Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Desambra 2017

“Manantena Amin’Andriamanitra Aho”

“Manantena Amin’Andriamanitra Aho”

“I Adama farany ... tonga fanahy mahavelona.”—1 KOR. 15:45.

HIRA: 151, 147

1-3. a) Inona no tokony ho anisan’ny fampianarana lehibe indrindra inoantsika? b) Nahoana no tena zava-dehibe izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

INONA no holazainao raha anontaniana ianao hoe: ‘Inona avy ny zavatra inoanareo?’ Azo antoka fa hasongadinao hoe mino isika fa i Jehovah no Mpamorona sy Mpanome aina. Mety hilaza koa ianao hoe mino an’i Jesosy Kristy isika, ary mino koa hoe nanolotra ny ainy hamonjena antsika izy. Ho faly koa angamba ianao hilaza hoe kely sisa dia ho lasa paradisa ny tany ary hiaina mandrakizay ao ny vahoakan’Andriamanitra. Tena tianao koa ve ilay hoe hatsangana ny maty, ka horesahinao amin’ilay olona?

2 Na manantena ny ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe sy hiaina mandrakizay eto an-tany aza isika, dia tokony ho anisan’ny fampianarana lehibe indrindra inoantsika ny fitsanganana amin’ny maty. Nahoana? Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy hisy tokoa ny fitsanganan’ny maty, na i Kristy aza tsy natsangana.” Raha tsy natsangana tamin’ny maty izy, dia tsy ho lasa Mpanjakantsika ary tsy hisy dikany ny hitoriantsika momba ny Fanjakany. (Vakio ny 1 Korintianina 15:12-19.) Fantatsika anefa fa natsangana tamin’ny maty izy. Mino an’izany isika, fa tsy hoatran’ny Sadoseo izay nanizingizina hoe tsy hitsangana ny maty. Tsy miova hevitra  isika, na maneso antsika aza ny olona noho isika mino an’izany.—Mar. 12:18; Asa. 4:2, 3; 17:32; 23:6-8.

3 Nilaza i Paoly fa anisan’ny “fampianarana fototra momba an’i Kristy” ny “fampianarana ny amin’ny ... fitsanganana amin’ny maty.” (Heb. 6:1, 2) Nantitranteriny koa fa tena mino an’izany izy. (Asa. 24:10, 15, 24, 25) Marina fa anisan’ny zavatra ianarantsika voalohany rehefa mianatra Baiboly ny hoe hatsangana ny maty. (Heb. 5:12) Tsy fampianarana tsotsotra anefa izy io ka mila ianarantsika tsara. Nahoana?

4. Inona no fanontaniana mety hoeritreretintsika?

4 Rehefa manomboka mianatra Baiboly ny olona iray, dia matetika no mamaky ny tantaran’ny olona natsangana tamin’ny maty, ohatra hoe i Lazarosy. Ianarany koa fa natoky i Abrahama sy Joba ary Daniela hoe ho velona indray ny maty amin’ny hoavy. Ahoana anefa no havalinao raha misy manontany ianao hoe inona no porofo fa tena hatsangana ny maty, na dia efa an-taonany maro aza izany no nampanantenaina? Resahin’ny Baiboly ve hoe rahoviana izany no hitranga? Handinika ny valin’izany isika satria hanatanjaka ny finoantsika izany.

FAMPANANTENANA EFA ELA FA TANTERAKA

5. Inona no hodinihintsika momba ny fananganana ny maty?

5 Mety ho mora ny maka sary an-tsaina hoe maty ny olona iray, dia natsangana tsy ela taorian’izay. (Jaona 11:11; Asa. 20:9, 10) Ahoana anefa raha efa tamin’ny ela be no nampanantenaina hoe ho velona indray ny olona iray nodimandry? Hino an’izany ve ianao? Azo antenaina hoe hitsangana ve ny olona iray, na efa ela be izy no maty na vao haingana? Nisy olona iray natsangana tamin’ny maty fahiny, ary mino isika hoe tena nisy ilay izy. Efa taona maro talohan’ny nananganana azy anefa no voalaza hoe hatsangana izy rehefa maty. Iza izany? Ary nahoana izany no manampy anao hatoky kokoa hoe tena hatsangana ny maty?

