Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Desambra 2017

 TANTARAM-PIAINANA

Nandao ny Zava-drehetra Aho mba Hanarahana ny Tompo

Nandao ny Zava-drehetra Aho mba Hanarahana ny Tompo

Norahonan’i Dada aho hoe: “Raha handeha hitory ialahy, dia aza miverina intsony. Hotapahiko ny tongotr’ialahy roa raha miverina eto ialahy.” Nanapa-kevitra aho hoe hiala tao an-trano. Izay no sorona voalohany indrindra nataoko mba hanarahana an’i Kristy. Vao 16 taona aho tamin’izay.

FA INONA no nahatonga an’i Dada ho tezitra be? Aleo hotantaraiko! Tamin’ny 29 Jolay 1929 aho no teraka, ary tany amin’ny tanàna iray any amin’ny faritr’i Bulacan eto Philippines aho no lehibe. Tsotsotra ny fiainanay tany satria tsy dia nanam-bola izahay. Nanafika an’i Philippines ny tafika japoney, tamin’izaho mbola tovolahy. Lavidavitra ny tanàn-dehibe anefa no nisy anay, dia tsy voakasik’ilay izy loatra izahay. Tsy nanana radio sy tele izahay sady tsisy gazety, dia ny resadresaky ny olona no nandrenesanay vaovao momba an’ilay ady.

Valo mianadahy izahay, dia izaho no faharoa. Nalain’ny bebe sy dadabenay hipetraka tany aminy aho, tamin’izaho valo taona. Katolika izahay, saingy tsy nampaninona an’i Dadabe ny fivavahana hafa. Nanangona boky momba ny fivavahana nomen’ny namany izy. Nampisehoany bokikely momba ny fivavahan-diso * sy Baiboly tamin’ny teny tagalog aho, indray mandeha. Tena tiako ny namaky Baiboly, indrindra fa ireo Filazantsara efatra. Lasa te hanara-dia an’i Jesosy aho vokatr’izany.—Jaona 10:27.

NIEZAKA NANARA-DIA AN’I KRISTY

Niala tatỳ ny tafika japoney tamin’ny 1945. Nangataka ahy mba hody i Dada sy Neny tamin’izay. Nasain’i Dadabe nanaraka ny tenin-dry zareo aho, dia nody.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah avy any Angat nitory tany amin’ny tanànanay, taoriana kelin’izay, tamin’ny Desambra 1945. Vavolombelona iray efa be taona no tao aminay, ary nanazava momba ny “andro farany” izy. (2 Tim. 3:1-5) Nanasa anay hanatrika fampianarana Baiboly tany amin’ny tanàna iray tsy lavitra anay izy. Nandeha aho na dia tsy nandeha aza i Dada sy Neny. Nisy 20 teo ho eo izahay, ary nametraka fanontaniana momba ny Baiboly ny sasany.

Tsy azoko tsara ny zavatra noresahina tao, dia  saika hody aho. Nihira hiran’ilay Fanjakana anefa ry zareo avy eo, dia nijanona indray aho fa tiako be ilay izy. Nasaina hivory tany Angat izahay ny alahady nanaraka an’iny, rehefa vita ny hira sy ny vavaka.

Nandeha an-tongotra valo kilaometatra teo ho eo ny ankamaroanay mba hahatongavana tany. Tao an-tranon-dry Cruz no natao ilay fivoriana, ary 50 teo ho eo izahay. Gaga aho satria na ny ankizikely aza nanome valin-teny, nefa sarotra be ilay foto-kevitra noresahina. Rehefa avy nivory imbetsaka aho, dia nasain’ny Rahalahy Damian Santos hatory tany aminy. Mpisava lalana efa be taona izy, ary ben’ny tanàna taloha. Resadresaka momba ny Baiboly no tena nandanianay fotoana tamin’iny alina iny.

Vetivety dia nanaiky hatao batisa ny olona tamin’izany, rehefa avy nianatra ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Vao nivory kelikely izahay, dia nanontanian’ireo rahalahy raha te hatao batisa. Nanaiky aho satria tena te ‘hanompo ny Tompo.’ (Kol. 3:24) Natao batisa ny roa taminay tamin’ny 15 Febroary 1946, tany amin’ny renirano iray tsy lavitra teo.

Tsapanay hoe mila mitory tsy tapaka hoatran’ny nataon’i Jesosy ny Kristianina vita batisa. Tsy nahafaly an’i Dada anefa ilay izaho nitory satria mbola kely loatra, hono, aho. Hoy izy: “F’angaha ialahy raha naroboka tao anaty renirano dia hoe lasa mpitory?” Nohazavaiko taminy fa tian’Andriamanitra hitory momba ny Fanjakany isika. (Mat. 24:14) Nilaza koa aho hoe: “Mila manefa ny voadiko amin’Andriamanitra aho.” Tamin’izay i Dada ilay nandrahona ahy. Tena te hisakana ahy tsy hitory izy. Tamin’izay aho no voalohany nanao sorona mba hanompoana an’i Jehovah.

