho Sambatra Ianareo

Ry Tanora, Tian’ny Mpamorona ho Sambatra Ianareo

“Manao izay hahafa-po anao amin’ny zava-tsoa maro [izy], mandritra ny androm-piainanao.”—SAL. 103:5.

HIRA: 135, 39

1, 2. Nahoana no hendry isika raha maka hevitra amin’ny Mpamorona, rehefa mieritreritra an’izay hataontsika eo amin’ny fiainana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TANORA ve ianao? Azo antoka hoe be dia be ny torohevitra efa nomena anao momba an’izay azonao atao amin’ny hoavy. Mampirisika anao hanao fianarana ambony sy hitady asa be karama angamba ny mpampianatra na ny olon-kafa. Marina hoe tian’i Jehovah hianatra tsara ianao, amin’izay hahavelon-tena rehefa any aoriana any. (Kol. 3:23) Tsy mitovy amin’izay ampirisihin’ny olona anefa no tian’i Jehovah hataonao. Fantany hoe handray fanapahan-kevitra lehibe ianao, ary hisy vokany amin’ny hoavinao izany. Omeny toro lalana àry ianao mba hahatonga anao hahay hitondra ny fiainanao sady hampifaly azy, amin’izao andro farany izao.—Mat. 24:14.

2 Tadidio koa hoe mahalala ny zava-drehetra i Jehovah. Fantany, ohatra, ny hiafaran’ity tontolo ity ary efa tena akaiky izany. (Isaia 46:10; Mat. 24:3, 36) Mahafantatra tsara antsika koa izy, ohatra hoe inona no tena hahasambatra sy hahafa-po antsika.  Fantany koa izay handiso fanantenana sy hahakivy antsika. Ratsy foana àry izay torohevitra tsy mifanaraka amin’ny Teniny, na dia hoatran’ny hoe tsara aza izy ireny indraindray.—Ohab. 19:21.

IZAY LAZAIN’I JEHOVAH IHANY NO MAHASOA

3, 4. Inona no nitranga rehefa nanaraka ny tenin’ilay nanoro vohony azy i Adama sy Eva?

3 Vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona dia efa nisy mpanoro vohony. I Satana no nanao an’izany. Nanoro hevitra an’i Eva izy, nefa tsy anjarany izany. Niteny taminy izy hoe ho sambatra kokoa izy mivady, raha ry zareo ihany no mifidy an’izay tiany hitondrana ny fiainany. (Gen. 3:1-6) Tia tena fotsiny anefa i Satana. Tiany hankatò azy sy hanompo azy i Adama sy Eva ary ny taranany, fa tsy hanompo an’i Jehovah. Inona anefa no mba nataon’i Satana ho azy ireo? Tsy nisy! I Jehovah daholo no nanome an’izay nananan’izy ireo, ohatra hoe vady sy zaridaina tsara tarehy ary vatana lavorary. Nataon’i Jehovah afaka hiaina mandrakizay koa ry zareo.

4 Mampalahelo fa tsy nankatò i Adama sy Eva. Ry zareo ihany no nanapaka ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ary ratsy be ny vokany. Lasa nihantitra mantsy ry zareo dia maty, hoatran’ny voninkazo tapaka dia nihanalazo ary maty tamin’ny farany. Lasa nijaly koa ny taranany. (Rom. 5:12) Na izany aza, dia mbola misafidy ny tsy hankatò an’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona. Te hanao izay tiany fotsiny ry zareo. (Efes. 2:1-3) Tena ratsy anefa ny vokatr’izany. Tsy mahasoa mihitsy àry ny torohevitra mifanohitra amin’izay lazain’i Jehovah.—Ohab. 21:30.

5. Inona no natokisan’i Jehovah, ary diso ve izy natoky an’izany?

5 Natoky anefa i Jehovah hoe mbola hisy olona te hahafantatra azy sy hanompo azy, anisan’izany ny tanora. (Sal. 103:17, 18; 110:3) Be dia be izy ireny ary tena sarobidy amin’i Jehovah! Anisan’izany ve ianao? Raha izany, dia azo antoka fa betsaka ny “zava-tsoa” omen’i Jehovah anao, ka mahatonga anao ho sambatra. (Vakio ny Salamo 103:5; Ohab. 10:22) Manana sakafo ara-panahy be dia be, ohatra, ianao, namana faran’izay tsara, tanjona tena misy dikany, ary ny tena fahafahana. Handinika an’ireo isika ato.