6. Ahoana no ahafantarantsika fa mahakasika an’i Jesosy ny Salamo faha-118?

6 Misy faminaniana momba ny hananganana ny Mesia ao amin’ny Salamo faha-118. Efa taona maro talohan’ny nahafatesany io salamo io no nosoratana, ary angamba i Davida no nanoratra azy io. Ahoana no ahalalantsika hoe i Jesosy no tiany horesahina? Misy an’izao fiangaviana izao ao amin’ny Salamo 118:25, 26: “Jehovah ô, mba vonjeo re e! ... Hotahina anie Ilay ho tonga amin’ny anaran’i Jehovah!” Tadidinao angamba fa nanonona an’ireo teny ireo ny olona tamin’i Jesosy niditra tao Jerosalema, tamin’ny 9 Nisana, izany hoe taloha kelin’ny nahafatesany. (Mat. 21:7-9) Nahoana àry isika no milaza fa nilaza mialoha ny hananganana an’i Jesosy amin’ny maty io Salamo io? Hoy ny Salamo 118:22: “Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro.”

“Nolavin’ny mpanao trano” ny Mesia (Fehintsoratra 7)

7. Nahavita nanao inona ny Jiosy noho izy ireo nanda an’i Jesosy?

7 Ny mpitondra fivavahana jiosy ilay hoe “mpanao trano.” Nanda ny Mesia izy ireo. Tsy niraharaha an’i Jesosy mantsy izy ireo sady tsy nanaiky hoe izy no Kristy. Nandray anjara tamin’ny famonoana azy mihitsy aza izy ireo. Maro tamin’ny Jiosy no nitaky ny hamonoana an’i Jesosy ho faty.—Lioka 23:18-23.

Natsangana tamin’ny maty i Jesosy mba ho lasa “vato fehizoro” (Fehintsoratra 8, 9)

8. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho “vato fehizoro”?

8 Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho “vato fehizoro”, * nefa izy aza nolavin’ny olona sady novonoina? Tsy ho tanteraka izany raha tsy natsangana tamin’ny maty izy. Manamarina an’izany ity fanoharana nolazainy ity: Nisy lehilahy naniraka ny mpanompony ho  any amin’ny olona namboly ny tanimboliny. Nampijalin-dry zareo foana anefa izay olona nirahiny. Ny zanany tena tiany àry tamin’ny farany no nalefany tany. Nanantena izy hoe handray azy tsara ireo mpamboly. Tsy izany anefa no nitranga fa novonoin-dry zareo izy. Hoatr’izany koa no nataon’ny Israelita. Nampijalin-dry zareo izay mpaminany nirahin’i Jehovah tany aminy. Ny Zanany, izany hoe ny Mesia, tamin’ny farany no nirahin’i Jehovah, nefa novonoin’izy ireo ho faty izy. Niresaka an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 118:22 i Jesosy, rehefa avy nilaza an’izany fanoharana izany. (Lioka 20:9-17) Nanonona an’io andininy io koa ny apostoly Petera rehefa niresaka tamin’ny ‘mpitondra, mbamin’ny anti-panahy sy ny mpanora-dalàna nivory tao Jerosalema.’ Hoy izy tamin’ireo Jiosy ireo: “I Jesosy Kristy avy any Nazareta, ilay nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana, nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty. Izy ‘ilay vato nohamavoinareo mpanao trano, nefa tonga vato fehizoro.’”—Asa. 3:15; 4:5-11; 1 Pet. 2:5-7.

9. Inona no zava-nitranga niavaka voalaza mialoha tao amin’ny Salamo 118:22?

9 Hita amin’izany fa efa taona maro mialoha ilay Salamo 118:22 no niresaka fa hatsangana amin’ny maty ny Mesia. Voalaza ao hoe holavin’ny olona izy ary hovonoina, nefa hatsangana mba ho lasa vato fehizoro. Izao àry no resahin’ny Baiboly momba azy: “Tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”—Asa. 4:12; Efes. 1:20.

10. a) Inona no voalaza mialoha tao amin’ny Salamo 16:10? b) Nahoana isika no matoky fa tsy i Davida no tian’Salamo 16:10 horesahina?

10 Misy faminaniana momba ny hananganana olona iray amin’ny maty koa ao amin’ny Salamo faha-16 nosoratan’i Davida. Arivo taona mahery taorian’ny nanoratana azy io no nitranga ilay izy. Tokony hanampy antsika hatoky kokoa izany hoe hatsangana ny maty na dia efa ela be aza izany no nampanantenaina. Hoy ny andininy faha-10: “Tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana aho. Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika.” Tsy te hilaza akory i Davida hoe tsy ho faty mihitsy izy, na tsy ho lasa any am-pasana. Milaza ny Baiboly fa nihantitra izy, ary “nodimandry any amin’ny razany ... ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.” (1 Mpanj. 2:1, 10) Iza àry ilay resahin’ny Salamo 16:10?

