Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 TANTARAM-PIAINANA

Tsy Hiraviravy Tanana Mihitsy Aho

Tsy Hiraviravy Tanana Mihitsy Aho

TANORA maro ato amin’ny Betela no miantso ahy hoe “Dada” na “Papa” na “Dadatoa.” Tiako izany satria izaho efa 89 taona. Anisan’ny valisoa nomen’i Jehovah ahy ireny teny mamy ireny, noho izaho efa nanompo manontolo andro nandritra ny 72 taona. Rehefa mieritreritra ny fotoana nanompoako azy aho, dia tena afaka manome toky ny tanora hoe: ‘Handray valisoa ianareo amin’izay ataonareo, raha tsy miraviravy tanana.’—2 Tan. 15:7.

NY FIANAKAVIAKO

Avy any Ukraine i Dada sy Neny ary nifindra tany Kanada. Nipetraka tany Rossburn, any amin’ny faritanin’i Manitoba, ry zareo. Niteraka valo lahy sy valo vavy ry zareo, ary tsy nisy kambana. Izaho no faha-14. Tena tia Baiboly i Dada, dia namakiany Baiboly izahay isaky ny alahady maraina. Natao hitadiavam-bola fotsiny anefa ny fivavahana taminy, dia nivazivazy izy matetika hoe: “Mba iza àry no nanakarama an’i Jesosy hitory sy hampianatra?”

Nanaiky ny fahamarinana ny valo tamin’ny iray tam-po amiko, izany hoe ny rahalahiko efatra sy ny anabaviko efatra. Mpisava lalana mandra-pahafatiny i Rose, zokiko vavy. Nampirisika ny olona rehetra hianatra Baiboly izy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Te hahita anao any amin’ny tontolo vaovao aho.” I Ted zokiko lahy indray mpanao toriteny momba ny afobe. Nanao toriteny tao amin’ny radio izy isaky ny alahady. Tsy sasatry ny nanizingizina izy hoe hodorana mandrakizay any amin’ny afobe tsy mety maty ny mpanota. Lasa mpanompon’i Jehovah be zotom-po anefa izy tatỳ aoriana ary tsy nivadika.

NANOMBOKA NANOMPO MANONTOLO ANDRO

Nahita bokikely teo ambony latabatra fisakafoanay aho indray andro rehefa avy nianatra, tamin’ny Jona 1944. Hohavaozina Izao Tontolo Izao no lohatenin’ilay izy. * Novakiko ny pejy voalohany, dia novakiko koa ny faharoa, dia tsy nijanona namaky intsony aho avy eo. Rehefa voavakiko izy manontolo, dia tapa-kevitra aho hoe hanompo an’i Jehovah hoatran’i Jesosy.

Ahoana no nahatonga an’ilay bokikely teo ambonin’ilay latabatra? Nilaza i Steve zokiko lahy hoe nisy lehilahy roa tonga tao aminay mba “hivarotra” boky sy bokikely. Hoy izy: ‘Iny no novidiko satria iny no mba mora.’ Niverina ireo lehilahy ireo ny alahady nanaraka. Nilaza ry zareo hoe Vavolombelon’i Jehovah, ary mampiasa ny Baiboly mba hamaliana ny  fanontanian’ny olona. Tianay izany satria mbola kely izahay dia efa nampianarin’i Dada sy Neny hanaja ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza koa ry zareo hoe tsy ho ela dia hisy fivoriamben’ny vondrom-paritra any Winnipeg. Nanapa-kevitra aho hoe hanatrika an’ilay izy. I Elsie anabaviko koa moa tany no nipetraka.

Nandeha bisikileta aho nankany Winnipeg. Lalana 320 kilaometatra teo ho eo ilay izy. Nijanona kely tany Kelwood aho. Tany no nipetraka ireo Vavolombelona roa nitory taminay. Nanatrika fivoriana aho tamin’izaho tany, ary nahita hoe hoatran’ny ahoana izany fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Lasa fantatro koa hoe tokony hitory isan-trano hoatran’i Jesosy daholo na ny lehilahy na ny vehivavy na ny ankizy.

