Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2016

 TANTARAM-PIAINANA

‘Tonga Zava-drehetra Amin’ny Karazan’olona Rehetra’

‘Tonga Zava-drehetra Amin’ny Karazan’olona Rehetra’

“Lasa aho raha hatao batisa eo ianao!” Izany no tenin’i Dada tamin’i Neny, tamin’ny 1941. Nanokan-tena ho an’i Jehovah ihany anefa i Neny ary natao batisa. Nilaozan’i Dada tokoa izahay avy eo. Vao valo taona aho tamin’izany.

EFA talohan’izay aho no te hahalala ny fahamarinana. Nahazo boky ara-baiboly i Neny, dia nahafinaritra be an’ahy ilay izy, indrindra fa ny sary. Tsy tian’i Dada hiresaka tamiko momba ny zavatra nianarany i Neny. Izaho anefa te hahafantatra ny marina, dia be fanontaniana be. Nampianarin’i Neny àry aho isaky ny tsy tao an-trano i Dada. Nanokan-tena ho an’i Jehovah koa aho ary natao batisa tany Blackpool, any Angletera, tamin’ny 1943. Folo taona aho tamin’izany.

NANOMBOKA NANOMPO AN’I JEHOVAH

Niara-nanompo matetika izahay sy Neny nanomboka tamin’izay, ary nampiasa grafofaonina. Ngeza be ilay izy sady nilanja efatra kilao sy sasany teo ho eo. Mba eritrereto hoe izany no nentiko nefa izaho mbola kely!

Te hanao mpisava lalana aho, tamin’izaho 14 taona. Nasain’i Neny niresaka tamin’ny mpanompon’ny rahalahy (mpiandraikitra ny faritra) aho aloha. Nanoro hevitra an’ahy ilay rahalahy hoe aleo aloha mianatra asa, amin’izay afaka mamelon-tena rehefa lasa mpisava lalana. Izany no nataoko! Niasa roa taona aho avy eo, dia nanontany mpiandraikitra ny faritra hafa raha afaka manao mpisava lalana amin’izay. Dia hozy izy hoe: “Mety izany fa ataovy!”

 Nomenay olona na namidinay ny fanaka tao an-tranonay, tamin’ny Aprily 1949, ary nifindra tany Middleton, any akaikin’i Manchester izahay. Tany izahay no nanomboka nanao mpisava lalana. Rehefa afaka efa-bolana, dia nisy rahalahy iray nasaiko hiara-mipetraka tamiko sy hiara-manao mpisava lalana tamiko. Nanoro hevitra anay ny biraon’ny sampana, mba hifindra tany amin’ny fiangonana vaovao iray tany Irlam. I Neny kosa nanao mpisava lalana niaraka tamin’ny anabavy iray, tany amin’ny fiangonana hafa.

Nasaina nitarika fivoriana izahay roa lahy, satria vitsy ny rahalahy nahafeno fepetra tao amin’ilay fiangonana vaovao. Izaho anefa vao 17 taona. Nasaina nifindra tany amin’ny fiangonana tany Buxton aho tatỳ aoriana. Vitsy ny mpitory tany ka nila fanampiana ry zareo. Nampiofana an’ahy mba hahavita andraikitra hafa ireny rehetra ireny.

Nanasa ny olona hanatrika lahateny, tany Rochester, any New York, tamin’ny 1953

Nameno fangatahana hanao Sekoly Ara-baibolin’i Gileada aho, tamin’ny 1951. Voantso hanao miaramila anefa aho, tamin’ny Desambra 1952. Nanazava aho hoe tsy ho afaka hanao miaramila satria mpitory manontolo andro. Tsy nanaiky anefa ny fitsarana, ka nigadra enim-bolana aho. Tany aho no nahazo fanasana hanao Sekolin’i Gileada, kilasy faha-22. Tamin’ny Jolay 1953, taoriana kelin’ny nanafahana an’ahy, dia nankany New York aho ary nandeha sambo atao hoe Georgic.

 Nanatrika an’ilay fivoriambe hoe Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao aho, rehefa tonga tany. Nankany South Lansing, any New York, aho avy eo, satria tany no natao ilay sekoly. Nandeha lamasinina aho tamin’izay, ary avy eo nandeha bisy. Vao nivoaka ny fonja anefa aho ka tsy ampy hatao saran-dalana tamin’ilay bisy intsony ny volako, na dia mora kely aza ilay izy. Tsy maintsy nindrana tamin’olona tao anatin’ilay bisy aho.

