“Mahareta koa ianareo.”—JAK. 5:8.

HIRA: 114, 79

1, 2. a) Inona no mety hahatonga antsika hanontany hoe: “Rahoviana ihany àry?” b) Nahoana no mampahery antsika ny mahafantatra hoe nisy mpanompon’i Jehovah efa nanontany an’izany?

EFA nisy fotoana ve ianao nilaza hoe: “Rahoviana ihany àry?” Efa nanontany hoatr’izany i Isaia sy Habakoka, mpaminany tsy nivadika. (Isaia 6:11; Hab. 1:2) Tamin’i Davida Mpanjaka nanoratra ny Salamo faha-13 koa, dia inefatra izy no nilaza hoe: “Mandra-pahoviana?” (Sal. 13:1, 2) Na i Jesosy Kristy aza nanontany an’izany, rehefa hitany hoe tsy nanam-pinoana ny vahoaka niresahany.—Mat. 17:17.

2 Inona no mety hahatonga anao hanontany hoe: “Rahoviana ihany àry?” Iharan’ny tsy rariny angamba ianao, na mihantitra, na marary. Mety ho be dia be koa ny zavatra mampiady saina anao amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Tim. 3:1) Mety ho kivy be koa ianao mahita ny toe-tsain’ny olona sy ny toetra ratsiny. Mampahery anefa ny mahafantatra hoe tsy nanameloka an’ireo mpanompony tsy nivadika i Jehovah, rehefa nanontany izy ireo hoe: “Mandra-pahoviana?”

3. Inona no hanampy antsika raha manana olana isika?

 3 Inona àry no hanampy antsika tsy ho kivy raha mafy ny manjo antsika? Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao i Jakoba, rahalahin’i Jesosy: ‘Mahareta, ry rahalahy, mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny Tompo.’ (Jak. 5:7) Mila manam-paharetana àry isika rehetra. Ahoana anefa no ampisehoantsika an’io toetra io?

INONA NO ATAO HOE FAHARETANA?

4, 5. a) Inona no atao hoe manam-paharetana? b) Ahoana no nanazavan’i Jakoba ny atao hoe manam-paharetana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Milaza ny Baiboly fa vokatry ny fanahy masina ny fahari-po na faharetana. Raha tsy ampian’i Jehovah isika olombelona tsy lavorary, dia tsy hahavita hanam-paharetana rehefa manana olana lehibe. Avy amin’i Jehovah ny faharetana. Tia azy àry isika raha miezaka hanana an’io toetra io. Tia ny olon-kafa koa isika raha manam-paharetana. Lasa tsy dia mifankatia ny olona rehefa tsy manam-paharetana foana, fa vao mainka mifankatia kosa rehefa manana an’io toetra io. (1 Kor. 13:4; Gal. 5:22) Mahavita miaritra zava-tsarotra sady manana toe-tsaina tsara foana ny olona manam-paharetana. (Kol. 1:11; Jak. 1:3, 4) Tsy mamaly faty izy na dia misy mampijaly aza. Tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy izy, na inona na inona olana mahazo azy. Milaza koa ny Baiboly fa tokony ho vonona hiandry isika. Manasongadina an’izany ny Jakoba 5:7, 8. (Vakio.)

5 Nahoana isika no tokony ho vonona hiandry an’i Jehovah hanao zavatra? Oharin’i Jakoba amin’ny mpamboly isika. Na miezaka mafy mamboly aza izy, dia tsy azony hafainganina ny fotoana na ny fanirin’ny voa namboleny. Tsy mahavita mifehy ny toetrandro koa izy. Tsy maintsy manam-paharetana izy, ka miandry “ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany.” Hoatr’izany koa isika. Betsaka ny zavatra tsy azontsika ovana na hafainganina, eo am-piandrasana an’i Jehovah hanatanteraka ny fampanantenany. (Mar. 13:32, 33; Asa. 1:7) Mila manam-paharetana toa an’ilay mpamboly àry isika.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Mika mpaminany?

