Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2016

Tena Tsara Fanahy i Jehovah ka Nanafaka Antsika

Tena Tsara Fanahy i Jehovah ka Nanafaka Antsika

Aza avela hanjaka eo aminareo ny ota, satria nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ianareo.’ROM. 6:14.

HIRA: 2, 61

1, 2. Manampy anao hanao inona ny Romanina 5:12?

AHOANA raha asaina mitanisa ny andinin-teny haintsika tsara sy fampiasantsika ianao? Anisan’ny holazainao angamba ny Romanina 5:12. Voalaza ao hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”

2 Miverimberina ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? io andinin-teny io. Ampiasaina ao amin’ny toko faha-3 sy faha-5 ary faha-6 izy io, mba hanazavana hoe inona ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, nahoana isika no mila vidim-panavotana, ary manao ahoana ny olona rehefa maty. Azo antoka fa hamaky an’io andininy io ianao rehefa hampianatra ny zanakao na ny olon-kafa. Manampy anao koa anefa ny Romanina 5:12, mba hankasitraka kokoa ny fifandraisanao amin’i Jehovah, sy ho tapa-kevitra ny hampifaly azy, ary hitadidy ny hoavy tsara ampanantenainy.

3. Inona no tsy maintsy ekentsika rehetra?

3 Tsy maintsy miaiky isika rehetra hoe mpanota. Manao fahadisoana isika isan’andro. Fantatr’i Jehovah anefa fa vovoka ihany  isika, ka vonona ny hamindra fo amintsika izy. (Sal. 103:13, 14) Asain’i Jesosy mangata-pamelana amin’i Jehovah isika. (Lioka 11:2-4) Tsy mila mieritreritra be foana an’izay fahadisoana nataontsika àry isika, raha efa namela antsika izy. Nahoana anefa i Jehovah no mamela ny helotsika?

TENA TSARA FANAHY I JEHOVAH KA MAMELA NY HELOTSIKA

4, 5. a) Inona no hanampy antsika hahazo tsara ny Romanina 5:12? b) Inona no dikan’ny hoe hatsaram-panahy tsy manam-paharoa?

4 Ho azontsika tsara kokoa ny tian’ny apostoly Paoly holazaina ao amin’ny Romanina 5:12, rehefa mandinika ny bokin’ny Romanina isika, indrindra fa ny toko faha-6. Ho azontsika hoe nahoana i Jehovah no mamela ny helotsika. Hoy ny Romanina 3:23, 24: “Samy efa nanota ny rehetra. . . . Toy ny fanomezana maimaim-poana anefa ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.” Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe ‘hatsaram-panahy tsy manam-paharoa’? Milaza ny boky iray fa zavatra tsara atao an-tsitrapo tanteraka izy io, ary tsy manantena na mitaky valiny ilay manao azy. Tsy mendrika an’ilay hatsaram-panahy ilay olona anehoana an’ilay izy, sady tsy nisy na inona na inona nataony ka hoe tokony hanehoana hatsaram-panahy izy.

5 Inona àry no tian’ny Baiboly holazaina amin’ilay hoe maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa Andriamanitra sy Kristy? Manazava ny manam-pahaizana iray fa “ny tiana horesahina amin’izany matetika, dia ny zavatra nataon’izy ireo mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana.” Hodinihintsika ato àry hoe: Ahoana no nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamintsika? Inona ny soa raisintsika avy amin’izany, ary nahoana izany no mahatonga antsika hanana fanantenana?

6. Inona ny soa mety ho azontsika noho i Jehovah maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa?

6 I Adama ilay “olona iray” nahatonga ny ota sy ny fahafatesana ‘hiditra ho amin’izao tontolo izao.’ Lasa nanjaka àry ny fahafatesana, “noho ny heloky ny olona iray.” Naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa anefa i Jehovah, ‘tamin’ny alalan’ny olona iray, dia i Jesosy Kristy.’ (Rom. 5:12, 15, 17) Noho i Jesosy nankatò, dia maro no ho lasa olo-marina ary ho afaka hiaina mandrakizay mihitsy. Mandray soa tokoa isika rehetra, noho i Jehovah maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.Rom. 5:19, 21.

