Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

“Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”

“Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”

“Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—LIOKA 23:43.

HIRA: 145, 139

1, 2. Ahoana no hevitry ny olona momba ny paradisa?

NAHAFINARITRA be tamin’izay! Nirava ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Séoul, any Korea, dia nivoaka ny kianja ireo rahalahy sy anabavy vahiny nanatrika an’ilay izy. Nitangorona teo amin-dry zareo ireo Vavolombelona koreanina maro be. Nanofahofa tanana ry zareo sady niantsoantso hoe: “Any amin’ny Paradisa mihaona e!” Inona io paradisa io?

2 Samy manana ny heviny ny olona. Misy mieritreritra hoe nofinofy fotsiny izy io. Ny hafa indray milaza hoe izay toerana mahatonga azy ho faly sy afa-po no paradisany. Raha misy olona noana be kosa ka omena sakafo matsiro be dia be, dia mety hahatsiaro ho toy ny any amin’ny paradisa izy. Nandalo tao amina lohasaha feno voninkazodia ny vehivavy iray, taona maro lasa izay. Niaiky izy hoe tsara loatra ilay toerana, ka hoy izy: “Izany ka paradisa!” Paradisa no iantsoana an’io toerana io hatramin’izao, na dia rakotra lanezy 15 metatra mahery aza ilay izy isan-taona. Ary ianao? Inona izany Paradisa izany aminao? Mino ve ianao fa hisy izany?

3. Aiza ny andinin-teny voalohany miresaka paradisa?

3 Miresaka momba ny paradisa ny Baiboly: Ny iray efa tsy misy intsony, fa ny iray mbola ho avy. Ny boky voalohany ao dia efa miresaka Paradisa. Hoy ny Genesisy 2:8 ao amin’ny Baiboly  katolika Dikan-tenin’i Douay, izay nadika avy amin’ny teny latinina: “Nanamboatra paradisam-pahafinaretana ny Tompo Andriamanitra tany am-boalohany: Nataony tao [i Adama] izay noforoniny.” (Izahay no manao sora-mandry.) Zaridainan’i Edena no andikana azy io, raha amin’ny teny hebreo. Midika hoe “Fahafinaretana” mantsy ny hoe Edena, ary tena nahafinaritra io zaridaina io. Nisy toerana kanto sy sakafo be dia be tao, ary nihavana tsara ny olona sy ny biby.—Gen. 1:29-31.

4. Nahoana no tena paradisa ny zaridainan’i Edena?

4 Adika amin’ny teny grika hoe paradeisôs ilay teny hebreo nadika hoe “zaridaina.” Inona no tonga tao an-tsain’ny olona niteny grika, rehefa naheno an’io teny io? Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong: ‘Ny hoe paradeisôs dia zaridaina voajanahary tena kanto sy malalaka be ary tsy mifefy. Voaro amin’izay mety hanimba azy izy io. Misy loharano madio koa ao, ary mamelona an’ireo hazo avo be sy tsara tarehy ao amin’ilay zaridaina ireo loharano ireo. Misy voany daholo ny ankamaroan’ny hazo ao. Ahitana andiana antilopa na ondry be dia be mandehandeha koa eny amoron’ireo loharano.’—Ampitahao amin’ny Genesisy 2:15, 16.

5, 6. Nahoana i Adama sy Eva no tsy afaka nipetraka tao amin’ny Paradisa intsony? Inona no mety hoeritreretin’ny olona sasany?

5 Hoatr’izany ny paradisa nametrahan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva. Tsy nahazo nipetraka tao intsony anefa izy ireo satria tsy nankatò. Tsy afaka nipetraka tao koa ny taranany. (Gen. 3:23, 24) Azo inoana fa nisy foana io zaridaina io mandra-pahatongan’ny Safodrano, na dia tsy nisy nipetraka intsony aza tao.

6 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Mbola hisy Paradisa ve eto an-tany?’ Ary ianao? Manantena ve ianao hoe hiaina ao amin’ny Paradisa miaraka amin’ny fianakavianao? Manana porofo ve ianao hoe tena hisy izy io? Hainao ve ny manazava an’izany?

POROFO FA MBOLA HISY NY PARADISA

7, 8. a) Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama? b) Inona no mety ho tonga tao an-tsain’i Abrahama tamin’izay?

7 Avy amin’i Jehovah ny Baiboly, ary izy no namorona ny Paradisa voalohany. Ao amin’ny Baiboly àry isika no tokony hikaroka, raha manana fanontaniana momba ny Paradisa. Eritrereto izay nolazain’i Jehovah tamin’i Abrahama namany. Nilaza izy hoe hataony be dia be ‘tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina’ ny taranak’i Abrahama. Hoy koa izy: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao, satria nihaino ny teniko ianao.” (Gen. 22:17, 18) Mbola nilaza an’izany tamin’ny zanak’i Abrahama sy ny zafikeliny i Jehovah, tatỳ aoriana.—Vakio ny Genesisy 26:4; 28:14.

