Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Ry Tanora, Te ho Afa-po Amin’ny Fiainana ve Ianareo?

Ry Tanora, Te ho Afa-po Amin’ny Fiainana ve Ianareo?

“Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana.”—SAL. 16:11.

HIRA: 133, 89

1, 2. Inona no porofo hoe azo atao ny miova?

MPIANATRA teny amin’ny lise i Tony, ary tsy nisy dada intsony izy. Tsy nivaky loha tamin’ny fianarana izy, ary efa saika tsy hianatra intsony. Nijery filma sy niaraka tamin’ny namany fotsiny no nataony rehefa faran’ny herinandro. Tsy hoe nahery setra na nifoka rongony izy, fa tsy nanana tanjona fotsiny. Nihaona tamina mpivady Vavolombelon’i Jehovah izy indray mandeha, dia nolazainy tamin’izy ireo hoe tsy tena mino an’Andriamanitra izy. Nametraka fanontaniana maromaro tamin-dry zareo koa izy. Nomen’izy mivady azy avy eo ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina sy ilay hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?

2 Efa niova izy rehefa niverina tany izy mivady. Novakiny sy nianarany imbetsaka ireo bokikely, ka niforiporitra mihitsy ny sisiny. Hoy izy: “Tsy maintsy misy izany Andriamanitra izany.” Nanaiky hianatra Baiboly izy ary niova tsikelikely ny fahitany ny fiainany. Lasa anisan’ny mpianatra nahay indrindra koa izy, fa tsy hoatran’ny taloha. Na ny tale aza gaga! Hoy izy tamin’i Tony: “Lasa hendry be ianao sady tena nihatsara ny naotinao. Ilay ianao mivavaka any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve no mahatonga an’izany?” Nilaza i Tony hoe: “Izany mihitsy!” Dia nitory taminy izy avy eo. Namita  ny fianarany izy sady afa-panadinana. Mpisava lalana maharitra izy izao ary mpanampy amin’ny fanompoana. Mahatsiaro ho sambatra be koa izy hoe lasa manana Ray be fitiavana, satria manana an’i Jehovah.—Sal. 68:5.

MANKATOAVA AN’I JEHOVAH, DIA HAHOMBY IANAO

3. Inona no ampirisihin’i Jehovah hataon’ny tanora?

3 Hitantsika amin’ny tantaran’i Tony hoe tena tia anareo tanora i Jehovah. Tiany ho afa-po amin’ny fiainana sy hahomby amin’izay ataonareo ianareo. Izay no mahatonga azy hampirisika anareo hoe: ‘Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao, amin’ny andro fahatanoranao.’ (Mpito. 12:1) Tsy mora izany amin’izao, nefa azo atao tsara. Hahavita an’izany ianao rehefa ampian’i Jehovah, ary tsy hoe amin’izao tanora izao fotsiny, fa mandritra ny fiainanao manontolo mihitsy. Manaporofo an’izany ny tantaran’ny Israelita tamin’izy ireo naka ny Tany Nampanantenaina, sy ny tantaran’i Davida tamin’izy niady tamin’i Goliata.

4, 5. Ahoana no nandresen’ny Israelita ny Kananita sy nandresen’i Davida an’i Goliata? Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Eritrereto tamin’ny Israelita efa akaiky ho tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy maintsy hiady amin-dry zareo ny olona tao. Tsy nandidy an-dry zareo hiomana hiady na hianatra ady anefa i Jehovah. (Deot. 28:1, 2) Nasainy natoky azy sy nankatò ny didiny kosa ry zareo. (Jos. 1:7-9) Mety ho hafahafa tamin’ny olona izany torohevitra izany. Tsy nisy tsara noho izany anefa, satria nataon’i Jehovah resin’ny Israelita foana ny Kananita. (Jos. 24:11-13) Marina hoe mila manam-pinoana ianao vao hahavita hankatò an’Andriamanitra. Mahomby foana anefa izay ataon’ny olona manam-pinoana. Marina izany hatramin’izay ka hatramin’izao.

5 Miaramila natanjaka be i Goliata. Efa ho telo metatra ny halavany, ary ampy tsara ny fitaovam-piadiany. (1 Sam. 17:4-7) Inona kosa no nananan’i Davida? Pilotra iray, dia finoana an’i Jehovah. Raha olona tsy nanam-pinoana, dia mety ho nieritreritra hoe: ‘Mba tsy misaina koa i Davida!’ Diso be anefa izy ireo, fa i Goliata no tena tsy nisaina.—1 Sam. 17:48-51.

