Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Hajao “Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga”

Hajao “Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga”

‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—MAR. 10:9.

HIRA: 131, 132

1, 2. Tokony handrisika antsika hanao inona ny Hebreo 13:4?

TIANAO ve ny manaja na manome voninahitra an’i Jehovah? Azo antoka fa tena tianao izany, ary mendrika an’izany izy. Mampanantena izy hoe homeny voninahitra izay manome voninahitra azy. (1 Sam. 2:30; Ohab. 3:9; Apok. 4:11) Tiany hanaja sy hanome voninahitra ny olon-kafa koa ianao, anisan’izany ny manam-pahefana. (Rom. 12:10; 13:7) Misy zavatra hafa tena tiany hohajainao koa anefa. Inona izany? Ny fanambadiana.

2 Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady.” (Heb. 13:4) Tsy hoe te hiresaka momba ny fanambadiana fotsiny i Paoly teo. Te hampirisika ny Kristianina tsirairay kosa izy mba hanaja ny fanambadiana, izany hoe hihevitra azy io ho sarobidy. Hoatr’izany ve no fahitanao ny fanambadiana, indrindra raha efa manambady ianao?

3. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy momba ny fanambadiana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Manahaka an’i Jesosy ianao raha manaja ny fanambadiana, ary izy no modely tsara indrindra amin’izany. Nanontany azy momba ny fisaraham-panambadiana ny Fariseo indray mandeha. Namerina  an’izay nolazain’Andriamanitra momba ny fanambadiana voalohany izy tamin’izay. Hoy izy: “Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny, ary ho nofo iray ihany izy roa.” Hoy koa izy: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Vakio ny Marka 10:2-12; Gen. 2:24.

4. Tian’i Jehovah hanao ahoana ny fanambadiana?

4 Hitantsika amin’izany hoe neken’i Jesosy fa avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, ary natao haharitra izy io. Tsy niteny tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra hoe afaka misara-panambadiana izy ireo. Iray ihany ny vady nomeny an’i Adama, ary tiany ho mpivady mandrakizay “izy roa.”

FIOVANA SASANY TSY HAHARITRA

5. Inona no mitranga rehefa maty ny iray amin’ny mpivady?

5 Be dia be ny zavatra niova rehefa nanota i Adama. Lasa maty, ohatra, ny olona ary misy vokany amin’ny fanambadiana izany. Nanazava tamin’ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe raha maty ny iray amin’ny mpivady, dia foana ny fanambadiana ary afaka manambady indray ilay anankiray.—Rom. 7:1-3.

6. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fanambadiana, raha ny Lalàn’i Mosesy no jerena?

6 Misy tsipiriany momba ny fanambadiana ao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita. Navelany hanambady maro ry zareo tamin’izany. Efa fanao izany na dia tamin’i Jehovah mbola tsy nanome ny Lalàna aza. Nisy fitsipika napetrany ho an’izay nanambady maro anefa, mba tsy hahatonga azy ireo hampijaly ny vady aman-janany. Raha nisy Israelita nanambady mpanompo, ohatra, ka mbola naka vady hafa izy avy eo, dia tsy tokony hahenany ny sakafon’ilay vadiny voalohany sy ny fitafiany ary ny adidy amim-bady tokony hataony aminy. Nasain’i Jehovah niaro sy nikarakara azy izy. (Eks. 21:9, 10) Marina fa tsy manaraka ny Lalàn’i Mosesy intsony isika, nefa hitantsika avy amin’izy io hoe tena sarobidy amin’i Jehovah ny fanambadiana. Tsy mahatonga anao hanaja ny fanambadiana ve izany?

7, 8. a) Inona no resahin’ny Lalàna ao amin’ny Deoteronomia 24:1? b) Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana?