Nihaona tamin’i Jack zokiko lahy aho tany Winnipeg. Avy any amin’ny faritra avaratr’i Ontario izy, ary hanatrika an’ilay fivoriambe koa. Nisy fampandrenesana tamin’ny andro voalohany hoe hisy batisa, dia nanapa-kevitra hatao batisa izahay sy Jack. Samy tapa-kevitra izahay hoe hanao mpisava lalana haingana araka izay azo atao raha vao vita batisa. Tonga dia nanomboka i Jack taorian’ilay fivoriambe. Izaho indray nanohy fianarana aloha, satria vao 16 taona aho tamin’izany. Ny taona nanaraka aho no nanomboka nanao mpisava lalana maharitra.

TENA NIANA-JAVATRA

Tany Souris, any amin’ny faritanin’i Manitoba, aho no nanomboka nanao mpisava lalana, ary i Stan Nicolson no namako. Nianarako hoe tsy misosasosa foana akory ny fiainana rehefa manao mpisava lalana. Nihena tsikelikely ny tahirinay, fa nitory foana anefa izahay. Nitory indray andro tontolo izahay indray mandeha dia noana be rehefa nody, nefa tsy nanam-bola mihitsy. Gaga be izahay fa nisy harona feno sakafo teo anoloan’ny varavaranay! Tsy fantatray mandraka androany hoe iza no nanatitra an’ilay izy. Nisakafo be mihitsy izahay tamin’iny hariva iny. Nahazo valisoa izahay fa tsy niraviravy tanana. Nilanja aho rehefa nifarana ny volana, ary mbola tsy ngezabe hoatr’izany aho hatramin’izay.

Voatendry hanompo tany Gilbert Plains, 240 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Souris, izahay volana vitsivitsy taorian’izay. Nisy tabilao be teny amin’ny lampihazo tany am-pivoriana tamin’izany, dia nisoratra teo ny asa fitoriana vitan’ny fiangonana isam-bolana. Nihena ny asa vitan’ny fiangonanay tamin’izay volana iray izay, dia nanao lahateny aho mba hampirisihana an’ireo rahalahy sy anabavy hiezaka bebe kokoa. Nisy anabavy mpisava lalana be taona nanatona ahy rehefa tapitra ny fivoriana. Tsy ao amin’ny fahamarinana ny vadiny. Nanganohano izy sady niteny tamiko hoe: “Efa mba niezaka aho fa iny no farany vitako.” Izaho indray no nitomany tamin’izay, sady niala tsiny taminy.

Mora manao fahadisoana hoatr’izany ny tovolahy mafana fo be hoatr’ahy, dia lasa manamelo-tena avy eo. Nianarako anefa hoe tsy tsara ny miraviravy tanana, fa aleo mandray lesona avy amin’ilay fahadisoana dia mitadidy an’iny lesona iny. Raha manompo an’i Jehovah foana ianao avy eo ary tsy mivadika, dia hovaliany soa.

NY ADIN’I QUÉBEC

Nahazo tombontsoa be aho tamin’izaho 21 taona. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-14 aho, ary tamin’ny Febroary 1950 ny fizarana diplaomanay. Nalefa tany Québec, faritany miteny frantsay any Kanada, ny ampahefany teo ho eo taminay iray kilasy. Nenjehina mafy ny Vavolombelon’i Jehovah tany tamin’izany. Tany Val-d’Or aho no voatendry. Tanàna fitrandrahana volamena izy io. Nandeha nitory tany Val-Senneville, tanàna tsy lavitra teo, ny vitsivitsy taminay indray mandeha. Nandroaka anay hiala tao amin’ilay tanàna anefa ilay pasitera tao, sady norahonany izahay hoe hovonoiny raha tsy mandeha avy hatrany. Nametraka fitarainana àry aho dia niakatra fitsarana ilay raharaha, ka nasaina nandoa lamandy ilay pasitera.

