Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2016

Hahazo “Fiainana sy Fiadanana” Izay ‘Mampifantoka ny Sainy Amin’ny Fanahy’

Hahazo “Fiainana sy Fiadanana” Izay ‘Mampifantoka ny Sainy Amin’ny Fanahy’

Mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny fanahy ny olona araka ny fanahy.’ROM. 8:5.

HIRA: 57, 52

1, 2. Nahoana ny Romanina toko faha-8 no tena mahaliana an’ireo Kristianina voahosotra?

ANGAMBA ianao efa namaky ny Romanina 8:15-17, tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Hazavaina ao fa ny fanahy masina sy ny sainy no mampahafantatra ny Kristianina iray hoe anisan’ireo voahosotra ho any an-danitra izy. Voalaza ao amin’ny Romanina 8:1 koa fa “tafaray amin’i Kristy Jesosy” ireo voahosotra. Natao ho azy ireo ihany anefa ve ny Romanina toko faha-8, sa ho an’ny Kristianina hiaina eto an-tany koa?

2 Ny voahosotra no tena resahina ao amin’io toko io. Omen’i Jehovah fanahy masina izy ireo, ka ‘miandry fatratra ny fananganana azy ho zanaka sy ny fanafahana azy amin’ny vatany’ na ny nofony. (Rom. 8:23) Ho lasa zanak’Andriamanitra any an-danitra izy ireo. Efa natao batisa mantsy izy ireo, ary efa navelan’i Jehovah ny helony noho ny sorona nataon’i Jesosy. Nambarany ho marina izy ireo ka nekeny ho zanany.Rom. 3:23-26; 4:25; 8:30.

3. Nahoana ny Romanina toko faha-8 no tokony hahaliana an’ireo manantena hiaina eto an-tany?

3 Mahakasika an’ireo manantena hiaina eto an-tany koa anefa ny Romanina toko faha-8, satria olo-marina koa izy  ireo amin’Andriamanitra. Manaporofo an’izany ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-4. Miresaka momba an’i Abrahama izy ao. Talohan’ny nanomezan’i Jehovah Lalàna ho an’ny Israelita izy no niaina. Mbola tsy nanome ny ainy ho vidim-panavotana i Jesosy tamin’izany. Tsy voahosotra i Abrahama, nefa olo-marina izy tamin’i Jehovah satria tena nanam-pinoana. (Vakio ny Romanina 4:20-22.) Azon’i Jehovah heverina ho olo-marina koa ireo Kristianina manam-pinoana, izay manantena hiaina eto an-tany. Mahasoa azy ireo koa àry ny torohevitra ao amin’ny Romanina toko faha-8.

4. Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa mamaky ny Romanina 8:21 isika?

4 Manome antoka antsika ny Romanina 8:21 fa tena hisy ny tontolo vaovao. Voalaza ao mantsy hoe: “Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Izao anefa: Tena ho tonga any amin’ny tontolo vaovao ve ianao? Azonao antoka ve fa hahazo an’izany valisoa izany ianao? Misy torohevitra hanampy anao ho tonga any ao amin’ny Romanina toko faha-8.

‘MAMPIFANTOKA NY SAINA AMIN’NY NOFO’

5. Inona no noresahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 8:4-13?

5 Vakio ny Romanina 8:4-13. Miresaka karazan’olona roa ny Romanina toko faha-8, dia ireo mandeha “araka ny nofo” sy ireo mandeha “araka ny fanahy.” Mety hisy hieritreritra hoe ny olona tsy manompo an’i Jehovah sy ny olona manompo azy no tiana horesahina amin’izany. Ny Kristianina tany Roma, izay “voantso ho olona masina”, anefa no nanoratan’i Paoly tamin’izay. (Rom. 1:7) Samy Kristianina àry, na ireo nandeha “araka ny nofo” na ireo nandeha “araka ny fanahy.” Inona no tsy nitovizan’izy ireo?

6, 7. a) Inona avy no mety ho dikan’ny hoe “nofo” ao amin’ny Baiboly? b) Inona ilay hoe “nofo” noresahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 8:4-13?

6 Hodinihintsika aloha ny dikan’ny hoe “nofo.” Misy heviny maromaro izy io ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe ny nofo amin’ny vatantsika. (Rom. 2:28; 1 Kor. 15:39, 50) Entina hilazana rohim-pihavanana koa izy io. Voalaza ao, ohatra, fa “avy amin’ny taranak’i Davida” i Jesosy “raha araka ny nofo.” Nilaza koa i Paoly fa ‘havany  araka ny nofo’ ny Jiosy.Rom. 1:3; 9:3.

7 Inona kosa ilay hoe “nofo” noresahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 8:4-13? Manampy antsika hahafantatra an’izany ny Romanina 7:5. Hoy i Paoly ao: “Fony nanaraka ny filan’ny nofo isika, dia niasa tao amin’ny vatantsika ny filan-dratsy.” Hitantsika amin’izany àry fa “ny olona araka ny nofo”, dia baikoin’ny fanirian-dratsiny na mieritreritra be an’izany foana. Izay hahafa-po ny faniriany no ifantohany, na faniriana hanao firaisana izany na faniriana hanao zava-dratsy hafa.

