Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aprily 2017

Inona no Tsy Hisy Intsony Rehefa Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no Tsy Hisy Intsony Rehefa Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

“Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 JAONA 2:17.

HIRA: 134, 24

1, 2. a) Inona no itovizan’ity tontolo ity amin’ny gadra iray voaheloka ho faty? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no ho tsapan’ny anjely sy ny olona rehefa ringana ity tontolo ity?

ALAO sary an-tsaina ny mpanao heloka bevava iray, entina miala ao amin’ny efitra nigadrany. Mbola velona izy sady hoatran’ny hoe salama tsara, nefa miantsoantso ireo mpiambina azy hoe: “Faty mandehandeha ô!” Fa nahoana? Toy ny hoe efa maty izy satria voaheloka ho faty ary hoentina any amin’ny toerana hamonoana azy. *

2 Toa an’io gadra io ity tontolo ratsy ity, satria voaheloka ho faty ary efa tena kely sisa dia horinganina. Tsy maintsy hitranga izany satria hoy ny Baiboly: “Mandalo izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:17) Misy tsy mampitovy azy ireo ihany anefa. Rehefa hovonoina ilay mpanao heloka bevava, dia mety hisy olona hanohitra an’ilay didim-pitsarana ka hilaza hoe tsy rariny ilay izy. Mety hanantena izy ireo hoe hahemotra ny famonoana azy. Ara-drariny tanteraka kosa ny didim-pitsarana hihatra amin’ity tontolo ity. Ilay Mpanjakan’izao rehetra izao mantsy no nitsara  azy, ary manao ny rariny foana izy. (Deot. 32:4) Tsy hihemotra ny fandringanana an’ity tontolo ity, ary tsy hampisalasala mihitsy hoe sao dia tsy ara-drariny izany. Hiaiky daholo ny anjely sy ny olombelona aorian’izay hoe nampihatra ny rariny i Jehovah. Hahatsiaro ho maivamaivana erỳ ny rehetra amin’izay!

3. Inona avy ireo zavatra tsy hisy intsony rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

3 Inona anefa ilay hoe ‘izao tontolo izao mandalo’? Tafiditra amin’izany ny zava-dratsy fahita eo amin’ny fiainana. Tsy hisy intsony izy ireny. Anisan’ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” izany. (Mat. 24:14) Rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy, ny fikambanana manao ratsy, ny faharatsiana, ary ny zavatra mampijaly. Handinika an’izany isika ato, ary hamaly an’ireto: Manao ahoana ny fiainantsika vokatr’ireo zavatra efatra ireo? Hataon’i Jehovah ahoana izy ireo? Ary inona no zavatra tsara hataony solony?

NY RATSY FANAHY

4. Manao ahoana ny fiainantsika noho ny ataon’ny ratsy fanahy?

4 Manao ahoana ny fiainantsika noho ny ataon’ny ratsy fanahy? Nilaza ny apostoly Paoly fa hisy “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” amin’ny andro farany. Nilaza koa izy fa “vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka.” (2 Tim. 3:1-5, 13) Tsy izany mihitsy ve izao no iainantsika? Maro amintsika no efa nijaly noho ny ataon’ny olona mahery setra, na mpanavakavaka, na mpanao heloka bevava. Ny sasany tsy manafina mihitsy hoe ratsy fanahy izy. Misy indray mamitaka, dia mody manao ny tsara. Na tsy isika aza anefa no ampijalin’izy ireny, dia misy vokany amintsika ny ataony. Malahelo be isika rehefa maheno ny zavatra mahatsiravina ataon’izy ireny. Mahery setra amin’ny ankizy sy ny zokiolona ary ny olon-kafa tsy afaka miaro tena izy ireny. Hoatran’ny ataon’ny bibidia na ny demonia mihitsy ny ataony. (Jak. 3:15) Soa ihany fa mampanantena i Jehovah hoe tsy ho hoatr’izany foana ny fiainana.

5. a) Inona no mbola azon’ny ratsy fanahy atao? b) Inona no hiafaran’izay tsy mety miova?