6 Sarotra be ny fiainana tamin’ny andron’i Mika mpaminany, hoatran’ny amin’izao ihany. I Ahaza no mpanjaka tamin’izany. Ratsy fanahy izy, ka lasa hoatr’izany koa ny ankamaroan’ny vahoakany. Havanana tamin’ny fanaovan-dratsy izy ireo. (Vakio ny Mika 7:1-3.) Fantatr’i Mika fa tsy afaka hanova an’izany izy. Inona àry no nataony? Hoy izy: “Fa izaho kosa, dia i Jehovah no handrandraiko. Vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy aho. Dia hihaino ahy ilay Andriamanitro.” (Mika 7:7) Tokony ho “vonona hiandry” hoatran’i Mika koa isika.

7. Inona no toe-tsaina tokony hananantsika, eo am-piandrasana an’i Jehovah hanatanteraka ny fampanantenany?

7 Raha manam-pinoana toa an’i Mika isika, dia tena ho vonona hiandry an’i Jehovah. Eritrereto, ohatra, ny voafonja iray voaheloka ho faty, dia miandry ny fotoana hamonoana azy. Voatery miandry izy, fa tsy hoe tsy andriny ilay izy. Isika kosa vonona hiandry an’i Jehovah, satria fantatsika fa hotanterahiny amin’ny fotoana mety ilay fampanantenany hoe homeny fiainana mandrakizay isika. ‘Miaritra tanteraka’ àry isika ‘sady maneho fahari-po amim-pifaliana.’ (Kol. 1:11, 12) Eo am-piandrasana an’i Jehovah anefa, dia tsy mimenomenona  isika hoe ela be izy vao manao zavatra. Tsy ho faly mantsy izy raha mitaraina hoatr’izany isika.—Kol. 3:12.

MODELY HO ANTSIKA IZY IREO

8. Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa misaintsaina ny modely navelan’ny olona fahiny isika?

8 Inona no hanampy anao ho vonona kokoa hiandry an’i Jehovah? Saintsaino ny modely navelan’ny mpanompon’i Jehovah fahiny. (Rom. 15:4) Nanam-paharetana izy ireo, ka niandry an’i Jehovah hanatanteraka ny fampanantenany. Eritrereto àry izao: Hafiriana izy ireo no nila niandry? Nahoana izy ireo no vonona hiandry? Ary inona no soa azony tamin’izany?

Tsy maintsy niandry nandritra ny taona maro i Abrahama vao teraka i Esao sy Jakoba zafikeliny (Fehintsoratra 9, 10)

9, 10. Nila niandry hafiriana i Abrahama sy Saraha vao tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah?

9 Eritrereto i Abrahama sy Saraha. “Nanana finoana sy faharetana” izy ireo, ka ‘nandova ny fampanantenana.’ Milaza ny Baiboly fa “rehefa avy nampiseho faharetana” i Abrahama, dia nampanantena i Jehovah fa hitahy azy sy hanome azy taranaka maro be. (Heb. 6:12, 15) Nahoana i Abrahama no nila nanam-paharetana? Satria elaela vao tanteraka daholo izay nampanantenain’i Jehovah azy. Tamin’ny 14 Nisana taona 1943 T.K. no nanomboka tanteraka ilay izy. Niampita ny Reniranon’i Eofrata niaraka tamin’ny ankohonany i Abrahama sy Saraha tamin’izay, ary tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nila niandry 25 taona i Abrahama taorian’izay, satria tamin’ny 1918 T.K. vao teraka i Isaka. Mbola tsy maintsy niandry 60 taona izy avy eo. Tamin’ny 1858 T.K. mantsy vao teraka i Esao sy Jakoba zafikeliny.—Heb. 11:9.