8. Nahoana ny Kristianina tany Roma no nila nampitandremana mba tsy handeha “araka ny nofo”, nefa izy ireo efa voahosotra?

8 Nahoana anefa i Paoly no nampitandrina ny Kristianina voahosotra fa tsy tokony ho “velona araka ny nofo” izy ireo? Mety hanao hoatr’izany koa ve ny Kristianina ankehitriny, na dia efa neken’Andriamanitra ho namany sy heveriny ho olo-marina aza? Mety hanjary handeha araka ny nofo daholo isika rehetra. Nilaza, ohatra, i Paoly fa lasa “mpanompon’ny kibony”, izany hoe nobaikoin’ny faniriany, ny Kristianina sasany tany Roma. Mety ho faniriana hanao firaisana izany, na faniriana hisakafo sy hisotro na hanao zavatra hafa. Nisy tamin’izy ireo aza ‘namitaka ny olona tso-po.’ (Rom. 16:17, 18; Fil. 3:18, 19; Joda 4, 8, 12) Tadidio koa fa nisy rahalahy tany Korinto ‘nanao tokantranomaso tamin’ny vadin-drainy.’ (1 Kor. 5:1) Ara-dalàna àry raha nasain’i Jehovah nampitandrina ny Kristianina i Paoly mba tsy ‘hampifantoka ny sainy amin’ny nofo.’Rom. 8:5, 6.

9. Inona avy, ohatra, no tsy tafiditra amin’ilay hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny nofo’?

9 Mbola ilaintsika koa izany fampitandremana izany. Na efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro aza mantsy isika, dia mety hanjary hampifantoka ny saintsika amin’ny zavatry ny nofo. Marina fa mieritreritra sakafo na asa na fialam-boly isika indraindray. Mety hieritreritra ny fifankatiavany koa ny mpivady. Tsy hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny nofo’ anefa isika, raha manao an’ireo. Ara-dalàna mantsy ireo zavatra rehetra ireo. Na i Jesosy aza nankafy sakafo sy nizara sakafo. Tsapany koa hoe ilaina ny miala voly. Nilaza koa i Paoly fa anisan’ny zavatra  ara-dalàna eo amin’ny mpivady ny firaisana.

Mampifantoka ny sainao amin’ny fanahy ve ianao sa amin’ny nofo, raha jerena ny resaka ataonao? (Fehintsoratra 10, 11)

10. Inona no dikan’ilay hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny’?

10 Inona àry no tian’i Paoly holazaina tamin’ilay hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny nofo’? Ilay teny grika nadika hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny’, dia midika hoe misy zavatra iray irina, ka iny no tena mameno ny saina sy ny fo, ary izay fomba hanatanterahana an’ilay izy no tena eritreretina. Ny hoe mampifantoka ny saina amin’ny nofo àry, dia midika hoe manaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsy. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Ny zavatry ny nofo no tena mahafinaritra ny olona hoatr’izany. Izany foana no eritreretiny sy ataony ary lasa ambentin-dresany.”

11. Inona ny zavatra sasany mety hahavariana be antsika?

11 Nila nandini-tena ny Kristianina tany Roma hoe sao dia ny “zavatry ny nofo” no tena nifantohany. Mila mandini-tena hoatr’izany koa isika. Inona no tena mahafinaritra antsika, ary inona no resahintsika matetika? Inona no tena andaniantsika fotoana isan’andro? Mety ho variana manandrana karazana divay, ohatra, ny sasany, na variana manaingo ny tranony, na mividy akanjo isan-karazany, na variana mitady hevitra hampitomboana ny volany, na mieritreritra be foana momba ny vakansy hataony. Marina fa tsy misy maharatsy an’ireo zavatra ireo. Zavatra ara-dalàna eo amin’ny fiainana ireo. Na i Jesosy aza, ohatra, nanamboatra divay. I Paoly koa nilaza tamin’i Timoty fa mahasalama ny “divay kely.” (1 Tim. 5:23; Jaona 2:3-11) Divay ve anefa no nataon’i Jesosy sy Paoly ambentin-dresaka? Ny nisotro divay ve no tena nahafinaritra azy, dia izay foana no nataony? Tsia! Ary isika? Inona no tena ifantohantsika?

12, 13. Nahoana isika no tena mila mitandrina amin’izay ampifantohantsika ny saintsika?

12 Tena ilaina ny mandini-tena. Hoy mantsy i Paoly: “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana.” (Rom. 8:6) Midika izany hoe mety tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony isika ka ho ringana, raha mifantoka amin’ny zavatry ny nofo. Tsy te hilaza anefa i Paoly hoe tsy maintsy izay no hiafaran’ny olona ‘mampifantoka ny sainy amin’ny nofo.’ Mbola azo atao ny miova. Tadidinao angamba ilay rahalahy tany Korinto. Ratsy fitondran-tena izy ka tsy maintsy noroahina. Niova anefa izy tatỳ aoriana. Tsy nanaiky hobaikoin’ny faniriany intsony izy, ary lasa nadio fitondran-tena.2 Kor. 2:6-8.