Nasain-dry Cruz hipetraka tany aminy tany Angat aho. Nampirisihan’izy mivady hanao mpisava lalana izaho sy Nora zanany faravavy, dia nanomboka izahay ny 1 Novambra 1947. I Nora tany an-tanàna hafa, fa izaho tany Angat ihany.

NISY ZAVATRA HAFA INDRAY NATAOKO SORONA

Nanao lahateny tao amin’ny tany malalaka iray tao Angat ny Rahalahy Earl Stewart, avy any amin’ny Betela. Nisy 500 mahery no nanatrika. Roa taona nanaovana mpisava lalana aho tamin’izay. Tamin’ny teny anglisy ilay lahateny, ary nofintiniko tamin’ny teny tagalog. Fito taona ihany aho no nianatra tany an-tsekoly, nefa nahay teny anglisy aho satria niteny anglisy foana ny mpampianatra. Vitsy kely koa ny boky sy gazetintsika tamin’ny teny tagalog, dia ny tamin’ny teny anglisy matetika no nianarako. Lasa nahaihay Anglisy àry aho, dia nahavita nandika lahateny tamin’iny sy tamin’ny fotoana hafa.

Nilaza tamin’ny fiangonana ny Rahalahy Stewart tamin’iny andro iny, fa mila rahalahy mpisava lalana iray na roa ny Betela. Handeha ho any New York, any Etazonia, mantsy ny misionera mba hamonjy an’ilay fivoriambe tamin’ny 1950 hoe Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra. Iray tamin’ireo voantso ho any amin’ny Betela aho. Nandao ny zavatra nahazatra ahy indray aho tamin’izay.

Tonga tao amin’ny Betela aho tamin’ny 19 Jona 1950. Trano ngezabe sy efa antitrantitra no nisy ny Betela. Voahodidina hazo be ilay izy, ary iray hektara ny haben’ilay toerana. Rahalahy mpitovo roa ambin’ny folo teo ho eo no niasa tao. Nanampy tao an-dakozia aho tamin’ilay vao maraina iny, dia nipasoka tao amin’ny fanasan-damba nanomboka tamin’ny sivy teo ho eo. Ireo asa ireo ihany no nataoko tamin’ny tolakandro. Mbola niasa tao amin’ny Betela aho, na dia efa niverina aza ny misionera. Nataoko daholo izay asa nampanaovina ahy. Nikarakara famandrihana sy gazety halefa paositra, ohatra, aho ary niasa tao amin’ny fandraisan’olona.

NANAO SEKOLIN’I GILEADA

Faly be aho fa nasaina hanao ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-20, tamin’ny 1952. Nisy rahalahy enina avy eto Philippines koa voasa tamin’ilay izy. Vaovao be taminay ny ankamaroan’ny zavatra hitanay sy niainanay tany Etazonia. Tsy nitovy tamin’ny tany amin’ny tanàna kelinay mihitsy ilay izy.

Izaho sy ny mpiara-mianatra tamiko tany Gileada

Nianatra nampiasa milina elektrika sy fitaovana isan-karazany, ohatra, izahay. Hafa be koa ny toetrandro! Fotsifotsy nahafinaritra be teny an-tokotany indray maraina, dia nandeha teny aho. Sambany aho nahita lanezy. Tsy nampoiziko hoe hay izy ity mangatsiaka be!

 Tsy nisy dikany tamiko anefa izany rehetra izany, satria tiako be ilay fampiofanana. Tsara be ny fomba nampianarana anay. Nampiofanina hanao fikarohana sy hianatra tsara izahay. Tena nanampy ahy hifandray tsara kokoa amin’i Jehovah ilay sekoly.

Voatendry ho mpisava lalana manokana tsy maharitra tany Bronx, any New York, aho rehefa nahazo diplaoma. Afaka nanatrika an’ilay fivoriambe hoe Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao, tany Bronx, àry aho tamin’ny Jolay 1953. Voatendry hiverina tatỳ Philippines aho, taorian’ilay fivoriambe.

NANDAO NY TANÀN-DEHIBE

Nilaza ny rahalahy tao amin’ny Betela hoe: “Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra ianao.” Vao mainka aho afaka nanahaka an’i Jesosy. Izy koa mantsy nandeha tany amin’ny tanàna lavitra mba hanampy ny ondrin’i Jehovah. (1 Pet. 2:21) Tany afovoan’i Luçon ny faritra notsidihiko, ary lehibebe ihany ilay izy. Io no nosy lehibe indrindra atỳ Philippines. Anisan’izy io ny faritr’i Bulacan, Nueva Ecija, Tarlac, ary Zambales. Namakivaky an’ilay tendrombohitra feno vatovato atao hoe Sierra Madre aho vao tonga tany amin’ny tanàna sasany. Tsy nisy bisy na lamasinina tany, fa nisy kamiao mpitondra hazo. Nangataka tamin’ny saoferan’ireny kamiao ireny aho mba hitaingina eny ambonin’ireo hazo, dia matetika ry zareo no nanaiky. Tsy nahazo aina mihitsy anefa aloha aho teny ambony teny e!

