Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Aza Mitsara Ivelany

Aza Mitsara Ivelany

“Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsarà araka ny rariny.” —JAONA 7:24.

HIRA: 142, 123

1. Inona no nolazain’i Isaia momba an’i Jesosy, ary nahoana izany no mampahery antsika?

MAMPAHERY antsika ny faminanian’i Isaia momba an’i Jesosy Kristy. Nilaza izy fa “tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny” i Jesosy, “na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra.” (Isaia 11:3, 4) Mampahery antsika izany satria be dia be izao ny olona manavakavaka sy mitsara an-tendrony. Faly isika fa i Jesosy no ho Mpitsara amin’ny hoavy, ary efa tsy andrintsika izany. Izy mantsy tsy hitsara ivelany mihitsy.

2. Inona no tsy tian’i Jesosy hataontsika, ary inona no hodinihintsika ato?

2 Mitsara olona isika isan’andro, izany hoe manana an’izay eritreretintsika momba azy ireny. Tsy hoatran’i Jesosy anefa isika. Tsy lavorary isika ka tsy voatery ho marina foana ny eritreritsika. Matetika isika no mitsara araka izay hitantsika fotsiny. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsarà araka ny rariny.” (Jaona 7:24) Tian’i Jesosy hanahaka azy àry isika, ka tsy hitsara araka izay hitantsika fotsiny. Mety hisy vokany amin’ny fomba itsarantsika ny olona ny volon-kodiny, na ny firenena niaviany, na ny zavatra ananany, na ny taonany. Handinika an’izany isika ato, ary hijery hoe ahoana no azontsika atao mba hankatoavana an’ilay didin’i Jesosy.

 NY VOLON-KODINY NA NY FIRENENA NIAVIANY

3, 4. a) Inona no nahatonga an’i Petera hanova ny fiheverany an’ireo tsy Jiosy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no tian’i Jehovah hampianarina an’i Petera?

3 Nihevitra ny Jiosy hoe maloto ny olona tsy Jiosy. Hoatr’izany koa ny fomba fihevitry ny apostoly Petera hatramin’izy mbola kely. Azo antoka àry hoe lasa saina be izy rehefa nirahina ho any an-tranon’i Kornelio, tany Kaisaria. (Asa. 10:17-29) Tsy Jiosy mantsy i Kornelio. Nisy zava-nitranga nahatonga an’i Petera hiova hevitra anefa. Nahita fahitana, ohatra, izy taloha kelin’izay. (Asa. 10:9-16) Nisy zavatra hoatran’ny lamba nampidinina teo anoloany, ary feno biby ilay izy. Nisy feo avy tany an-danitra niteny taminy hoe: “Mitsangàna, ry Petera, vonoy ka hano!” Nanda mafy anefa i Petera. Biby maloto mantsy ilay izy raha araka ny Lalàna. Niteny indray ilay feo hoe: “Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.” Sahiran-tsaina i Petera avy eo satria tsy azony hoe inona no dikan’ilay fahitana. Tamin’izay no nisy iraka nalefan’i Kornelio tonga tany aminy. Nilaza taminy ny fanahy masina mba hanaraka an’ireo iraka ireo hankany an-tranon’i Kornelio, dia nandeha izy.

4 Tsy ho nankany an-tranon’i Kornelio mihitsy i Petera, raha nitsara ivelany. Tsy fanaon’ny Jiosy mantsy ny niditra tany an-tranon’ny tsy Jiosy. Nahoana anefa i Petera no nandeha tany? Nisy vokany be taminy ilay fahitana sy ny toromarika nomen’ny fanahy masina azy. Tena nanohina ny fony avy eo ny zavatra notantarain’i Kornelio, ka hoy izy: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35) Faly be i Petera rehefa nazava taminy izany. Inona no ho vokatr’izany amin’ny Kristianina hafa rehetra?

5. a) Inona no tian’i Jehovah ho azon’ny Kristianina rehetra? b) Inona no toe-tsaina mety hananantsika, na dia efa mahalala ny fahamarinana aza isika?