10 Ampahafirin’ny Tany Nampanantenaina no lasa lovan’i Abrahama? Hoy ny  Asan’ny Apostoly 7:5: ‘Tsy nanome azy lova teto Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza, fa nampanantena kosa ny hanome ity tany ity ho fananany sy ho fananan’ny taranany mandimby azy, na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin’izay.’ Efa 430 taona taorian’ny niampitan’i Abrahama ny Reniranon’i Eofrata vao lasa firenena ny taranany, ka nipetraka tao amin’ilay tany.—Eks. 12:40-42; Gal. 3:17.

11. Nahoana i Abrahama no vonona hiandry an’i Jehovah? Inona ny fitahiana ho azony noho izy nanam-paharetana?

11 Vonona hiandry an’i Jehovah i Abrahama, satria tena nanam-pinoana. Natoky izy hoe hanatanteraka an’izay nampanantenainy i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 11:8-12.) Faly izy niandry, na dia tsy tanteraka tamin’ny androny aza izany. Eritrereto ny hafaliany rehefa hatsangana amin’ny maty izy, ka hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ho gaga be izy hoe ampahany betsaka amin’ny Baiboly no miresaka ny tantarany sy ny tantaran’ny taranany. * Ho faly be koa izy rehefa fantany hoe nanampy an’i Jehovah hanatanteraka ny fikasany momba ny Mesia ny zavatra sasany nataony. Tsy maintsy hiaiky izy hoe tsy matiantoka izy niandry.

12, 13. Nahoana i Josefa no nila nanam-paharetana, ary inona no ohatra tsara navelany?

12 Faly niandry an’i Jehovah koa i Josefa, zafiafin’i Abrahama. Tena tsy rariny ny natao taminy. Nivarotra azy ho andevo ny rahalahiny tamin’izy 17 taona teo ho eo. Voaendrikendrika ho nanolana ny vadin’ny tompony izy tatỳ aoriana, ka nigadra. (Gen. 39:11-20; Sal. 105:17, 18) Tsy mba nahazo fitahiana noho ny zavatra tsara nataony izy, fa hoatran’ny hoe voasazy. Niova tampoka anefa ny fiainany 13 taona taorian’izay. Nafahana tany am-ponja izy, ary lasa manam-pahefana faharoa nanarakaraka ny mpanjakan’i Ejipta.—Gen. 41:14, 37-43; Asa. 7:9, 10.

13 Kivy be ve i Josefa noho izy niharan’ny tsy rariny? Lasa tsy natoky an’i Jehovah intsony ve izy? Tsia. Nanam-paharetana izy. Ahoana no nahavitany an’izany? Natoky izy hoe manampy azy i Jehovah. Hita amin’ireto teniny tamin’ny rahalahiny ireto izany: “Aza matahotra, fa izaho angaha solon’Andriamanitra? Nikendry ny hanisy ratsy ahy ianareo, nefa araka izao hita androany izao, dia nikendry ny hanao soa avy amin’izany kosa Andriamanitra, mba hamonjena ain’olona maro.” (Gen. 50:19, 20) Niaiky i Josefa hoe tsy matiantoka izy niandry.

14, 15. a) Nahoana no tena mahavariana ny faharetan’i Davida? b) Inona no nanampy azy hanam-paharetana?

14 Be dia be koa ny tsy rariny nihatra tamin’i Davida. Mbola kely izy dia efa nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely. Nila niandry 15 taona teo ho eo anefa izy vao tena nanjaka tamin’ny foko niaviany. (2 Sam. 2:3, 4) Nisy fotoana izy notadiavin’i Saoly Mpanjaka hovonoina. * Voatery nandositra izy, dia nankany an-tany hafa mihitsy. Indraindray aza izy niafina tany anaty lava-bato tany an-tany efitra. Na dia maty tany an’ady aza i Saoly tamin’ny farany, dia mbola tsy maintsy niandry fito taona i Davida vao lasa mpanjakan’ny firenen’Israely.—2 Sam. 5:4, 5.