Be dia be ny raharaham-pitsarana hoatr’izany, ary nantsoina hoe “Adin’i Québec” izy ireny. Efa 300 taona mahery i Québec no teo ambany fahefan’ny Eglizy Katolika. Nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana nanohana an-dry zareo. Nijaly izahay tamin’izany, sady izahay rahateo vitsy kely. Tsy niraviravy tanana mihitsy anefa izahay fa nitory foana. Nandray tsara ny hafatra notorinay ny olona tso-po.  Maro tamin’ny olona nampianariko no nanaiky ny fahamarinana dia lasa nanompo an’i Jehovah. Anisan’izany ny fianakaviana iray folo mianaka. Tena be herim-po ry zareo, ka rehefa nahita an’izany ny olon-kafa dia niala tsy ho Katolika koa. Nitory foana izahay, dia nandresy tamin’ilay “Adin’i Québec” tamin’ny farany.

NIANATRA FITENY VAOVAO

Voatendry hanompo tany Haïti aho tamin’ny 1956. Tsy dia nahay niteny frantsay ny ankamaroan’ny misionera vaovao tany, nefa nihaino tsara ny olona nitorian’izy ireo. Hoy ilay misionera atao hoe Stanley Boggus: “Gaga izahay fa niezaka be ny olona nanampy anay hilaza an’izay tianay hambara.” Nanana tombony aho satria efa nianatra teny frantsay tany Québec. Hitanay anefa, tsy ela taorian’izay, hoe tsy mahay afa-tsy teny kreôla ny ankamaroan’ny mpiara-manompo. Raha te hahita vokatra izany izahay misionera, dia tsy maintsy nianatra teny kreôla. Izany no nataonay, ary nisy vokany tsara ilay izy.

Te hanampy kokoa an’ireo mpiara-manompo izahay, dia nangataka alalana tamin’ny Filan-kevi-pitantanana mba handika Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa amin’ny teny kreôla. Neken-dry zareo ilay izy, dia nitombo be ny mpanatrika fivoriana eran’i Haïti taorian’izay. Lasa 800 mahery ny mpitory tamin’ny 1960 tany ho any, nefa 99 izany tamin’ny 1950. Voatendry hanompo tany amin’ny Betela aho tamin’izany. Nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana aho tamin’ny 1961, ary nahafinaritra ahy izany. Anti-panahy sy mpisava lalana manokana 40 no nampiofanina tamin’ilay izy. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny Janoary 1962. Nampirisihana hampitombo ny fanompoany ireo rahalahy nahafeno fepetra tamin’izay, ary voatendry ho mpisava lalana manokana ny sasany. Tena nety izany satria nisy fanenjehana tsy ela taorian’izay.

Nisy polisy tonga tao amin’ny biraon’ny sampana tamin’ny 23 Janoary 1962, izany hoe taoriana kelin’ilay fivoriambe. Nosamboriny izaho sy ilay misionera atao hoe Andrew D’Amico. Nalain’izy ireo koa ny tahirina Mifohaza! 8 Janoary 1962 tamin’ny teny frantsay. Noresahina tao amin’io Mifohaza! io mantsy izay voalazan’ny gazety frantsay anankiroa, hoe  manao vaudou (karazana mazia sy famosaviana) ny olona any Haïti. Nisy tsy tia an’izany ka nilaza fa izahay tao amin’ny biraon’ny sampana no nanoratra an’ilay izy. Noroahin’ny fanjakana hiala tany Haïti àry ny misionera, herinandro vitsivitsy taorian’izay. * Efa nahazo fiofanana anefa ny rahalahy tany, ka ry zareo no nanohy ny asa ary vitan’izy ireo tsara ilay izy. Miara-paly amin-dry zareo aho satria nahavita niaritra ry zareo sady nandroso be. Ry zareo aza izao efa manana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kreôla. Nofinofy anefa izany tamin’ny andronay.

