Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Sambatra ny Olona Tia Manome

Sambatra ny Olona Tia Manome

‘Mahasambatra ny manome.’—ASA. 20:35.

HIRA: 76, 110

1. Inona no porofo fa malala-tanana i Jehovah?

IRERY i Jehovah talohan’ny namoronany an’izao rehetra izao. Tsy tia tena anefa izy, fa namorona ny anjely sy ny olombelona mba hahafahan’izy ireo mankafy fiainana. Tia manome zavatra tsara i Jehovah, “ilay Andriamanitra falifaly.” (1 Tim. 1:11; Jak. 1:17) Tiany ho falifaly sy ho sambatra koa isika, dia ampianariny ho tia manome.—Rom. 1:20.

2, 3. a) Nahoana isika no sambatra rehefa tia manome? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny olona. (Gen. 1:27) Midika izany hoe afaka manahaka ny toetrany isika. Raha te ho sambatra sy hahazo fitahiana avy aminy àry isika, dia mila mihevitra izay hahasoa ny hafa sy malala-tanana hoatr’azy. (Fil. 2:3, 4; Jak. 1:5) Efa izany mihitsy mantsy no namoronan’i Jehovah antsika. Hahavita an’izany isika na dia tsy lavorary aza.

3 Mampianatra antsika ho tia manome ny Baiboly, ary izany no hodinihintsika ato. Hovaliana ato ireto fanontaniana ireto: Nahoana i Jehovah no mankasitraka antsika rehefa malala- tanana isika? Nahoana izany toetra izany no manampy antsika hahavita ny asa asainy ataontsika? Nahoana isika no sambatra rehefa tia manome? Ary nahoana isika no tsy maintsy miezaka ny halala-tanana foana?

ANKASITRAHAN’I JEHOVAH NY OLONA TIA MANOME

4, 5. Inona no modely nomen’i Jehovah sy Jesosy antsika?

4 Tian’i Jehovah hanahaka azy isika. (Efes. 5:1) Faly àry izy rehefa malala-tanana isika. Tena tiany ho sambatra isika rehefa jerena ny fomba nanamboarany antsika. Manaporofo an’izany koa ny zavatra mahafinaritra be dia be noforoniny eto ambonin’ny tany. (Sal. 104:24; 139:13-16) Manome voninahitra azy àry isika, raha ataontsika koa izay hahasambatra ny hafa.

5 Miezaka manahaka an’i Jesosy koa isika. Nanome modely tonga lafatra izy mba hampisehoana amintsika hoe ahoana izany tia manome. Hoy izy: ‘Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Mat. 20:28) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hampirisika antsika Kristianina hoe: ‘Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Nafoiny ny zava-drehetra ary naka ny endriky ny mpanompo izy.’ (Fil. 2:5, 7) Eritrereto àry izao: ‘Inona no azoko atao mba hanahafana bebe kokoa an’i Jesosy?’—Vakio ny 1 Petera 2:21.

6. Inona no nampianarin’i Jesosy antsika tamin’ilay fanoharana momba ny Samaritanina iray tsara fanahy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Hahazo sitraka amin’i Jehovah isika raha manahaka ny modely tonga lafatra nomeny sy nomen’i Kristy, ka mihevitra an’izay hahasoa ny hafa sy mitady fomba hikarakarana an’izay ilainy. Nampianatra an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy hoe tsy maintsy miezaka mafy izy ireo manampy ny hafa, na iza izany na iza. Nanasongadina an’izany izy tamin’ilay fanoharana momba ny Samaritanina iray tsara fanahy. (Vakio ny Lioka 10:29-37.) Fa inona moa no nahatonga an’i Jesosy hilaza an’iny fanoharana iny? Satria nisy Jiosy nanontany azy hoe: “Iza marina moa no namako?” Hitantsika avy amin’ny valin-tenin’i Jesosy fa tsy maintsy malala-tanana hoatran’ilay Samaritanina isika, raha tiantsika ho faly amintsika i Jehovah.

7. Nahoana no azo lazaina hoe manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika rehefa tsy tia tena?

7 Misy antony hafa koa mahatonga antsika halala-tanana. Eritrereto ny tenin’i Satana tany amin’ny zaridainan’i Edena. Mahakasika antsika rehetra ilay izy fa tsy i Adama sy Eva ihany. Te hilaza tamin’izy mivady i Satana hoe ho sambatra kokoa ry zareo raha manao izay mahafinaritra azy ireo fotsiny, fa tsy mankatò an’Andriamanitra. Nanaraka ny teniny izy mivady. Samy tia tena izy ireo. I Eva te hitovy amin’Andriamanitra, moa i Adama te hanao izay tian’i Eva. (Gen. 3:4-6) Miharihary hoe loza no vokatr’izany. Tsy ho sambatra mihitsy àry izay tia tena. Rehefa malala-tanana kosa isika, dia hita hoe resy lahatra fa izay asain’i Jehovah ataontsika no tsara indrindra.