5 Inona no hataon’i Jehovah? Mampirisika ny ratsy fanahy izy mba hiova. (Isaia 55:7) Mbola tsy namoaka didim-pitsarana ho an’ny olona tsirairay mantsy izy, fa ity tontolo ity no efa nomelohiny. Inona anefa no hanjo an’izay tsy mety miova, fa manohana foana an’ity tontolo ity mandra-pahatongan’ny fahoriana lehibe? Nilaza i Jehovah fa horinganiny tsy hisy mandrakizay izy ireny. (Vakio ny Salamo 37:10.) Mety hieritreritra ny ratsy fanahy hoe tsy hanjo azy izany. Maro mantsy no mahay manafina ny ratsy ataony, ary afa-maina izy ireny matetika. (Joba 21:7, 9) Milaza anefa ny Baiboly fa “mijery ny ataon’ny olona” i Jehovah, “ary mahita ny diany rehetra. Tsy misy haizina na haizim-pito azon’ny mpisompatra iafenana.” (Joba 34:21, 22) Tsy misy afaka miafina an’i Jehovah àry. Tsy azo fitahina izy na fetsifetsena. Hitany foana izay ataon’ny mpanao ratsy, na any amin’ny toerana faran’izay maizina aza izy ireo. Hijery izay nisy ny ratsy fanahy isika aorian’ny Hara-magedona, fa tsy ho hitantsika intsony izy ireo. Ho ringana mandrakizay izy ireo.—Sal. 37:12-15.

6. Iza sisa no ho tavela rehefa ringana ny ratsy fanahy, ary nahoana izany no vaovao tsara?

6 Iza sisa no ho tavela rehefa ringana ny ratsy fanahy? Hoy i Jehovah: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra  amin’ny fiadanam-be.’ Hoy koa izy: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Sal. 37:11, 29) Iza àry ilay hoe “mpandefitra” sy ilay hoe “olo-marina”? Ny mpandefitra dia ireo manetry tena ka manaiky ny tari-dalan’i Jehovah sy ny zavatra ampianariny. Ny olo-marina indray dia ireo tia manao izay lazain’i Jehovah hoe tsara. Vitsy kely ankehitriny ny olo-marina raha oharina amin’ny ratsy fanahy. Tsy ho hoatr’izany anefa ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy hoe ho betsaka fotsiny ny mpandefitra sy ny olo-marina, fa izy ireo irery sisa no hiaina eto an-tany. Izy ireo no hanova ny tany ho paradisa.

FIKAMBANANA NA ANTOKON’OLONA MANAO RATSY

7. Inona no vokatry ny ataon’ny fikambanana na antokon’olona manao ratsy?

7 Inona no vokatry ny ataon’ny fikambanana na antokon’olona sasany? Antokon’olona na fikambanana no mahatonga ny ankamaroan’ny zava-dratsy mitranga eran-tany. Antokom-pivavahana maro, ohatra, no mamitaka olona an-tapitrisany. Lainga ny zavatra ampianariny momba an’Andriamanitra sy momba ny hoavin’ny tany sy ny olombelona ary ny zavatra maro hafa. Milaza koa izy ireny fa tsy marina ny voalazan’ny Baiboly. Ny fitondram-panjakana sasany indray mampirisika ny olona hiady sy hahery setra amin’ireo tsy mitovy firazanana aminy, na mampijaly ny mahantra sy ny olona tsy mba afaka miaro tena. Misy koa tia manao kolikoly sady miangatra. Eo koa ny fikambanana mandoto ny tontolo iainana, mandanilany ny harena an-kibon’ny tany, ary manararaotra ny fahatsoran’ny olona mba hahazoana vola be. Vitsy ihany anefa no lasa manankarena fa an-tapitrisany no mahantra fadiranovana. Hita avy amin’izany fa ny fikambanana na antokon’olona manao ratsy no mahatonga ny ankamaroan’ny fijaliana eran-tany.

8. Araka ny voalazan’ny Baiboly, inona no hiafaran’ireo fikambanana na antoko heverin’ny olona hoe matanjaka be?

8 Inona no hataon’i Jehovah? Hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa hanafika ny fivavahan-diso rehetra ny fitondram-panjakana. Oharin’ny Baiboly amin’ny mpivaro-tena iray ny fivavahan-diso rehetra, ary Babylona Lehibe no iantsoany azy. (Apok. 17:1, 2, 16; 18:1-4) Ho ringana daholo ireny fivavahan-diso ireny. Ary hanao ahoana ireo fikambanana na antoko hafa manao ratsy? Oharin’ny Baiboly amin’ny tendrombohitra sy nosy izy ireny, satria heverin’ny olona hoe matanjaka be. (Vakio ny Apokalypsy 6:14.) Voalaza ao koa anefa fa hofoanana ny fitondrana rehetra eran-tany. Horinganina koa izay fikambanana manohana azy ireny fa tsy manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Hifarana ny fahoriana lehibe amin’izay. (Jer. 25:31-33) Tsy hisy fikambanana na antoko manao ratsy intsony aorian’izay.