6. Inona no hodinihintsika ato?

6 Nijery hevitra efatra manampy antsika ho sambatra sy hahomby eo amin’ny fiainana isika, tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Noresahintsika hoe mila miezaka hahafantatra an’Andriamanitra isika, minamana amin’ny olona tia azy, miezaka hanana tanjona tena misy dikany, ary mampiasa tsara ny fahafahana ananantsika. Handinika bebe kokoa an’ireo isika izao, ary hijery toro lalana mifandray amin’izany ao amin’ny Salamo faha-16.

MIEZAHA HIFANDRAY KOKOA AMIN’ANDRIAMANITRA

7. a) Inona no ataon’ny olona tia an’i Jehovah? b) Inona ilay “anjara” tian’i Davida horesahina, ary ahoana no fahitany an’ilay izy?

7 Matoky an’Andriamanitra sy mitovy hevitra aminy ny olona tia azy. Mitady torohevitra any aminy izy, ary tapa-kevitra ny hankatò azy. (1 Kor. 2:12, 13) Hoatr’izany mihitsy i Davida. Nihira izy hoe: “I Jehovah no anjara nomena ahy.” (Sal. 16:5) Nankasitrahany ny “anjara” nomena azy, izany hoe ny fifandraisany tsara tamin’i Jehovah. Niantehitra taminy koa izy. (Sal. 16:1) Inona no vokany? Hoy izy: “Faly ny foko.” Ny nifandray akaiky tamin’i Jehovah no nahafinaritra azy indrindra.—Vakio ny Salamo 16:9, 11.

8. Milazà zavatra sasany hanampy anao ho tena afa-po amin’ny fiainana.

8 Tsy ho faly hoatran’i Davida ny olona iray, raha variana mitady vola sy manao izay mahafinaritra azy fotsiny. (1 Tim. 6:9, 10) Hoy ny rahalahy iray any Kanada: “Tsy izay azontsika no mahatonga antsika ho afa-po. Afa-po kosa isika rehefa manome ho an’i  Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome ny fanomezana tsara rehetra.” (Jak. 1:17) Tena hisy dikany ny fiainanao ary ho afa-po ianao, raha miezaka hino an’i Jehovah sy manompo azy. Inona no hanampy anao hanam-pinoana bebe kokoa? Manokàna fotoana hiarahana amin’i Jehovah. Ahoana izany? Mila mamaky Baiboly sy mandinika ny zavatra noforoniny ary misaintsaina ny toetrany ianao. Saintsaino, ohatra, ny fitiavany anao.—Rom. 1:20; 5:8.

9. Inona no azonao atao raha tianao hanova anao ny Tenin’Andriamanitra?

9 Mananatra antsika i Jehovah indraindray satria tiany isika. Nandray tsara an’ireny anatra ireny i Davida. Hoy izy: “Hisaorako i Jehovah, izay manome torohevitra ahy. Mananatra ahy mandritra ny alina ny voako.” (Sal. 16:7) Nisaintsaina ny hevitr’i Jehovah izy, dia niezaka hitovy hevitra taminy. Navelany hanova azy izany. Raha manahaka an’i Davida ianao, dia vao mainka ho tia an’i Jehovah sy te hankatò azy ary hihamatotra. Hoy ny anabavy atao hoe Christin: “Rehefa manao fikarohana sy misaintsaina an’izay novakiko aho, dia hoatran’ny hoe nasain’i Jehovah nosoratana ho an’ahy mihitsy ilay izy!”

10. Inona no tombony azon’izay mifandray akaiky amin’i Jehovah, araka ny Isaia 26:3?

10 Lasa mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fahitanao an’ity tontolo ity sy ny hoavy, rehefa mifandray akaiky aminy ianao. Ampahafantariny anao mantsy ny momba an’ireo, mba ho hainao izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Tiany hahay hanapa-kevitra sy tsy hatahotra ny hoavy koa ianao. (Vakio ny Isaia 26:3.) Hoy i Joshua, rahalahy any Etazonia: “Ho hainao foana izay tena zava-dehibe, raha mifandray akaiky amin’i Jehovah foana ianao.”

MIEZAHA HANANA NAMANA TSARA

11. Olona hoatran’ny ahoana no nolazain’i Davida hoe tsara hatao namana?

11 Vakio ny Salamo 16:3. Fantatr’i Davida hoe olona hoatran’ny ahoana no tsara hatao namana. ‘Tena nahafinaritra azy’ ny niaraka tamin’ny olona tia an’i Jehovah. Nantsoiny hoe “olona masina” izy ireny, izany hoe olona madio fitondran-tena sy manao ny tsara. Hoatr’izany koa no nataon’ny mpanao salamo iray hafa rehefa nifidy namana. Hoy izy: “Naman’izay rehetra matahotra anao aho, ary naman’izay mitandrina ny didinao.” (Sal. 119:63) Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe afaka mahazo namana tsara be dia be ianao ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Matahotra an’i Jehovah sy manompo azy mantsy ny olona ao. Azonao atao namana koa na dia izay tsy mitovy taona aminao aza.

12. Inona no nahatonga an’i Davida sy Jonatana ho lasa mpinamana?

12 Tsy izay nitovy taona taminy ihany no nataon’i Davida namana. Tadidinao ve hoe mpinamana be izy sy Jonatana? Anisan’ny tsara indrindra voatantara ao amin’ny Baiboly ny fifandraisan’izy ireo. Fantatrao ve anefa fa zokin’i Davida 30 taona teo ho eo i Jonatana? Fa maninona àry ry zareo no lasa mpinamana be? Satria samy natoky an’Andriamanitra ry zareo sady nifanaja tsara. Hitan’izy roa lahy koa hoe samy be herim-po izy rehefa niady tamin’ny fahavalon’i Jehovah.—1 Sam. 13:3; 14:13; 17:48-50; 18:1.

13. Inona no azonao atao raha te hanana namana betsaka kokoa ianao? Manomeza ohatra.

13 Hoatran’i Davida sy Jonatana koa isika. “Tena mahafinaritra” antsika ny minamana amin’ny olona tia an’i Jehovah sy mampiseho hoe matoky azy. Efa ela i Kiera no nanompo an’i Jehovah. Hoy izy: “Manana namana avy any amin’ny tany be dia be aho. Samy hafa fiaviana sy kolontsaina daholo ry zareo.” Raha manao hoatr’izany koa ianao, dia ho hitanao hoe tena manampy antsika hiray saina ny Baiboly sy ny fanahy masina.

 MIEZAHA HANANA TANJONA TENA MISY DIKANY

14. a) Inona no hanampy anao hifidy tanjona tena misy dikany? b) Inona no nolazain’ny tanora sasany momba ny tanjon’izy ireo?

14 Vakio ny Salamo 16:8. Ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra tamin’i Davida. Ho afa-po amin’ny fiainana koa ianao, raha manao hoatr’azy sady mitadidy an’i Jehovah foana rehefa hifidy tanjona. Hoy ny rahalahy atao hoe Steven: “Rehefa miezaka manatratra tanjona aho ka tratrako ilay izy sady hitako hoe nisy fandrosoana vitako, dia afa-po aho.” Manompo any an-tany hafa ny rahalahy tanora iray avy any Alemaina. Hoy izy: “Rehefa antitra aho any aoriana any ka mandinika ny zavatra nataoko, dia tsy tiako raha hoe tsy nanao na inona na inona ho an’ny hafa mihitsy aho fa ho an’ahy daholo.” Hoatr’izany koa ve ianao? Ampiasao tsara àry ny fahaizanao sy izay rehetra anananao, mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa. (Gal. 6:10) Mifidiana tanjona mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mivavaha aminy mba hanampy anao hanatratra an’ilay izy. Tena satriny hamaly vavaka hoatr’izany.—1 Jaona 3:22; 5:14, 15.

15. Inona no tanjona azonao tratrarina? (Jereo ilay hoe “ Tanjona Sasany Azo Tratrarina.”)

15 Inona, ohatra, no tanjona azonao tratrarina? Maninona raha miezaka manome valin-teny amin’ny fomba fiteninao, na manao mpisava lalana, na manompo any amin’ny Betela? Azo atao koa ny mianatra teny vahiny, amin’izay afaka manompo any amin’izay fiangonana na antoko-mpitory mampiasa an’ilay fiteny. Mbola tanora i Barak ary manompo manontolo andro. Hoy izy: “Vao mifoha aho isa-maraina, dia fantatro hoe ho an’i Jehovah daholo ny heriko amin’iny andro iny. Dia afa-po aho! Tsisy zavatra hafa mahafa-po an’ahy hoatr’izany!”