8 Nieritreritra paradisa any an-danitra ve i Abrahama, rehefa nilaza i Jehovah hoe hahazo fitahiana “ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany”? Tsy milaza an’izany mihitsy ny Baiboly. Azo inoana àry hoe fitahiana eto an-tany no tao an-tsainy. I Jehovah no nampanantena an’izany, ka azo antoka hoe hihatsara ny fiainan’ireo firenena rehetra ireo. Misy porofo hafa ve hoe mbola hisy paradisa eto an-tany?

9, 10. Inona koa ny fampanantenana manaporofo hoe mbola hisy ny Paradisa?

9 Nilaza i Davida, taranak’i Abrahama, hoe tsy hisy intsony ny “mpanao ratsy” sy ny olona “manao ny tsy marina” amin’ny hoavy. (Sal. 37:1, 2, 10) “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” Nahazo fanahy masina koa izy, ka naminany hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Sal. 37:11, 29; 2 Sam. 23:2) Azo inoana fa nisy vokany be tamin’izay olona te hanao ny sitrapon’i Jehovah ireo fampanantenana ireo. Lasa afaka nanantena ry zareo hoe ho lasa paradisa hoatran’ny zaridainan’i Edena ny tany, satria hanao ny marina daholo ny olona.

 10 Nilaza ho mpivavaka tamin’i Jehovah ny Israelita, nefa nivadika taminy sady tsy nanompo azy intsony tatỳ aoriana. Navelan’i Jehovah handresy an-dry zareo àry ny Babylonianina, dia handrava ny taniny, ary hitondra ny maro taminy ho babo. (2 Tan. 36:15-21; Jer. 4:22-27) Nilaza anefa ny mpaminany hoe hiverina any amin’ny taniny ry zareo afaka 70 taona, dia tanteraka izany. Mbola misy dikany ho antsika ireo faminaniana ireo, ka handinika ny sasany amin’izany isika. Hanampy antsika hatoky izany hoe tena hisy paradisa eto an-tany.

11. Ahoana no nahatanteraka ny Isaia 11:6-9? Inona no fanontaniana mbola mila valiantsika?

11 Vakio ny Isaia 11:6-9. Nasain’i Jehovah nosoratan’i Isaia mpaminany hoe hilamina tsara ny fiainan’ny Israelita rehefa tafody ry zareo. Tsy hatahotra ry zareo, satria tsy hisy biby masiaka any na olona ratsy toetra. Ho voaro daholo na ny tanora na ny be taona. Tsy mampahatsiahy anao ny fiainana tany Edena ve izany? (Isaia 51:3) Tanteraka tamin’ny Israelita io faminaniana io. Tsy ny firenen’Israely fotsiny anefa no resahiny eo. Milaza koa mantsy izy io hoe ny tany manontolo dia ‘ho feno fahalalana an’i Jehovah, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.’ Rahoviana izany no hitranga?

12. a) Inona no fitahiana azon’ireo Israelita nody tany an-tanindrazany? b) Inona no porofo fa mbola ho tanteraka amin’ny hoavy ny Isaia 35:5-10?

12 Vakio ny Isaia 35:5-10. Mbola nohamafisin’i Isaia ao amin’ireo andininy ireo hoe tsy hisy biby na olona hampijaly ny Israelita, rehefa tafody ry zareo. Hahavokatra be ny taniny satria ho azon-drano tsara, hoatran’ny tany amin’ny zaridainan’i Edena. (Gen. 2:10-14; Jer. 31:12) Tamin’ny andron’ny Israelita ihany ve io faminaniana io no tanteraka? Resahin’izy io hoe hositranina ny jamba sy ny marenina ary ny kilemaina. Tsy nisy an’izany anefa rehefa tafaverina ry zareo. Midika izany hoe mbola hanasitrana ny olona i Jehovah amin’ny hoavy.

13, 14. Inona tamin’ny voalazan’ny Isaia 65:21-23 no tanteraka tamin’ny Israelita, ary inona no mbola ho tanteraka? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

13 Vakio ny Isaia 65:21-23. Tsy hoe nandray vonona fotsiny ny Israelita rehefa tafaverina. Tsy nisy trano tsara be azony nipetrahana tany, na tanimboly sy tanimboaloboka efa voakarakara. Niova anefa izany satria notahin’i Jehovah ry zareo. Faly erỳ ry zareo nanorina trano sy nipetraka tao amin’izy ireny. Namboly koa ry zareo sady nankafy ny vokatry ny taniny.