FANORENANA TANY CENTRAFRIQUE

Voatendry ho misionera tany Centrafrique aho rehefa avy tany Haïti. Mpiandraikitra mpitety faritany aho tatỳ aoriana, ary avy eo mpiandraikitra ny sampana.

Faran’izay tsotra ny ankamaroan’ny Efitrano Fanjakana tany tamin’izany. Nianatra nanangona bozaka tany anaty kirihitra aho, dia avy eo nanao tafo tamin’ilay izy. Variana erỳ ny mpandalo nijery ahy sahirana nianatra nanao an’ilay izy. Rehefa nahita ny nataoko ireo rahalahy sy anabavy, dia lasa nazoto kokoa hanorina sy hikojakoja ny efitrano fivorian’izy ireo. Naneso anay ny mpitondra fivavahana satria nitafo fanitso daholo ny trano fivavahan-dry zareo. Tsy kivy anefa izahay fa novitainay ilay Efitrano Fanjakana nitafo bozaka. Tsy naneso anay intsony izy ireo rehefa nisy rivo-doza tany Bangui renivohitra. Nentin’ny rivotra mantsy ny tafon’ny trano fivavahan-dry zareo anankiray, dia nilatsaka teny amin’ny arabe. Ilay tafo bozaky ny efitranonay kosa tsy nihontsina. Nanorina biraon’ny sampana vaovao sy tranona misionera izahay, mba hahafahana miandraikitra tsara kokoa ny asa fitoriana. Dimy volana katroka ilay fanorenana dia vita.

NANAMBADY ANABAVY BE ZOTOM-PO

Tamin’ny mariazinay

Voarara ny asa fitoriana tany Centrafrique tamin’ny 1976, dia voatendry hanompo tany N’Djamena, renivohitr’i Tchad, aho. Nisy nahatsara an’izany anefa, satria nihaona tamin’i Happy aho. Avy any Cameroun izy, ary mpisava lalana manokana be zotom-po. Nivady izahay tamin’ny 1 Aprily 1978. Nipoaka ny ady an-trano tamin’io volana io, dia nandositra nankany amin’ny faritra atsimon’i Tchad izahay, hoatran’ny nataon’ny olona maro. Nody izahay rehefa tapitra ilay ady. Efa lasa tobin’ny antoko iray nitam-piadiana anefa ny tranonay. Tsy tao intsony ireo boky sy gazety, ny akanjo mariazin’i Happy, ary ny fanomezana nomen’ny olona anay tamin’ny mariazinay. Tsy niraviravy tanana anefa izahay. Mbola tafaraka soa aman-tsara izaho sy Happy, ary tsy andrinay izay hanohizana ny fanompoana.

Tsy voarara intsony ny fitoriana tany Centrafrique, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. Niverina tany àry izahay ary lasa mpiandraikitra mpitety faritany indray aho. Tao anatin’ny fiaranay ihany izahay no nipetraka. Nisy fandriana azo naforitra tao, dia nisy frizidera mandeha gazy sy fatana gazy ary barìka nahazaka rano 200 litatra. Sarotra ny nanao dia lavitra. Im-117 izahay, fara fahakeliny, no nosakanan’ny polisy tamin’ny dia nataonay indray mandeha izay.

Nahatratra 50 degre matetika ny hafanana, ka sarotra indraindray ny nitady rano hanaovana batisa rehefa fivoriambe. Nandavaka teny amin’ny renirano efa maina àry ny rahalahy, mba hahazoana rano ampy hanaovana batisa. Nangonina tsikelikely ilay izy, dia notehirizina tao anaty barìka. Tao ihany matetika no natao ny batisa.