Fiangonana kely sady vaovao ny ankamaroan’ny fiangonana notsidihiko. Faly àry ireo rahalahy rehefa nampiako hahay handamina kokoa ny fivoriana sy ny fanompoana eny amin’ny saha.

Ny faritr’i Bicol no notsidihiko tatỳ aoriana. Antoko-mpitory no betsaka tany, ary mpisava lalana manokana no nikarakara an-dry zareo. Niasa tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana mihitsy izy ireo. Loza no nitranga indray mandeha. Lavaka nasiana hazo roa mitsivalana no kabine tao amin’ny trano iray nipetrahako. Nilatsaka anefa ireo hazo rehefa nankeo amboniny aho, dia nianjera tao anatin’ilay lavaka aho. Elaela aho tamin’izay vao nahavita nanadio ny tenako mba ho vonona hiasa.

Tamin’izaho nitsidika an’io faritra io no lasa nieritreritra an’i Nora, ilay mpisava lalana tany Bulacan. Lasa mpisava lalana manokana tany Dumaguete izy, dia nitsidika azy tany aho. Nifanoratra izahay taorian’izay, ary nivady tamin’ny 1956. Nitsidika fiangonana iray tany amin’ny Nosy Rapu Rapu izahay, ny herinandro voalohany taorian’ny mariazinay. Nianika tendrombohitra sy nandeha tongotra foana izahay tany. Nahafinaritra anay anefa ny niara-nitsidika ny mpiara-manompo tany amin’ireny toerana lavitra be ireny.

 NASAINA NIVERINA TETO AMIN’NY BETELA

Efa ho efa-taona izahay no nanao ny asan’ny faritra. Nasaina hanompo teto amin’ny Betela izahay taorian’izay. Tamin’ny Janoary 1960 izahay no nanomboka niasa teto. Niara-niasa tamin’ireo rahalahy nanana andraikitra lehibe aho, ary tena niana-javatra tamin’izy ireny. I Nora indray niovaova asa teny.

Nanao lahateny tamin’ny fivoriambe, dia nadika tamin’ny teny cebuano ilay izy

Tombontsoa be ny nahita ny fitomboan’ny vahoakan’i Jehovah teto Philippines. Mbola tanora aho tamin’izaho vao tonga teto amin’ny Betela, sady mbola tsy nanambady. Nisy 10 000 teo ho eo ny mpitory teto Philippines tamin’izany. Efa 200 000 mahery anefa izahay izao. Rahalahy sy anabavy 400 mahery no manompo eto amin’ny Betela mba hampandroso ny asa fitoriana.

Lasa kely loatra ho anay ny Betela rehefa nandeha ny fotoana. Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana nitady tany lehibe kokoa àry izahay. Nitety trano teny akaiky teny izaho sy ny mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, nanontany hoe sao dia mba misy tany hamidy. Tsy nahita mihitsy izahay. Nisy lehilahy iray aza niteny hoe: ‘Ny Sinoa tsy mivarotra, fa mividy.’

Nandika ny lahatenin’ny Rahalahy Albert Schroeder

Nisy olona nanontany anay anefa, indray andro, hoe sao dia hividy ny taniny izahay fa hifindra any Etazonia izy. Tsy nampino ilay izy! Nisy olona hafa koa tapa-kevitra ny hivarotra ny taniny, sady nampirisika ny olona teny akaikiny hanao toy izany. Na ilay lehilahy niteny hoe ‘ny Sinoa tsy mivarotra’ aza nivarotra ny taniny ihany. Vetivety teo dia lasa avo telo heny ny haben’ny tany nisy ny Betela raha oharina amin’ilay taloha. Tena mino aho hoe i Jehovah no nahatonga an’izany.

Izaho no zandriny indrindra tato amin’ny Betela, tamin’ny 1950. Izahay mivady anefa izao no be taona indrindra. Tsy anenenako mihitsy ny hoe nanara-dia an’i Kristy, na inona na inona nasainy nataoko. Marina fa noroahin’ny ray aman-dreniko aho, kanefa nomen’i Jehovah rahalahy sy anabavy be dia be. Tena matoky aho hoe omen’i Jehovah an’izay rehetra ilaina isika, na inona na inona asa anendrena antsika. Tena mankasitraka azy izahay sy Nora noho izay rehetra nomeny anay. Mampirisika ny olon-kafa koa izahay mba hitsapa toetra an’i Jehovah.—Mal. 3:10.

Niteny tamin’i Matio Levy, mpamory hetra, i Jesosy indray mandeha hoe: “Andao hanara-dia ahy.” “Nandao ny zava-drehetra” i Matio tamin’izay, dia “nitsangana ary nanaraka azy.” (Lioka 5:27, 28) Imbetsaka aho no nanao hoatr’izany. Mampirisika ny olon-kafa koa aho mba hanao sorona ho an’i Jesosy, dia hahazo fitahiana be dia be izy ireo.

Faly aho fa mbola manompo an’i Jehovah eto Philippines

^ feh. 6 Izao no lohatenin’ireo bokikely ireo: Fiarovana, Aro Loza, ary Naharihary. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, fa tsy atao pirinty intsony.