OMENY SAKAFO ARA-PANAHY BE DIA BE

6. Nahoana ianao no tokony hiezaka hahafantatra an’i Jehovah, ary inona no omeny mba hanampiana anao amin’izany?

6 Tsy hoatran’ny biby isika fa te hahafantatra ny Mpamorona. (Mat. 4:4) Lasa mahay manavaka sy hendry ary sambatra ianao, rehefa mihaino azy. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Mat. 5:3) I Jehovah ihany no afaka manampy anao hahafantatra azy. Omeny ny Baiboly sy sakafo ara-panahy be dia be ianao mba hanampiana anao amin’izany. Mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy, mba hanomezana an’ireny sakafo ara-panahy isan-karazany sy tena tsara ireny.—Mat. 24:45; Isaia 65:13, 14.

7. Nahoana no mahasoa anao ny mihinana ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah?

7 Rehefa mihinana ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah ianao, dia ho hendry sy hahay hisaina ka ho voaro amin’ny zavatra be dia be. (Vakio ny Ohabolana 2:10-14.) Ho hainao, ohatra, ny hamantatra hoe diso ny fampianarana iray, anisan’izany ilay hoe tsy misy ny Mpamorona. Raha misy miteny aminao koa hoe ny vola sy ny fananana no mahasambatra, dia ho fantatrao fa lainga izany ka tsy hino an’izany ianao. Tsy izay ihany fa hahavita hifehy ny fanirian-dratsy ianao, ary tsy hanaonao foana ka hanimba tena. Miezaha foana àry ho hendry sy hahay hisaina, ary tadidio fa tena ilaina izany. Ianao mihitsy amin’izay no hahita hoe tena tia anao i Jehovah, ary izay tsara indrindra no tiany homena anao.—Sal. 34:8; Isaia 48:17, 18.

8. Nahoana ianao no tokony hiezaka hifandray akaiky amin’Andriamanitra dieny izao? Inona no soa ho azonao amin’izany?

 8 Kely sisa dia ho ringana ny tontolon’i Satana. Tsy hisy ho afaka hiaro antsika sy hanome izay ilaintsika afa-tsy i Jehovah amin’izay. Na ny sakafo hohanintsika aza mety tsy hisy, ka tsy maintsy hiantehitra aminy isika. (Hab. 3:2, 12-19) Izao àry ianao no tokony hiezaka hifandray akaiky amin’ilay Rainao any an-danitra sy hiezaka hatoky azy kokoa. (2 Pet. 2:9) Raha manao an’izany ianao, dia hatoky hoatran’i Davida hoe hiaro anao izy, na inona na inona hitranga amin’ny hoavy. Hoy i Davida: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.”—Sal. 16:8.

OMENY NAMANA FARAN’IZAY TSARA

9. a) Inona no ataon’i Jehovah, araka ny Jaona 6:44? b) Hafa mihitsy ny hoe samy Vavolombelon’i Jehovah no mihaona. Nahoana?

9 Eritrereto hoe mihaona amin’ny olona tsy mpanompon’i Jehovah ianao, ary izay ianareo vao mifankahita. Inona no fantatrao momba azy? Mety hoe ny anarany sy ny paoziny, dia izay ihany. Tsy hoatr’izany anefa raha mpanompon’i Jehovah ilay olona. Na sambany aza ianareo vao mihaona, dia efa fantatrao hoe tia an’i Jehovah izy. Fantatrao koa hoe nisy zavatra tsara hitan’i Jehovah tao aminy, dia nasainy hanompo azy izy ary lasa anisan’ny fianakaviany. (Vakio ny Jaona 6:44.) Na samy hafa fiaviana, firenena, foko, ary kolontsaina aza ianareo, dia efa be dia be no fantatrao momba azy ary betsaka koa no fantany momba anao.

Tian’i Jehovah hanana namana faran’izay tsara sy tanjona tena misy dikany isika (Fehintsoratra 9-12)

10, 11. Inona no mampitovy ny vahoakan’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany?

10 Vao mihaona, ohatra, ianareo dia fantatrao hoe miteny ny “fiteny madio” izy, hoatr’anao ihany. (Zef. 3:9) Midika izany hoe samy mino ny fahamarinana ianareo. Mitovy àry ny zavatra inoanareo momba an’Andriamanitra, ny fitsipika arahinareo momba ny fitondran-tena, ary ny fanantenanareo. Ireo no zava-dehibe indrindra mila fantarina momba ny olona iray, raha te hatoky azy ianao. Hanampy anareo ho mpinamana be izany, ary hinamana mandrakizay mihitsy ianareo.