VOATENDRY HANOMPO TANY AN-TANY HAFA

Tena nampiofana anay ho “tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” ny Sekolin’i Gileada. (1 Kor. 9:22) Voatendry ho atỳ Philippines izaho sy Paul Bruun ary Raymond Leach, taorian’ilay sekoly. Volana maromaro anefa izahay vao nahazo vizà. Nandeha sambo nandritra ny 47 andro izahay, ary nandalo an’i Rotterdam, ny Ranomasina Mediterane, ny Lakandranon’i Suez, ny Oseana Indianina, i Malezia, ary Hong-Kong. Tonga tany Manille izahay tamin’ny farany, tamin’ny 19 Novambra 1954.

Izaho sy Raymond Leach, nandeha sambo 47 andro nankatỳ Philippines

Vaovao taminay daholo na ny olona, na ny tany, na ny fiteny, ka tsy maintsy nizatra an’izany izahay. Voatendry tao amin’ny fiangonana iray teto Quezon City izahay telo, tamin’ny voalohany. Miteny anglisy ny ankamaroan’ny mponina eto, ka zara raha nahay teny tagalog izahay enim-bolana tatỳ aoriana. Nihanahay anefa izahay rehefa niova ny fanendrena anay.

Rehefa avy nanompo izaho sy ny Rahalahy Leach, indray mandeha, tamin’ny Mey 1955, dia nahita taratasy maromaro tao an-trano. Taratasy fanendrena anay ho mpiandraikitra ny faritra ilay izy. Vao 22 taona aho tamin’izay. Rehefa nanao an’io andraikitra io anefa aho, dia lasa nahita hevitra vaovao hampiharana an’ilay hoe ‘tonga zava-drehetra amin’ny karazan’olona rehetra.’

Nanao lahateny tamin’ny teny bicol, tany amin’ny fivoriamben’ny faritra iray

Teo anoloan’ny fivarotana iray aho no nanao lahateny ho an’ny besinimaro voalohany, tamin’izaho mpiandraikitra ny faritra. Noraisin-dry zareo teto Philippines ara-bakiteny mantsy ilay hoe “ho an’ny besinimaro”, ka teny amin’izay toerana falehan’ny besinimaro no natao ny lahateny. Rehefa nitsidika fiangonana àry aho, dia nanao lahateny teny an-tsena, ohatra, teny anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, teny amin’ny kianja filalaovana baskety, teny amin’ny zaridainam-panjakana, ary matetika teny an-joron-dalana. Saika teny an-tsena aho, indray mandeha, no nanao lahateny, tany San Pablo City. Avy be anefa ny orana, ka nilaza tamin’ireo rahalahy aho hoe aleo any amin’ny Efitrano Fanjakana ilay izy no hatao. Nanontany avy eo ry zareo raha azo isaina ho Fivoriana ho An’ny Besinimaro ilay izy any amin’ny tatitra. Tsy tany amin’ny toerana falehan’ny besinimaro mantsy, hono, no nanaovana an’ilay izy.

Tany amin’ny mpiara-manompo foana izahay no nipetraka. Tsotra ny tranon-dry zareo fa nadio tsara foana. Tsihy teo amin’ny gorodona matetika no natoriako. Teny an-tokotany ny toerana fandroana, ka hitam-poko hitam-pirenena. Tsy maintsy nitandrintandrina àry aho rehefa nandro. Nandeha bisy aho rehefa nankany amin’ny nosy hafa, ary indraindray nandeha sambo. Tsy mba nanana fiara izany aho hatramin’izay.

Lasa nahay teny tagalog aho rehefa nanompo sy nitsidika fiangonana. Tsy nisy nampianatra an’ahy, fa nihaino tsara an’ireo mpiara-manompo fotsiny aho rehefa nanompo sy nivory. Tena nanampy be an’ahy ry zareo. Mankasitraka azy ireo aho, satria nanam-paharetana izy ireo sady tsy nisalasala nanitsy ahy.