ATAOVY NY ASA ASAIN’I JEHOVAH ATAONTSIKA

8. Nahoana i Adama sy Eva no tokony ho nieritreritra an’izay hahasoa ny hafa?

8 Tokony ho nieritreritra an’izay hahasoa ny hafa i Adama sy Eva, na dia tsy nisy afa-tsy izy mivady aza tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nahoana? Satria efa  niteny tamin’izy ireo i Jehovah hoe tokony hiteraka izy ireo, dia hameno ny tany sy hikarakara azy io. (Gen. 1:28) Nanao izay hahasambatra ny olombelona i Jehovah, ka tokony ho nieritreritra an’izay hahasambatra ny taranany koa i Adama sy Eva. Tian’i Jehovah ho lasa paradisa ny tany manontolo, amin’izay hiadana daholo ny olombelona. Tokony ho niara-niasa izy rehetra mba hahavitana an’io tetikasa goavana io.

9. Nahoana no sambatra ny olona raha nanova ny tany ho paradisa?

9 Raha tsy nanota i Adama sy Eva, dia ho olona lavorary daholo no teto an-tany. Nila niara-niasa tsara tamin’i Jehovah ry zareo, raha te hanova ny tany ho paradisa sy hanao ny sitrapony. Ho niditra tao amin’ny fitsaharany izy ireo amin’izay. (Heb. 4:11) Azo antoka hoe nahafaly sy nahafa-po azy ireo ny nanatanteraka an’ilay tetikasa. Ho nahazo fitahiana be dia be avy tamin’i Jehovah koa izy ireo, satria nitady izay hahasoa ny hafa fa tsy tia tena.

10, 11. Inona no tokony hataontsika raha te hahavita ny asa ampanaovin’i Jehovah antsika isika?

10 Misy asa manokana ampanaovin’i Jehovah antsika amin’izao. Asainy mitory sy manampy ny olona ho lasa mpianatr’i Jesosy isika. Tena mila mihevitra an’izay hahasoa ny olona isika, mba hahavitantsika an’izany. Ny fitiavana an’i Jehovah sy ny olona no tokony handrisika antsika, raha tsy izany dia tsy ho vitantsika ny hanohy an’io asa io.

11 Nilaza i Paoly hoe “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” izy sy ny Kristianina hafa, satria namboly sy nanondraka ny voan’ny fahamarinana. (1 Kor. 3:6, 9) Ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” koa isika, raha mahafoy fananana sy hery ary fotoana be dia be mba hitoriana. Voninahitra lehibe izany!

Tsy misy mahafinaritra kokoa noho ny hoe manampy olona hahazo an’izay lazain’ny Baiboly, dia mahita azy mankasitraka an’ilay izy (Fehintsoratra 12)

12, 13. Inona no hitanao hoe mahafinaritra amin’ilay mampianatra Baiboly?

12 Tena mahafaly ny manokana fotoana sy hery be dia be mba hitoriana sy hampianarana. Izany no lazain’ireo rahalahy sy anabavy maro manana mpianatra mandroso tsara. Tena mahafinaritra ny mahita olona faly be rehefa mahazo an’izay lazain’ny Baiboly, dia avy eo lasa manana finoana matanjaka kokoa, miova, ary manomboka miresaka amin’ny olona an’izay nianarany. Falifaly hoatr’izany ireo mpitory 70 nirahin’i Jesosy satria nahita vokatra tsara, ary faly koa i Jesosy nahita azy ireo.—Lioka 10:17-21.

13 Tena faly ny mpitory eran-tany rehefa mahita hoe mihatsara ny fiainan’ny olona nandray ny vaovao tsara. Izany no tsapan’i Anna, * anabavy tanora mbola mpitovo.  Manitatra any amin’ny faritra tena mila mpitory any Eoropa Atsinanana izy. Hoy izy: “Tiako be atỳ fa betsaka olona te hianatra Baiboly. Mahafinaritra be ny fanompoako. Tsy manam-potoana hieritreretana be momba ny olana mahazo ahy aho, rehefa tonga ao an-trano. Ny mpianatro sy izay mampiady saina an-dry zareo no tena eritreretiko. Mitady hevitra hampaherezana an-dry zareo aho, ary mikarakara an’izay ilainy. Tena miaiky aho hoe ‘mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’”—Asa. 20:35.

Afaka maheno ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona, rehefa tsy misy dinganintsika ny trano ao amin’ny faritany itoriantsika (Fehintsoratra 14)

14. Inona no azonao atao mba ho faly foana ianao, na dia tsy mandray aza ny olona?

14 Ho faly isika raha miezaka mitory ny vaovao tsara foana, na dia tsy te hihaino antsika aza ny olona. Tian’i Jehovah hanao hoatran’i Ezekiela mpaminany isika. Hoy izy taminy: “Holazainao amin’izy ireo ny teniko na hihaino izy na tsia.” (Ezek. 2:7; Isaia 43:10) Faly i Jehovah mahita antsika miezaka mitory foana, na dia mety tsy ho tian’ny olona aza ny zavatra torintsika. (Vakio ny Hebreo 6:10.) Tena tsara ny toe-tsain’ny rahalahy iray. Hoy izy: “Tsy hoe mamboly sy manondraka fotsiny isika, fa mivavaka koa mba hampitomboin’i Jehovah izay voa nafafintsika.”—1 Kor. 3:6.

