Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Fahotana hoatran’ny ahoana no tian’i Jesosy horesahina ao amin’ny Matio 18:15-17?

Fahadisoana lehibe ilay izy matoa mahavoaroaka, raha tsy voalamina. Mety ho fisolokiana ilay izy, na fanendrikendrehana. Ny olona tafiditra amin’ilay izy ihany anefa dia efa afaka mandamina an’ilay izy.​—w16.05, p. 7.

Inona no azonao atao mba handray soa kokoa ianao rehefa mamaky Baiboly?

Eritrereto hoe tsy maintsy hisy lesona hotsoahanao foana amin’ilay izy, ka tadiavo izay hevitra azonao ampiharina. Mametraha fanontaniana, ohatra hoe: ‘Ahoana no azoko ampiasana azy ity mba hanampiana ny hafa?’ Manaova fikarohana amin’izay fitaovana anananao.​—w16.05, p. 24-26.

Mino ny Kristianina fa mbola hatsangana ny maty. Diso àry ve izy raha malahelo be rehefa misy havany nodimandry?

Tsy hoe satria mino ny fitsanganana amin’ny maty ny Kristianina, dia tsy malahelo intsony. Nalahelo be, ohatra, i Abrahama rehefa maty i Saraha. (Gen. 23:2) Tsy halahelo be intsony anefa ny olona nidonam-pahoriana rehefa mandeha ny fotoana.​—wp16.3, p. 4.

Iza ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty sy ireo lehilahy enina mitondra fitaovam-piadiana, resahin’ny fahitan’i Ezekiela?

Tafika any an-danitra izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fandravana an’i Jerosalema izy ireo, ary handray anjara amin’ny fandravana ny tontolon’i Satana amin’ny Hara-magedona. I Jesosy Kristy ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty, amin’ny andro ankehitriny. Izy no hanisy marika an’ireo olona ho tafavoaka velona.​—w16.06, p. 16-17.

Nahoana ny Baiboly no saika tsy nisy intsony?

1) Mora simba ny fitaovana nanoratana azy, anisan’izany ny taratasy papyrus sy ny hodi-biby. 2) Nisy mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana nitady hamongotra azy io. 3) Nisy nitady hanova ny tao anatiny.​—wp16.4, p. 4-7.

Ahoana no hatao raha te hanana fiainana tsotra?

Fantaro izay tena ilainao. Aza mandany vola amin’ny zavatra tsy ilaina. Manaova teti-bola ka ataovy lisitra izay zavatra tsy maintsy ilana vola. Amidio na omeo olona na ario izay zavatra tsy ampiasainao intsony. Aloavy daholo ny trosanao. Ahenao ny fotoana iasana. Eritrereto izay azonao atao mba hanompoana bebe kokoa.​—w16.07, p. 10.

Inona no lazain’ny Baiboly hoe sarobidy noho ny volamena sy ny volafotsy?

Milaza ny Joba 28:12, 15 hoe tsara noho ny volamena sy ny volafotsy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Miezaha àry hahazo azy io, nefa miezaha koa hanetry tena sy hanana finoana matanjaka foana.​—w16.08, p. 18-19.

Mahazo manao volombava ve ny rahalahy?

Tsy mampaninona ny olona any amin’ny toerana sasany ny mahita olona manao volombava voahety tsara. Mety tsy hisakana azy ireo tsy hihaino ny vaovao tsara izany. Aleon’ny rahalahy sasany any anefa tsy manao volombava. (1 Kor. 8:9) Hafahafa kosa any amin’ny toerana sasany ny mahita Kristianina misy volombava.​—w16.09, p. 21.

Nahoana isika no afaka mino fa tena nisy ny adin’i Davida sy Goliata?

Nanan-tombo 20 santimetatra teo ho eo monja ny halavan’i Goliata, raha oharina amin’ny lehilahy lava indrindra eran-tany tamin’ny taonjato faha-20. Tena nisy koa i Davida. Manaporofo an’izany ny soratra tranainy iray miresaka momba ny taranany, ary ny tenin’i Jesosy. Tena misy daholo koa ireo toerana voaresaka ao amin’ilay tantara.​—wp16.5, p. 13.

Inona no tsy itovizan’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina ary ny fahendrena?

Mahalala zavatra ny olona manana fahalalana. Ny olona manana fahiratan-tsaina indray mahatakatra hoe inona no ifandraisan’ny zavatra fantany. Ny olona manana fahendrena kosa mahay mampiasa ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina mba hanaovana zavatra tsara.​—w16.10, p. 18.