7 Ary inona no resahin’ny Lalàna momba ny fisaraham-panambadiana? Tsy niova ny fahitan’i Jehovah ny fanambadiana. Navelany hisaraka ihany anefa ny Israelita, na dia tsy izany aza no fikasany. (Vakio ny Deoteronomia 24:1.) Nahazo nisaraka tamin’ny vadiny ny lehilahy israelita, raha nisy “zavatra manafintohina” hitany taminy. Tsy nofaritan’ny Lalàna ny dikan’ilay hoe “manafintohina.” Tsy maintsy ho zavatra ratsy be na nanala baraka anefa ilay izy, fa tsy fahadisoana madinika. (Deot. 23:14) Mampalahelo fa be dia be ny Jiosy nisara-panambadiana noho ny antony tsy dia misy dikany, tamin’ny andron’i Jesosy. (Mat. 19:3) Tsy tokony hanao hoatr’izany mihitsy isika!

8 Be dia be ny lehilahy nisaraka tamin’ny ‘vadin’ny fahatanorany’, tamin’ny andron’i Malakia mpaminany. Nanambady vehivavy tanora kokoa sy mpanompo sampy angamba ry zareo avy eo. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’izany? Hoy izy: “Halako ny fisaraham-panambadiana.” (Mal. 2:14-16) Tsy niova ny fahitany ny fanambadiana, fa mbola hoatran’ny tamin’ny voalohany ihany. Nilaza izy tamin’izay hoe tokony “hikambana amin’ny vadiny” ny lehilahy, “ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Gen. 2:24) Nanaraka ny hevitry ny Rainy i Jesosy, ka niteny hoe: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Mat. 19:6.

NY ANTONY TOKANA AHAFAHANA MISARA-PANAMBADIANA

9. Inona no tian’i Jesosy holazaina ao amin’ny Marka 10:11, 12?

9 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Tsy azon’ny Kristianina atao ve ny misara-panambadiana dia avy eo manambady indray?’ Hoy i Jesosy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka  manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady. Ary raha manambady olon-kafa ny vehivavy nisaraka tamin’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.” (Mar. 10:11, 12; Lioka 16:18) Hita amin’izany hoe tena nanaja ny fanambadiana i Jesosy, ary tiany hanao hoatr’izany koa ny hafa. Te hilaza izy hoe manitsakitsa-bady ny lehilahy na vehivavy iray, raha misara-panambadiana dia manambady olon-kafa, nefa tsy nijangajanga ny vadiny. Na misara-panambadiana aza mantsy ny mpivady nefa tsy nisy nijangajanga, dia tsy foana ilay fanambadiana. Mbola “nofo iray ihany” izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra. Nilaza koa i Jesosy hoe raha misaraka amin’ny vadiny ny lehilahy iray nefa tsy nijangajanga ilay vehivavy, dia mety hahatonga an’ilay vehivavy hanitsakitsa-bady izany. Fa maninona? Satria tamin’izany andro izany, dia mety hieritreritra ilay vehivavy hoe mila olona hamelona sy hikarakara azy izy, ka tokony hanambady indray. Nanitsakitsa-bady anefa izy raha nanao an’izany.

10. Inona no antony ahafahan’ny Kristianina misaraka dia avy eo manambady indray?

10 Rahoviana àry no azo foanana ny fanambadiana? Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Mat. 19:9) Efa niteny an’izany koa izy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mat. 5:31, 32) Niresaka momba ny “fijangajangana” izy tamin’ireo fotoana ireo. Avy amin’ny teny grika hoe pôrneia ny hoe “fijangajangana”, ary ilazana ny karazana firaisana ataon’ny olona tsy mpivady izy io. Anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady, ny fivarotan-tena, ny firaisan’ny olona tsy mpivady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny firaisana amin’ny biby. Raha mijangajanga ny lehilahy iray, dia afaka misafidy ny vadiny hoe hisara-panambadiana na tsia. Raha misaraka aminy izy, dia foana ny fanambadian’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra.