9. Nahoana isika no matoky fa ho voalamina tsara ilay tany vaovao?

9 Hosoloana inona ireo fikambanana na antoko manao ratsy? Mbola hisy fikambanana ihany ve aorian’ny Hara-magedona? Hoy ny Baiboly: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Pet. 3:13) Fitondram-panjakana vaovao ilay “lanitra vaovao”, ary i Jesosy Kristy sy ny 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. Ny “tany vaovao” kosa dia ny vahoakan’izy io eto an-tany. Tsy ho eo intsony ny lanitra sy ny tany taloha, izany hoe ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao sy ny  vahoakany. Ho voalamina tsara ilay “tany vaovao.” Hanahaka ny toetran’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny filaminana, mantsy i Jesosy sy ireo hiara-mitondra aminy. (1 Kor. 14:33) Hisy lehilahy tsara toetra ho lasa mpiandraikitra koa amin’izay, ary i Jesosy sy ireo 144 000 no hanome tari-dalana azy ireo. (Sal. 45:16) Eritrereto ange e! Ho ringana daholo ny fikambanana manao ratsy, ary fikambanana iray ihany no ho solony. Hiray saina daholo ny olona ao aminy sady hanao ny tsara foana.

NY FAHARATSIANA

10. Inona no zava-dratsy fahita any amin’ny misy anareo, ary inona no vokatr’ilay izy aminao sy ny fianakavianao?

10 Inona no vokatry ny faharatsiana? Be dia be mihitsy ny zava-dratsy eran-tany. Betsaka ny olona ratsy fitondran-tena sy tsy manao ny marina ary mahery setra be. Ny ray aman-dreny matetika no tena mijaly vokatr’izany, satria tsy maintsy miaro ny zanany tsy hanao an’ireo. Vao mainka hain’ny mpamorona fialam-boly koa izao ny manao izay hahatonga ny fanao ratsy ho lasa manintona. Ataon’izy ireny tsinontsinona ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ny ratsy. (Isaia 5:20) Miezaka mba tsy hanana an’izany toe-tsaina izany ny tena Kristianina. Miezaka mafy izy ireo mba tsy hivadika, na dia mampirisika azy ireo tsy hankatò ny fitsipik’i Jehovah aza ity tontolo ity.

11. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jehovah tamin’i Sodoma sy Gomora?

11 Hataon’i Jehovah ahoana ny faharatsiana? Eritrereto izay nitranga tamin’ny andron’i Lota, lehilahy nanao ny marina. Zatra nanao ratsy ny olona tao Sodoma sy Gomora, ary nijaly noho ny nataon’izy ireo izy sy ny fianakaviany. Naringan’i Jehovah àry ireo tanàna ireo, amin’izay tsy misy intsony ny faharatsiana. (Vakio ny 2 Petera 2:6-8.) “Nataony ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra” azy koa izany, “raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy.” Tsy maintsy hofoanan’i Jehovah koa àry ny faharatsiana rehetra hitantsika amin’izao, rehefa handringana an’ity tontolo ity izy.

12. Inona no tianao hatao rehefa tsy hisy intsony ity tontolo ratsy ity?

12 Inona no ho solon’ny faharatsiana? Hanan-javatra tsara be dia be hatao isika ao amin’ny tontolo vaovao. Hahafinaritra be, ohatra, ny hanova an’ity tany ity ho paradisa sy ny hanorina trano ho antsika sy ny fianakaviantsika. Handray an’ireo olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty koa isika, ary hampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy ny zavatra rehetra nataony ho an’ny olombelona. (Isaia 65:21, 22; Asa. 24:15) Hampifaly antsika sy hanome voninahitra an’i Jehovah daholo ny zavatra hataontsika.