NANOMPO TANY AN-TANY HAFA ETO AFRIKA

Notendrena ho any Nizeria izahay tamin’ny 1980. Nanomana ny fanorenana biraon’ny sampana vaovao izahay tany, nandritra ny roa taona sy tapany. Nividy trano fanatobiana entana nisy rihana iray ireo rahalahy, dia iny no noravana. Iny avy eo no naverina natsangana teny amin’ny toerana hanorenana an’ilay biraon’ny sampana. Niakatra ambony be teny amin’ilay trano aho indray maraina, mba hanampy an-dry zareo handrava an’ilay izy. Rehefa nidina aho ny antoandro, dia ilay lalana niakarako ihany no nidinako. Efa nisy zavatra niala anefa tamin’ilay izy noravana, dia nianjera aho. Hoatran’ny hoe voa mafy aho, nefa rehefa avy natao radio sy noje ren’ny dokotera aho, dia nilaza tamin’i Happy ry zareo hoe: “Aza matahotra! Nisy hozatra vitsivitsy rovitra fotsiny, fa afaka herinandro eo ho eo izy dia sitrana.”

Hamonjy fivoriambe, dia nandeha “fitateram-bahoaka”

Nifindra tany Côte d’Ivoire izahay tamin’ny 1986, ary mpiandraikitra mpitety faritany aho. Tonga hatrany Burkina Faso, firenena tsy lavitra teo, izahay. Tsy noeritreretiko mihitsy tamin’izany hoe hipetraka any Burkina Faso izahay tatỳ aoriana.

Tao anatin’ny fiaranay izahay no nipetraka, tamin’izahay nitety faritany

Niverina tany Kanada niaraka tamin’i Happy aho tamin’ny 2003, dia niasa tao amin’ny Betela izahay. Tamin’ny 1956 aho no niala tany, izany hoe efa 47 taona lasa. Kanadianina izahay, fa atỳ Afrika no tena tianay.

Nampianatra Baiboly tany Burkina Faso

Lasa tatỳ Afrika indray izahay tamin’ny 2007, tamin’izaho 79 taona. Voatendry ho any Burkina Faso izahay, dia lasa anisan’ny Komitin’ny Tany aho. Novana ho Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ilay trano nisy an’ilay komity tatỳ aoriana, ary ny sampan’i Bénin no niandraikitra azy. Voatendry hanompo tany amin’ny Betelan’i Bénin izahay tamin’ny Aogositra 2013.

Izaho sy Happy, tamin’izahay nanompo tany amin’ny sampan’i Bénin

Tena mbola tia manompo aho na dia tsy salama aza. Faly aho fa nisy roa tamin’ny mpianatro natao batisa, tao anatin’ny telo taona lasa izay. Gédéon sy Frégis no anarany. Mazoto manompo an’i Jehovah ry zareo hatramin’izao. Nahavita nanampy azy roa lahy aho, satria tena nanohana ahy ny anti-panahy sy ny vadiko.

Nalefa atỳ amin’ny sampan’i Afrika Atsimo izahay mivady tatỳ aoriana. Mikarakara tsara ny fahasalamako ny fianakavian’ny Betela atỳ. I Afrika Atsimo no tany afrikanina fahafito nanompoako. Nahazo fitahiana niavaka izahay tamin’ny Oktobra 2017. Nanatrika ny fitokanana ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, any New York, izahay. Tsy hohadinoinay mihitsy iny!

Izao no voalaza tao amin’ilay Diary 1994, pejy 255: “Mampirisika an’izay rehetra efa nitory nandritra ny taona maro izahay hoe: ‘Mahereza ary aza miraviravy tanana, fa handray valisoa ianareo amin’izay ataonareo.’—2 Tan. 15:7.” Tapa-kevitra izaho sy Happy fa hankatò an’izany ary hampirisika ny hafa hanao toy izany koa.

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1944, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 23 Miresaka ny tsipiriany momba izany ny Diary 1994 (frantsay), pejy 148-150.