Nahazo andraikitra vaovao foana aho, ka tsy maintsy nanao fiovana nifanaraka tamin’izany. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra nanasana ny olona rehetra eran’i  Philippines, ohatra, tamin’ny 1956, ary tonga tatỳ ny Rahalahy Nathan Knorr. Voatendry hiandraikitra ny serasera tamin’ny mpanao gazety aho. Mbola tsy nanao an’izany mihitsy aho, ka nampianarin’ireo rahalahy. Tsy ampy herintaona taorian’izay, dia efa nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra indray, ary ny Rahalahy Frederick Franz no solontenan’ny foibe. Izaho no mpiandraikitra ny fivoriambe tamin’izay. Nandray lesona avy tamin’izay nataon’ny Rahalahy Franz aho, satria vonona hanova zavatra izy mba hifandraisana tsara tamin’ny olona. Nanao barong Tagalog, akanjo fanaovan’ny olona atỳ Philippines, ohatra, izy indray mandeha, rehefa nanao lahateny ho an’ny besinimaro. Faly erỳ ireo rahalahy nahita azy!

Lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho tatỳ aoriana, ka nila niana-javatra indray. Nampiseho an’ilay filma hoe Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao izahay, ary teny an-kalamanjana matetika ilay izy no nalefa. Feno bibikely nanelingelina indraindray. Nahita ny hazavana tamin’ilay fandefasana filma ry zareo dia nankeo, ka niraikitra teo. Raharaha be avy eo ny nanadio an’ilay fitaovana. Tsy mora ny nandamina an’ireny fampisehoana ireny. Nahafinaritra anefa ilay izy, satria lasa fantatry ny olona hoe avy amin’ny firenena rehetra ny olona ao amin’ny fandaminan’i Jehovah.

Nisy mompera nampirisika ny manam-pahefana, mba tsy hanome alalana anay hanao  fivoriambe. Raha vao teny akaikin’ny fiangonany koa no natao ny lahateny, dia nampanenoin-dry zareo ny lakolosy, amin’izay tsy heno tsara ilay izy. Nitombo foana anefa ny olona lasa nahalala ny fahamarinana sy nanompo an’i Jehovah.

NILA NIZATRA FANENDRENA HAFA INDRAY

Nahazo taratasy fanendrena an’ahy hanompo tato amin’ny biraon’ny sampana aho, tamin’ny 1959. Niana-javatra be dia be aho tato. Lasa mpiandraikitra mpitety sampana aho tatỳ aoriana ka nitsidika firenena samy hafa, anisan’izany i Tailandy. Nihaona tamin’ny anabavy misionera atao hoe Janet Dumond aho tany. Nifanoratra izahay ary nivady tatỳ aoriana. Efa 51 taona izao izahay no nivady, ary tena mahafinaritra ny miara-manompo an’i Jehovah.

Izaho sy Janet, tany amin’ny nosy iray atỳ Philippines

Nitsidika mpanompon’i Jehovah tany amin’ny firenena 33 aho. Tsy maintsy nifandray tamin’ny olona isan-karazany aho tamin’izany, ary tsy mora ilay izy. Faly anefa aho fa nampiofana ahy hahavita an’izany ny fanendrena azoko teo aloha. Lasa nalala-tsaina kokoa aho rehefa nitsidika an’ireny firenena ireny. Hitako koa fa tian’i Jehovah ny karazan’olona rehetra.Asa. 10:34, 35.

Miezaka hanompo foana izahay

MBOLA MIEZAKA MIZATRA FOANA

Tena faly izahay manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahy eto Philippines. Avo folo heny izao ny isan’ny mpitory raha oharina amin’ny isan’izy ireo tamin’izaho vao tonga teto. Mbola miasa eto amin’ny biraon’ny sampan’i Philippines, eto Quezon City, izaho sy Janet. Efa 60 taona mahery aho izao no tatỳ, nefa mbola mila vonona foana hampifanaraka ny fiainako amin’izay asain’i Jehovah hatao. Izany mihitsy no nataonay mivady, rehefa nisy fiovana teo anivon’ny fandaminana tato ho ato.

Faly foana izahay mahita hoe mitombo ny vahoakan’i Jehovah

Tena afa-po izahay satria niezaka foana nanaiky an’izay hitanay hoe tian’i Jehovah hataonay. Niezaka koa izahay nanao an’izay fanovana nilaina mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy. Tapa-kevitra izahay ny ho ‘tonga zava-drehetra amin’ny karazan’olona rehetra’, raha mbola izany koa no sitrapon’i Jehovah.

Mbola manompo eto amin’ny biraon’ny sampana, eto Quezon City, izahay