5 Nampiasa an’i Petera i Jehovah mba hampianarana ny Kristianina rehetra hoe tsy manavakavaka izy. Tsy mampaninona azy izay volon-koditry ny olona, na ny fireneny, na ny foko niaviany, na ny fiteniny. Izay lehilahy na vehivavy matahotra azy ka manao ny marina dia ankasitrahany. (Gal. 3:26-28; Apok. 7:9, 10) Efa fantatrao angamba izany. Ahoana anefa raha lehibe tany amin’ny firenena betsaka olona manavakavaka ianao, na ny fianakavianao mihitsy no efa zatra manavakavaka? Mieritreritra angamba ianao hoe: ‘Izaho tsy manao an’izany.’ Mety ho mbola manavakavaka ihany anefa ianao any am-ponao any. Na i Petera aza mbola nanavakavaka indray, nefa izy no nampahafantatra ny olona hoe tsy mizaha tavan’olona i Jehovah. (Gal. 2:11-14) Inona àry no hanampy antsika hankatò an’i Jesosy ka tsy hitsara ivelany intsony?

6. a) Inona no azontsika atao raha tsy te hanavakavaka mihitsy isika? b) Inona no toe-tsaina nananan’ny anti-panahy iray, rehefa jerena ny tatitra nataony?

6 Tsy maintsy mandini-tena tsara isika mba hahitana raha mbola manavakavaka na tsia. Azontsika jerena hoe mifanaraka amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ve ny toe-tsaintsika sy izay any am-pontsika. (Sal. 119:105) Azontsika anontaniana koa ny namantsika hoe ahoana no fahitany antsika, na dia mieritreritra aza isika hoe tsy manavakavaka. (Gal. 2:11, 14) Mety ho efa zatra manavakavaka loatra mantsy isika, dia tsy tsapantsika akory ilay izy. Eritrereto ny nataon’ny anti-panahy iray. Nandefa tatitra tany amin’ny biraon’ny sampana momba ny  mpivady iray izy. Mpanompo manontolo andro izy mivady sady tena mahafinaritra. Avy amin’ny foko ambanimbanian’ny olona ilay rahalahy. Nilaza zavatra tsara be dia be momba azy ilay anti-panahy, nefa izao no namaranany an’ilay tatitra: ‘Marina fa avy amin’io foko io izy. Rehefa mijery ny fahazarany sy ny fomba fiainany anefa ny olona, dia hitan’izy ireo hoe tsy izay rehetra avy amin’io foko io akory no maloto. Miaiky koa izy ireo hoe tsy voatery ho ratsy noho ny an-dry zareo ny fahazaran’ny olona avy amin’io foko io sy ny fomba fiainany.’ Hita amin’izany fa na ilay anti-panahy koa aza mba nanavakavaka an’ilay foko, saingy tsy tsapany fotsiny ilay izy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na inona na inona andraikitsika, dia tsy maintsy mandini-tena tsara sy manaiky hampiana isika, raha te hahalala hoe mbola manavakavaka ve isika. Misy zavatra hafa azontsika atao koa anefa.

7. Inona no azontsika atao raha te ‘hanalalaka ny fontsika’ isika?

7 Tena ilaina ny ‘manalalaka ny fo.’ Tsy hanavakavaka isika raha manao an’izany fa ho be fitiavana. (2 Kor. 6:11-13) Eritrereto àry izao: Izay mitovy volon-koditra, na foko, na firenena, na fiteny aminao ihany ve no tena iarahanao? Raha izany, dia miezaha ‘hanalalaka ny fonao.’ Azonao atao, ohatra, ny manasa mpiara-manompo tsy mitovy aminao mba hitory hiaraka aminao. Azonao asaina any an-tranonao koa izy mba hisakafo na hikorana. (Asa. 16:14, 15) Ho feno fitiavana ny fonao amin’izay, ka tsy hanavakavaka mihitsy ianao. Misy zavatra hafa mety hahatonga antsika hitsara ivelany koa. Handinika an’izany isika izao.

NY ZAVATRA ANANANY

8. Araka ny Levitikosy 19:15, inona no mety hitranga raha mitsara olona arakaraka izay ananany isika?

8 Mety hisy vokany amin’ny fiheverantsika ny olona koa ny zavatra ananany. Hoy ny Levitikosy 19:15: “Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena. Tokony ho ara-drariny no hitsaranao ny namanao.” Inona tokoa moa no mety hataontsika raha tsy miezaka manao an’izany isika?

9. Inona no nolazain’i Solomona, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

9 Nahazo fanahy masina i Solomona ka nanoratra momba ny zavatra mampalahelo ataon’ny olona tsy lavorary. Hoy izy: “Ankahalaina ny mahantra, ary na ny namany aza mankahala azy, fa maro kosa ny naman’ny mpanankarena.” (Ohab. 14:20) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha tsy mitandrina isika, dia ireo rahalahy sy anabavy manamanana ihany no mety ho tiantsika hatao namana, fa ny mahantra hihatakatahantsika. Mety hisy vokany ratsy be anefa raha izay ananan’ny olona no eritreretintsika hoe mampisy vidiny azy na tsia. Nahoana?

10. Inona no olana tsikaritr’i Jakoba teo anivon’ny fiangonana sasany?

10 Raha arakaraka izay ananan’ny olona no itsarantsika azy, dia mety hampisara-bazana ny fiangonana isika satria hanjary hitsitokotoko ny olona ao. Izany no nitranga tamin’ny fiangonana sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka nampitandrina an-dry zareo i Jakoba mpianatra. (Vakio ny Jakoba 2:1-4.) Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hisy an’izany toe-tsaina izany ao amin’ny fiangonana misy antsika. Inona àry no hanampy antsika tsy hitsara ny olona arakaraka izay ananany?

11. Miankina amin’ny zavatra ananan’ny olona ve ny fifandraisany amin’i Jehovah? Hazavao.

11 Tokony hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fiheverantsika an’ireo mpiara-manompo amintsika. Tsy hoe tian’i Jehovah ny olona iray satria manankarena na mahantra. Tsy  ny habetsahan’ny zavatra ananantsika no hahatonga antsika hifandray tsara aminy na tsia. Marina fa nilaza i Jesosy hoe “ho sarotra ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.” Tsy nilaza anefa izy hoe tsy ho vitan’izy ireo mihitsy izany. (Mat. 19:23) Nilaza koa izy hoe: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 6:20) Tsy midika anefa izany hoe nanaiky ny fampianaran’i Jesosy ny mahantra rehetra, dia nahazo fitahiana miavaka. Be dia be ny mahantra tsy nety nino azy. Tsy ny zavatra ananan’ny olona àry no ahafahana mitsara hoe mifandray tsara amin’i Jehovah izy na tsia.

12. Inona no toromarika omen’ny Soratra Masina ho an’ny mpanankarena sy ny mahantra?

12 Manankarena ny rahalahy sy anabavy sasany, ary ny hafa mahantra. Samy tia an’i Jehovah sy manompo azy amin’ny fo manontolo izy ireny. Mampirisika ny manankarena ny Soratra Masina ‘mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra.’ (Vakio ny 1 Timoty 6:17-19.) Milaza koa ny Baiboly fa tsy tokony ho tia vola ny mpanompon’i Jehovah rehetra, na manankarena izy na mahantra. (1 Tim. 6:9, 10) Raha mitovy amin’ny an’i Jehovah àry ny fiheverantsika an’ireo rahalahy sy anabavintsika, dia tsy hitsara azy ireo arakaraka izay ananany isika. Ary ahoana indray raha ny taonany no itsarantsika ny olona? Mety ve izany?

NY TAONANY

13. Araka ny Soratra Masina, ahoana no tokony hitondrantsika ny zokiolona?

13 Imbetsaka ny Soratra Masina no mampirisika antsika hanaja ny zokiolona. Milaza, ohatra, ny Levitikosy 19:32 hoe: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo ianao, ary asio fiheverana ny zokiolona, ka matahora an’Andriamanitrao.” Hoy koa ny Ohabolana 16:31: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Nilaza tamin’i Timoty i Paoly mba tsy hanakiana mafy an’ireo rahalahy be taona, fa hihevitra azy ireny ho toy ny ray. (1 Tim. 5:1, 2) Tsy maintsy nangoraka sy nanaja azy ireny àry i Timoty, na dia nanana zo hanoro hevitra azy ireny aza.

14. Rahoviana isika no mila manoro hevitra na mananatra olona be taona kokoa noho isika?

14 Ahoana anefa raha manao fanahy iniana manota na mampirisika ny olona hanao zavatra tsy tian’i Jehovah ny olona iray be taona kokoa noho ianao? Tsy hiteny azy ve ianao satria hoe mila manaja azy? Tsy hilefitra amin’ny olona minia manota i Jehovah, satria fotsiny hoe be taona izy. Mitsara ivelany izy raha manao an’izany. Mariho ity toro lalana ao amin’ny Isaia 65:20 ity: ‘Na efa zato taona aza ny mpanota, dia hozonina.’ Ahitana toro lalana mitovy amin’izany koa ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (Ezek. 9:5-7) I Jehovah, Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be, no tena tokony hohajaintsika voalohany indrindra. (Dan. 7:9, 10, 13, 14) Raha manaja azy isika, dia tsy hatahotra hiteny an’izay olona mila torohevitra, na firy taona izy na firy taona.—Gal. 6:1.

Manaja an’ireo rahalahy tanora kokoa ve ianao? (Fehintsoratra 15)

15. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly?

15 Ary ahoana no fiheveranao an’ireo rahalahy tanora kokoa? Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty: “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao, fa aoka kosa ianao ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.” (1 Tim. 4:12) Mety ho 30 taona teo ho eo i Timoty tamin’izany. Nanankinan’i Paoly andraikitra lehibe anefa izy. Na inona na inona antony nanomezan’i Paoly an’io torohevitra io an’i Timoty, dia misy  lesona azontsika raisina avy amin’izy io. Tsy tokony ho ny taonany no itsarantsika an’ireo rahalahy tanora. Eritrereto koa i Jesosy. Vao 30 taona mahery kely izy dia efa nahavita ny fanompoany rehetra tetỳ an-tany.

16, 17. a) Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mba hamantarana raha azo atolotra ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy ny rahalahy iray? b) Inona no mety hitranga raha ny eritreriny na ny kolontsaina any amin’ny faritra misy azy no arahin’ny anti-panahy?

16 Tsy dia hajaina loatra ny lehilahy tanora any amin’ny faritra sasany. Inona no vokatr’izany? Mety hisy anti-panahy hisalasala hanolotra rahalahy tanora ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy, na dia efa mahafeno fepetra aza izy ireny. Tokony hotadidin’ny anti-panahy rehetra fa tsy milaza ny Soratra Masina hoe firy taona ny rahalahy iray vao azo atolotra ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13; Tit. 1:5-9) Tsy manaraka an’izay voalazan’ny Soratra Masina izy ireo raha manao lalàna momba an’izany, noho ny kolontsaina any amin’ny faritra misy azy. Tsy maintsy manaraka an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny anti-panahy, fa tsy mitsara an’ireo rahalahy tanora araka ny hevitr’izy ireo fotsiny na araka ny kolontsaina eo an-toerana.—2 Tim. 3:16, 17.

17 Mety tsy ho voatendry ny rahalahy mahafeno fepetra, raha ny kolontsaina no mibaiko ny anti-panahy fa tsy izay lazain’ny Baiboly. Nisy mpanampy amin’ny fanompoana tanora nanankinana andraikitra lehibe tany amin’ny tany iray, ary nanao tsara ny andraikiny izy. Samy nanaiky ny anti-panahy hoe nahafeno an’ireo fepetra ao amin’ny Soratra Masina izy, ka azo atolotra ho anti-panahy. Tsy natolotra anefa izy satria nisy anti-panahy vitsivitsy efa be taona nanizingizina hoe tanora loatra ny endriny. Mampalahelo hoe noho ny endriny fotsiny no tsy naha voatendry azy. Izany koa no toe-tsaina fahita any amin’ny tany maro, raha ny tatitra no jerena. Izay lazain’ny Baiboly àry no tena tokony harahintsika, fa tsy ny kolontsaintsika na izay eritreretintsika fotsiny. Rehefa manao an’izany ihany isika vao hahavita hankatò an’i Jesosy ka tsy hitsara ivelany.

MITSARÀ ARAKA NY RARINY

18, 19. Inona no tokony hataontsika raha te hanahaka an’i Jehovah isika?

18 Tsy lavorary isika, nefa afaka manahaka an’i Jehovah ka tsy hanavakavaka. (Asa. 10:34, 35) Mila miezaka foana àry isika sady mitadidy an’izay lazain’ny Baiboly. Raha mampihatra an’izay voalaza ao isika, dia hahavita hankatò an’i Jesosy ka tsy hitsara ivelany intsony.—Jaona 7:24.

19 Tsy ho ela i Jesosy Kristy Mpanjaka dia hitsara ny olombelona rehetra. Hitsara araka ny rariny izy, fa tsy araka izay hitan’ny masony na araka izay ren’ny sofiny fotsiny. (Isaia 11:3, 4) Tena tsy andrintsika izany fotoana izany!