11. Nahoana no misy tsy misara-panambadiana, na dia nijangajanga aza ny vadiny?

11 Mariho fa tsy nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy misara-panambadiana ny mpivady, raha nijangajanga ny iray tamin’izy ireo. Afaka misafidy  ny tsy hisaraka, ohatra, ny vehivavy iray na dia nijangajanga aza ny vadiny. Mbola tiany angamba ny vadiny, dia vonona hamela azy izy sady te hiara-miasa aminy mba hanatsarana ny fifandraisan’izy ireo. Mety ho sahirana koa izy raha misara-panambadiana nefa tsy manambady avy eo. Iza, ohatra, no hamelona azy? Hahavita hifehy ny faniriany hanao firaisana ve izy? Ahoana raha manirery izy? Dia ahoana koa ny ankizy? Tsy ho sarotra kokoa ve ny hitaiza an-dry zareo ao amin’ny fahamarinana? (1 Kor. 7:14) Mety hahita olana be àry izy raha misara-panambadiana.

12, 13. a) Inona no nitranga tao amin’ny tokantranon’i Hosea? b) Fa maninona i Hosea no nampody an’i Gomera, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

12 Andraisantsika lesona koa izay niainan’i Hosea mpaminany. Nasain’i Jehovah naka vady an’i Gomera izy, ary “nitera-dahy” taminy i Gomera tatỳ aoriana. Efa nilaza koa anefa i Jehovah hoe “hijangajanga” i Gomera, ary “hahazo zanaky ny fijangajangany.” (Hosea 1:2, 3) Nanan-janaka lahy iray sy zanaka vavy iray tamin’ny lehilahy hafa tokoa izy, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nisaraka taminy mihitsy i Hosea, na dia nijangajanga foana aza izy. Izy no niala tamin’i Hosea tamin’ny farany ary lasa andevo. Nividy sy nampody azy indray anefa i Hosea. (Hosea 3:1, 2) Nampiasa an’i Hosea i Jehovah tamin’izay, mba hampisehoana hoe namela ny heloky ny Israelita foana izy, na dia nanompo sampy aza ry zareo ka toy ny nanitsakitsaka azy. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny Kristianina iray, raha nanitsakitsaka azy ny vadiny. Nilaza i Jesosy hoe manana antony ahafahana misaraka amin’ny vadiny izy raha izany, ary afaka manambady indray avy eo. Afaka misafidy ny hamela heloka koa anefa izy. Tsy diso izy raha manao an’izany. Nampody an’i Gomera, ohatra, i Hosea. Tsy nahazo nanao firaisana tamin’ny lehilahy hafa i Gomera taorian’izay, ary i Hosea koa tsy nanao firaisana taminy. (Hosea 3:3) Azo antoka anefa hoe nanao firaisana taminy indray izy tatỳ aoriana. Mitovy amin’izany ny nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany. Vonona hamela ny helok’izy ireo sy hifandray amin’izy ireo indray izy. (Hosea 1:11; 3:3-5) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Nanapa-kevitra ny tsy hisaraka angamba ny Kristianina iray, na dia nanitsakitsaka azy aza ny vadiny. Raha manao firaisana indray ry zareo, dia midika izany hoe namela heloka izy. (1 Kor. 7:3, 5) Lasa tsy mitombina indray àry ilay antony araka ny Soratra Masina ahafahany misaraka. Tokony hifanampy ry zareo aorian’izay mba hanaja ny fanambadiana hoatran’i Jehovah.

HAJAO NY FANAMBADIANA NA DIA MISY OLANA AZA

14. Inona no mety hitranga araka ny 1 Korintianina 7:10, 11?

14 Tokony hanaja ny fanambadiana ny Kristianina rehetra, hoatran’i Jehovah sy Jesosy. Tsy lavorary anefa ny olombelona, ka mety tsy hahavita an’izany. (Rom. 7:18-23) Tsy mahagaga àry hoe nanana olana ny mpivady kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza ny apostoly Paoly fa “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy”, nefa nisy nanao an’izany ihany.—Vakio ny 1 Korintianina 7:10, 11.

Inona no azo atao mba hanavotana tokantrano mikorontana? (Fehintsoratra 15)

15, 16. a) Inona no tokony ho tanjon’ny mpivady na dia manana olana aza ry zareo, ary nahoana? b) Hoatr’izany koa ve no tokony hataon’ny Kristianina iray raha tsy mpanompon’i Jehovah ny vadiny? Hazavao.