7. Nahoana no tena tsara fanahy i Jehovah nanome ny vidim-panavotana?

7 Nandefa ny Zanany tetỳ an-tany i Jehovah mba hanome ny vidim-panavotana, amin’izay isika afaka mahazo famelan-keloka. Tsy voatery nanao an’izany izy sy Jesosy. Isika koa tsy mendrika an’izany satria mpanota. Tena tsara fanahy àry i Jehovah mamela ny helotsika sy manome antsika fanantenana fiainana mandrakizay. Tokony hankasitraka ny hatsaram-panahiny amin’ny fo manontolo isika, ka hampiseho an’izany amin’ny fomba fiainantsika isan’andro.

ASEHOY FA MANKASITRAKA NY HATSARAM-PANAHIN’I JEHOVAH IANAO

8. Inona no mety hoeritreretin’ny olona sasany?

8 Tsy lavorary isika taranak’i Adama ka mora manota. Tsy tokony hanararaotra ny hatsaram-panahin’i Jehovah anefa isika, ka hieritreritra hoe: ‘Tsy maninona na manao ratsy aza aho, fa i Jehovah ange mamela heloka foana e!’ Nieritreritra hoatr’izany  ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, na dia mbola nisy apostoly aza tamin’izany. (Vakio ny Joda 4.) Marina fa mety tsy hiteny hoatr’izany isika. Mila mitandrina anefa isika sao dia efa mitovy amin’izany ny fomba fisainantsika, na efa mifindra tsikelikely amintsika izany toe-tsaina izany.

9, 10. Nahoana i Paoly sy ny Kristianina hafa no azo lazaina hoe afaka tamin’ny ota sy ny fahafatesana?

9 Mila miezaka mafy isika mba tsy hieritreritra hoe: ‘Andriamanitra ange mahatakatra ny mahazo ahy e. Tsy mampaninona azy ny zavatra ratsy ataoko.’ Hoy mantsy i Paoly: “Efa maty isika raha ny amin’ny ota.” (Vakio ny Romanina 6:1, 2.) Inona no tiany holazaina?

10 Namela ny fahotan’i Paoly sy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany i Jehovah, noho ny vidim-panavotana. Nohosorany fanahy masina izy ireo ka lasa zanany. Raha tsy nivadika mihitsy izy ireo, dia hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Nilaza i Paoly fa na dia mbola velona sy nanompo an’i Jehovah teto an-tany aza izy ireo, dia ‘efa maty raha ny amin’ny ota.’ Nampitahainy tamin’i Jesosy izy ireo. Maty i Jesosy nefa avy eo natsangana tamin’ny maty ary lasa anjely tsy mety maty. “Tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana.” Toy ny hoe maty koa ny Kristianina voahosotra. Niova tanteraka mantsy ny fomba fiainan’izy ireo, satria tsy nanaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsy intsony izy ireo. “Efa maty” izy ireo “raha ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra kosa, noho i Kristy Jesosy.”Rom. 6:9, 11.

11. Nahoana ny Kristianina ankehitriny no toy ny hoe ‘efa maty raha ny amin’ny ota’?

11 Ary ahoana ny amintsika? Imbetsaka isika no nanao ratsy, tamintsika mbola tsy Kristianina. Tsy fantatsika akory aza angamba hoe tena tsy tian’Andriamanitra ny zavatra nataontsika. Toy ny hoe “mpanompon’ny fahalotoana sy ny fandikan-dalàna” isika tamin’izany, izany hoe “mpanompon’ny ota.” (Rom. 6:19, 20) Lasa nahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa isika, dia niova ka nanokan-tena ho an’Andriamanitra ary natao batisa. Te hankatò azy amin’ny fontsika manontolo isika nanomboka tamin’izay, ary te hampifaly azy. “Afaka tamin’ny ota” isika, ka lasa “mpanompon’ny fahamarinana.” (Rom. 6:17, 18) Toy ny hoe “efa maty” koa àry isika “raha ny amin’ny ota.”

12. Inona no safidy ananantsika tsirairay?

12 Mila mandini-tena anefa isika, satria hoy i Paoly: “Aza mamela ny ota hanjaka foana eo amin’ny vatanareo mety maty, mba tsy hanarahanareo ny filan’ny vatanareo.” (Rom. 6:12) “Mamela ny ota hanjaka” isika, raha tanterahintsika foana izay eritreri-dratsy na fanirian-dratsy ananantsika. Afaka misafidy anefa isika hoe hamela ny ota hanjaka sa tsia. Mila misaintsaina àry isika hoe inona no tena tiantsika hatao. Eritrereto hoe: ‘Manaiky hobaikoin’ny faniriako ve aho indraindray, dia lasa manao ratsy? Sa izaho “maty raha ny amin’ny ota”? “Velona ho an’Andriamanitra” ve aho “noho i Kristy Jesosy”?’ Hiezaka mafy hampifaly an’i Jehovah isika, raha tena mankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehony amintsika.