14 Voamarikao ve ilay hoe “ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo” ny androm-piainantsika? Misy hazo sasany maharitra an’arivony taona. Tsy maintsy salama tsara ny olona vao ho velona ela be hoatr’izany. Dia eritrereto hoe mahafinaritra be hoatran’ilay noresahin’i Isaia ny fiainana amin’izay fotoana izay. Izay vao tena ho paradisa! Aiza indray no hisy hoatr’izany? Matokia fa tena ho tanteraka izany.

Hanao ahoana ny fiainana rehefa tanteraka ilay tenin’i Jesosy momba ny Paradisa? (Fehintsoratra 15, 16)

15. Inona no fitahiana sasany lazain’ny bokin’i Isaia fa ho azontsika amin’ny hoavy?

15 Porofoin’ireo fampanantenana ireo hoe hisy paradisa amin’ny hoavy. Hitantsika, ohatra, hoe hotahin’Andriamanitra ny mponina eto an-tany, ary tsy hisy biby na olona hampijaly an-dry zareo. Hositranina ny jamba sy ny marenina ary ny kilemaina. Samy hanao ny tranony koa ny rehetra, ary ho faly hihinana ny vokatry ny taniny. Tsy vitan’izay fa ho ela velona mihoatra noho ny hazo ny olona. Izany ny hoavy miandry antsika, ary manaporofo an’izany ny Baiboly. Mety hisy hiteny anefa hoe mandefa saina lavitra loatra isika, rehefa mamaky an’ireo faminaniana ireo. Ahoana no havalinao azy? Nahoana ianao no mino hoe tena hisy paradisa eto an-tany? Niresaka antony iray lehibe mahatonga antsika hino an’izany ilay lehilahy niavaka indrindra.

HO ANY AMIN’NY PARADISA IANAO!

16, 17. Oviana i Jesosy no niresaka Paradisa?

16 Tsy nanao ratsy i Jesosy nefa nomelohina,  ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo mba ho faty. Jiolahy jiosy roa no teo akaikiny tamin’izay, ka ny iray teo ankaviany ary ny iray teo ankavanany. Nisy iray tamin-dry zareo niaiky hoe mpanjaka i Jesosy, dia niteny taminy hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” (Lioka 23:39-42) Hita ao amin’ny Lioka 23:43 ny valin-tenin’i Jesosy, ary misy ifandraisany amin’ny hoavinao ilay izy. Nisy manam-pahaizana nandika azy io ara-bakiteny hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa, anio ianao no hiaraka amiko any amin’ny Paradisa.” Mariho fa nataon-dry zareo aorian’ny faingo ilay teny hoe “anio.” Samy manana ny heviny momba ny toerana tokony hisy an’io faingo io ny olona. Inona anefa no tena tian’i Jesosy holazaina?

17 Mampiasa mari-piatoana toy ny faingo ny fiteny maro, mba hampahazava tsara ny hevitry ny fehezanteny. Tsy hoatr’izany anefa ireo sora-tanana grika voalohandohany. Misy mari-piatoana ihany ao amin’izy ireny, fa tsy hoe misy foana. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina? Te hiteny ve izy hoe: “Lazaiko aminao, anio ianao no hiaraka amiko any amin’ny Paradisa”? Sa hoe: “Lazaiko aminao anio, hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”? Hita ao amin’ny Baiboly sasany ilay fomba fanoratra voalohany, fa ilay faharoa no hita ao amin’ny Baiboly hafa. Arakaraka izay eritreretin’ny mpandika teny hoe tian’i Jesosy hotenenina mantsy no nametrahany an’ilay faingo.

18, 19. Ahoana no tokony ho fahazoantsika an’ilay tenin’i Jesosy, ary nahoana?

18 Tadidio fa nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy talohan’izay hoe hijanona ‘telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona.’ Hoy koa izy: “Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona, ka hovonoiny ho faty, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.” (Mat. 12:40; 16:21; 17:22, 23; Mar. 10:34) Nilaza ny apostoly Petera hoe tena nitranga izany. (Asa. 10:39, 40) Tsy nankany amin’ny Paradisa àry i Jesosy tamin’ny andro nahafatesany. “Tao amin’ny Fasana [na Haides]” izy nandritra ny andro vitsivitsy, ary avy eo natsangan’Andriamanitra.—Asa. 2:31, 32, f.a.p. *

19 Tokony ho hoatr’izao àry no hamakiana an’ireo teny voalohany nolazain’i Jesosy tamin’ilay jiolahy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio.” Efa fomba fitenin’ny olona ilay hoe “anio”, na dia tamin’ny andron’i Mosesy aza. Nilaza, ohatra, i Mosesy hoe: “Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto.”—Deot. 6:6; 7:11; 8:1, 19; 30:15.