11 Raha mpanompon’i Jehovah àry ianao, dia tena afaka milaza hoe manana namana faran’izay tsara. Maneran-tany mihitsy ny  namanao, fa ianao fotsiny no mbola tsy nihaona tamin-dry zareo! Aiza indray no hisy hoatr’izany raha tsy ao amin’ny fandaminan’i Jehovah?

OMENY TANJONA TENA MISY DIKANY

12. Inona no tanjona tsara azonao tratrarina?

12 Vakio ny Mpitoriteny 11:9–12:1. Efa miezaka manatratra tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve ianao? Miezaka hamaky Baiboly isan’andro angamba ianao, na hanatsara ny valin-teninao sy ny anjaranao any am-pivoriana. Ahoana no tsapanao rehefa hitanao hoe misy vokany ny ezaka ataonao, na rehefa hitan’ny olona ilay izy dia midera anao ry zareo? Tsy maintsy hoe afa-po be ianao sady tena faly, ary izany mihitsy no tokony ho izy. Nahoana? Satria fantatrao hoe manao izay tian’i Jehovah ianao, hoatran’ny nataon’i Jesosy.—Sal. 40:8; Ohab. 27:11.

13. Nahoana no tsara lavitra ny manompo an’i Jehovah raha oharina amin’ny manatratra tanjona hafa?

13 Afa-po koa ianao rehefa mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah, satria tena misy dikany izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asa mafy ataonareo ao amin’ny Tompo.” (1 Kor. 15:58) Tsy tena sambatra kosa ny olona iray, raha ny hitady vola sy halaza no tanjony. Na hoatran’ny tafita aza izy, dia tsy misy dikany ny fiainany. (Lioka 9:25) Niaina an’izany i Solomona Mpanjaka, ary mandray lesona avy amin’ny tantarany isika.—Rom. 15:4.

14. Inona no ianaranao avy amin’i Solomona?

14 Nanam-pahefana sy harena be tsy nisy hoatr’izany i Solomona. Nanandrana nanao izay rehetra nahafinaritra azy izy, mba hahitana hoe inona no ho vokany. (Mpito. 2:1-10) Nanao trano sy zaridaina tsara tarehy be dia be izy, ary nataony daholo izay tiany. Sambatra sy afa-po ve izy avy eo? Hoy izy: ‘Nitodika aho nijery ny asa rehetra nataon’ny tanako. Dia hitako fa zava-poana ny zava-drehetra sady tsy misy mahasoa.’ (Mpito. 2:11) Lesona lehibe ho antsika izany! Hitadidy an’izany ve ianao?

15. Nahoana no tena ilaina ny finoana? Inona no soa azon’izay manam-pinoana, araka ny Salamo 32:8?

15 Tsy tian’i Jehovah ho lavo ianao vao hahay hamindra. Mila finoana anefa ianao raha te hahavita hankatò azy sy hanao ny sitrapony alohan’ny zava-drehetra. Tena sarobidy ny finoana. Tsy hanenina mihitsy ianao raha ny finoanao no mibaiko anao amin’izay safidy ataonao. Tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ‘ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany.’ (Heb. 6:10) Miezaha mafy àry hanana finoana matanjaka. Ianao mihitsy amin’izay no hahita hoe tian’ilay Rainao any an-danitra homena ny tsara indrindra ianao.—Vakio ny Salamo 32:8.

OMENY NY TENA FAHAFAHANA

16. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny fahafahana ananantsika sy hampiasa tsara azy io?

16 Hoy i Paoly: “Izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.” (2 Kor. 3:17) Tena tia fahafahana i Jehovah, dia noforoniny ho tia fahafahana koa isika. Tiany hampiasa tsara ny fahafahana anananao anefa ianao, ary miaro anao izany. Angamba ianao mahafantatra ankizy mijery boky sy sary vetaveta, na maloto fitondran-tena, na manao spaoro mampidi-doza, na mifoka rongony sy miboboka toaka. Marina hoe mety hahita tsirony amin’izany ry zareo. Vetivety ihany anefa izany ary vidiny lafo matetika. Mety tsy ho afaka amin’ilay fahazaran-dratsy intsony mantsy izy, na harary, na hamoy ny ainy mihitsy. (Gal. 6:7, 8) Mieritreritra ireny ankizy ireny hoe manana fahafahana, nefa tsy izany akory.—Tit. 3:3.