NY ZAVATRA MAMPIJALY

13. Inona no vokatry ny fikomian’i Satana sy Adama ary Eva?

13 Inona no vokatry ny fijaliana? Lasa mampijaly ny fiainana noho ny zavatra ataon’ny ratsy fanahy sy ny fikambanana manao ratsy, ary noho ny faharatsiana. Mijaly daholo isika noho ny ady, ny fahantrana, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny aretina, ary ny fahafatesana. Nikomy tamin’i Jehovah i Satana sy Adama ary Eva, ka izany no mahatonga an’ireny zavatra mampijaly ireny. Mizaka ny vokatr’izany fikomiana izany isika rehetra.

14. Hataon’i Jehovah ahoana ny zava-drehetra mampijaly antsika? Manomeza ohatra.

14 Hataon’i Jehovah ahoana ny zavatra mampijaly?  Mampanantena izy fa hataony tsy misy intsony ny ady sy ny fahantrana ary ny aretina. (Vakio ny Salamo 46:8, 9; Sal. 72:12-16; Isaia 33:24) Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. (Isaia 25:8) Hofoanany koa ny zavatra hafa rehetra mahatonga ny fiainana hampijaly. Na ny toe-tsain’i Satana sy ny demoniany aza dia tsy hisy intsony.—Efes. 2:2.

Eritrereto hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa tsy hisy intsony ny ady sy ny aretina ary ny fahafatesana (Fehintsoratra 15)

15. Inona avy no tsy hisy intsony aorian’ny Hara-magedona?

15 Eritrereto hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa tsy hisy intsony ny ady sy ny aretina ary ny fahafatesana. Tsy hisy intsony ny tafika, na ny eny an-tanety izany na ny any an-dranomasina na ny eny ana habakabaka. Tsy hisy intsony koa ny fitaovam-piadiana na ny tsangambato fahatsiarovana an’ireo maty an’ady. Tsy hisy intsony ny hopitaly, ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy, ny farmasia, ny tranom-paty, ny filazana manjo, ny mpikarakara faty, ary ny fasana. Rehefa tsy hisy intsony ny heloka bevava, dia tsy hisy intsony koa ny mpiambina, ny fitaovana fanairana amin’ny mpangalatra, ary ny polisy. Tsy hisy intsony koa aza angamba ny hidin-trano sy ny lakile. Ho foana daholo ny zavatra mampiady saina sy mampitebiteby.

16, 17. a) Inona no ho tsapan’ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no tokony hataontsika raha tsy te ho ringana miaraka amin’ity tontolo ity isika?

16 Hanao ahoana ny fiainana rehefa tsy hisy intsony ny zava-manahirana? Sarotra be ny maka sary an-tsaina an’izany. Mety ho efa mahazatra be antsika mantsy ny fijaliana, ka mety tsy ho tsapantsika intsony hoe tena mampiady saina antsika ilay izy. Hoatran’ny olona mipetraka eny akaikin’ny fanariam-pako ihany. Tsy henony intsony ny fofon’ilay izy rehefa mandeha ny fotoana. Na hoatran’ny olona mipetraka eny akaikin’ny seranam-piaramanidina. Lasa mahazatra azy ny tabataban’ny raoplanina. Azo antoka anefa fa hahatsiaro ho maivamaivana isika rehefa hofoanan’i Jehovah daholo ny zava-dratsy.

17 Inona no hisolo ny zavatra mampiady saina antsika? Mampanantena ny Salamo 37:11 fa “tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be” isika. Tsy manohina ny fonao ve izany? Izany no irin’i Jehovah ho anao. Miezaha mafy àry mba hifandray tsara foana amin’i Jehovah sy ny fandaminany, amin’izao andro farany feno olana mampiady saina izao. Tena sarobidy ny zavatra antenainao, ka saintsaino tsara. Tadidio hoe tena hisy izany, ary mazotoa miresaka an’ilay izy amin’ny olona. (1 Tim. 4:15, 16; 1 Pet. 3:15) Tsy ho ringana miaraka amin’ity tontolo efa voaheloka ho faty ity ianao raha manao an’izany, fa ho sambatra sy hiaina mandrakizay.

^ feh. 1 Izany no fanao tany amin’ny fonja tany amin’ny faritra sasany tany Etazonia, taloha ela be.