20. Inona koa no porofo fa amin’ny hoavy no ho tanteraka ilay tenin’i Jesosy?

20 Hoy ny mpandika Baiboly iray: “Ilay teny hoe ‘anio’ no asongadina ao amin’io andininy io, ka tokony ho hoatr’izao no hamakiana azy: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio, fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’ Tamin’iny andro iny i Jesosy no nampanantena, ary amin’ny hoavy ilay teniny no ho tanteraka.” Nilaza koa ilay mpandika teny hoe efa hoatr’izany mihitsy ny fomba fitenin’ny olona any amin’ny faritra nisy an’i Jesosy. Avy any koa mantsy izy. Nilaza izy fa rehefa miteny hoatr’izany ny olona, dia midika izany hoe misy zavatra ampanantenainy amin’ny andro iray, dia te hanamafy izy hoe tsy maintsy ho tanteraka ilay izy. Hoatr’izao àry no andikana an’io andininy io ao amin’ny Baiboly iray amin’ny teny syriàka, izay navoaka tamin’ny taonjato fahadimy: “Amena, lazaiko anao anio fa hiaraka amiko any amin’ny Zaridainan’i Edena ianao.” Tena tokony hampahery antsika rehetra io fampanantenan’i Jesosy io.

21. Lasa tany an-danitra ve ilay jiolahy? Nahoana?

21 Tsy any an-danitra ilay Paradisa noresahin’i Jesosy. Tsy fantatr’ilay jiolahy mantsy fa nanao fifanekena tamin’ny apostoliny tsy nivadika i Jesosy hoe hiara-manjaka aminy any an-danitra  izy ireo. (Lioka 22:29) Tsy vita batisa koa ilay jiolahy, ary tsy voahosotry ny fanahy masina. (Jaona 3:3-6, 12) Midika izany hoe tsy voafidy ho any an-danitra izy. Azo antoka àry hoe eto an-tany ilay Paradisa noresahin’i Jesosy. Nilaza ny apostoly Paoly, taona maro tatỳ aoriana, hoe nahazo fahitana momba ny lehilahy iray “nentina tany amin’ny paradisa” izy. (2 Kor. 12:1-4) Mbola amin’ny hoavy koa ilay “paradisa” tiany horesahina. * Tsy hoatran’ilay jiolahy anefa i Paoly sy ireo apostoly tsy nivadika, fa voafidy ho any an-danitra sy hiara-manjaka amin’i Jesosy. Aiza àry no hisy an’ilay paradisa noresahiny? Mety ho eto an-tany ve izy io, ary ho afaka hiaina ao ve ianao?

INONA NO AZONAO ANTENAINA?

22, 23. Inona no azonao antenaina?

22 Tadidio ilay tenin’i Davida hoe ‘handova ny tany ny olo-marina.’ (Sal. 37:29; 2 Pet. 3:13) Hankatò an’izay lazain’Andriamanitra daholo ny olona eto an-tany amin’izay. Hoy ny faminaniana ao amin’ny Isaia 65:22: “Ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko.” Midika izany hoe ho velona mandritra ny an’arivony taona ny olona manompo an’i Jehovah. Afaka matoky an’izany ve ianao? Izany mihitsy! Milaza ny Apokalypsy 21:1-4 fa hotahin’Andriamanitra ny olombelona, ary anisan’izany fitahiana izany ny hoe “tsy hisy fahafatesana intsony.”

23 Mazava amintsika àry izao ny lazain’ny Baiboly. Voaroaka tao amin’ilay Paradisa tany Edena i Adama sy Eva, kanefa tsy midika izany hoe tsy hisy intsony ny Paradisa. Nampanantena Andriamanitra hoe mbola hitahy ny olona eto an-tany izy. Nasainy nanoratra koa i Davida hoe handova ny tany ny olo-marina sy ny mpandefitra ary hiaina eto mandrakizay. Hitantsika tao amin’ny faminanian’i Isaia koa fa hahafinaritra be ny fiainana, ary tena tsy andrintsika izany. Rahoviana anefa izany no hitranga? Rehefa tanteraka ny tenin’i Jesosy tamin’ilay jiolahy momba ny Paradisa. Afaka manantena hiaina ao amin’io Paradisa io ianao. Ho tanteraka ny tenin’ireo mpanatrika fivoriambe tany Korea amin’izay hoe: “Any amin’ny Paradisa mihaona e!”

^ feh. 18 Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Marvin Pate: “Maro no mihevitra hoe andro iray maharitra 24 ora ilay hoe ‘anio.’” Raha izany no izy, dia te hilaza i Jesosy hoe tamin’iny andro iny ihany izy no ho faty sy ho any amin’ny Paradisa. Hoy anefa i Marvin Pate: “Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Resahin’ny Baiboly mantsy hoe ‘nidina’ tany amin’ny Fasana i Jesosy taorian’ny nahafatesany (Mat. 12:40; Asa. 2:31; Rom. 10:7) ary niakatra tany an-danitra izy tatỳ aoriana.”

^ feh. 21 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity.