Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Mba Manadihady Tsara ve Ianao?

Mba Manadihady Tsara ve Ianao?

‘Izay mamaly nefa mbola tsy naheno [ny tena zava-misy] akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.’—OHAB. 18:13.

HIRA: 126, 95

1, 2. a) Inona no mila ianarantsika, ary nahoana? b) Inona no hodinihintsika ato?

MILA mahay mamakafaka an’izay zavatra fantatsika isika Kristianina, mba hamantarana raha marina na tsia ilay izy. Amin’izay isika tsy ho diso hevitra. (Ohab. 3:21-23; 8:4, 5) Raha tsy mahay an’izany isika, dia ho mora amin’i Satana sy ity tontolo ity ny hamitaka antsika. (Efes. 5:6; Kol. 2:8) Hoy ny Ohabolana 18:13: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Midika izany hoe mila mihaino na mahalala ny tena zava-misy aloha isika, izay vao ho afaka hanatsoaka hevitra marina tsara.

2 Hodinihintsika ato hoe nahoana no sarotra ny mamantatra ny tena zava-misy sy ny manatsoaka hevitra marina tsara. Handinika toro lalana sy ohatra avy ao amin’ny Baiboly koa isika, mba hanampiana antsika hahay hanadihady raha marina na tsia ny zavatra fantatsika.

AZA MINO “NY TENY REHETRA”

3. Nahoana isika no tokony hampihatra ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 14:15? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Be dia be ny zavatra ampahafantarina ny olona amin’izao. Hoatran’ny tsy mety tapitra mihitsy ny zavatra resahina ao  amin’ny Internet sy ny tele ary ny fampitam-baovao hafa. Mahazo e-mail sy SMS ary tatitra be dia be avy any amin’ny namany sy ny olom-pantany koa ny olona maro. Tena mila mitandrina àry isika. Betsaka mantsy ny olona manao fanahy iniana manely zavatra tsy marina sy mamadi-dresaka. Inona ny toro lalan’ny Baiboly mety hanampy antsika? Hoy ny Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”

4. Nahoana ny Filipianina 4:8, 9 no manampy antsika hifidy an’izay hovakintsika? Nahoana no tena ilaina ny mahafantatra ny tena marina? (Jereo koa ilay hoe “ Fomba Ahalalana ny Tena Zava-misy.”)

4 Mila mahalala ny tena zava-misy isika raha te handray fanapahan-kevitra tsara. Mila mifidy tsara an’izay hovakintsika àry isika. (Vakio ny Filipianina 4:8, 9.) Tsy tokony handany fotoana hijerena vaovao ao amin’ny tranonkala mampiahiahy isika, na handany fotoana hamakiana tatitra tsy voamarina alefan’ny olona amin’ny e-mail na SMS. Aza mijery ny tranonkalan’ny mpivadi-pinoana mihitsy koa. Ny hampihena ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah mantsy no tena tanjon’izy ireny, ary ny hanova ny tena marina. Raha tsy marina ny zavatra fantatrao, dia tsy handray fanapahan-kevitra tsara ianao. Aza mieritreritra mihitsy hoe tsy hisy vokany amin’ny eritreritrao sy izay ao am-ponao ny zavatra tsy marina fantatrao.—1 Tim. 6:20, 21.

5. Inona no tatitra ratsy henon’ny Israelita, ary inona no vokatr’izany tamin’izy ireo?

5 Mety ho tena ratsy ny vokany raha mino resaka tsy marina isika. Eritrereto izay nitranga tamin’ny andron’i Mosesy. Nisy 12 lahy nirahina hijery ny Tany Nampanantenaina. Nilaza zavatra ratsy momba an’ilay tany ny folo tamin’izy ireo sady nanita-dresaka. (Nom. 13:25-33) Lasa kivy tanteraka àry ny vahoakan’i Jehovah. (Nom. 14:1-4) Nieritreritra angamba izy ireo hoe izay nolazain’ny maro an’isa no marina. Tsy nety nihaino ny tatitra tsara avy tamin’i Josoa sy Kaleba izy ireo. (Nom. 14:6-10) Tsy niezaka hahalala ny tena marina izy ireo sady tsy natoky an’i Jehovah, fa naleony nino an’ilay tatitra ratsy. Tsy nieritreritra tsara izy ireo.

6. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga raha maheno tatitra faran’izay ratsy momba ny vahoakan’i Jehovah?

6 Rehefa maheno resaka momba ny vahoakan’i Jehovah isika no tena mila mitandrina. Nahoana? Tadidio fa mpiampanga ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika i Satana. (Apok. 12:10) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampiomana antsika hoe hisy mpanohitra ‘hamorona lainga ka hilaza fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao’ isika. (Mat. 5:11) Tsy tokony ho gaga àry isika raha maheno tatitra faran’izay ratsy momba ny vahoakan’i Jehovah.

7. Inona no tokony hoeritreretintsika alohan’ny handefasana e-mail na SMS?

7 Tia mandefa e-mail na SMS any amin’ny namanao sy ny olom-pantatrao ve ianao? Inona no ataonao rehefa misy zavatra hitanao amin’ny vaovao na misy zava-nitranga henonao? Hoatr’ireny mpilaza vaovao ireny ve ianao, ka tianao raha ianao no mampahafantatra an’ilay izy voalohany? Eritrereto izao alohan’ny handefasana an’ilay izy amin’ny e-mail na SMS: ‘Azoko antoka ve hoe marina ity zavatra tiako halefa ity? Fantatro daholo ve ny tena zava-misy?’ Mety hanely zavatra tsy marina any amin’ny mpiara-manompo ianao, raha tsy nohamarininao akory ilay izy. Raha misalasala àry ianao, dia aza alefa ilay izy fa fafao.

8. Inona no ataon’ny mpanohitra any amin’ny tany sasany? Ahoana no mety hahatonga antsika hanampy an-dry zareo na dia tsy fanahy iniantsika aza?

 8 Nahoana koa no mampidi-doza ny hoe maimaika mandefa any amin’olon-kafa ny e-mail na SMS voarainao? Voasakantsakana na voarara mihitsy ny asa fitoriana any amin’ny tany sasany. Mety hanely tantara natao hampitahorana antsika na hahatonga antsika tsy hifampatoky ny mpanohitra any amin’ireny tany ireny. Eritrereto izay nitranga tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nanely tsaho ny polisy miafina hoe namadika an’ireo mpiara-manompo ny rahalahy sasany manana andraikitra. * Mampalahelo fa maro no nino an’izany lainga izany, ka niala tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Soa ihany fa be dia be no niverina tatỳ aoriana. Misy anefa tsy niverina mihitsy satria lasa tsy nanam-pinoana intsony. (1 Tim. 1:19) Inona àry no azonao atao mba tsy hitranga aminao izany? Raha naheno zavatra ratsy na tantara tsy voaporofo ianao, dia aza aely ilay izy. Aza minomino befahatany an’izay rehetra henonao koa, fa fantaro foana ny tena zava-misy.

TSY NY ZAVA-MISY REHETRA NO FANTATSIKA

9. Nahoana koa no sarotra indraindray ny mamantatra ny tena marina?

9 Mety ho diso hevitra koa isika, rehefa ny ampahany amin’ny zavatra fantatsika ihany no marina na tsy ny zava-misy rehetra no fantatsika. Raha ny ampahany fotsiny anefa no marina, dia izy manontolo no tsy azo inoana. Inona àry no hanampy antsika tsy ho voafitaky ny resaka hoatr’izany?—Efes. 4:14.

10. Inona no nahatonga ny Israelita saika hanafika ny rahalahiny, ary nahoana no tsy nanao an’izany indray izy ireo?

10 Eritrereto izay nataon’ireo Israelita tany amin’ny faritra andrefan’ny Reniranon’i Jordana, tamin’ny andron’i Josoa. (Jos. 22:9-34) Henon-dry zareo hoe nanamboatra alitara ngezabe teo akaikin’ilay renirano ny Israelita tany amin’ny faritra atsinanana, izany hoe ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Marina izany, saingy nisy zavatra hafa tsy fantatr’izy ireo.  Tonga anefa ry zareo dia nieritreritra hoe nikomy tamin’i Jehovah ny Israelita tany atsinanana ka saika hotafihiny. (Vakio ny Josoa 22:9-12.) Soa ihany fa naniraka lehilahy vitsivitsy hanadihady ny tena marina aloha ry zareo. Hay tsy hanaovana sorona ilay alitara nataon’ny Israelita tany atsinanana, fa mba hampahatsiahivana ny taranak’izy ireo hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah koa ry zareo. Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ izay ny Israelita tany andrefana hoe tsy maimaika namono an’ireo rahalahiny, fa namotopototra tsara ny tena zava-misy aloha.

