Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Lasa ny vahoakan’i Jehovah no resahin’ny Salamo 144:12-15 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy nohavaozina (2013). Ny hafa firenena ratsy fanahy, resahin’ny andininy 11, anefa no voaresaka eo amin’ireo andininy ireo ao amin’ilay fandikan-teny teo aloha. Inona no anton’izany fanovana izany?

Raha jerena ny teny hebreo nampiasaina tany am-boalohany, dia mety ho ireo hafa firenena no resahiny ao, nefa koa mety ho ny vahoakan’i Jehovah. Ireto àry ny anton’ilay fanovana:

  1. Ny dikan’ny teny hebreo. Ilay teny voalohany eo amin’ny andininy 12 no amantarana hoe inona no ifandraisan’ny Salamo 144:12-15 amin’ireo andininy eo alohany. Avy amin’ny teny hebreo hoe asher ilay teny. Misy dikany maromaro ny hoe asher. Mety ho mpisolo anarana mampifandray izy io, ohatra hoe “izay.” Teny anglisy midika hoe “izay” no nampiasaina tao amin’ilay fandikan-teny teo aloha. Lasa ny ratsy fanahy voaresaka eo amin’ireo andininy eo aloha àry no mahazo an’ireo fitahiana eo amin’ny andininy 12-14. Mety ho ny vokatry ny toe-javatra iray koa anefa no tiana holazaina amin’ilay hoe asher, ka azo adika koa izy io hoe “ka” na koa hoe “amin’izay.” Teny anglisy midika hoe “amin’izay” àry no ampiasaina ao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina sy ny fandikan-teny hafa.

  2. Mifanaraka amin’ny andininy hafa ao amin’ilay salamo ilay fanovana. Ho an’ny olo-marina ny fitahiana resahin’ny Salamo 144:12-14, izany hoe ho an’ireo mangataka ny ‘hafahana sy avotana’ amin’ny ratsy fanahy (andininy 11). Izany no antony nampiasana an’ilay hoe “amin’izay” eo amin’ny andininy 12, ao amin’ilay fandikan-teny nohavaozina. Misy vokany eo amin’ny andininy 15 koa io fanitsiana io. Lasa mifameno izao ireo fehezanteny roa ao, izay samy misy an’ilay teny hoe “sambatra.” Tsy samy hafa àry ny olona resahin’ireo fehezanteny roa ireo. Tsy ny ratsy fanahy izy ireo, fa ireo “olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” Tsara homarihina koa fa tsy nisy mari-piatoana, toy ny farango sosona, io Salamo 144 io tamin’ny teny hebreo nanoratana azy voalohany. Anjaran’ny mpandika teny àry ny mamaritra ny tena dikan’ilay izy, ka mila eritreretiny ny fomba fanoratry ny Hebreo poezia, ny teny manodidina, ary ny andinin-teny hafa mifandray amin’ilay izy.

  3. Mifanaraka amin’ny andininy hafa momba ny fitahiana ampanantenain’i Jehovah an’izay tsy mivadika ilay fanovana. Rehefa novana ny fomba nandikana an’ilay teny hebreo hoe asher, dia lasa hita tsara ao amin’io salamo nosoratan’i Davida io ny fanantenany. Tsy inona izany fa ilay hoe hanafaka ny Israelita amin’ny fahavalony Andriamanitra, ka hiadana sy ho sambatra izy ireo. (Lev. 26:9, 10; Deot. 7:13; Sal. 128:1-6) Milaza, ohatra, ny Deoteronomia 28:4 hoe: “Hotahina izay aloaky ny kibonao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanaky ny biby fiompinao, na ny omby na ny ondry aman’osy.” Niadana sy sambatra tsy nisy hoatr’izany tokoa ny Israelita nandritra ny fitondran’i Solomona zanak’i Davida. Hoatran’ny tamin’ny andron’i Solomona koa ny zavatra sasany hitranga rehefa hitondra ny Mesia.—1 Mpanj. 4:20, 21; Sal. 72:1-20.

Araka izany, dia tsy niova ny fahazoantsika ny fampianaran’ny Baiboly, na dia nisy niova aza ny fomba nandikantsika ny Salamo 144. Vao mainka aza mazava ao amin’ilay salamo ny fanantenan’ireo mpanompon’i Jehovah hatramin’izay, dia ny hoe horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy, ka hiadana sy ho sambatra mandrakizay ny olo-marina.—Sal. 37:10, 11.