11. Oviana i Petera no nanazava an’ilay Salamo 16:10?

11 Nanazava an’ilay Salamo 16:10 i Petera, arivo taona mahery taorian’ny nanoratan’i Davida azy io, izany hoe herinandro vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nananganana azy. Niresaka tamin’ny olona an’arivony izy tamin’izay. Jiosy ny sasany ary olona lasa nanaraka ny Fivavahana Jiosy ny sasany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:29-32.) Nilaza i Petera fa efa maty i Davida ary efa nalevina. Nahafantatra an’izany ny olona nihaino azy. Nilaza izy avy eo fa “efa hitan’i Davida mialoha” hoe hatsangana ny Mesia, ary “efa niresaka momba izany izy.” Tsy nisy nanda an’izany ny olona niresahan’i Petera, raha ny Baiboly no jerena.

12. Ahoana no nahatanterahan’ny Salamo 16:10, ary inona no lasa atokisanao rehefa mieritreritra an’izany ianao?

12 Nanonona ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 110:1 i Petera avy eo mba hanamafisana ny teniny. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:33-36.) Nanampy an’ireo olona nihaino azy ho resy lahatra izany hoe i Jesosy no “Tompo sy Kristy.” Niaiky koa izy ireo hoe tanteraka ilay Salamo 16:10 rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nitovy tamin’ny fanazavan’i Petera ny fanazavana nomen’ny apostoly Paoly, rehefa niresaka tamin’ny Jiosy tany Antiokia, any Pisidia, izy. Resy lahatra izy ireo, ka mbola te hihaino fanazavana misimisy  kokoa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:32-37, 42.) Resy lahatra koa isika hoe tanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Salamo, momba ny hananganana ny Mesia, na dia efa tamin’ny ela be aza izy ireo no nosoratana.

RAHOVIANA NO HATSANGANA NY MATY?

13. Inona no fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika?

13 Mampahery ny mahafantatra fa tena hatsangana ny maty, na dia efa taona maro tany aloha aza izany no nampanantenaina. Mety hieritreritra ihany anefa ianao hoe: ‘Mety hiandry ela be ve izany aho vao hahita an’ilay havako na namako nodimandry? Rahoviana no hatsangana ny maty?’ Nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy hoe nisy zavatra tsy fantatr’izy ireo sy tsy ho fantatr’izy ireo mihitsy. Tsy fantatr’izy ireo, ohatra, ny tsipiriany momba ny ‘fotoana na ny vanim-potoana, fa ny Ray ihany no manam-pahefana amin’izany.’ (Asa. 1:6, 7; Jaona 16:12) Azo fantarina ihany anefa hoe rahoviana no hatsangana ny maty.

14. Nahoana i Jesosy no tsy mitovy amin’ireo olona natsangana tamin’ny maty talohany?

14 Eritrereto ny fananganana amin’ny maty voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly. Ny fananganana an’i Jesosy no lehibe indrindra amin’izany. Raha tsy natsangana izy, dia tsy ho afaka hanantena ny hihaona amin’ny havantsika nodimandry isika. “Tsy ho faty intsony” izy, ary “tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana.” “Velona mandrakizay mandrakizay” any an-danitra izy. (Rom. 6:9; Apok. 1:5, 18; Kol. 1:18; 1 Pet. 3:18) Tsy velona mandrakizay kosa ny olona natsangana talohany, ohatra hoe ny olona natsangan’i Elia sy Elisa. Maty indray izy ireny ary lasa vovoka any am-pasana.

15. Nahoana i Jesosy no nantsoina hoe “voaloham-bokatra”?

15 I Jesosy no voalohany natsangana ho lasa fanahy any an-danitra, ary tena zava-dehibe izany. (Asa. 26:23) Tsy izy irery anefa no hatsangana ho any an-danitra. Nampanantena an’ireo apostoliny tsy nivadika izy hoe hiara-manjaka aminy izy ireo. (Lioka 22:28-30) Tsy maintsy maty anefa aloha izy ireo. Hatsangana hoatran’i Kristy izy ireo avy eo ka ho lasa fanahy. Nilaza i Paoly hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.’ Hoy koa izy: “Samy araka ny filaharany avy anefa: I Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.” (1 Kor. 15:20, 23) Midika izany fa hisy olon-kafa hatsangana ho any an-danitra.

16. Rahoviana no hatsangana ireo ho any an-danitra?

16 Hitantsika amin’ny tenin’i Paoly fa ‘mandritra ny fanatrehan’i Kristy’ no hatsangana ireo ho any an-danitra. Efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nahita porofo tao amin’ny Baiboly fa tamin’ny 1914 no nanomboka ny “fanatrehany.” Mbola mitohy hatramin’izao  izy io, ary efa kely sisa dia horinganina ity tontolo ratsy ity.