AFAKA MANDRESY IANAO

13. Inona no porofo fa afaka miala amin’ny fanao ratsy isika?

13 Mpangalatra sy mpanitsakitsa-bady ary mpanompo sampy ny olona sasany tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Nisy koa mpimamo na lehilahy niray tamin’ny lehilahy. Nanao zavatra mahamenatra izy ireo ka mendrika ny ho faty. Niova anefa  izy ireo rehefa nahalala an’i Jehovah, ka lasa tia sy nanompo azy. “Voasasa madio tsara” izy ireo, ary “efa nohamasinina.” (Rom. 6:21; 1 Kor. 6:9-11) Azo inoana fa hoatr’izany koa ny Kristianina sasany tany Roma. Izao no nosoratan’i Paoly ho azy ireo: “Aoka ny vatanareo tsy hatolotrareo ho an’ny ota ho fitaovam-piadian’ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an’Andriamanitra kosa ny tenanareo izay toy ny efa maty fa velona ankehitriny, eny, atolory azy ny vatanareo ho fitaovam-piadian’ny fahamarinana.” (Rom. 6:13) Natoky i Paoly fa hahavita hanao ny tsara foana izy ireo, ka haneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’izy ireo foana Andriamanitra.

14, 15. Inona avy ny fanontaniana tokony hosaintsainintsika?

14 Nanao hoatran’ireo Korintianina koa ny rahalahy sy anabavy sasany. Niala tamin’ny fanao ratsy anefa izy ireo, ka “voasasa madio tsara.” Isika rehetra mihitsy no niova mba hampifaliana an’i Jehovah. Ilaina àry ny mieritreritra hoe: ‘Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ahy izao?’ Tena tsara fanahy izy ka vonona hamela ny fahotanao. Tapa-kevitra àry ve ianao fa ‘tsy hanolotra ny vatanao ho an’ny ota’ intsony, izany hoe hiady mafy mba tsy hanao ratsy? ‘Hatolotrao ho an’Andriamanitra’ ve ny tenanao mba hanompoana azy?

15 Raha te hahavita an’izany ianao, dia mila mitandrina mba tsy ho lasa zatra manao an’ireo fahotana lehibe nataon’ny olona sasany tany Korinto. Amin’izay ianao vao hanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ka ho afaka hilaza hoe ‘tsy manjaka eo aminao ny ota.’ Ahoana anefa ny amin’ireo fanao ratsy lazain’ny olona sasany hoe tsy dia maninona? Tapa-kevitra ny tsy hanao an’ireny koa ve ianao, ka hiezaka mafy mba ho ‘mpankatò amin’ny fo’?Rom. 6:14, 17.

16. Ahoana no ahalalantsika fa tsy ampy ny hoe mitandrina mba tsy ho zatra manao an’ireo fahotana resahin’ny 1 Korintianina 6:9-11?

16 Eritrereto, ohatra, ny apostoly Paoly. Azo antoka fa tsy nanao an’ireo fanao ratsy voalaza ao amin’ny 1 Korintianina 6:9-11 izy. Niaiky anefa izy hoe mbola nanota. Hoy izy: “Izaho kosa anefa nofo, namidy ho andevon’ny ota. Fa tsy fantatro izay ataoko. Tsy izay sitrako mantsy no ataoko fanao, fa izay halako indray no ataoko.” (Rom. 7:14, 15) Midika izany fa nisy fanao ratsy hafa fantatr’i Paoly hoe fahotana, ka niady mafy izy mba tsy hanao an’ilay izy. (Vakio ny Romanina 7:21-23.) Enga anie isika hanahaka azy, ka hankatò an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.