15 Tsy nilaza i Paoly hoe inona no nahatonga ny olona sasany hiala na hisintaka amin’ny vadiny. Tsy fijangajangana aloha ilay izy. Raha izany mantsy, dia ho afaka nisara-panambadiana izy ary nanambady olon-kafa. Noresahin’i Paoly hoe raha nisintaka ny vehivavy iray, dia tsy tokony hanambady izy na tokony “hody amin’ny vadiny.” Mbola mpivady mantsy ry zareo teo anatrehan’Andriamanitra. Te hilaza àry i Paoly hoe na inona na inona olana mitranga ao an-tokantrano, ankoatran’ny fijangajangana, dia tsy tokony hisaraka ny mpivady fa  handamina an’ilay izy. Azo atao koa ny mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy. Tsy hiandany amin’iza na iza izy ireo, fa hanome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly.

16 Ary ahoana raha ny iray ihany no manompo an’i Jehovah sy miezaka hanaraka ny fitsipiny? Azo atao ve ny misintaka raha misy olana? Efa hitantsika teo fa milaza ny Baiboly hoe afaka misara-panambadiana ny mpivady raha nijangajanga ny iray. Tsy resahin’ny Baiboly anefa ny antony ahafahana misintaka. Hoy i Paoly: “Raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy.” (1 Kor. 7:12, 13) Manaraka an’izany koa isika amin’izao.

17, 18. Nahoana ny Kristianina sasany no nifidy ny tsy hisintaka, na dia nisy olana aza tao an-tokantranony?

17 Misy lehilahy “tsy mpino” anefa hoatran’ny mampiseho hoe tsy “manaiky hiara-mitoetra” amin’ilay vadiny kristianina. Mahery setra be loatra angamba izy, ka atahoran’ilay vehivavy hoe hampidi-doza ny fahasalamany na ny ainy mihitsy. Tsy mety mamelona ny vady aman-janany koa angamba izy, na misakana an’ilay vadiny tsy hanompo an’i Jehovah mihitsy. Nanapa-kevitra ny hisintaka ny Kristianina sasany manana vady hoatr’izany. Na inona na inona mantsy lazain’ilay lehilahy, dia hita amin’ny ataony hoe tsy “manaiky hiara-mitoetra” aminy izy. Misy indray nisafidy hijanona miaraka amin’ny vadiny ihany, na dia izany aza no mahazo azy. Naleony niaritra sy niezaka nanatsara ny fifandraisan’izy mivady. Nahoana?

18 Mbola mpivady foana ry zareo, na dia nisintaka aza ny iray. Mety hahita olana foana koa ry zareo, araka ny efa hitantsika teo. Misy antony hafa koa mahatsara an’ilay hoe tsy misintaka. Hoy i Paoly: “Hamasinina noho ny amin’ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin’ny rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tena tsy madio ny zanakareo, nefa masina izy ireo izao.” (1 Kor. 7:14) Be dia be ny Kristianina nisafidy ny tsy hisintaka, na dia mafy aza ny nanjo azy. Tsy nanenenany anefa izany, satria lasa nanompo an’i Jehovah ilay vadiny.—Vakio ny 1 Korintianina 7:16; 1 Pet. 3:1, 2.

19. Nahoana no be dia be ny mpivady manana tokantrano sambatra ao amin’ny fandaminan’i Jehovah?

19 Niresaka momba ny fisaraham-panambadiana i Jesosy. Ny apostoly Paoly indray nanoro hevitra momba ny hoe misintaka. Samy nampirisika ny mpanompon’i Jehovah hanaja ny fanambadiana izy ireo. Mpivady maro no manana tokantrano sambatra, ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Be dia be angamba no hoatr’izany ao amin’ny fiangonana misy anao. Tena tia ny vadiny ireny lehilahy ireny ary tsy mivadika aminy. Ny vadin-dry zareo koa tena tia sy manaja azy. Azo atao tsara àry ny manaja ny fanambadiana. Faly isika satria mpivady an-tapitrisany no mampiseho fa azo tanterahina ilay tenin’Andriamanitra hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.”—Efes. 5:31, 33.