11. a) Nahoana i Mefiboseta no niharan’ny tsy rariny? b) Inona no tokony ho nataon’i Davida?

11 Mety hisy olona hanely resaka momba antsika koa, nefa ny ampahany amin’ilay izy ihany no marina, na ny zava-misy sasany ihany no resahiny. Mety hiharan’ny tsy rariny isika vokatr’izany. Izany no nanjo an’i Mefiboseta, zafikelin’i Saoly. Tsara fanahy taminy i Davida Mpanjaka, ka nomeny azy daholo ny tanin’i Saoly. (2 Sam. 9:6, 7) Nisy olona nanaratsy an’i Mefiboseta tany amin’i Davida anefa tatỳ aoriana, dia tonga dia nomeny an’ilay olona ny fananan’i Mefiboseta rehetra. Tsy nohamarininy akory hoe marina ve sa tsia ilay zavatra henony. (2 Sam. 16:1-4) Rehefa tafaresaka tamin’i Mefiboseta anefa i Davida, dia tonga saina hoe diso izy ka naveriny taminy ny ampahany tamin’ny fananany. (2 Sam. 19:24-29) Tsy ho nisy izany tsy rariny izany, raha nanadihady ny tena zava-misy i Davida fa tsy maimaika nanapa-kevitra.

12, 13. a) Inona no nataon’i Jesosy rehefa nisy nanendrikendrika azy? b) Inona no azontsika atao raha misy manely lainga momba antsika?

12 Ary ahoana raha misy manendrikendrika ianao? Izany no nanjo an’i Jesosy sy Jaona Mpanao Batisa. (Vakio ny Matio 11:18, 19.) Inona no nataon’i Jesosy tamin’izay? Tsy nandany ny fotoanany sy ny heriny izy mba hanaporofoana hoe diso ny zavatra nolazain’ny olona momba azy. Ny olona no nampirisihiny hijery ny zava-misy. Nasainy nandinika an’izay nataony sy nampianariny izy ireo. Hoy izy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’—Mat. 11:19.

13 Misy lesona lehibe azonao ianarana avy amin’izany. Mety hanakiana na hanaratsy anao ny olona indraindray, ka mety ho lasa ratsy laza ianao. Inona àry no azonao atao? Asehoy amin’ny fomba fiainanao hoe tsy marina ilay lainga. Hitantsika amin’ny ohatra navelan’i Jesosy fa rehefa manao ny tsara foana ny Kristianina iray, dia ho voaporofo ho azy hoe tsy marina ny fanendrikendrehan’ny olona azy.

MATOKY TENA LOATRA VE IANAO?

14, 15. Nahoana isika no tsy tokony hiantehitra amin’ny fahaizantsika?

14 Hitantsika teo fa sarotra ny mamantatra hoe tena marina ve sa tsia ny zavatra fantatsika. Manampy trotraka an’izany ny hoe tsy lavorary isika. Efa ela angamba isika no nanompo an’i Jehovah, dia lasa mahay mieritreritra tsara sy mahay manavaka. Mety hanaja be antsika ny olona noho isika mahay mamantatra ny tena zava-misy. Mety hampisy olana anefa izany.

15 Raha miantehitra be loatra amin’ny fahaizantsika isika, dia mety ho ny fihetseham-pontsika no hibaiko antsika, na isika hifantoka be amin’ny hevitsika. Rehefa misy zava-mitranga dia mety ho tonga dia hieritreritra isika hoe efa azontsika tsara ilay izy, nefa tsy fantatsika akory ny zava-misy rehetra. Mety ho ratsy be ny vokatr’izany. Mampitandrina antsika àry ny Baiboly mba tsy hiantehitra amin’ny fahaizantsika.—Ohab. 3:5, 6; 28:26.