TE HO SAMBATRA VE IANAO?

15. Amin’ny olona mahay mankasitraka ihany ve isika no tokony halala-tanana? Hazavao.

15 Tian’i Jesosy ho sambatra isika ka ampirisihany ho tia manome. Lasa tia manome koa ny olona matetika rehefa malala-tanana aminy isika. Hoy i Jesosy: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.” (Lioka 6:38) Marina fa tsy ny rehetra no mankasitraka rehefa malala-tanana aminy isika. Rehefa mankasitraka an’izay omentsika anefa ny olona iray, dia lasa tia manome koa izy ary mandrisika ny olon-kafa hazoto hanome. Aoka àry ianao ho zatra manome, na dia hoatran’ny hoe tsy mankasitraka aza ny olona. Na indray mandeha fotsiny aza ianao no malala-tanana, dia mety hisy vokany be izany.

16. Amin’iza isika no tokony halala-tanana, ary nahoana?

 16 Tsy manantena valiny ny olona tena malala-tanana. Izany no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza izy hoe: ‘Ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba no asao, rehefa manasa olona hisakafo ianao. Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo.’ (Lioka 14:13, 14) Hoy ny Baiboly: “Hotahina izay manana fijery mangoraka.” Voalaza ao koa hoe: “Sambatra izay miahy ny mahantra.” (Ohab. 22:9; Sal. 41:1) Tena tokony hanampy ny hafa àry isika ka ho tia manome satria mahafaly izany.

17. Inona avy no azontsika omena raha te ho sambatra isika?

17 Tsy fanomezana zavatra fotsiny no tian’i Paoly holazaina, tamin’izy namerina ny tenin’i Jesosy hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Te hilaza koa izy hoe mila manome fampaherezana sy tari-dalana ary fanampiana an’ireo mila an’izany isika. (Asa. 20:31-35) Manome isika rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hanampiana olona, ary tsara fanahy sy maneho fitiavana azy ireny. Nampirisika antsika hanao an’izany i Paoly ary nanome modely koa.

18. Inona no lazain’ny mpikaroka momba ny olona malala-tanana?

18 Na ny mpikaroka aza mahita fa sambatra ny olona rehefa tia manome. Hoy ny lahatsoratra iray navoakan’izy ireo: “Milaza ny olona fa mahatsiaro ho sambatra be rehefa avy nanao soa.” Milaza koa ny mpikaroka fa tena ilaina ny manampy olona raha tianao hisy dikany kokoa ny fiainanao. Matetika àry ny manam-pahaizana no milaza fa mila manao soa izay te ho salama sy ho sambatra kokoa. Tsy vaovao amintsika izany! I Jehovah mantsy no namorona antsika, dia fantany hoe mahasambatra antsika ny manome. Imbetsaka izy no milaza an’izany ao amin’ny Teniny.—2 Tim. 3:16, 17.

AZA MITSAHATRA MANOME

19, 20. Nahoana ianao no te hiezaka halala-tanana?

19 Mety ho sarotra amintsika ny hoe halala-tanana foana, rehefa tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany ny olona manodidina antsika. Nilaza anefa i Jesosy hoe ireto no didy roa lehibe indrindra: Voalohany, tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo sy ny tenantsika manontolo sy ny saintsika manontolo ary ny herintsika manontolo isika. Faharoa, tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. (Mar. 12:28-31) Hitantsika tato hoe manahaka an’i Jehovah isika raha tia azy. Malala-tanana izy sy Jesosy, ary mampirisika antsika hanao hoatr’izany koa izy ireo satria tena hahasambatra antsika izany. Manome voninahitra an’i Jehovah isika, rehefa mazoto manome an’izay ananantsika mba hanompoana azy ary malala-tanana amin’ny olona. Hitondra soa ho antsika sy ny olon-kafa koa izany.

20 Azo antoka hoe efa miezaka mafy ianao mba halala-tanana sy hanampy ny hafa, indrindra fa ny mpiara-manompo aminao. (Gal. 6:10) Raha manao an’izany foana ianao, dia ho tian’ny olona sy hankasitrahany ka ho sambatra. Hoy ny Ohabolana 11:25: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.” Betsaka ny zavatra azontsika omena sy ny fomba azontsika anehoana hatsaram-panahy, na eo amin’ny fiainantsika na eo amin’ny fanompoantsika. Handinika ny sasany amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 13 Novana ny anarana.