17, 18. a) Nahoana no manana fahafahana isika rehefa mankatò an’Andriamanitra? b) Hoatran’ny ahoana ny fahafahana nananan’i Adama sy Eva raha oharina amin’ny an’ny olona amin’izao?

 17 Firy kosa ny olona fantatrao hoe narary satria nankatò an’izay lazain’ny Baiboly? Azo inoana fa tsy misy. Lasa salama sy manana ny tena fahafahana mantsy isika rehefa mankatò an’i Jehovah. (Sal. 19:7-11) Ho hitan’i Jehovah sy ny ray aman-dreninao koa hoe azo itokisana ianao raha mampiasa tsara ny fahafahana anananao, izany hoe manaraka ny lalàna sy toro lalana tonga lafatra omen’i Jehovah. Mety homen’izy ireo fahafahana bebe kokoa ianao amin’izay. Mampanantena koa i Jehovah fa tsy ho ela dia homeny fahafahana tonga lafatra ny mpanompony tsy mivadika. Antsoin’ny Baiboly hoe “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy io.—Rom. 8:21.

18 Nanana an’izany fahafahana izany i Adama sy Eva. Marina hoe tsy navelan’i Jehovah hihinana ny voan’ny hazo iray ry zareo, tao amin’ny zaridainan’i Edena. (Gen. 2:9, 17) Voafehifehy be sy nijaly ve anefa ry zareo, satria tsy maintsy nankatò an’io didy io? Mazava ho azy fa tsia! Ny an’ny olombelona aza didy be dia be no noforoniny, sady amin’izay terena hanaraka an’ireny ny olona.

19. Inona no ampianarin’i Jehovah sy Jesosy antsika, mba hahatonga antsika hanana fahafahana?

19 Tena hendry i Jehovah ary hita amin’ny fomba itondrany antsika izany. Tsy manome lalàna be dia be izy. Ampianariny hanaraka ny lalàn’ny fitiavana kosa isika, ary manam-paharetana izy rehefa manao an’izany. Tiany hanaraka ny toro lalany sy hankahala ny ratsy isika. (Rom. 12:9) Anisan’ny fomba ampianarany antsika ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, satria natoron’i Jesosy ao amin’izy io ny mahatonga ny olona hanao ratsy. (Mat. 5:27, 28) Any amin’ny tontolo vaovao koa, dia mbola hampianatra antsika i Jesosy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitovy tanteraka amin’ny azy ny fiheverantsika ny tsara sy ny ratsy amin’izay. (Heb. 1:9) Hataony lavorary koa ny saintsika sy ny vatantsika. Eritrereto ange izany e! Tsy ho voatarika hanota intsony ianao, ary tsy hijaly noho ny ota intsony. Hanana an’ilay ‘fahafahana be voninahitra’ nampanantenain’i Jehovah ianao amin’ny farany.

20. a) Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mampiasa ny fahafahana ananany? b) Inona no soa ho azonao raha manahaka azy ianao?

20 Hisy fetrany foana anefa ny fahafahantsika, na any amin’ny tontolo vaovao aza. Nahoana? Satria tsy maintsy mbola hobaikoin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona foana isika. Izany no ataon’i Jehovah, ary tiany hanahaka azy isika. Tsy misy fetrany ny fahafahana ananany, nefa mifidy ny hobaikoin’ny fitiavana izy rehefa mifandray amintsika. (1 Jaona 4:7, 8) Mila manaiky hobaikoin’ny fitiavana hoatr’azy àry isika, izay vao hanana ny tena fahafahana.

21. a) Inona no nolazain’i Davida momba an’i Jehovah? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Hitantsika tato fa betsaka ny “zava-tsoa” omen’i Jehovah anao, ohatra hoe sakafo ara-panahy be dia be sy namana faran’izay tsara ary tanjona tena misy dikany. Mampanantena koa izy hoe hanana fahafahana tonga lafatra ianao amin’ny hoavy. Mankasitraka an’izany rehetra izany ve ianao? (Sal. 103:5) Mety hitovy hevitra amin’i Davida ianao raha izany. Hoy izy ao amin’ny Salamo 16:11: “Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana. Fifaliana tsy omby tratra no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo ankavananao, mandrakizay.” Hiresaka hevitra hafa tena tsara avy ao amin’ny Salamo faha-16 isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ho hitanao ao hoe inona koa no azo atao raha tena te ho afa-po amin’ny fiainana.