 15 Nahoana i Davida no vonona hiandry foana? Hita ao amin’ilay Salamo faha-13 ny valin’izany. Hoy i Davida ao: “Fa izaho kosa matoky ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, hifaly amin’ny famonjenao anie ny foko! Hihira ho an’i Jehovah aho fa namaly soa ahy izy.” (Sal. 13:5, 6) Natoky i Davida hoe tia azy i Jehovah ary tsy hivadika aminy mihitsy. Nitadidy an’ireo fotoana nanampian’i Jehovah azy izy, ary natoky fa hanavotra azy i Jehovah. Fantany fa tsy ho matiantoka mihitsy izy raha miandry.

Tsy hangataka antsika hanam-paharetana mihitsy i Jehovah, raha izy aza tsy manam-paharetana

16, 17. Nahoana isika no milaza fa i Jehovah sy Jesosy no modely tsara indrindra amin’ny faharetana?

16 Tsy hangataka antsika hanam-paharetana mihitsy i Jehovah, raha izy aza tsy manam-paharetana. Izy no modely tsara indrindra amin’izany. (Vakio ny 2 Petera 3:9.) Niandry nandritra ny an’arivony taona, ohatra, izy mba ho voaporofo tsara fa diso ny fiampangan’i Satana azy tao Edena. “Manantena” sady “miandry” foana an’ilay fotoana hanamasinana tanteraka ny anarany koa izy. Rehefa tanteraka izany, dia handray fitahiana be dia be izay rehetra “miandry azy.”—Isaia 30:18.

17 Vonona hiandry koa i Jesosy. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy tetỳ an-tany. Nomeny an’i Jehovah ny vidin’ny sorona nataony rehefa niverina tany an-danitra izy, tamin’ny taona 33. Nila niandry anefa izy avy eo, satria tamin’ny 1914 izy vao lasa Mpanjaka. (Asa. 2:33-35; Heb. 10:12, 13) Mbola mila miandry foana koa izy izao, satria amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona vao ho ringana daholo ny fahavalony. (1 Kor. 15:25) Ela tokoa izany fotoana hiandrasany izany, nefa azo antoka hoe tena hahasoa.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANAM-PAHARETANA?

18, 19. Inona no hanampy antsika hanam-paharetana?

18 Tokony ho vonona hiandry sy hanam-paharetana àry isika rehetra. Inona anefa no hanampy antsika hahavita an’izany? Mivavaha mba hahazo fanahy masina. Anisan’ny vokatry ny fanahy mantsy ny fahari-po na faharetana. (Efes. 3:16; 6:18; 1 Tes. 5:17-19) Mitalahoa amin’i Jehovah mba hanampiany anao hiaritra sy hanam-paharetana.

19 Tadidio koa hoe inona no nanampy an’i Abrahama sy Josefa ary Davida hahavita hiandry an’i Jehovah hanatanteraka ny fampanantenany. Nanam-pinoana izy ireo ary natoky an’i Jehovah. Tsy nieritreritra be momba ny tenany sy izay hampetipety ny fiainany koa izy ireo. Nandray soa izy ireo satria nahay niandry. Ho vonona hiandry an’i Jehovah koa isika, raha misaintsaina ny soa azon’izy ireny.

20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 “Vonona hiandry” foana àry isika, na inona na inona olana mahazo antsika. Mety hitaraina isika indraindray hoe: “Mandra-pahoviana, Jehovah ô?” (Isaia 6:11) Hanampy antsika anefa ny fanahy masina, ka ho afaka hanahaka an’i Jeremia mpaminany isika. Hoy izy: “I Jehovah no anjarako. Noho izany, dia ho vonona hiandry azy aho.”—Fitom. 3:21, 24.

^ feh. 11 Toko 15 eo ho eo ao amin’ny Genesisy no miresaka an’i Abrahama. Im-70 mahery koa ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no niresaka momba azy.

^ feh. 14 Marina fa tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony i Saoly, rehefa avy nanjaka roa taona mahery kely. Mbola navelany hitondra nandritra ny 38 taona mahery anefa izy, mandra-pahafatiny.—1 Sam. 13:1; Asa. 13:21.