17. Nahoana ianao no tokony hanao ny marina?

17 Tokony hanao ny marina, ohatra, isika Kristianina. (Vakio ny Ohabolana 14:5; Efesianina 4:25.) I Satana mantsy no “rain’ny lainga.” Tadidio koa fa maty i Ananiasy sy ny vadiny satria nandainga. (Jaona 8:44; Asa. 5:1-11) Tsy te hitovy amin-dry zareo isika. Tsy hoe tsy mandainga fotsiny anefa no atao hoe manao ny marina. Misy zavatra hafa tsy tokony hataontsika koa, raha tena mankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jehovah isika.

18, 19. Inona koa no atao hoe manao ny marina, ankoatra ny hoe tsy mandainga mihitsy?

18 Milaza zavatra tsy marina no atao hoe mandainga. Tsy izay ihany anefa no tsy tian’i Jehovah hataon’ny mpanompony. Hoy izy tamin’ny Israelita: “Aoka ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.” Nanome ohatra izy avy eo hoe: “Aza mangalatra, aza mamitaka, ary aza manambaka namana.” (Lev. 19:2, 11) Mety tsy handainga mihitsy ny olona iray, nefa mety hamitaka na hanambaka.

Tapa-kevitra ny tsy handainga sy tsy hamitaka ve ianao? (Fehintsoratra 19)

19 Eritrereto hoe misy lehilahy iray milaza  amin’ny mpampiasa azy na ny mpiara-miasa aminy hoe tsy hiasa izy ny ampitso na hody aloha, fa mila mankany amin’ny dokotera. Hividy fanafody vetivety any amin’ny farmasia fotsiny anefa izy, na handalo kely any amin’ny dokotera hanatitra vola. Te hitondra ny fianakaviany hitsangantsangana izy, raha ny marina, na handeha vakansy dia te hiala aloha. Misy marina kely ihany ilay hoe ho any amin’ny dokotera. Tena nilaza ny marina ve anefa izy sa namitaka? Mamitaka koa ny olona sasany, mba hahazoana an’izay tadiaviny na mba tsy ho voasazy. Isika kosa anefa mankatò an’ilay didin’i Jehovah hoe: “Aza mamitaka.” Mampihatra ny Romanina 6:19 koa isika, hoe: ‘Atolory ny vatanareo ho mpanompon’ny fahamarinana mba hahazoana fahamasinana.’

20, 21. Inona no tsy hataontsika raha tena mankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika?

20 Ahoana àry no ampisehoantsika fa tena mankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra isika? Tsy ampy ny hoe tsy manitsakitsa-bady, tsy manao mamo, na tsy manao an’ireo fahotana hafa nataon’ny Korintianina. Tsy hoe tsy maloto fitondran-tena fotsiny isika, fa miady mafy koa mba tsy hanao fialam-boly misy ifandraisany amin’izany. Raha ‘manolotra ny vatantsika ho mpanompon’ny fahamarinana’ isika, dia tsy hoe tsy manao mamo fotsiny, fa mitandrina koa mba tsy ho efa akaiky ho mamo vao tsy misotro intsony. Mila miady mafy angamba isika vao hahavita an’izany. Afaka ny handresy anefa isika.

21 Tsy ny fahotana lehibe ihany no tsy tokony hataontsika. Mila miezaka koa isika mba tsy hanao an’ireo zava-dratsy heverin’ny olona hoe tsy dia maninona. Marina fa tsy tena hahavita tsara an’izany foana isika. Tokony hiezaka mafy toy ny nataon’i Paoly anefa isika. Hoy izy: “Aza mamela ny ota hanjaka foana eo amin’ny vatanareo mety maty, mba tsy hanarahanareo ny filan’ny vatanareo.” (Rom. 6:12; 7:18-20) Mankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jehovah isika, raha miady mafy mba tsy hanao fahotana, na inona izany na inona.

22. Inona ny valisoa ho azontsika raha mankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika?

22 Tena tsara fanahy i Jehovah, ka namela ny helotsika sady mbola vonona ny hamela antsika foana. Tena mankasitraka an’izany isika! Aoka àry isika hiezaka mafy mba tsy hanao an’izay lazain’i Jehovah hoe ratsy, na dia tsy mampaninona aza ilay izy amin’ny olona. Hahazo valisoa isika raha manao an’izany. Hoy i Paoly: “Koa satria efa novotsorana ho afaka tamin’ny fahotana ianareo ka tonga mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, dia ny fahamasinanareo no vokatra azonareo, ary amin’ny farany dia fiainana mandrakizay.”Rom. 6:22.