16. Inona no nitranga tany amin’ny hotely iray, araka ilay ohatra eto? Inona no tonga dia noeritreretin’i Vonjy?

16 Haka ohatra isika. Misy anti-panahy  roa atao hoe Hery sy Vonjy. Efa ela i Vonjy no anti-panahy. Nisakafo tany amin’ny hotely izy indray hariva, dia hitany tany koa i Hery. Nisy vehivavy niara-nisakafo tamin’i Hery, ary falifaly erỳ izy ireo. Nifamihina koa ry zareo. Niady saina be i Vonjy satria tsy vadin’i Hery ilay vehivavy. Lasa saina izy hoe: ‘Hisaraka ve izany i Hery sy ny vadiny? Dia hanao ahoana ny vadiny? Ary ny zanaky ry zareo?’ Efa nahita mpivady tratran’izany i Vonjy. Ahoana raha ianao no nahita an’i Hery sy ilay vehivavy?

17. Nahoana no diso hevitra i Vonjy? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

17 Marina fa tonga dia nieritreritra i Vonjy hoe nanitsakitsa-bady i Hery. Nahalala ny zava-drehetra ve anefa izy? Iny hariva iny ihany izy dia nitelefaonina an’i Hery. Hay anabavin’i Hery ilay vehivavy. Efa aman-taonany izy mianadahy no tsy nihaona. Avy lavitra ilay anabaviny dia nandalo kely nandritra ny ora vitsivitsy fotsiny. I Hery ihany àry no afaka niara-nisakafo taminy tany amin’ny hotely, fa tsy afaka ny vadiny. Soa ihany fa mbola tsy noresahin’i Vonjy tamin’olona ny eritreriny. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na efa ela be tahaka ny inona aza isika no nanompo an’i Jehovah, dia mila miezaka foana mamantatra ny tena zava-misy.

18. Inona no mety hitranga raha tsy mifanaraka amin’ny mpiara-manompo amintsika isika?

18 Mety tsy ho vonona hamantatra ny tena zava-misy koa isika, rehefa tsy mifanaraka amin’ny rahalahy na anabavy iray. Mety hiahiahy azy isika raha ilay zavatra tsy ifanarahantsika aminy no mibahana ao an-tsaintsika. Raha vao maheno zavatra ratsy momba azy àry isika, dia mitady hino an’ilay izy avy hatrany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha tezitezitra amin’ny mpiara-manompo amintsika isika, dia mety tsy hijery ny tena zava-misy ka ho diso hevitra momba azy ireo. (1 Tim. 6:4, 5) Tsy hitranga kosa izany raha esorintsika ao am-pontsika ny fialonana sy ny fitsiriritana. Ekeo hoe tsy maintsy tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika ary tsy maintsy mamela azy ireo amin’ny fo.—Vakio ny Kolosianina 3:12-14.

HO VOARO ISIKA RAHA MANARAKA NY TORO LALAN’NY BAIBOLY

19, 20. a) Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika hamantatra raha marina ny zavatra fantatsika na tsia? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Hitantsika teo àry fa tsy mora ny mamantatra raha marina na tsia ny zavatra fantatsika. Tsy ny zava-misy rehetra mantsy matetika no ampahafantarina ny olona, na ny ampahany amin’izay resahina amin’izy ireo ihany no marina. Isika koa tsy lavorary rahateo. Inona àry no hanampy antsika? Mila mahafantatra sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika. Anisan’izany ilay hoe hadalana sady mahamenatra ny mamaly, nefa mbola tsy mahafantatra ny tena zava-misy akory. (Ohab. 18:13) Eo koa ilay hoe aza tonga dia mino befahatany an’izay lazain’ny olona. (Ohab. 14:15) Ary farany, na efa ela be tahaka ny inona aza isika no nanompo an’i Jehovah, dia tsy tokony hiantehitra amin’ny fahaizantsika. (Ohab. 3:5, 6) Ho voaro isika raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, ary miezaka mamantatra ny tena zava-misy. Tsy ho diso hevitra isika amin’izay sady ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara.

20 Mbola misy olana hafa anefa. Mora mitsara ivelany isika. Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona matetika no mahatonga antsika hitsara ivelany, ary inona no hanampy antsika tsy hanao an’izany.

^ feh. 8 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, pejy 111-112, sy ny Diary 2008, pejy 133-135.