17, 18. Inona no hitranga amin’ireo voahosotra mbola eto an-tany mandritra ny fanatrehan’i Kristy?

17 Miresaka tsipiriany hafa momba an’ireo hatsangana ho any an-danitra ny Baiboly. Hoy ny 1 Tesalonianina 4:13-17: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo ... ny amin’ireo nodimandry. ... Fa raha mino isika fa maty i Jesosy ary efa nitsangana, dia mino koa isika fa hoentin’Andriamanitra hiaraka amin’i Jesosy ireo nodimandry. ... Isika izay velona ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo, dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy. ... Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. Ary aorian’izay, isika izay velona ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa, dia hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra. Dia hiaraka amin’ny Tompo foana isika.”

18 Aorian’ny hanombohan’ny ‘fanatrehan’i Kristy’ no hanomboka hatsangana ireo ho any an-danitra. Izay voahosotra mbola eto an-tany mandritra ny fahoriana lehibe dia “hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo.” (Mat. 24:31) “Tsy hodimandry” izy ireo, izany hoe ho faty ihany fa tsy ho faty ela be. “Hovana ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ao anatin’ny indray mipy maso” kosa izy ireo, “rehefa maneno ny trompetra farany.”—1 Kor. 15:51, 52.

19. Inona ilay “fitsanganana tsara kokoa” hitranga amin’ny hoavy?

19 Tsy voahosotra ny ankamaroan’ny Kristianina tsy mivadika amin’izao andro izao, sady tsy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Miandry ny handringanana an’ity tontolo ratsy ity amin’ny “andron’i Jehovah” izy ireo. Tsy misy mahafantatra hoe rahoviana izany no hitranga. Efa akaiky anefa izany raha jerena ny porofo. (1 Tes. 5:1-3) Hisy fananganana amin’ny maty hafa mihitsy aorian’izay. Hatsangana ireo hiaina mandrakizay eto an-tany. Afaka manantena ny ho lasa lavorary sy tsy ho faty intsony izy ireo. “Tsara kokoa” izany fitsanganana izany raha oharina amin’ny fitsanganana amin’ny maty nisy fahiny. Mbola maty indray mantsy ireny olona ireny tatỳ aoriana.—Heb. 11:35.

20. Nahoana isika no afaka matoky fa hilamina tsara ny fitsanganana amin’ny maty?

20 Milaza ny Baiboly fa hatsangana “araka ny filaharany avy” ireo ho any an-danitra. (1 Kor. 15:23) Azo antoka àry fa hilamina tsara hoatr’izany koa ny fananganana an’ireo hiaina eto an-tany. Mety hieritreritra anefa isika hoe: Izay maty vao haingana ve no hatsangana raha vao manomboka kelikely ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ary handray azy ireo ny havany na ny namany? Hatsangana aloha kokoa ve ireo lehilahy tsy nivadika fahiny izay nahay nitarika ny vahoakan’i Jehovah, mba hanampy handamina ny vahoakany ao amin’ny tontolo vaovao? Ary ahoana ny amin’ireo olona tsy nanompo an’i Jehovah mihitsy? Rahoviana izy ireny no hatsangana ary aiza? Be dia be ny fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika. Tena ilaina ve anefa ny mieritreritra be an’izany? Tsy aleo miandry fotsiny dia ho hita eo izay mitranga? Afaka matoky isika fa hahafinaritra be ny handaminan’i Jehovah an’izany rehetra izany.

21. Inona no antenainao?

21 Tokony hampitombo ny finoantsika an’i Jehovah isika mandra-pahatongan’izany. Nampanantena tamin’ny alalan’i Jesosy izy hoe hatsangana izay rehetra ao amin’ny fitadidiany. (Jaona 5:28, 29; 11:23) Nilaza i Jesosy hoe amin’i Jehovah dia “velona daholo” na i Abrahama na Isaka na Jakoba. (Lioka 20:37, 38) Te hilaza izy hoe mahavita manangana ny maty i Jehovah. Manana antony be dia be hilazana toa an’i Paoly àry isika hoe: ‘Manantena amin’Andriamanitra aho fa hisy fitsanganana.’—Asa. 24:15.

^ feh. 8 Ny vato fehizoro resahina eto, dia ilay vato farany ambony napetraka teny an-tampon’ny rindrina tamin’ny trano fahiny. Izy io no nampitambatra an’ireo rindrina roa nihaona teo an-jorony. Rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia lasa vato fehizoron’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, izay oharina amin’ny tempoly ara-panahy.