TADIDIO HOE SAROBIDY ILAY FAHAFAHANA NOMENA ANAO

16. Ahoana no fahitan’i Davida ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany, ary nahoana?

16 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe manafaka antsika ny manaraka ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany. Manampy antsika ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy mantsy izany. (Amosa 5:15) Tena tian’i Davida ny fitsipik’i Jehovah, dia izany no nanampy azy ho tsara toetra. Niaiky izy hoe tena lehibe ny hatsaran-toetran’i Jehovah.  (Sal. 31:19) Ny hoe tsara toetra ao amin’ny Baiboly dia midika hoe tsara amin’ny lafiny rehetra, izany hoe tsy ahitana zava-dratsy mihitsy. Hoatr’izany i Jehovah, ary niezaka mafy nanahaka azy i Davida. Niezaka mafy koa izy mba hankahala an’izay nolazain’i Jehovah hoe ratsy, ohatra hoe ny fanompoan-tsampy. Lasa tsy misy vidiny mantsy ny olona manompo sampy, sady ilay sampy indray no mahazo ny voninahitra tokony ho an’i Jehovah.—Isaia 2:8, 9; Apok. 4:11.

17, 18. a) Inona no nolazain’i Davida momba ny fanompoan-tsampy? b) Nahoana no be ny fahorian’ny olona amin’izao?

17 Resahin’ny Baiboly hoe rehefa nanompo sampy ny olona taloha, dia matetika ry zareo no nijangajanga. (Hosea 4:13, 14) Nazoto nanompo sampy àry ny olona satria tiany ilay nijangajanga. Tsy nahasambatra azy ireo anefa izany. Nilaza i Davida hoe “be ny fahorian’izay maika hanaraka andriamani-kafa.” (Sal. 16:4) Nanao sorona ankizy koa ireny mpanompo sampy ireny. (Isaia 57:5) Nahatsiravina an’i Jehovah izany. (Jer. 7:31) Ahoana raha niaina tamin’izany fotoana izany ianao? Tsy ho faly be ve ianao raha nino sy nankatò an’i Jehovah ny ray aman-dreninao?

18 Milefitra amin’ny fijangajangana koa ny fivavahan-diso amin’izao. Eken-dry zareo mihitsy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Mbola ratsy hoatran’ny taloha ihany anefa ny vokatr’izany, na dia ataon’ny olona aza hoe izany no fahafahana. (1 Kor. 6:18, 19) Noho ny ataony ihany no mahatonga azy ireo ho ‘be fahoriana’, ary angamba ianao mahatsikaritra an’izany. Mba henoy àry ilay Rainao any an-danitra! Miezaha ho resy lahatra hoe tena mahasoa anao ny mankatò azy. Tadidio hoe vetivety fotsiny ny fahafinaretana azo rehefa maloto fitondran-tena, fa faran’izay ratsy ny vokany. (Gal. 6:8) Hoy i Joshua, ilay voaresaka teo: “Manana fahafahana isika, dia azontsika atao daholo izay tiantsika. Tsy ho afa-po mihitsy anefa isika, raha tsy mahay mampiasa azy io.”

19, 20. Inona avy ny fitahiana ho azon’ny tanora matoky an’i Jehovah sy mankatò azy?

19 Hoy i Jesosy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Nafahan’i Jehovah tamin’ny fivavahan-diso isika, dia nampiany hahalala ny marina sy tsy hinohino foana. Hanana “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” koa isika amin’ny hoavy. (Rom. 8:21) Efa afaka ny hanana fahafahana anefa ianao amin’izao, raha ‘tsy miala amin’ny tenin’i Kristy’, izany hoe mampihatra an’izay nampianariny. ‘Ho fantatrao ny marina’ amin’izay, satria iainanao mihitsy ilay izy fa tsy hoe ianaranao fotsiny.

20 Ry tanora, tadidio hoe sarobidy ilay fahafahana nomena anareo. Mahaiza mampiasa azy io, dia ho faran’izay tsara ny hoavinareo. Hoy ny rahalahy tanora iray: “Raha mbola tanora ianao dia efa mampiasa tsara ny fahafahana anananao, dia tena hanampy anao izany rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe ianao amin’ny hoavy. Hanampy anao, ohatra, izany rehefa hitady asa, na hisafidy hoe hanambady sa aleo aloha miandry.”

21. Inona no azonao atao mba hahazoana ny “tena fiainana”?

21 Hoatran’ny hoe tafita amin’ny fiainana ny olona sasany. Mandalo ihany anefa izany, satria tsy misy mahalala izay havoakan’ny ampitso. (Jak. 4:13, 14) Tsy aleo àry ve manao izay hahazoana ny “tena fiainana”, izany hoe ny fiainana mandrakizay? (1 Tim. 6:19) Tsy manery antsika hanao an’izany i Jehovah, fa avelany hisafidy isika. Miezaha àry hifandray akaiky aminy, amin’izay izy no ho ‘anjaranao.’ Ankafizo ny “zava-tsoa” rehetra omeny anao. (Sal. 103:5) Matokia fa afaka manampy anao ho faly be sy ho sambatra mandrakizay izy.—Sal. 16:11.