13 Raha olona hoatr’izany aza nahavita niova, dia azo antoka fa hahavita hiova isika, indrindra raha tsy ratsy be hoatran’ny nataony ny zavatra ataontsika. Tokony handrisika antsika hiezaka hiova àry ilay fampitandreman’i Paoly hoe fahafatesana no hiafaran’izay ‘mampifantoka ny sainy amin’ny nofo.’

‘MAMPIFANTOKA NY SAINA AMIN’NY FANAHY’

14, 15. a) Nampirisika antsika hanao inona i Paoly? b) Tsy midika hoe inona ilay hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny fanahy’?

14 Rehefa avy nampitandrina antsika mba ‘tsy hampifantoka ny saintsika amin’ny nofo’ i Paoly, dia nilaza hoe: “Ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy kosa midika ho fiainana sy fiadanana.” Mahazo valisoa tena tsara àry isika raha mampifantoka ny saintsika amin’ny fanahy. Ahoana anefa no anaovana an’izany?

15 Tsy midika hoe manonofinofy akory ny hoe ‘mampifantoka ny saina amin’ny fanahy.’  Tsy midika koa izany hoe tsy hieritreritra afa-tsy Baiboly na Jehovah na ny fanantenana momba ny hoavy, sady tsy hiresaka afa-tsy izany. Tadidio fa niaina hoatran’ny olon-drehetra ihany i Paoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany. Nihinana sy nisotro ary niasa ry zareo. Maro koa no nanambady sy niteraka.Mar. 6:3; 1 Tes. 2:9.

16. Inona no zava-dehibe indrindra tamin’i Paoly?

16 Tsy variana be tamin’ireny zavatra ara-dalàna eo amin’ny fiainana ireny anefa ny Kristianina voalohany. Mpanao tranolay i Paoly, nefa tsy izany no zava-dehibe indrindra taminy. Nitory sy nampianatra tsy tapaka kosa izy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:2-4; 20:20, 21, 34, 35.) Nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah sy izay rehetra nifandray tamin’izany izy. Nampirisihiny hanao an’izany ny rahalahy sy anabavy tany Roma, ary izany koa no tokony hataontsika.Rom. 15:15, 16.

17. Inona no ho vokany raha ‘mampifantoka ny saintsika amin’ny fanahy’ isika?

17 Inona no ho vokany raha mifantoka foana amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika? Hoy ny Romanina 8:6: ‘Midika ho fiainana sy fiadanana ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy.’ ‘Mampifantoka ny saina amin’ny fanahy’ isika, raha ny fanahin’i Jehovah no tena avelantsika hanan-kery eo amin’ny fomba fisainantsika, ary miezaka isika mba hitovy hevitra aminy. Hahafinaritra antsika ny fiainantsika dieny izao, raha manao an’izany isika. Hiaina mandrakizay any an-danitra na eto an-tany koa isika.

18. Nahoana no azo lazaina hoe mahazo “fiadanana” isika, rehefa ‘mampifantoka ny saintsika amin’ny fanahy’?

18 Inona ilay “fiadanana” ho azontsika, raha ‘mampifantoka ny saintsika amin’ny fanahy’ isika? Vitsy ny olona miadan-tsaina, na dia izany aza no tadiavin’ny ankamaroan’ny olona. Isika kosa anefa tena milamin-tsaina. Nahoana? Satria miezaka mafy isika mba hifandray tsara amin’ny mpianakavintsika sy ny mpiara-manompo amintsika. Ekentsika fa samy tsy lavorary na isika na ry zareo. Mety tsy hifankahazo àry isika indraindray. Rehefa mitranga anefa izany, dia arahintsika ilay torohevitr’i Jesosy hoe: ‘Mandehana mihavana amin’ny rahalahinao.’ (Mat. 5:24) Mora kokoa ny mankatò an’io torohevitra io, raha mitadidy isika hoe manompo an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” koa ilay rahalahy na anabavy.Rom. 15:33; 16:20.

19. Inona koa ny “fiadanana” mety ho azontsika?

19 Inona koa ny “fiadanana” ho azontsika, raha ‘mampifantoka ny saintsika amin’ny fanahy’ isika? Hifandray tsara amin’ilay Mpamorona antsika isika, ary tena sarobidy izany. Nilaza i Isaia mpaminany fa harovan’i Jehovah izay matoky tanteraka azy, ka “hanana fiadanana foana.”Isaia 26:3; vakio ny Romanina 5:1.

20. Nahoana ianao no mankasitraka ny torohevitra ao amin’ny Romanina toko faha-8?

20 Tena ankasitrahantsika ny torohevitra ao amin’ny Romanina toko faha-8, na voahosotra isika na manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Faly isika satria ampahatsiahivina mba tsy ho variana be amin’ny zavatra mahafinaritra antsika, fa hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Fantatsika mantsy fa ‘midika ho fiainana sy fiadanana ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy.’ Raha manao an’izany isika, dia hahazo an’izao valisoa noresahin’i Paoly izao: “Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika ... no fanomezana omen’Andriamanitra.”Rom. 6:23.